1 ULB Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza mpanjakan'i Joda, no nanomboka ny fanjakan'i Hosea zanak'i Elaha. Nanjaka tao Samaria nanerana ny Israely nandritra ny sivy taona izy. BSB BSB: In the twelfth year of the reign of Ahaz over Judah, Hoshea son of Elah became king of Israel, and he reigned in Samaria nine years.
2 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tsy tahaka ireo mpanjakan'Israely izay teo alohany. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD, but not like the kings of Israel who preceded him.
3 ULB Nanafika azy i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, ka tonga mpanompony i Hosea ary nitondra fanomezam-boninahitra ho azy. BSB BSB: Shalmaneser king of Assyria attacked him, and Hoshea became his vassal and paid him tribute.
4 ULB Ary hitan'ny mpanjakan'i Asyria fa nitetika hanohitra azy i Hosea, satria nandefa mpitondra hafatra nankany amin'i So mpanjakan'i Egypta i Hosea; ary koa, tsy mba nanolotra fanomezam-boninahitra ho an'ny mpanjakan'i Asyria izy, tahaka ny nataony isan-taona isan-taona. Ka nidin'ny mpanjakan'i Asyria izy ary nofatorany tany am-ponja. BSB BSB: But the king of Assyria discovered that Hoshea had conspired to send envoys to King So of Egypt, and that he had not paid tribute to the king of Assyria as in previous years. Therefore the king of Assyria arrested Hoshea and put him in prison.
5 ULB Avy eo dia nanafika nanerana ny tany rehetra ny mpanjakan'i Asyria, ary nanafika an'i Samaria sy nanao fahirano an'izany nandritra ny telo taona. BSB BSB: Then the king of Assyria invaded the whole land, marched up to Samaria, and besieged it for three years.
7 ULB Nitranga izany fahababoana izany satria nanota tamin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ny vahoak'Israely, izay nitondra azy ireo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, avy teo ambany fifehezan'i Farao mpanjakan'i Egypta. Efa nanompo andriamani-kafa ireo vahoaka BSB BSB: All this happened because the people of Israel had sinned against the LORD their God, who had brought them out of the land of Egypt from under the hand of Pharaoh king of Egypt. They had worshiped other gods
8 ULB ka nandeha tamin'ny fanaon'ireo firenena izay efa naringan'i Yaveh teo anatrehan'ireo zanak'Israely, sy tamin'ny fanaon'ireo mpanjakan'Israely izay efa nataon'izy ireo. BSB BSB: and walked in the customs of the nations that the LORD had driven out before the Israelites, as well as in the practices introduced by the kings of Israel.
9 ULB Ny zanak'Israely—dia nanao ireo zavatra izay tsy marina an-tsokosoko—hanohitra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanangana fitoerana avo ho azy manerana an'ireo tanànany izy ireo, hatrany amin'ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin'ny manda fiarovana. BSB BSB: The Israelites secretly did things against the LORD their God that were not right. From watchtower to fortified city, they built high places in all their cities.
10 ULB Nanangana tsangam-bato sy baon'Aseraha teny amin'ny havoana avo rehetra sy tany ambanin'ny hazo maitso rehetra ihany koa izy ireo. BSB BSB: They set up for themselves sacred pillars and Asherah poles on every high hill and under every green tree.
11 ULB Teny izy ireo no nandoro ditin-kazo manitra tamin'ireo fitoerana avo rehetra, tahaka ny nataon'ireo firenena, ireo izay nentin'i Yaveh teo anatrehan'izy ireo. Nanatanteraka zava-dratsy ireo Israelita mba hahatonga an'i Yaveh ho tezitra; BSB BSB: They burned incense on all the high places like the nations that the LORD had driven out before them. They did wicked things, provoking the LORD to anger.
12 ULB izy ireo dia nanompo sampy, momba izay efa notenen'i Yaveh azy ireo hoe: "Tsy hanao izany zavatra izany ianareo." BSB BSB: They served idols, although the LORD had told them, “You shall not do this thing.”
13 ULB Nefa Yaveh efa nanambara tamin'Israely sy tamin'i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany tsirairay sy ny mpahita tsirairay, nanao hoe: "Mialà amin'ireo fomba ratsinareo ka tandrovy ireo didiko sy ireo lalàko, ary meteza hanaraka ny lalàna rehetra nandidiako ireo razanareo, ary izay nirahiko ho aminareo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko. BSB BSB: Yet through all His prophets and seers, the LORD warned Israel and Judah, saying, “Turn from your wicked ways and keep My commandments and statutes, according to the entire Law that I commanded your fathers and delivered to you through My servants the prophets.”
14 ULB Kanefa tsy nihaino izy ireo; fa kosa mafy loha tokoa tahaka ireo razany izay tsy nahatoky an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: But they would not listen, and they stiffened their necks like their fathers, who did not believe the LORD their God.
15 ULB Nolavin'izy ireo ny lalàny sy ny fanekem-pihavanana izay nataony tamin'ireo razany, ary ireo didy fanekena izay nomeny azy ireo. Nanaraka fomba tsy nisy nilàna azy izy ireo ary ny tenan'izy ireo mihitsy no lasa tsy nisy nilàna azy. Nanaraka ireo firenena mpanompo sampy izay nanodidina azy izy ireo, dia ireo izay nandidian'i Yaveh azy ireo tsy hotahafina. BSB BSB: They rejected His statutes and the covenant He had made with their fathers, as well as the decrees He had given them. They pursued worthless idols and became worthless themselves, going after the surrounding nations that the LORD had commanded them not to imitate.
16 ULB Izy ireo dia nanao tsinontsinona ireo didy rehetran'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanamboatra sarin-janak'omby roa vita tamin'ny vy izy ireo mba ho tompoina. Nanamboatra baon'Aseraha izy ireo, ary nanompo an'i Bala sy ireo kintana rehetra teny an-danitra. BSB BSB: They abandoned all the commandments of the LORD their God and made for themselves two cast idols of calves and an Asherah pole. They bowed down to all the host of heaven and served Baal.
17 ULB Nalefan'izy ireo tanaty afo ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo, nampiasa ireo sikidy sy famosaviana, nivarotra ny tenan'izy ireo mba hanao izay ratsy teo imason'i Yaveh, sy nahatonga Azy ho tezitra. BSB BSB: They sacrificed their sons and daughters in the fire and practiced divination and soothsaying. They devoted themselves to doing evil in the sight of the LORD, provoking Him to anger.
18 ULB Noho izany dia tezitra mafy tamin'Israely i Yaveh ka nanaisotra azy ireo tsy ho eo imasony. Tsy nisy na iray aza tafajanona afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany. BSB BSB: So the LORD was very angry with Israel, and He removed them from His presence. Only the tribe of Judah remained,
19 ULB Na dia i Joda aza tsy nahatàna ny didin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, fa kosa nanaraka fanompoan-tsampy nitovy tamin'izay narahin'Israely. BSB BSB: and even Judah did not keep the commandments of the LORD their God, but lived according to the customs Israel had introduced.
20 ULB Noho izany dia nolavin'i Yaveh avokoa ireo taranak'Israely rehetra; nampahoriany izy ireo ary natolony teny an-tanan'ireo izay mpambabo ny fananan'izy ireo, mandra-pitsonik'izy ireo tsy ho eo imasony. BSB BSB: So the LORD rejected all the descendants of Israel. He afflicted them and delivered them into the hands of plunderers, until He had banished them from His presence.
21 ULB Nanaisotra ny Israely tamin'ny fitohizan-taranak'i Davida Izy, ary nametraka an'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata mpanjaka. Nitarika ny Israely hiala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh i Jeroboama ary nampanao fahotana lehibe azy ireo. BSB BSB: When the LORD had torn Israel away from the house of David, they made Jeroboam son of Nebat king, and Jeroboam led Israel away from following the LORD and caused them to commit a great sin.
22 ULB Nanaraka ny fahotan'i Jeroboama rehetra ny zanak'Israely ary tsy niala tamin'ireny izy ireo, BSB BSB: The Israelites persisted in all the sins that Jeroboam had committed and did not turn away from them.
23 ULB ka nesorin'i Yaveh teo imason'Israely, araka ny nolazainy tamin'ireo mpaminany mpanompony rehetra fa hataony. Dia nentina lavitra ivelan'ny tanin'izy ireo tany Asyria ny Israely, ary mbola any foana hatramin'izao andro izao. BSB BSB: Finally, the LORD removed Israel from His presence, as He had declared through all His servants the prophets. So Israel was exiled from their homeland into Assyria, where they are to this day.
24 ULB Nitondra vahoaka avy tany Babylona sy avy tany Kota, sy avy tany Ava, sy avy tany Hamata sy Sefarivaima ny mpanjakan'i Asyria, ka nametraka azy ireo tany amin'ny tanànan'i Samaria teo amin'ny toeran'ny Zanak'Israely. Dia nahazo an'i Samaria ireny ka nonina tao amin'ny tanànany. BSB BSB: Then the king of Assyria brought people from Babylon, Cuthah, Avva, Hamath, and Sepharvaim and settled them in the towns of Samaria to replace the Israelites. They took possession of Samaria and lived in its towns.
25 ULB Ary tamin'ny fiantombohan'ny fonenan'izy ireo tany dia tsy nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo. Koa nandefa liona tamin'izy ireo izay namono ny sasany tamin'izy ireo i Yaveh. BSB BSB: Now when the settlers first lived there, they did not worship the LORD, so He sent lions among them, which killed some of them.
26 ULB Dia niteny tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ireo, nanao hoe: "Ireo firenena izay avy nentinao sy napetrakao tato amin'ny tanànan'i Samaria dia tsy mahafantatra ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany. Ka nandefa liona teo amin'izy ireo izy, ary, indro, mamono ny olona ireo liona satria tsy mahalala ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany izy ireo." BSB BSB: So they spoke to the king of Assyria, saying, “The peoples that you have removed and placed in the cities of Samaria do not know the requirements of the God of the land. Because of this, He has sent lions among them, which are indeed killing them off.”
27 ULB Ary ny mpanjakan'i Asyria nibaiko, nanao hoe: "Alaivo ny iray amin'ireo mpisorona izay nentinareo avy tany, ka aoka izy handeha sy honina any, ary aoka izy hampianatra azy ireo ny fomba izay takian'ny andriamanitry ny tany." BSB BSB: Then the king of Assyria commanded: “Send back one of the priests you carried off from Samaria, and have him go back to live there and teach the requirements of the God of the land.”
28 ULB Koa tonga nonina tany Betela ny iray tamin'ireo mpisorona izay avy nentin'izy ireo avy tany Samaria; nampianatra azy ireo ny fomba tokony hideran'izy ireo an'i Yaveh izy. BSB BSB: Thus one of the priests they had carried away came and lived in Bethel, and he began to teach them how they should worship the LORD.
29 ULB Nanao andriamanitra ho azy avy ireo foko tsirairay, ka nametraka azy ireny teny amin'ny fitoerana avo izay nataon'ireo Samaritana—ny foko tsirairay tany amin'ny tanàna nonenany avy. BSB BSB: Nevertheless, the people of each nation continued to make their own gods in the cities where they had settled, and they set them up in the shrines that the people of Samaria had made on the high places.
30 ULB Ny vahoakan'i Babylona nanamboatra an'i Sokota-benota; ny vahoakan'i Kota nanamboatra an'i Nergala; ny vahoakan'i Hamata nanamboatra an'i Asima; BSB BSB: The men of Babylon made Succoth-benoth, the men of Cuth made Nergal, the men of Hamath made Ashima,
31 ULB ireo Avita nanamboatra an'i Nibaza sy Tartaka. Ireo Sefarvita nandoro ireo zanany tao amin'ny afo ho an'i Adrameleka sy Anameleka, andriamanitry ny Sefarvaima. BSB BSB: the Avvites made Nibhaz and Tartak, and the Sepharvites burned their children in the fire to Adrammelech and Anammelech the gods of Sepharvaim.
32 ULB Nanome voninahitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo, ka nanendry mpisoron'ireo fitoerana avo avy tamin'izy ireo, izay nanao sorona ho azy ireo tao amin'ny tempoly tao amin'ireo toerana avo. BSB BSB: So the new residents worshiped the LORD, but they also appointed for themselves priests of all sorts to serve in the shrines of the high places.
33 ULB Nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo sady nanompo ireo andriamanitr'izy ireo, tamin'ny fomba fanaon'ireo firenena tamin'izay efa nentin'izy ireo. BSB BSB: They worshiped the LORD, but they also served their own gods according to the customs of the nations from which they had been carried away.
34 ULB Hatramin'izao andro izao dia mikiry amin'ireo fomba fanaon'izy ireo taloha izy ireo. Sady tsy manome voninahitra an'i Yaveh izy ireo, no tsy manaraka ireo didy aman-dalàna izay natolotr'i Yaveh tamin'ny vahoakan'i Jakoba—izay nantsoiny hoe: Israely— BSB BSB: To this day they are still practicing their former customs. None of them worship the LORD or observe the statutes, ordinances, laws, and commandments that the LORD gave the descendants of Jacob, whom He named Israel.
35 ULB ary tamin'izay nanaovan'i Yaveh fanekena sy nandidiany azy ireo hoe: "Tsy hatahotra andriamani-kafa ianareo, na hiankohoka amin'izy ireny, na hanompo azy ireny, na hanao fisoronana ho azy ireny. BSB BSB: For the LORD had made a covenant with the Israelites and commanded them, “Do not worship other gods or bow down to them; do not serve them or sacrifice to them.
36 ULB Nefa i Yaveh, izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy tanana nisandratra, no ilay Iray izay tsy maintsy omenareo voninahitra; Izy no hiankohofanareo, ary ho Azy ny sorona ataonareo. BSB BSB: Instead, worship the LORD, who brought you out of the land of Egypt with great power and an outstretched arm. You are to bow down to Him and offer sacrifices to Him.
37 ULB Ireo didy aman-dalàna izay nosoratany ho anareo, hotànanareo mandrakariva ireny. Noho izany aza matahotra andriamani-kafa ianareo, BSB BSB: And you must always be careful to observe the statutes, ordinances, laws, and commandments He wrote for you. Do not worship other gods.
38 ULB ary ny fanekem-pihavanana izay efa nataoko taminareo, dia tsy ho adinoinareo; na ianareo hanome voninahitra andriamani-kafa. BSB BSB: Do not forget the covenant I have made with you. Do not worship other gods,
39 ULB Fa Yaveh Andriamanitrareo no homenareo voninahitra. Izy no hamonjy anareo amin'ny herin'ireo fahavalonareo." BSB BSB: but worship the LORD your God, and He will deliver you from the hands of all your enemies.”
40 ULB Tsy nihaino izy ireo, satria nanohy nanao izay nataon'izy ireo tany amin'ny lasa izy ireo. BSB BSB: But they would not listen, and they persisted in their former customs.
41 ULB Ka dia natahotra an'i Yaveh ireo firenena ary nanompo ireo sarin-javatra voasokitr'izy ireo ihany koa izy ireo, ary nanao toy izany ihany koa ireo zanak'izy ireo—tahaka izay nataon'ny taranaky ny zanak'izy ireo. Manohy manao izay nataon'ireo razany hatrany izy ireo, mandrak'ankehitriny. BSB BSB: So these nations worshiped the LORD but also served their idols, and to this day their children and grandchildren continue to do as their fathers did.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.