1 ULB Ary tamin'izany andro izany dia narary efa ho faty i Hezekia. Ka nanatona azy i Isaia zanak'i Amosa, ilay mpaninany, ary niteny taminy hoe: "Hoy i Yaveh: '"Arindrao ny tranonao; fa ho faty ianao, ary tsy ho velona.'" BSB BSB: In those days Hezekiah became mortally ill. The prophet Isaiah son of Amoz came to him and said, “This is what the LORD says: ‘Put your house in order, for you are about to die; you will not recover.’”
2 ULB Dia nitodika nanatrika ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh izy nanao hoe: BSB BSB: Then Hezekiah turned his face to the wall and prayed to the LORD, saying,
3 ULB "Mba miangavy re, ry Yaveh oh, mba tsarovy ny nandehanako am-pahatokiana teo amin'ny anatrehanao tamin'ny foko manontolo, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Ary nitomany mafy i Hezekia avy eo. BSB BSB: “Please, O LORD, remember how I have walked before You faithfully and with wholehearted devotion; I have done what is good in Your sight.” And Hezekiah wept bitterly.
4 ULB Mialohan'ny nivoahan'i Isaia teo afovoan'ny tokotany, dia tonga taminy ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: BSB BSB: Before Isaiah had left the middle courtyard, the word of the LORD came to him, saying,
5 ULB "Miverena, ary ilazao i Hezekia, ilay mpitarika ny oloko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'i Davida razambenao: "Efa reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao. Hanasitrana anao Aho amin'ny andro fahatelo, ary hiakatra any an-tranon'i Yaveh ianao. BSB BSB: “Go back and tell Hezekiah the leader of My people that this is what the LORD, the God of your father David, says: ‘I have heard your prayer; I have seen your tears. I will surely heal you. On the third day from now you will go up to the house of the LORD.
6 ULB Ho ampiako dimy ambin'ny folo taona ny andro hiainanao, ary ho vonjeko amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria ianao sy ity tanàna ity, ary ho arovako ity tanàna ity nohon'ny amiko sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko."'" BSB BSB: I will add fifteen years to your life. And I will deliver you and this city from the hand of the king of Assyria. I will defend this city for My sake and for the sake of My servant David.’”
7 ULB Koa hoy Isaia hoe: "Makà fehezan'aviavy." Dia nanao izany izy ireo ary napetrany tamin'ny vai-ny izany, dia sitrana izy. BSB BSB: Then Isaiah said, “Prepare a poultice of figs.” So they brought it and applied it to the boil, and Hezekiah recovered.
8 ULB Hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Inona no famantarana fa hositranin'i Yaveh aho, sy ny tokony hiakarako any amin'ny tempoliny amin'ny andro fahatelo?" BSB BSB: Now Hezekiah had asked Isaiah, “What will be the sign that the LORD will heal me and that I will go up to the house of the LORD on the third day?”
9 ULB Namaly Isaia hoe: "Izao no famantarana ho anao avy amin'i Yaveh, fa i Yaveh dia hanao izay zavatra nolazainy. Tokony handroso dingana folo ve ny aloka, sa hihemotra dingana folo?" BSB BSB: And Isaiah had replied, “This will be a sign to you from the LORD that He will do what He has promised: Would you like the shadow to go forward ten steps, or back ten steps?”
10 ULB Namaly i Hezekia: "Mora ho an'ny aloka ny handroso dingana folo. Tsia! avelao hihemotra dingana folo ny aloka." BSB BSB: “It is easy for the shadow to lengthen ten steps,” answered Hezekiah, “but not for it to go back ten steps.”
11 ULB Ka niantsoantso an'i Yaveh i Isaia mpaminany, ary nentiny nihemotra dingana folo ny aloka, avy tany amin'ny nihetsehany teo amin'ny tohotr'i Ahaza. BSB BSB: So Isaiah the prophet called out to the LORD, and He brought the shadow back the ten steps it had descended on the stairway of Ahaz.
12 ULB Tamin'izany fotoana izany i Merodaka Baladana zanak'i Baladana mpanjakan'i Babylona dia nandefa taratasy sy fanomezana tany amin'i Hezekia, satria reny fa narary i Hezekia. BSB BSB: At that time Merodach-baladan son of Baladan king of Babylon sent letters and a gift to Hezekiah, for he had heard about Hezekiah’s illness.
13 ULB Nihaino izany taratasy izany i Hezekia, ary nasehony ireo mpitondra hafatra ny lapa rehetra sy ny zava-tsarobidiny, ny volafotsy, ny volamena, ny zava-manitra sy ny menaka sarobidy, ary koa ny trano fitehirizany ny fitaovam-piadiany, izany rehetra izany dia hita tao amin'ny trano fitehirizany. Tsy nisy zavatra izay tsy nasehon'i Hezekia azy ireo tao an-tranony, na tao amin'ny fanjakany. BSB BSB: And Hezekiah received the envoys and showed them all that was in his treasure house—the silver, the gold, the spices, and the precious oil, as well as his armory—all that was found in his storehouses. There was nothing in his palace or in all his dominion that Hezekiah did not show them.
14 ULB Ary Isaia mpaminany nankany amin'i Hezekia Mpanjaka ary nanontany azy hoe: "Inona no nolazain'ireny lehilahy ireny taminao? Avy aiza izy ireny?" Hoy i Hezekia: "Avy any an-tany lavitra any Babylona izy ireo." BSB BSB: Then the prophet Isaiah went to King Hezekiah and asked, “Where did those men come from, and what did they say to you?” “They came from a distant land,” Hezekiah replied, “from Babylon.”
15 ULB Nanontany i Isaia hoe: "Inona no hitan'izy ireo tao an-tranonao?" Namaly i Hezekia hoe: "Hitan'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tato an-tranoko. Tsy nisy tamin'ireo zava-tsarobidiko tsy nasehoko azy ireo." BSB BSB: “What have they seen in your palace?” Isaiah asked. “They have seen everything in my palace,” answered Hezekiah. “There is nothing among my treasures that I did not show them.”
16 ULB Ka hoy Isaia tamin'i Hezekia: "Henoy ny tenin'i Yaveh: BSB BSB: Then Isaiah said to Hezekiah, “Hear the word of the LORD:
17 ULB 'Indro, efa ho avy ny andro hitaomana ny zavatra rehetra eo amin'ny lapanao mankany Babylona, dia ireo zavatra notehirizin'ny razambenao hatramin'izao andro izao. Tsy misy na inona na inona ho tavela, hoy i Yaveh. BSB BSB: The time will surely come when everything in your palace and all that your fathers have stored up until this day will be carried off to Babylon. Nothing will be left, says the LORD.
18 ULB Ny zanaka lahy teraka avy aminao, izay notaizainao manokana_ho alain'izy ireo izany, ary ho lasa tandapa ao amin'ny lapan'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.'" BSB BSB: And some of your descendants, your own flesh and blood, will be taken away to be eunuchs in the palace of the king of Babylon.”
19 ULB Ary hoy i Hezekia tamin'i Isaia: "Tsara ny tenin'i Yaveh izay nolazainao." Satria nihevitra izy hoe: "Tsy hisy fiadanana sy filaminana ve izany amin'ny androko?" BSB BSB: But Hezekiah said to Isaiah, “The word of the LORD that you have spoken is good.” For he thought, “Will there not at least be peace and security in my lifetime?”
21 ULB Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Hezekia, ary i Manase zanany lahy no nandimby azy teo amin'ny toerany. BSB BSB: And Hezekiah rested with his fathers, and his son Manasseh reigned in his place.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.