1 ULB Tamin'ny fahafito ambin'ny folo taona nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, no nanomboka nanjaka i Ahaza zanakin'i Jotama mpanjakan'i Joda. BSB BSB: In the seventeenth year of Pekah son of Remaliah, Ahaz son of Jotham became king of Judah.
2 ULB Roapolo taona i Ahaza no nanomboka nanjaka, nanjaka nandritra ny fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Tsy nanao izay marina teo imason'i Yaveh Andriamaniny, toy ny nataon'i Davida razambeny izy. BSB BSB: Ahaz was twenty years old when he became king, and he reigned in Jerusalem sixteen years. And unlike David his father, he did not do what was right in the eyes of the LORD his God.
3 ULB Fa kosa, nanaraka ny lalan'ireo mpanjakan'Israely izy; nataony tao anaty afo ho fanatitra dorana ny zanany lahy, ho fanarahana ireo fampianarana ratsin'ireo firenena, izay efa noroasin'i Yaveh teo anoloan'ny vahoakan'Israely. BSB BSB: Instead, he walked in the ways of the kings of Israel and even sacrificed his son in the fire, according to the abominations of the nations that the LORD had driven out before the Israelites.
4 ULB Nanolotra fanatitra izy sady nandoroditin-kazo manitra tany amin'ireo toerana avo, teny amin'ireo havoana, ary teny ambanin'ny hazo maitso rehetra. BSB BSB: And he sacrificed and burned incense on the high places, on the hills, and under every green tree.
5 ULB Ary i Rezina, mpanjakan'i Syria sy Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely dia niakatra mba hanafika an'i Jerosalema. Nanao fahirano an'i Ahaza izy ireo, nefa tsy naharesy azy izy ireo. BSB BSB: Then Rezin king of Aram and Pekah son of Remaliah king of Israel came up to wage war against Jerusalem. They besieged Ahaz but could not overcome him.
6 ULB Tamin'izany fotoana izany, i Rezina mpanjakan'i Syria dia niverina naka an'i Elota ho an'i Syria ary nandroaka ireo olon'i Joda hiala an'i Elota. Avy eo dia nankany Elota ireo Syriana any amin'izay efa nonenan'izy ireo mandraka androany. BSB BSB: At that time Rezin king of Aram recovered Elath for Aram, drove out the men of Judah, and sent the Edomites into Elath, where they live to this day.
8 ULB Dia nalain'i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena izay hitany tao an-tranon'i Yaveh sy teo amin'ireo harenan'ny lapan'ny mpanjaka ary nalefany ho fanomezana ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany. BSB BSB: Ahaz also took the silver and gold found in the house of the LORD and in the treasuries of the king’s palace, and he sent it as a gift to the king of Assyria.
9 ULB Dia nihaino azy ny mpanjakan'i Asyria, ary niakatra nanohitra an'i Damaskosy ny mpanjakan'i Asyria, nandresy izany sy naka ireo vahoaka ho gadra ho an'i Kira. Novonoiny ihany koa i Rezina mpanjakan'i Syria. BSB BSB: So the king of Assyria responded to him, marched up to Damascus, and captured it. He took its people to Kir as captives and put Rezin to death.
10 ULB Nandeha tany Damaskosy i Ahaza mpanjaka mba hihaona amin'i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Nahita alitara iray tao Damaskosy izy. Nandefa ny modely sy ny sarin'ny alitara ary ny endriky ny asa ilaina rehetra tany amin'i Oria mpisorona izy. BSB BSB: Then King Ahaz went to Damascus to meet Tiglath-pileser king of Assyria. On seeing the altar in Damascus, King Ahaz sent Uriah the priest a model of the altar and complete plans for its construction.
11 ULB Oria mpisorona dia nanamboatra alitara mitovy amin'ireo firafitra efa nalefan'i Ahaza mpanjaka avy any Damaskosy. Novitainy talohan'ny niverenan'i Ahaza mpanjaka avy any Damaskosy izany. BSB BSB: And Uriah the priest built the altar according to all the instructions King Ahaz had sent from Damascus, and he completed it before King Ahaz returned.
12 ULB Rehefa tonga avy any Damakosy ny mpanjaka dia nahita ny alitara; nanatona ny alitara ny mpanjaka sady nanatitra fanatitra teo amin'izany. BSB BSB: When the king came back from Damascus and saw the altar, he approached it and presented offerings on it.
13 ULB Nanao fanatitra dorana sy fanatitra vary izy, ary nandraraka ny fanatiny fisotro sy namafy ny rà avy amin'ny fanati-pihavanany teo amin'ny alitara. BSB BSB: He offered his burnt offering and his grain offering, poured out his drink offering, and splattered the blood of his peace offerings on the altar.
14 ULB Ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh—dia nalàny teo anoloan'ny tempoly, avy teo anelanelan'ny alitarany sy ny tempolin'i Yaveh ary nataony teo amin'ny faritra avaratry ny alitarany izany. BSB BSB: He also took the bronze altar that stood before the LORD from the front of the temple (between the new altar and the house of the LORD) and he put it on the north side of the new altar.
15 ULB Avy eo dia nandidy an'i Oria mpisorona i Ahaza mpanjaka, nanao hoe: "Eo ambonin'ny alitara lehibe no handorana ny fanatitra dorana ny maraina ary ny hariva dia ny fanatitra vary, ary ireo fanatitra doran'ny mpanjaka sy fanatitra vary, miaraka amin'ireo fanatitra doran'ny vahoakan'ny tany rehetra, sy ireo fanatitra vary ary ireo fanatitra fisotron'izy ireo. Afafazo eo ambonin'izany ny rà rehetra avy amin'ny fanatitra dorana, ary ny rà rehetra avy amin'ny sorona. Fa ny alitara varahina dia ho ahy mba ho fakàna torohevitra." BSB BSB: Then King Ahaz commanded Uriah the priest, “Offer on the great altar the morning burnt offering, the evening grain offering, and the king’s burnt offering and grain offering, as well as the burnt offerings, grain offerings, and drink offerings of all the people of the land. Splatter on the altar all the blood of the burnt offerings and sacrifices. But I will use the bronze altar to seek guidance.”
16 ULB Dia nanao araka izay nandidian'i Ahaza mpanjaka azy i Oria mpisorona. BSB BSB: So Uriah the priest did just as King Ahaz had commanded.
17 ULB Avy eo dia nesorin'i Ahaza mpanjaka teo amin'ny tsanganana azo afindra ireo takelaka sy ireo koveta; nampidininy ihany koa ny koveta teo amin'ny omby varahina izay teo ambanin'izany ary napetraka teo amin'ny lampivato izany. BSB BSB: King Ahaz also cut off the frames of the movable stands and removed the bronze basin from each of them. He took down the Sea from the bronze oxen that were under it and put it on a stone base.
18 ULB Nohon'ny mpanjakan'i Asyria, dia nalàny ireo fandrakofana ho an'ny Sabata izay efa namboarin'izy ireo tao an-tempoly, mbamin'ny fidiran'ny mpanjaka teo ivelan'ny tempolin'i Yaveh. BSB BSB: And on account of the king of Assyria, he removed the Sabbath canopy they had built in the temple and closed the royal entryway outside the house of the LORD.
19 ULB Raha ny raharaha hafa mahakasika an'i Ahaza sy izay nataony, moa tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Ahaz, along with his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah?
20 ULB Nodimandry sy nalevina niaraka tamin'ireo razany tao an-tanànan'i Davida i Ahaza. Lasa mpanjaka nandimby azy i Hezekia zanany lahy. BSB BSB: And Ahaz rested with his fathers and was buried with them in the City of David, and his son Hezekiah reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.