2 ULB Dimy amby roapolo taona izy no nanomboka nanjaka; nanjaka sivy amby roapolo taona tany Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia i Aby; zanaka vavin'i Zakaria izy. BSB BSB: He was twenty-five years old when he became king, and he reigned in Jerusalem twenty-nine years. His mother’s name was Abi, the daughter of Zechariah.
3 ULB Ary nanao izay mahitsy teo imason'i Yaveh izy, nanaraka ny ohatra rehetra izay efa nataon'i Davida, razambeny. BSB BSB: And he did what was right in the eyes of the LORD, just as his father David had done.
5 ULB Nahatoky an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely i Hezekia, mba tsy hisy olona hitovy aminy ao aoriany eo amin'ireo mpanjakan'i Joda rehetra, na eo amin'ireo mpanjaka izay teo alohany. BSB BSB: Hezekiah trusted in the LORD, the God of Israel. No king of Judah was like him, either before him or after him.
6 ULB Fa nifikitra tamin'i Yaveh izy. Tsy nitsahatra nanaraka azy izy ary nitandrina ireo didiny, izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. BSB BSB: He remained faithful to the LORD and did not turn from following Him; he kept the commandments that the LORD had given Moses.
8 ULB Nanafika ireo Filistina hatrany Gaza sy ny sisin-tany manodidina izy, hatrany amin'ny tilikambon'ireo mpiambina ka hatrany amin'ny tanàna voaaro mafy. BSB BSB: He defeated the Philistines as far as Gaza and its borders, from watchtower to fortified city.
9 ULB Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia Mpanjaka, izay taona fahafito nanjakan'i Hosea zanak'i Elaha mpanjakan'Israely, dia niakatra hanohitra an'i Samaria i Salmanesera mpanjakan'i Asyria ary nanao fahirano izany. BSB BSB: In the fourth year of Hezekiah’s reign, which was the seventh year of the reign of Hoshea son of Elah over Israel, Shalmaneser king of Assyria marched against Samaria and besieged it.
10 ULB Ary tamin'ny fiafaran'ny taona fahatelo no nakan'izy ireo izany, dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan'i Hosea mpanjakan'Israely; izany no fomba nisamborana an'i Samaria. BSB BSB: And at the end of three years, the Assyrians captured it. So Samaria was captured in the sixth year of Hezekiah, which was the ninth year of Hoshea king of Israel.
11 ULB Koa nentin'ny mpanjakan'i Asyria tany Asyria ny Israely, ary nataony tao Hala, teo amin'ny Reniranon'i Habora tany Gozana, ary tao amin'ireo tanànan'i Mediana izy ireo. BSB BSB: The king of Assyria exiled the Israelites to Assyria and settled them in Halah, in Gozan by the Habor River, and in the cities of the Medes.
12 ULB Nanao izany izy satria tsy nankatò ny feon'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, fa kosa nandika ny tenin'ny fanekeny, izay rehetra nandidian'i Mosesy mpanompon'i Yaveh azy ireo. Nandà hihaino na hanao izany izy ireo. BSB BSB: This happened because they did not listen to the voice of the LORD their God, but violated His covenant—all that Moses the servant of the LORD had commanded—and would neither listen nor obey.
15 ULB Ka nomen'i Hezekia azy ny volafotsy rehetra izay hita tao amin'ireo tranon'i Yaveh sy tao amin'ireo fitoeran-java-tsarobidin'ny lapan'ny mpanjaka. BSB BSB: Hezekiah gave him all the silver that was found in the house of the LORD and in the treasuries of the royal palace.
16 ULB Dia nesorin'i Hezekia ny volamena teo amin'ny tempolin'i Yaveh sy teo amin'ny andry izay nametahany takela-bolamena; ary nomeny ny mpanjakan'i Asyria ny volamena. BSB BSB: At that time Hezekiah stripped the gold with which he had plated the doors and doorposts of the temple of the LORD, and he gave it to the king of Assyria.
17 ULB Nefa ny mpanjakan'i Asyria nanetsika ny tafiny lehibe, naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary ny lehiben'ny mpifehy avy any Lakisy ho any amin'i Hezekia mpanjaka ao Jerosalema. Nandeha niakatra tamin'ny lalana izy ireo ary tonga tao ivelan'i Jerosalema. Nanatona ny lakan-dranon'ny kamory ambony izy ireo, teo an-dalamben'ny sahan'ny mpamotsy lamba, ary nijanona teo amin'izany. BSB BSB: Nevertheless, the king of Assyria sent the Tartan, the Rabsaris, and the Rabshakeh, along with a great army, from Lachish to King Hezekiah at Jerusalem. They advanced up to Jerusalem and stationed themselves by the aqueduct of the upper pool, on the road to the Launderer’s Field.
18 ULB Rehefa niantso an'i Hezekia Mpanjaka izy ireo, dia nivoaka mba hijery azy ireo i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, izay nanapaka ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitahiry tantara. BSB BSB: Then they called for the king. And Eliakim son of Hilkiah the palace administrator, Shebnah the scribe, and Joah son of Asaph the recorder, went out to them.
19 ULB Ary ny lehiben'ny mpifehy niteny azy ireo mba hilaza amin'i Hezekia izay nolazain'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, manao hoe: "Inona no loharanon'ny fahatokianao? BSB BSB: The Rabshakeh said to them, “Tell Hezekiah that this is what the great king, the king of Assyria, says: What is the basis of this confidence of yours?
20 ULB Teny tsy misy dikany no lazainao, milaza hoe misy namana sy hery ho amin'ny ady. Ary ankehitriny iza no itokianao? Iza no nanome herim-po anao hikomy hanohitra ahy? BSB BSB: You claim to have a strategy and strength for war, but these are empty words. In whom are you now trusting, that you have rebelled against me?
21 ULB Indro, matoky ny tehina volotara torotoron'ny Egypta ianao, kanefa raha mitehina amin'izany ny olona, dia hiraikitra eo amin'ny tanany izany ka handoaka izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ireo rehetra matoky azy. BSB BSB: Look now, you are trusting in Egypt, that splintered reed of a staff that will pierce the hand of anyone who leans on it. Such is Pharaoh king of Egypt to all who trust in him.
23 ULB Ankehitriny ary, te-hanolotra fanatitra tsara avy amin'ny tompoko mpanjakan'i Asyria aho. Homeko soavaly roa arivo ianao, raha mahita mpitaingina azy ireo. BSB BSB: Now, therefore, make a bargain with my master, the king of Assyria. I will give you two thousand horses—if you can put riders on them!
24 ULB Hataonao ahoana ny manohitra na dia ny iray amin'ny kapiteny izay kely indrindra amin'ireo mpanompon'ny tompoko aza? Efa nametraka ny fahatokianao tany Egypta ho an'ireo kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly ianao! BSB BSB: For how can you repel a single officer among the least of my master’s servants when you depend on Egypt for chariots and horsemen?
25 ULB Moa efa nandeha niakatra tsy nisy an'i Yaveh mba hiady hanohitra sy handrava ity toerana ity ve aho? Hoy i Yaveh tamiko: 'Tafio ary ravao ity tany ity.'" BSB BSB: So now, was it apart from the LORD that I have come up against this place to destroy it? The LORD Himself said to me, ‘Go up against this land and destroy it.’”
26 ULB Avy eo i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa nilaza tamin'ny lehiben'ny mpifehy hoe: "Mba resaho amin'ny fiteny Syriana re ireo mpanomponao, fa azonay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'ny Joda eo amin'ny sofin'ny olona izay eo amin'ny rindrina." BSB BSB: Then Eliakim son of Hilkiah, along with Shebnah and Joah, said to the Rabshakeh, “Please speak to your servants in Aramaic, since we understand it. Do not speak with us in Hebrew in the hearing of the people on the wall.”
27 ULB Nefa hoy ny lehiben'ny mpifehy tamin'izy ireo hoe: "Moa ve nandefa ahy ho any amin'ny tomponao sy ianao ny tompoko mba hilaza ireo teny ireo? Moa ve aho nalefany tany amin'ireo lehilahy mipetraka eo amin'ny rindrina, iza no tsy maintsy hihinana ny malotony sy hisotro ny amanin'izy ireo manokana miaraka aminao?" BSB BSB: But the Rabshakeh replied, “Has my master sent me to speak these words only to you and your master, and not to the men sitting on the wall, who are destined with you to eat their own dung and drink their own urine?”
28 ULB Ary ny lehiben'ny mpifehy nitsangana sy niantso tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy hoe: "Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria. BSB BSB: Then the Rabshakeh stood and called out loudly in Hebrew: “Hear the word of the great king, the king of Assyria!
29 ULB Izao no lazain'ny mpanjaka, 'Aza manaiky hofitahin'i Hezekia hianareo, fa tsy afaka ny hamonjy anao amin'ny fahefako izy. BSB BSB: This is what the king says: Do not let Hezekiah deceive you; he cannot deliver you from my hand.
30 ULB Aza mamela an'i Hezekia hampahatoky anao an'i Yaveh, manao hoe: "Hamonjy antsika tokoa i Yaveh, ary ity tanàna ity dia tsy hatolotra ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria.'" BSB BSB: Do not let Hezekiah persuade you to trust in the LORD when he says, ‘The LORD will surely deliver us; this city will not be given into the hand of the king of Assyria.’
31 ULB Aza mihaino an'i Hezekia, fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria hoe: 'Mihavana amiko ary miaraha amiko. Ary ny tsirairay avy aminareo dia samy hihinana amin'ny voalobony sy ny hazon'aviaviny, ary hisotro ny rano ao amin'ny famorian-dranony. BSB BSB: Do not listen to Hezekiah, for this is what the king of Assyria says: Make peace with me and come out to me. Then every one of you will eat from his own vine and his own fig tree and drink water from his own cistern,
32 ULB Hanao izany mandra-pihaviko sy hitondrako anareo any amin'ny tany toy ny taninareo manokana, tany misy vary sy voaloboka vaovao, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy hazo oliva sy tantely mba ho velona ianareo fa tsy ho faty.' Aza mihaino an'i Hezekia raha miezaka mandresy lahatra anareo izy, manao hoe: 'Hamonjy antsika i Yaveh.' BSB BSB: until I come and take you away to a land like your own—a land of grain and new wine, a land of bread and vineyards, a land of olive trees and honey—so that you may live and not die. But do not listen to Hezekiah, for he misleads you when he says, ‘The LORD will deliver us.’
33 ULB Moa nisy nahavonjy azy ireo teo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria ve ireo andriamanitry ny olona? Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? BSB BSB: Has the god of any nation ever delivered his land from the hand of the king of Assyria?
34 ULB Aiza moa ireo andriamanitr'i Sefarvaima, sy Hena, ary Iva? Nahavonjy an'i Samaria teto an-tanako ve izy ireo? BSB BSB: Where are the gods of Hamath and Arpad? Where are the gods of Sepharvaim, Hena, and Ivvah? Have they delivered Samaria from my hand?
35 ULB Eo amin'ny andriamanitry ny tany rehetra, moa ve efa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny fahefako? Ahoana no hahafahan'i Yaveh mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko?" BSB BSB: Who among all the gods of these lands has delivered his land from my hand? How then can the LORD deliver Jerusalem from my hand?”
36 ULB Kanefa nangina ny olona ary tsy namaly, satria efa nandidy ny mpanjaka hoe: "Aza mamaly azy." BSB BSB: But the people remained silent and did not answer a word, for Hezekiah had commanded, “Do not answer him.”
37 ULB Avy eo Eliakima, zanak'i Hilikia, izay ambony teo amin'ny ankohonana; sy Sebna ilay mpanora-dalàna; ary Joa zanak'i Asafa, ilay mpitan-tsoratra, niditra nankao amin'i Hezekia niaraka tamin'ireo fitafian'izy ireo voatritra, ary nitondra ny tenin'ny lehiben'ny mpifehy taminy. BSB BSB: Then Hilkiah’s son Eliakim the palace administrator, Shebna the scribe, and Asaph’s son Joah the recorder came to Hezekiah with their clothes torn, and they relayed to him the words of the Rabshakeh.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.