1 ULB Ary rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandrovitra ny akanjony izy, nanao akanjo fisaonana, ary niditra tao an-tranon'i Yaveh. BSB BSB: On hearing this report, King Hezekiah tore his clothes, put on sackcloth, and entered the house of the LORD.
3 ULB Dia hoy izy ireo taminy: "Izao no tenin'i Hezekia: 'ity andro ity no andron'ny fahoriana, famaizana, ary fahafaham-baraka, efa mby ho teraka ny zaza, nefa tsy misy hery mba hiterahana azy ireo. BSB BSB: to tell him, “This is what Hezekiah says: Today is a day of distress, rebuke, and disgrace; for children have come to the point of birth, but there is no strength to deliver them.
4 ULB Angamba mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ny teny rehetra nataon'ilay lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ary hamaly ireo teny izay efa ren'i Yaveh Andriamanitrao. Koa asandrato ho an'izay sisa mbola eto ny vavakao ankehitriny.'" BSB BSB: Perhaps the LORD your God will hear all the words of the Rabshakeh, whom his master the king of Assyria has sent to defy the living God, and He will rebuke him for the words that the LORD your God has heard. Therefore lift up a prayer for the remnant that still survives.”
5 ULB Ary tonga tany amin'i Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka, BSB BSB: So the servants of King Hezekiah went to Isaiah,
6 ULB ary Isaia nanao tamin'izy ireo hoe: "Lazao amin'ny tomponareo fa: 'Izao no tenin'i Yaveh: "Aza matahotra ny amin'ny teny izay efa renao, izay efa naniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria ahy. BSB BSB: who replied, “Tell your master that this is what the LORD says: ‘Do not be afraid of the words you have heard, with which the servants of the king of Assyria have blasphemed Me.
7 ULB Indro, hametraka fanahy ao aminy Aho, ary handre siosio izy ka hiverina any amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatra ao amin'ny taniny izy."'" BSB BSB: Behold, I will put a spirit in him so that he will hear a rumor and return to his own land, where I will cause him to fall by the sword.’”
8 ULB Dia niverina ny lehiben'ny mpifehy ary nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fa izy efa nandre fa efa niala tao Lakisy ny mpanjaka. BSB BSB: When the Rabshakeh heard that the king of Assyria had left Lachish, he withdrew and found the king fighting against Libnah.
9 ULB Ary Sankeriba nandre fa i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta dia efa niomana ny hiady aminy, noho izany dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin'i Hezekia indray izy hoe: BSB BSB: Now Sennacherib had been warned about Tirhakah king of Cush: “Look, he has set out to fight against you.” So Sennacherib again sent messengers to Hezekiah, saying,
10 ULB "Lazao amin'i Hezekia mpanjakan'i Joda hoe: 'Aza avela hamitaka anao ny Andriamanitra izay hitokianao ka hanao hoe: "Jerosalema dia tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria." BSB BSB: “Give this message to Hezekiah king of Judah: ‘Do not let your God, in whom you trust, deceive you by saying that Jerusalem will not be delivered into the hand of the king of Assyria.
11 ULB Indro, efa renao ny zavatra izay efa nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny famotehana tanteraka ireo. Koa ho voavonjy ve ianao? BSB BSB: Surely you have heard what the kings of Assyria have done to all the other countries, devoting them to destruction. Will you then be spared?
12 ULB Efa namonjy azy ireo ve ny andriamanitry ny firenena, ireo firenena izay nopotehin'ny razako: dia i Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara? BSB BSB: Did the gods of the nations destroyed by my fathers rescue those nations—the gods of Gozan, Haran, and Rezeph, and of the people of Eden in Telassar?
13 ULB Aiza ny mpanjakan'i Hamata, ny mpanjakan'i Arpada, ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima, Hena, ary Iva?'" BSB BSB: Where are the kings of Hamath, Arpad, Sepharvaim, Hena, and Ivvah?’”
14 ULB Voarain'i Hezekia ny taratasy tany amin'ireo mpitondra hafatra ary novakiany izany. Avy eo dia niakatra tany an-tranon'i Yaveh izy ka nanokatra izany teo anoloany. BSB BSB: So Hezekiah received the letter from the messengers, read it, and went up to the house of the LORD and spread it out before the LORD.
15 ULB Dia nivavaka teo anatrehan'i Yaveh i Hezekia, ary nanao hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima, Ianao no Andriamanitra tokana manerana ny fanjakana rehetra eto an-tany. Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. BSB BSB: And Hezekiah prayed before the LORD: “O LORD, God of Israel, enthroned between the cherubim, You alone are God over all the kingdoms of the earth. You made the heavens and the earth.
16 ULB Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere, ary henoy ny tenin'i Sankeriba, izay efa nirahiny mba haniratsira ny Andriamanitra velona. BSB BSB: Incline Your ear, O LORD, and hear; open Your eyes, O LORD, and see. Listen to the words that Sennacherib has sent to defy the living God.
17 ULB Eny tokoa, ry Yaveh, efa nandrava ireo firenena sy ny taniny tokoa ny mpanjakan'i Asyria. BSB BSB: Truly, O LORD, the kings of Assyria have laid waste these nations and their lands.
18 ULB Efa nandoro ny andriamanitr'izy ireo tao anaty afo izy ireo, satria tsy andriamanitra ireo fa asa-tanan'olombelona, hazo sy vato foana ihany. Koa nopotehin'ny Asyriana izy ireo. BSB BSB: They have cast their gods into the fire and destroyed them, for they were not gods, but only wood and stone—the work of human hands.
19 ULB Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, mitalaho Aminao aho, vonjeo amin'ny heriny izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra eto an-tany fa Ianao, Yaveh, no Andriamanitra tokana." BSB BSB: And now, O LORD our God, please save us from his hand, so that all the kingdoms of the earth may know that You alone, O LORD, are God.”
20 ULB Ary Isaia zanaka lahin'i Amoza nandefa hafatra tany amin'i Hezekia, nanao hoe: "Yaveh, Andriamanitrin'Israely niteny hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko ny amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao, dia nihaino anao aho. BSB BSB: Then Isaiah son of Amoz sent a message to Hezekiah: “This is what the LORD, the God of Israel, says: I have heard your prayer concerning Sennacherib king of Assyria.
21 ULB Izao no teny lazain'i Yaveh mahakasika azy: "Ny zanaka vavy virijinin'i Ziona manao tsinontsinona anao sy mihomehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny zanaka vavin'i Jerosalema manifikifi-doha aminao. BSB BSB: This is the word that the LORD has spoken against him: ‘The Virgin Daughter of Zion despises you and mocks you; the Daughter of Jerusalem shakes her head behind you.
22 ULB Iza no efa nihantsinao sy notsiratsirainao? Hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana? Hanohitra ilay Masin'Israely! BSB BSB: Whom have you taunted and blasphemed? Against whom have you raised your voice and lifted your eyes in pride? Against the Holy One of Israel!
23 ULB Tamin'ny alalan'ireo irakao no nihantsianao ny Tompo, ary nanao hoe: 'Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, ny fiakarana avo indrindra tany Libanona. Hokapaiko ny sedera lava sy ny kypreso voafantina ao. Hiditra amin'ny faritra lavitra indrindra aho, ao amin'izay alany mamokatra indrindra. BSB BSB: Through your servants you have taunted the Lord, and you have said: “With my many chariots I have ascended to the heights of the mountains, to the remote peaks of Lebanon. I have cut down its tallest cedars, the finest of its cypresses. I have reached its farthest outposts, the densest of its forests.
24 ULB Efa nihady lava-drano aho ary efa nisotro ny ranon'ny firenen-kafa. Efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra ho eo am-paladiako aho.' BSB BSB: I have dug wells and drunk foreign waters. With the soles of my feet I have dried up all the streams of Egypt.”
25 ULB Tsy renao ve ny fomba nanomanako izany hatramin'ny ela sy ny niasako izany tamin'ny andro taloha? Ankehitriny dia efa hanatanteraka izany aho. Eo ianao mba handrava ireo tanàna mimanda ho lasa korotam-bato. BSB BSB: Have you not heard? Long ago I ordained it; in days of old I planned it. Now I have brought it to pass, that you should crush fortified cities into piles of rubble.
26 ULB Ireo mponina ao aminy, izay kely hery, dia torotoro sy menatra. Zava-maniry eny an-tsaha izy ireo, ahi-maitso, ahitra eny ambony tafo na eny an-tsaha, nodorana mialohan'ny nitsiriany. BSB BSB: Therefore their inhabitants, devoid of power, are dismayed and ashamed. They are like plants in the field, tender green shoots, grass on the rooftops, scorched before it is grown.
27 ULB Fa izaho mahalala ny fipetrahanao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny fahatezeranao amiko. BSB BSB: But I know your sitting down, your going out and coming in, and your raging against Me.
28 ULB Nohon'ny fahatezeranao amiko, ary satria rèn'ny sofiko ny fiavonavonanao, dia hametraka ny farangoko amin'ny oronao Aho, ary ao amin'ny vavanao ny lamboridiko; hataoko miverina amin'ny lalana niavianao ianao." BSB BSB: Because your rage and arrogance against Me have reached My ears, I will put My hook in your nose and My bit in your mouth; I will send you back the way you came.’
29 ULB Izao no famantarana ho anao: Hihinana zavatra maniry tsinahy ianareo amin'ity taona ity, ary ny taona manaraka dia ny dimbin'izany. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamboly sy hioty ianareo, hamboly tanim-boaloboka ka hihinana ny voany. BSB BSB: And this will be a sign to you, O Hezekiah: This year you will eat what grows on its own, and in the second year what springs from the same. But in the third year you will sow and reap; you will plant vineyards and eat their fruit.
30 ULB Ny sisa amin'ny taranak'i Joda izay mbola velona dia hamàka indray ka hisondrotra ary hamoa. BSB BSB: And the surviving remnant of the house of Judah will again take root below and bear fruit above.
31 ULB Fa hisy sisa hivoaka avy any Jerosalema, avy any an-tendrombohitr'i Ziona no hiavian'ireo sisa tsy maty. Ny zotom-pon'i Yaveh tompon'ny maro no hanao izany. BSB BSB: For a remnant will go forth from Jerusalem, and survivors from Mount Zion. The zeal of the LORD of Hosts will accomplish this.
33 ULB Ny lalana izay niaviany ihany no lalana hivoahany; tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy— izany no fanambaran'i Yaveh." BSB BSB: He will go back the way he came, and he will not enter this city, declares the LORD.
34 ULB Fa izaho hiaro sy hanavotra ity tanàna ity, noho ny amiko sy ny amin'i Davida mpanompoko.'" BSB BSB: I will defend this city and save it for My own sake and for the sake of My servant David.’”
35 ULB Ary tamin'io alina io dia avy ilay anjelin'i Yaveh ary nanafika ny tobin'ireo Asyriana, ka nahafaty miaramila 185. 000. Rehefa nifoha aloha ny olona nony maraina, dia niampatra teny rehetra teny ny fatin'olona. BSB BSB: And that very night the angel of the LORD went out and struck down 185,000 men in the camp of the Assyrians. When the people got up the next morning, there were all the dead bodies!
36 ULB Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary lasa nody sy nipetraka tany Ninive. BSB BSB: So Sennacherib king of Assyria broke camp and withdrew. He returned to Nineveh and stayed there.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.