1 ULB Ary ny vadin'ny iray tamin'ireo zanaky ny mpaminany tonga nitomany tamin'i Elisa, nanao hoe: "Maty ny vadiko ilay mpanomponao, ary fantatrao fa ny mpanomponao dia natahotra an'i Yaveh. Ankehitriny ny mpampindram-bola dia tonga haka ireo zanako roa mba ho mpanompony." BSB BSB: Now the wife of one of the sons of the prophets cried out to Elisha, “Your servant, my husband, is dead, and you know that your servant feared the LORD. And now his creditor is coming to take my two children as his slaves!”
2 ULB Ka hoy i Elisa taminy: "Inona no azoko atao ho anao? Lazao ahy inona avy no hanananao ao an-tranonao?" Ary hoy izy: "Tsy manana na inona na inona afa-tsy diloilo iray tavoara ny mpanomponao ao an-trano." BSB BSB: “How can I help you?” asked Elisha. “Tell me, what do you have in the house?” She answered, “Your servant has nothing in the house but a jar of oil.”
3 ULB Ary hoy i Elisa: "Mandehana mindrana siny any amin'ireo mpiray vodirindrina aminao, siny tsy misy na inona na inona." Farak'izay betsaka hindramina. BSB BSB: “Go,” said Elisha, “borrow empty jars from all your neighbors. Do not gather just a few.
4 ULB Avy eo dia tsy maintsy miditra ao anatiny ianao ary mirindrim-baravarana ao ianao sy ireo zanakao lahy, ary mandraraha diloilo ao amin'ny siny rehetra; ary atokàny ireo siny izay feno." BSB BSB: Then go inside, shut the door behind you and your sons, and pour oil into all these jars, setting the full ones aside.”
5 ULB Ka nandao an'i Elisa izy ary nirindrim-baravarana izy sy ireo zanany lahy. Nentin'izy ireo tao aminy ireo siny, ka nofenoiny diloilo ireo. BSB BSB: So she left him, and after she had shut the door behind her and her sons, they kept bringing jars to her, and she kept pouring.
6 ULB Rehefa feno ny siny, dia hoy izy tamin'ireo zanany: "Hitondray siny hafa aho." Fa hoy ny zanany taminy: "Tsy misy siny intsony." Dia tsy niraraka intsony ny diloilo. BSB BSB: When all the jars were full, she said to her son, “Bring me another.” But he replied, “There are no more jars.” Then the oil stopped flowing.
7 ULB Ary tonga izy ka niteny tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra. Hoy izy hoe: "Mandehana, varoty ny diloilo; aloavy ny trosanao, ary hivelomy miaraka amin'ireo zanakao lahy ny ambiny." BSB BSB: She went and told the man of God, and he said, “Go, sell the oil, and pay your debt. Then you and your sons can live on the remainder.”
8 ULB Indray andro i Elisa nandeha tany Sonema any amin'izay hitoeran'ny vehivavy manan-danja iray; nasainy hiara-hisakafo aminy izy. Ary isaky ny andalo izy, dia hijanona ka hisakafo ao. BSB BSB: One day Elisha went to Shunem, and a prominent woman who lived there persuaded him to have a meal. So whenever he would pass by, he would stop there to eat.
9 ULB Hoy ilay vehivavy tamin'ny vadiny: "Indro, mahatsapa aho ankehitriny fa izy dia lehilahy masin'Andriamanitra izay mandalo mandrakariva. BSB BSB: Then the woman said to her husband, “Behold, now I know that the one who often comes our way is a holy man of God.
10 ULB Ndeha isika hanao efitra kely ambony rihana ho an'i Elisa, ka ho asiantsika fandriana ao anatiny, latabatra, seza, ary jiro. Ka rehefa tonga eto amintsika izy, dia hijanona eto." BSB BSB: Please let us make a small room upstairs and put in it a bed, a table, a chair, and a lamp for him. Then when he comes to us, he can stay there.”
11 ULB Ary tonga indray ny andro dia nijanona tao i Elisa, nipetraka tao amin'ilay efitra izy ary naka aina tao. BSB BSB: One day Elisha came to visit and went to his upper room to lie down.
12 ULB Hoy i Elisa tamin'i Gehazy ilay mpanompony: "Antsoy io Sonemita io." Rehefa avy niantso azy izy, dia nitsangana teo anatrehany. BSB BSB: And he said to Gehazi his servant, “Call the Shunammite woman.” And when he had called her, she stood before him,
13 ULB Ary hoy i Elisa taminy: "Teneno amin-dravehivavy hoe: 'Efa nankaty amin'izao olana rehetra izao ianao mba hiahy anay. Ka inona no azo atao ho anao? Afaka misolo vava anao any amin'ny mpanjaka na any amin'ny lehiben'ny tafika ve izahay?"' Dia namaly izy hoe: "Miara-mipetraka amin'ny vahoakako aho." BSB BSB: and Elisha said to Gehazi, “Now tell her, ‘Look, you have gone to all this trouble for us. What can we do for you? Can we speak on your behalf to the king or the commander of the army?’” “I have a home among my own people,” she replied.
14 ULB Ka hoy i Elisa: "Inona izany no azontsika atao ho azy?" Dia namaly i Gehazy hoe: "Eny tokoa, tsy manan-janaka izy, ary efa antitra ny vadiny." BSB BSB: So he asked, “Then what should be done for her?” “Well, she has no son,” Gehazi replied, “and her husband is old.”
15 ULB Ka namaly i Elisa hoe: "Antsoy izy." Rehefa avy niantso azy izy, dia nitsangana teo amin'ny varavarana. BSB BSB: “Call her,” said Elisha. So Gehazi called her, and she stood in the doorway.
16 ULB Hoy i Elisa: "Amin'ny fotoana toy izao, afaka herin-taona, dia hitrotro zazalahy ianao." Ka hoy ravehivavy: "Tsia, ry tompoko sady lehilahin'Andriamanitra, aza mandainga amin'ny mpanomponao." BSB BSB: And Elisha declared, “At this time next year, you will hold a son in your arms.” “No, my lord,” she said. “Do not lie to your maidservant, O man of God.”
17 ULB Fa ny taona manaraka ihany ravehivavy dia nitoe-jaza ary niteraka zazalahy, araka izay efa nolazain'i Elisa taminy. BSB BSB: But the woman did conceive, and at that time the next year she gave birth to a son, just as Elisha had told her.
18 ULB Rehefa niha-lehibe ny zaza, indray andro dia nandeha niaraka tamin'ny rainy, izay niaraka tamin'ireo mpijinja izy. BSB BSB: And the child grew, and one day he went out to his father, who was with the harvesters.
19 ULB Hoy izy tamin'ny rainy: "Ny lohako, ny lohako." Dia hoy ny rainy tamin'ny mpanompony: "Ento any amin'ny reniny izy." BSB BSB: “My head! My head!” he complained to his father. So his father told a servant, “Carry him to his mother.”
20 ULB Rehefa naka azy sy nitondra ilay zazalahy tany amin'ny reniny ilay mpanompo, dia nipetraka teo am-pofoany ilay zaza mandra-pitaotaovovonana ary maty avy eo. BSB BSB: After the servant had picked him up and carried him to his mother, the boy sat on her lap until noon, and then he died.
21 ULB Ka nitsangana ilay vehivavy ary nametraka ilay zazalahikely teo amin'ny fandrian'ilay lehilahin'Andriamanitra, nanidy ny varavarana, ary nivoaka. BSB BSB: And she went up and laid him on the bed of the man of God. Then she shut the door and went out.
22 ULB Niantso ny vadiny izy, ary niteny hoe: "Mba andefaso iray amin'ireo mpanompo sy iray amin'ireo ampondra re aho mba hahafahako mandeha haingana any amin'ilay lehilahin'Andriamanitra ary hiverina avy eo." BSB BSB: And the woman called her husband and said, “Please send me one of the servants and one of the donkeys, that I may go quickly to the man of God and return.”
23 ULB Dia hoy ny vadiny: "Nahoana ianao no te-ho any aminy anio? Tsy tsinam-bolana na Sabata izao." Ka namaly izy hoe: "Tsy maninona re." BSB BSB: “Why would you go to him today?” he replied. “It is not a New Moon or a Sabbath.” “Everything is all right,” she said.
24 ULB Dia nasiany lasely ny ampondra iray ary hoy izy tamin'ny mpanompony hoe: "Ampandehano haingana; ary aza mandeha mora raha tsy miteny aho." BSB BSB: Then she saddled the donkey and told her servant, “Drive onward; do not slow the pace for me unless I tell you.”
25 ULB Ka nandeha ravehivavy ary tonga tao amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany amin'ny Tendrombohitra Karmela. Ary rehefa nahita azy avy lavitra ilay lehilahin'Andriamanitra, dia niteny tamin'i Gehazy mpanompony izy hoe: "Indro, tonga ilay vehivavy Sonemita. BSB BSB: So she set out and went to the man of God at Mount Carmel. When the man of God saw her at a distance, he said to his servant Gehazi, “Look, there is the Shunammite woman.
26 ULB Mihazakazaha faingana mba hitsena azy sy hilaza aminy hoe: "Milamina ve ny aminao sy ny vadinao ary ny zanakao?"' Dia namaly izy hoe: "Milamina tsara." BSB BSB: Please run out now to meet her and ask, ‘Are you all right? Is your husband all right? Is your child all right?’” And she answered, “Everything is all right.”
27 ULB Rehefa tonga teo amin'ilay lehilahin'Andriamanitra tany an-tendrombohitra ravehivavy, dia nohazoniny ny tongony. Nanatona akaiky i Gehazy mba hanala azy kanefa hoy ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Avelao izy, fa tohina tanteraka, ary nafenin'i Yaveh tamiko ilay olana, ary tsy niteny na inona na inona tamiko." BSB BSB: When she reached the man of God at the mountain, she clung to his feet. Gehazi came over to push her away, but the man of God said, “Leave her alone, for her soul is in deep distress, and the LORD has hidden it from me and has not told me.”
28 ULB Dia hoy ravehivavy: "Nangataka zanaka taminao ve aho, ry tompoko? Tsy efa niteny ve aho hoe: 'Aza fitahana aho'?" BSB BSB: Then she said, “Did I ask you for a son, my lord? Didn’t I say, ‘Do not deceive me?’”
29 ULB Dia hoy i Elisa tamin'i Gehazy: "Miakanjoa ho an'ny dia ary ento amin'ny tananao ny tehiko. Mandehana any an-tranony. Raha mifanena amin'ny olona ianao, dia aza miarahaba azy, ary raha misy olona miarahaba anao, dia aza mamaly azy. Ateheno eo amin'ny tarehin'ilay zaza ny tehiko." BSB BSB: So Elisha said to Gehazi, “Tie up your garment, take my staff in your hand, and go! If you meet anyone, do not greet him, and if anyone greets you, do not answer him. Then lay my staff on the boy’s face.”
30 ULB Fa ny renin'ilay zaza niteny hoe: "Raha velona koa i Yaveh, ary raha velona koa ianao, dia tsy handao anao aho." Ka nitsangana i Elisa ary nanaraka azy. BSB BSB: And the mother of the boy said, “As surely as the LORD lives and as you yourself live, I will not leave you.” So he got up and followed her.
31 ULB nialoha faingana azy ireo i Gehazy ary nametraka ny tehina teo amin'ny tarehin'ilay zaza, nefa tsy niteny na nandre ilay zaza. Ka niverina tany amin'i Elisa i Gehazy ary niteny taminy hoe: "Mbola tsy nifoha ilay zaza." BSB BSB: Gehazi went on ahead of them and laid the staff on the boy’s face, but there was no sound or response. So he went back to meet Elisha and told him, “The boy has not awakened.”
32 ULB Rehefa tonga tao an-trano i Elisa, dia mbola maty teo ambony fandriana ilay zaza. BSB BSB: When Elisha reached the house, there was the boy lying dead on his bed.
33 ULB Ka niditra tao i Elisa ary nirindrim-baravarana tao izy sy ilay zaza ka nivavaka tamin'i Yaveh izy. BSB BSB: So he went in, closed the door behind the two of them, and prayed to the LORD.
34 ULB Nitsangana izy ary nandry teo amin'ilay zaza; nametraka ny molony teo amin'ny molony, ny masony teo amin'ny masony, ary ny tanany teo amin'ny tanany. Naninjitra ny tenany teo amin'ilay zaza, ka lasa nafana ny vatan'ilay zazalahikely. BSB BSB: Then Elisha got on the bed and lay on the boy, mouth to mouth, eye to eye, and hand to hand. As he stretched himself out over him, the boy’s body became warm.
35 ULB Ary nitsangana i Elisa ary nivezivezy tao amin'ny efitra ary niakatra indray ka naninjitra ny tenany teo ambonin'ilay zazalahikely. Nihevona im-pito ilay zazalahy ary nanokatra ny masony. BSB BSB: Elisha turned away and paced back and forth across the room. Then he got on the bed and stretched himself out over the boy again, and the boy sneezed seven times and opened his eyes.
36 ULB Ka niantso an'i Gehazy i Elisa ary niteny hoe: "Antsoy ilay Sonemita!" Ka dia niantso azy izy, ary rehefa tonga tao amin'ny efitra izy, dia hoy i Elisa: "Raiso ny zanakao." BSB BSB: Elisha summoned Gehazi and said, “Call the Shunammite woman.” So he called her and she came. Then Elisha said, “Pick up your son.”
37 ULB Dia nampiakohoka ny tavany teo amin'ny tany teo amin'ny tongony izy ary nandohalika teo amin'ny tany, ka naka ny zanany dia nivoaka. BSB BSB: She came in, fell at his feet, and bowed to the ground. Then she picked up her son and went out.
38 ULB Ary niverina tany Gilgala indray i Elisa. Nisy mosary tao amin'ilay tany, ary nipetraka teo anoloany ireo zanaky ny mpaminany. Hoy izy tamin'ny mpanompony: "Ataovy eo amin'ny afo ny siny lehibe ary mandrahoa hanina ho an'ireo zanaky ny mpaminany." BSB BSB: When Elisha returned to Gilgal, there was a famine in the land. As the sons of the prophets were sitting at his feet, he said to his attendant, “Put on the large pot and boil some stew for the sons of the prophets.”
39 ULB Nidina tany an-tsaha mba hitango legioma ny iray tamin'izy ireo. Nahita voaloboka dia izy ary nanangona tanatanamanga dia mba hamenoana ny moron-tongotry ny akanjony. Notapatapahany ary nataon'izy ireo tao amin'ny hanina izany, nefa tsy nahafantatra ny karazan'izany izy ireo. BSB BSB: One of them went out to the field to gather herbs, and he found a wild vine from which he gathered as many wild gourds as his garment could hold. Then he came back and cut them up into the pot of stew, though no one knew what they were.
40 ULB Ka nandoatra ny hanina mba ho hanin'ireo lehilahy izy ireo. Afaka kelikely, raha teo am-pihinanana izy ireo, dia nihiaka mafy nanao hoe: "Ry lehilahin'Andriamanitra, misy mahafaty ao am-bilany!" Ka tsy afaka ny hihinana izany intsony izy ireo. BSB BSB: And they poured it out for the men to eat, but when they tasted the stew they cried out, “There is death in the pot, O man of God!” And they could not eat it.
41 ULB Fa hoy i Elisa hoe: "Mitondrà koba." Nanipy izany tao anaty vilany izy ary niteny hoe: "Lohary ho an'ny olona izany, mba hihinana izy ireo." Ka tsy nisy zavatra mahafaty intsony tao am-bilany." BSB BSB: Then Elisha said, “Get some flour.” He threw it into the pot and said, “Pour it out for the people to eat.” And there was nothing harmful in the pot.
42 ULB Nisy lehilahy iray avy any Bala-salisa nankany amin'ny lehilahin'Andriamanitra ary nitondra mofo vita tamin'ny vary hordea roapolo vao nojinjaina, ary salohim-bary vaovao tao anaty kitapony. Hoy izy: "Omeo an'ireo olona ireto mba hahafahan'izy ireo mihinana." BSB BSB: Now a man from Baal-shalishah came to the man of God with a sack of twenty loaves of barley bread from the first ripe grain. “Give it to the people to eat,” said Elisha.
43 ULB Hoy ny mpanompony: "Ahoana no hanomezako izany an'ireo olona zato?" Fa hoy i Elisa hoe: "Omeo ny olona ireto, mba hahafahan'izy ireo mihinana, satria i Yaveh niteny hoe: "Hihinana izy ireo ary hamela ambiny." BSB BSB: But his servant asked, “How am I to set twenty loaves before a hundred men?” “Give it to the people to eat,” said Elisha, “for this is what the LORD says: ‘They will eat and have some left over.’”
44 ULB Ka nanome izany azy ireo ny mpanompony; dia nihinana izy ireo, ary nisy sisa tavela, araka ny teny fampanantenan'i Yaveh. BSB BSB: So he set it before them, and they ate and had some left over, according to the word of the LORD.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.