1 ULB Ary Namàna, mpifehy ny tafiky ny mpanjakan'i Syria, dia lehilahy lehibe sady be voninahitra eo imason'ny tompony, satria tamin'ny alalany no nanomezan'i Yaveh fandresena an'i Syria. Lehilahy matanjaka, be herim-po ihany koa izy, kanefa boka. BSB BSB: Now Naaman, the commander of the army of the king of Aram, was a great man in his master’s sight and highly regarded, for through him the LORD had given victory to Aram. And he was a mighty man of valor, but he was a leper.
2 ULB Nandeha nivoaka isan-tokony ireo Syriana ary naka zazavavy kely iray avy tao amin'ny tanin'Israely. Nanompo ny vadin'i Namàna izy. BSB BSB: At this time the Arameans had gone out in bands and had taken a young girl from the land of Israel, and she was serving Naaman’s wife.
3 ULB Hoy ilay zazavavy tamin'ny tompovaviny hoe: "Enga anie mba hiaraka amin'ilay mpaminany izay any Samaria ny tompoko! Ary hanasitrana ny tompoko amin'ny habokany izy." BSB BSB: She said to her mistress, “If only my master would go to the prophet who is in Samaria, he would cure him of his leprosy.”
4 ULB Koa nandeha i Namàna ary niteny tamin'ny mpanjaka izay nolazain'ilay zazavavy kely avy any amin'ny tanin'Israely. BSB BSB: And Naaman went and told his master what the girl from the land of Israel had said.
5 ULB Dia hoy ilay mpanjakan'i Syria hoe: "Mandehana ankehitriny, ary hampitondra taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely aho." Lasa i Namàna ary nitondra talenta volafotsy folo, volamena enin'arivo, sy akanjo fisoloana folo niaraka taminy. BSB BSB: “Go now,” said the king of Aram, “and I will send you with a letter to the king of Israel.” So Naaman departed, taking with him ten talents of silver, six thousand shekels of gold, and ten sets of clothing.
6 ULB Nitondra ilay taratasy ho an'ny mpanjakan'Israely ihany koa izy izay nilaza hoe: "Rehefa entina aminao ity taratasy ity, dia ho hitanao fa nandefa an'i Namàna mpanompoko aminao aho, mba hanasitrananao azy amin'ny habokany." BSB BSB: And the letter that he took to the king of Israel stated: “With this letter I am sending my servant Naaman, so that you may cure him of his leprosy.”
7 ULB Rehefa avy namaky ilay taratasy ny mpanjakan'Israely, dia nandrovitra ny akanjony izy ary niteny hoe: "Moa ve Andriamanitra aho, ka hamono na hamelona, no mila ahy hanasitrana lehilahy amin'ny habokany ity lehilahy ity? Ohatran'ny mitady hifanditra amiko izy." BSB BSB: When the king of Israel read the letter, he tore his clothes and asked, “Am I God, killing and giving life, that this man expects me to cure a leper? Surely you can see that he is seeking a quarrel with me!”
8 ULB Koa rehefa ren'i Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra fa nandriatra ny ankanjony ilay mpanjakan'Israely, dia nandefa teny tany amin'ny mpanjaka izy nanao hoe: "Nahoana no norovitinao ny akanjonao? Avelao izy hanatona ahy ankehitriny, dia ho fantany fa misy mpaminany ao Israely." BSB BSB: Now when Elisha the man of God heard that the king of Israel had torn his clothes, he sent a message to the king: “Why have you torn your clothes? Please let the man come to me, and he will know that there is a prophet in Israel.”
9 ULB Ka tonga niaraka tamin'ireo soavaliny sy kalesiny i Namàna ary nijoro teo am-baravaran'ny tranon'i Elisa. BSB BSB: So Naaman came with his horses and chariots and stood at the door of Elisha’s house.
10 ULB Naniraka mpitondra hafatra tany aminy Elisa, nanao hoe: "Mandehana ary ampandroy impito ao amin'i Jordana ny tenanao, dia hiverina amin'ny laoniny ny nofonao; hadio ianao." BSB BSB: Then Elisha sent him a messenger, who said, “Go and wash yourself seven times in the Jordan, and your flesh will be restored, and you will be clean.”
11 ULB Fa tezitra i Namàna ary lasa ka niteny hoe: "Indro, noheveriko fa hivoaka hanatona ahy izy ary hitsangana sy hiantso ny anaran'i Yaveh Andriamaniny, ary hanofahofa ny tanany amin'ilay toerana ka hanasitrana ny habokako. BSB BSB: But Naaman went away angry, saying, “I thought that he would surely come out, stand and call on the name of the LORD his God, and wave his hand over the spot to cure my leprosy.
12 ULB Moa i Abana sy Farpara, reniranon'i Damaskosy, tsy tsara kokoa noho ny rano rehetra ao Israely? Tsy afaka mandro ao amin'ireo ve aho dia hadio?" Dia niverina izy ary lasa an-katezerana. BSB BSB: Are not the Abanah and Pharpar, the rivers of Damascus, better than all the waters of Israel? Could I not have washed in them and been cleansed?” So he turned and went away in a rage.
13 ULB Avy eo ireo mpanompon'i Namàna nanakaiky ka niresaka taminy hoe: "Ry raiko, raha nandidy anao hanao zava-tsarotra sasany ny mpaminany, moa tsy nanao izany ve ianao? Koa mainka fa, rehefa miteny tsotra anao izy hoe: 'Ampandroy ny tenanao dia hadio ianao?" BSB BSB: Naaman’s servants, however, approached him and said, “My father, if the prophet had told you to do some great thing, would you not have done it? How much more, then, when he tells you, ‘Wash and be cleansed’?”
14 ULB Avy eo dia nandeha nidina izy ary nampandro ny tenany impito tao amin'i Jordana, nankatò ireo toromarik'ilay lehilahin'Andriamanitra. Niverina toy ny nofon-jazakely indray ny nofony, ary sitrana izy. BSB BSB: So Naaman went down and dipped himself in the Jordan seven times, according to the word of the man of God, and his flesh was restored and became like that of a little child, and he was clean.
15 ULB Niverina tany amin'ilay lehilahin'Andriamanitra i Namàna, izy sy ireo mpiara-dia taminy rehetra ary nijoro teo anoloany. Hoy izy hoe: "Indro, fantatro ankehitriny fa tsy misy Andriamanitra manerana ny tany afa-tsy ao Israely ihany. Noho izany, raiso ny fanomezana avy amin'ny mpanomponao." BSB BSB: Then Naaman and all his attendants went back to the man of God, stood before him, and declared, “Now I know for sure that there is no God in all the earth except in Israel. So please accept a gift from your servant.”
16 ULB Fa Elisa namaly hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, izay eo anatrehany no hijoroako, dia tsy handray na inona na inona aho." Namporisika an'i Elisa mba handray ilay fanomezana i Namàna, fa nandà izy. BSB BSB: But Elisha replied, “As surely as the LORD lives, before whom I stand, I will not accept it.” And although Naaman urged him to accept it, he refused.
17 ULB Noho izany dia hoy i Namàna hoe: "Raha tsy izany, dia mangataka aminao aho mba hanome ny mpanomponao tany ampy zakain'ny ampondra roa, satria manomboka izao, dia hanome fanatitra dorana na sorona ho an'andriamani-kafa intsony ny mpanomponao afa-tsy i Yaveh. BSB BSB: “If you will not,” said Naaman, “please let me, your servant, be given as much soil as a pair of mules can carry. For your servant will never again make a burnt offering or a sacrifice to any other god but the LORD.
18 ULB Aoka mba hamela heloka ny mpanomponao Yaveh amin'ity zavatra iray ity, dia izao, rehefa miditra aoan-tranon'i Rimona ny mpanjakako mba hanompo ao, ary mitehina amin'ny tanako izy dia miankohoka ao an-tranon'i Rimona aho, rehefa miankohoka ao an-tranon'i Rimona aho, dia enga anie Yaveh mba hamela heloka ny mpanomponao amin'izany zavatra izany." BSB BSB: Yet may the LORD forgive your servant this one thing: When my master goes into the temple of Rimmon to worship there, and he leans on my arm, and I bow down in the temple of Rimmon, may the LORD forgive your servant in this matter.”
19 ULB Dia hoy i Elisa taminy hoe: "Mandehana am-piadanana." Dia lasa i Namàna. BSB BSB: “Go in peace,” said Elisha. But after Naaman had traveled a short distance,
20 ULB Nandeha halavirana fohy ihany izy, rehefa niteny taminy i Gehazy mpanompon'i Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Indro, efa namindra fo ity Namàna ilay Syriana ny tompoko tamin'ny tsy fandraisana ireo fanomezana izay nentiny teny an-tanany. Raha mbola velona koa i Yaveh, dia hanaraka azy aho ary handray zavatra avy aminy." BSB BSB: Gehazi, the servant of Elisha the man of God, said, “Look, my master has spared this Aramean, Naaman, by not accepting what he brought. As surely as the LORD lives, I will run after him and get something from him.”
21 ULB Noho izany dia nanaraka an'i Namàna i Gehazy. Rehefa nahita olona nihazakazaka tao ahoriany i Namàna, dia nitsambikina nidina tamin'ny kalesiny izy mba hitsena azy ary niteny hoe: "Mety ve ny zavatra rehetra?" BSB BSB: So Gehazi pursued Naaman. And when Naaman saw him running toward him, he got down from the chariot to meet him and asked, “Is everything all right?”
22 ULB Dia hoy i Gehazy hoe: "Mety daholo ny zavatra rehetra. Nirahin'ny tompoko aho, nanao hoe: 'Indro, nisy tovolahy roa avy amin'ireo zanaky ny mpaminany tonga nanatona ahy avy any amin'ny vohitr'i Efraima. Miangavy re mba omeo talenta volafotsy iray sy akanjo hisoloana roa izy ireo." BSB BSB: “Everything is all right,” Gehazi replied. “My master has sent me to say, ‘Look, two young men from the sons of the prophets have just now come to me from the hill country of Ephraim. Please give them a talent of silver and two sets of clothing.’”
23 ULB Namaly i Namàna hoe: "Faly be aho manome talenta volafotsy roa ho anao." Namporisika an'i Gehazy i Namàna ary namatotra talenta volafotsy roa tao anaty kitapo roa, niaraka tamin'ireo akanjo roa hisoloana, ary nametraka ireo tamin'ny roa tamin'ireo mpanompony, izay nitondra ireo kitapom-bolafotsy nialoha an'i Gehazy. BSB BSB: But Naaman insisted, “Please, take two talents.” And he urged Gehazi to accept them. Then he tied up two talents of silver in two bags along with two sets of clothing and gave them to two of his servants, who carried them ahead of Gehazi.
24 ULB Rehefa tonga tao amin'ny havoana i Gehazy, dia naka ireo kitapom-bolafotsy teny an-tanan'izy ireo izy ary nanafina ireo tao an-trano; nalefany ireo lehilahy, ka lasa izy ireo. BSB BSB: When Gehazi came to the hill, he took the gifts from the servants and stored them in the house. Then he dismissed the men, and they departed.
25 ULB Rehefa niditra i Gehazy ary nitsangana nanoloana ny tompony, dia hoy i Elisa taminy hoe: "Avy aiza ianao, ry Gehazy?" Namaly izy hoe: "Tsy nandeha taiza na taiza ny mpanomponao." BSB BSB: When Gehazi went in and stood before his master, Elisha asked him, “Gehazi, where have you been?” “Your servant did not go anywhere,” he replied.
26 ULB Hoy i Elisa tamin'i Gehazy hoe: "Tsy niaraka taminao ve ny fanahiko rehefa nihodina tamin'ny kalesiny mba hitsena anao ilay lehilahy? Fotoana fandraisana vola sy akanjo, tanin'oliva sy tanim-boaloboka, ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy vavy ve izao? BSB BSB: But Elisha questioned him, “Did not my spirit go with you when the man got down from his chariot to meet you? Is this the time to accept money and clothing, olive groves and vineyards, sheep and oxen, menservants and maidservants?
27 ULB Noho izany dia ho aminao sy ny taranakao mandrakizay ny habokan'i Namàna." Koa niala tamin'ny fanatrehany i Gehazy, boka fotsy tahaka ny oram-panala. BSB BSB: Therefore, the leprosy of Naaman will cling to you and your descendants forever!” And as Gehazi left his presence, he was leprous—as white as snow.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.