1 ULB Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Jorama zanaka lahin'i Ahaba; nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona izy. BSB BSB: In the eighteenth year of Jehoshaphat’s reign over Judah, Jehoram son of Ahab became king of Israel, and he reigned in Samaria twelve years.
2 ULB Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, fa tsy mba tahaka ny rainy sy ny reniny; fa nesoriny ny tsangam-bato masina an'i Bala izay namboarin'ny rainy. BSB BSB: And he did evil in the sight of the LORD, but not as his father and mother had done. He removed the sacred pillar of Baal that his father had made.
3 ULB Na izany aza dia nihazona ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampanota an'i Israely, tsy nivily tamin'izany izy. BSB BSB: Nevertheless, he clung to the sins that Jeroboam son of Nebat had caused Israel to commit; he did not turn away from them.
5 ULB Fa taorian'ny nahafatesan'i Ahaba, dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'Israely ny mpanjakan'i Moaba. BSB BSB: But after the death of Ahab, the king of Moab rebelled against the king of Israel.
6 ULB Ary nandao an'i Samaria i Jorama mpanjaka tamin'izany fotoana izany mba hanentana ny Israely rehetra ho amin'ny ady. BSB BSB: So at that time King Jehoram set out from Samaria and mobilized all Israel.
7 ULB Nandefa hafatra tamin'i Josafata mpanjakan'i Joda izy, nilaza hoe: "Efa nikomy hanohitra ahy ny mpanjakan'i Moaba. Handeha hiaraka amiko hifanandrina amin'i Moaba ve ianao?" Namaly i Josafata hoe: "Handeha aho, tahaka anao ihany aho, ny oloko dia toy ny olonao, ireo soavaliko dia toy ireo soavalinao." BSB BSB: And he sent a message to Jehoshaphat king of Judah: “The king of Moab has rebelled against me. Will you go with me to fight against Moab?” “I will go,” replied Jehoshaphat. “I am as you are, my people are your people, and my horses are your horses.”
8 ULB Ary niteny izy avy eo hoe: "Amin'ny lalana aiza no tokony hanafihantsika?" Namaly i Josafata hoe: "Amin'ny lalana mamaky ny efitr'i Edoma." BSB BSB: Then he asked, “Which way shall we go up?” “By way of the Desert of Edom,” replied Joram.
9 ULB Ka nandeha nihodidina nandritra ny fito andro ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma. Tsy nahitana rano ho an'ny tafik'izy ireo, na ho an'ireo soavaliny sy ireo biby hafa. BSB BSB: So the king of Israel, the king of Judah, and the king of Edom set out, and after they had traveled a roundabout route for seven days, they had no water for their army or for their animals.
10 ULB Koa niteny ny mpanjakan'Israely hoe: "Fa inona ity? Moa ve niantso mpanjaka telo hatolotra ho eo an-tanan'i Moaba i Yaveh?" BSB BSB: “Alas,” said the king of Israel, “for the LORD has summoned these three kings to deliver them into the hand of Moab!”
11 ULB Kanefa nilaza i Josafata hoe: "Tsy misy mpaminanin'i Yaveh ve eto, hahafahantsika maka torohevitra amin'i Yaveh amin'ny alalany?" Ary namaly ny iray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe: "Eto i Elisa zanaka lahin'i Safata, izay nandraraka rano teo an- tanan'i Elia." BSB BSB: But Jehoshaphat asked, “Is there no prophet of the LORD here? Let us inquire of the LORD through him.” And one of the servants of the king of Israel answered, “Elisha son of Shaphat is here. He used to pour water on the hands of Elijah.”
12 ULB Hoy i Josafata: "Momba azy ny tenin'i Yaveh." Ka nidina nankany aminy, i Josafata, mpanjakan'Israely, ary ny mpanjakan'i Edoma. BSB BSB: Jehoshaphat affirmed, “The word of the LORD is with him.” So the king of Israel and Jehoshaphat and the king of Edom went down to him.
13 ULB Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely: "Mpifaninona moa izaho sy ianao? Mandehana mankany amin'ireo mpaminanin'ny rainao sy reninao." Ka niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: "Tsia, satria i Yaveh niantso ireto mpanjaka telo ireto niaraka mba hanolotra azy ho eo an-tanan'i Moaba." BSB BSB: Elisha, however, said to the king of Israel, “What have we to do with each other? Go to the prophets of your father and of your mother!” “No,” replied the king of Israel, “for it is the LORD who has summoned these three kings to deliver them into the hand of Moab.”
14 ULB Namaly i Elisa: "Raha mbola velona koa i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anatrehany no hijoroako, raha tsy nohon'ny fanajako ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda, dia tsy nihaino anao aho, na nijery anao akory. BSB BSB: Then Elisha said, “As surely as the LORD of Hosts lives, before whom I stand, were it not for my regard for the presence of Jehoshaphat king of Judah, I would not look at you or acknowledge you.
15 ULB Fa ankehitriny hitondrao mpitendry zava-maneno aho." Ary rehefa nitendry ny mpitendry lokanga, dia tonga teo amin'i Elisa ny tanan'i Yaveh. BSB BSB: But now, bring me a harpist.” And while the harpist played, the hand of the LORD came upon Elisha
16 ULB Nilaza izy hoe: "Izao no nambaran'i Yaveh, 'Fenoy hady kely io lohasahan-driaka maina io.' BSB BSB: and he said, “This is what the LORD says: ‘Dig this valley full of ditches.’
17 ULB Fa hoy i Yaveh: 'Tsy hahita rivotra ianao, na orana, fa ho dibo-drano io lohasahan-driaka io, ary hisotro ianareo, ianareo sy ny biby fiompinareo sy ny bibinareo rehetra.' BSB BSB: For the LORD says, ‘You will not see wind or rain, but the valley will be filled with water, and you will drink—you and your cattle and your animals.’
18 ULB Izany dia zavatra mora eo imason'i Yaveh. Hanome anareo fandresena eo amin'ireo Moabita ihany koa Izy. BSB BSB: This is a simple matter in the sight of the LORD, and He will also deliver the Moabites into your hand.
19 ULB Hanafika ny tanàna voaaro mafy sy tanàna tsara rehetra ianareo, hanapaka ny hazo tsara rehetra, hanajanona ny loharano rehetra, ary handrava ireo tany tsara rehetra amin'ny vato." BSB BSB: And you shall attack every fortified city and every city of importance. You shall cut down every good tree, stop up every spring, and ruin every good field with stones.”
20 ULB Koa tamin'ny maraina nanodidina ny fotoana fanolorana ny sorona, dia nisy rano nikoriana avy any Edoma; dibo-drano ny tany. BSB BSB: The next morning, at the time of the morning sacrifice, water suddenly flowed from the direction of Edom and filled the land.
21 ULB Ary nony nandre ireo Moabita rehetra fa tonga hiady aminy ireo mpanjaka, dia niara-niangona izy ireo, ireo rehetra afaka nanao akanjo fiarovana, ka nitsangana teo amin'ny sisin-tany izy ireo. BSB BSB: Now all the Moabites had heard that the kings had come up to fight against them. So all who could bear arms, young and old, were summoned and stationed at the border.
22 ULB Nifoha maraina izy ireo ary ny masoandro nitaratra teo amin'y rano. Nony nahatazana ny rano teo ampitany ireo Moabita, dia niloko mena tahaka ny rà izany. BSB BSB: When they got up early in the morning, the sun was shining on the water, and it looked as red as blood to the Moabites across the way.
23 ULB Nihoraka mafy izy ireo hoe: "Rà io! Tena ringana tokoa ireo mpanjaka, ary nifamono izy ireo! Ankehitriny ary, ry Moaba, andeha isika handroba azy ireo!" BSB BSB: “This is blood!” they exclaimed. “The kings have clashed swords and slaughtered one another. Now to the plunder, Moab!”
24 ULB Nony nankany amin'ny tobin'Israely izy ireo, nanampoka ireo Israelita izy ireo ka nanafika ireo Moabita, izay nandositra teo anatrehany. Notaritin'ny tafik'Israely nanerana ny tany ireo Moabita, dia novonoiny izy ireo. BSB BSB: But when the Moabites came to the camp of Israel, the Israelites rose up and attacked them, and they fled before them. So the Israelites invaded their land and struck down the Moabites.
25 ULB Nopotehiny ireo tanàna, ary ny velaran-tany tsara rehetra dia nofafazan'ny lehilahy rehetra vato mandra-paharakotra izany. Notapenan'izy ireo ny loharano rehetra, nokapain'izy ireo ny hazo tsara rehetra. Ary Kira-haresa sisa no tavela tsy nihetsika ny vatony. Fa nodidinin'ireo miaramila mpitana antsamotady izany ary notafihany. BSB BSB: They destroyed the cities, and each man threw stones on every good field until it was covered. They stopped up every spring and cut down every good tree. Only Kir-haraseth was left with stones in place, but men with slings surrounded it and attacked it as well.
26 ULB Nony hitan'i Mesa mpanjakan'i Moaba fa resy an'ady izy, dia naka mpitan-tsabatra fitonjato niaraka taminy izy hanafika ny mpanjakan'i Edoma, kanefa tsy nahomby izy ireo. BSB BSB: When the king of Moab saw that the battle was too fierce for him, he took with him seven hundred swordsmen to break through to the king of Edom, but they could not prevail.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.