1 ULB Tamin'ny andron'i Joiakima, dia nanafika an'i Joda i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona; lasa mpanompony nandritra ny telo taona i Joiakima. Ary niodina ka nikomy nanohitra an'i Nebokadnezara i Joiakima. BSB BSB: During Jehoiakim’s reign, Nebuchadnezzar king of Babylon invaded. So Jehoiakim became his vassal for three years, until he turned and rebelled against Nebuchadnezzar.
2 ULB Nandefa ireo tarika Kaldeana, Syriana, Moabita ary Amonita hanohitra an'i Joiakima i Yaveh; nalefany hanohitra an'i Joda mba handrava izany izy ireo. Mifanaraka amin'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony izany. BSB BSB: And the LORD sent Chaldean, Aramean, Moabite, and Ammonite raiders against Jehoiakim in order to destroy Judah, according to the word that the LORD had spoken through His servants the prophets.
3 ULB Azo antoka fa tamin'ny vavan'i Yaveh no nahatonga izany tamin'i Joda, mba hanala azy ireo tsy ho eo imasony, nohon'ny fahotan'i Manase, dia izay rehetra nataony, BSB BSB: Surely this happened to Judah at the LORD’s command, to remove them from His presence because of the sins of Manasseh and all that he had done,
4 ULB ary nohon'ny rà tsy manan-tsiny izay nalatsany ihany koa, satria nofenoiny tamin'ny rà tsy manan-tsiny i Jerosalema. Tsy nivonona ny hamela izany i Yaveh. BSB BSB: and also for the innocent blood he had shed. For he had filled Jerusalem with innocent blood, and the LORD was unwilling to forgive.
5 ULB Raha ny amin'ireo raharaha hafa rehetra mahakasika an'i Joiakima, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? BSB BSB: As for the rest of the acts of Jehoiakim, along with all his accomplishments, are they not written in the Book of the Chronicles of the Kings of Judah?
6 ULB Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Joiakima, ary Joiakina zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. BSB BSB: And Jehoiakim rested with his fathers, and his son Jehoiachin reigned in his place.
7 ULB Tsy nanafika tany ivelan'ny taniny intsony ny mpanjakan'i Egypta, satria ny mpanjakan'i Babylona dia efa nandresy ny tany rehetra izay teo ambany fifehezan'ny mpanjakan'i Egypta, hatramin'ny lohasahan-driakan'i Egypta ka hatramin'ny Renirano Eofrata. BSB BSB: Now the king of Egypt did not march out of his land again, because the king of Babylon had taken all his territory, from the Brook of Egypt to the Euphrates River.
8 ULB Valo ambin'ny folo taona i Joiakina no nanomboka nanjaka; nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Nehosta; zanaka vavin'i Elnatana avy any Jerosalema. BSB BSB: Jehoiachin was eighteen years old when he became king, and he reigned in Jerusalem three months. His mother’s name was Nehushta daughter of Elnathan; she was from Jerusalem.
9 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nanao izay rehetra nataon'ny rainy izy. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD, just as his father had done.
11 ULB Tonga teo an-tanàna i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona raha mbola nanao fahirano izany ny miaramilany, BSB BSB: And Nebuchadnezzar king of Babylon came to the city while his servants were besieging it.
12 ULB ary i Joiakina mpanjakan'i Joda nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, izy, ny reniny, ireo mpanompony, ireo andriany, ary ireo manampahefany. Nisambotra azy ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny taona fahavalo nanjakany. BSB BSB: Jehoiachin king of Judah, his mother, his servants, his commanders, and his officials all surrendered to the king of Babylon. So in the eighth year of his reign, the king of Babylon took him captive.
13 ULB Nalain'i Nebokadnezara avy tao avokoa ireo zavatra sarobidy rehetra tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo tao an-dapan'ny mpanjaka. Notapatapahany ny zavatra volamena rehetra izay nataon'i Solomona mpanjakan'Israely tao amin'ny tempolin'i Yaveh, araka izay nolazain'i Yaveh fa hitranga. BSB BSB: As the LORD had declared, Nebuchadnezzar also carried off all the treasures from the house of the LORD and the royal palace, and he cut into pieces all the gold articles that Solomon king of Israel had made in the temple of the LORD.
14 ULB Nataony sesitany i Jerosalema manontolo, ny mpitarika rehetra, sy ireo lehilahy mpiady rehetra, babo iray alina, sy ireo mpanao tao-zavatra, ary ireo mpanefy rehetra. Tsy nisy navelany hijanona afa-tsy ireo olona mahantra indrindra teo amin'ny tany. BSB BSB: He carried into exile all Jerusalem—all the commanders and mighty men of valor, all the craftsmen and metalsmiths—ten thousand captives in all. Only the poorest people of the land remained.
15 ULB Nalain'i Nebokadnezara ho sesitany tao Babylona i Joiakina, mbamin'ny renin'ny mpanjaka, ireo vadiny, ireo manam-pahefany, ary ireo lehiben'ireo lehilahy teo amin'ny tany. Nalainy ho sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona izy ireo. BSB BSB: Nebuchadnezzar carried away Jehoiachin to Babylon, as well as the king’s mother, his wives, his officials, and the leading men of the land. He took them into exile from Jerusalem to Babylon.
16 ULB Ireo lehilahy mpiady rehetra, miisa fito arivo, mpanao asa tanana sy mpanefy vy iray alina, izy rehetra ireo dia natao ho amin'ny ady avokoa—ny mpanjakan'i Babylona nitondra ireo lehilahy rehetra ireo ho sesitany ho any Babylona. BSB BSB: The king of Babylon also brought into exile to Babylon all seven thousand men of valor and a thousand craftsmen and metalsmiths—all strong and fit for battle.
17 ULB Nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka handimby azy i Matania, ralahan-drain'i Joiakina, ary novainy ho Zedekia ny anarany. BSB BSB: Then the king of Babylon made Mattaniah, Jehoiachin’s uncle, king in his place and changed his name to Zedekiah.
18 ULB Iraika amby roapolo taona i Zedekia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Hamotala no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna. BSB BSB: Zedekiah was twenty-one years old when he became king, and he reigned in Jerusalem eleven years. His mother’s name was Hamutal daughter of Jeremiah; she was from Libnah.
19 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nataony izay rehetra nataon'i Joiakima. BSB BSB: And Zedekiah did evil in the sight of the LORD, just as Jehoiakim had done.
20 ULB Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, no nisehoan'ireo tranga rehetra ireo tany Jerosalema sy Joda, mandra-pandroahany azy ireo tsy ho eo amin'ny fanatrehany. Ary dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia. BSB BSB: For because of the anger of the LORD, all this happened in Jerusalem and Judah, until He finally banished them from His presence. And Zedekiah also rebelled against the king of Babylon.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.