1 ULB Ireo zanaky ny mpaminany nilaza tamin'i Elisa hoe: "Ilay toerana izay hipetrahanay miaraka aminao dia tena kely loatra ho anay rehetra. BSB BSB: Now the sons of the prophets said to Elisha, “Please take note that the place where we meet with you is too small for us.
2 ULB Avelao re izahay handeha ho any Jordana, ary avelao ny olona rehetra mba hanapaka hazo any, ary avelao izahay hanorina toerana hahafahanay mipetraka any." Namaly i Elisa hoe: "Afaka mandeha ianareo." BSB BSB: Please let us go to the Jordan, where each of us can get a log so we can build ourselves a place to live there.” “Go,” said Elisha.
3 ULB Ny iray tamin'izy ireo niteny hoe: "Mandehana re miaraka amin'ireo mpanomponao." Ary namaly Elisa hoe: "Handeha aho." BSB BSB: Then one of them said, “Please come with your servants.” “I will come,” he replied.
4 ULB Koa nandeha niaraka tamin'izy ireo izy, ary rehefa tonga tany Jordana izy ireo, dia nanomboka nanapaka hazo. BSB BSB: So Elisha went with them, and when they came to the Jordan, they began to cut down some trees.
5 ULB Fa raha teo am-pikapana ny iray, dia nilatsaka tao anaty rano ny lela-pamaky; nihiaka mafy izy ary niteny hoe: "Loza, ry tompoko, nindramina iny!" BSB BSB: As one of them was cutting down a tree, the iron axe head fell into the water. “Oh, my master,” he cried out, “it was borrowed!”
6 ULB Ka hoy ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Taiza no nilatsahany?" Dia natoron'ilay olona an'i Elisa ilay toerana. Dia nanapaka tapa-kazo izy, ary nanipy izany tao anaty rano, ka nampitsingevana ny vy. BSB BSB: “Where did it fall?” asked the man of God. And when he showed him the place, the man of God cut a stick, threw it there, and made the iron float.
7 ULB Hoy i Elisa hoe: "Alaivo io." Ka naninjitra ny tanany ilay olona ary naka izany. BSB BSB: “Lift it out,” he said, and the man reached out his hand and took it.
8 ULB Ary nanangan'ady tamin'Israely nyy mpanjakan'i Syria. Niresaka tamin'ny mpanompony izy, nanao hoe: "Any amin'ny toerana tahaka izao sy tahaka izao no hitobiako." BSB BSB: Now the king of Aram was at war against Israel. After consulting with his servants, he said, “My camp will be in such and such a place.”
9 ULB Ka ilay lehilahin'Andriamanitra izay nalefa tany amin'ny mpanjakan'Israely, niteny hoe: "Mitandrema tsy handalo amin'izany toerana izany, fa hidina any ireo Syriana." BSB BSB: Then the man of God sent word to the king of Israel: “Be careful not to pass by this place, for the Arameans are going down there.”
10 ULB Nandefa hafatra tany amin'ilay toerana izay voalaza sy nampitandreman'ilay lehilahin'Andriamanitra azy ny mpanjakan'Israely. Tsy indray mandeha na indroa fotsiny, rehefa nandeha tany ilay mpanjaka, dia mailo izy. BSB BSB: So the king of Israel sent word to the place the man of God had pointed out. Time and again Elisha warned the king, so that he was on his guard in such places.
11 ULB Tezitra mafy tamin' ireo fampitandremana ilay mpanjakan'i Syria, ka niantso ireo mpanompony izy ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Tsy hilaza amiko ve ianareo hoe iza eo aminareo no miandany amin'ny mpanjakan'Israely?" BSB BSB: For this reason the king of Aram became enraged and called his servants to demand of them, “Tell me, which one of us is on the side of the king of Israel?”
12 ULB Ka hoy ny iray tamin'ireo mpanompony hoe: "Tsia, ry mpanjaka, tompoko, fa i Elisa mpaminany ao Israely no milaza amin'ny mpanjakan'Israely ireo teny izay lazainao ao amin'ny efitrano fatorianao!" BSB BSB: But one of his servants replied, “No one, my lord the king. For Elisha, the prophet in Israel, tells the king of Israel the very words you speak in your bedroom.”
13 ULB Ary namaly ilay mpanjaka hoe: "Mandehana ary tadiavo ny misy an'i Elisa mba hahafahako mandefa olona hisambotra azy." Nolazaina taminy hoe: "Indro, any Dotana izy." BSB BSB: So the king said, “Go and see where he is, that I may send men to capture him.” On receiving the report, “Elisha is in Dothan,”
14 ULB Ka nandefa soavaly maro, kalesy, ary tafika lehibe tany Dotana ny mpanjaka. Tamin'ny alina izy no tonga ary nanodidina ny tanàna. BSB BSB: the king of Aram sent horses, chariots, and a great army. They went there by night and surrounded the city.
15 ULB Rehefa nifoha maraina ka nivoaka tany ivelany ny mpanompon'ilay lehilahin'Andriamanitra, dia indro, ny tafika lehibe mitaingi-tsoavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna. Hoy ilay mpanompo taminy hoe: "O, ry tompoko! Inona no ho ataontsika?" BSB BSB: When the servant of the man of God got up and went out early in the morning, behold, an army with horses and chariots had surrounded the city. So he asked Elisha, “Oh, my master, what are we to do?”
16 ULB Elisa namaly hoe: "Aza matahotra, fa ireo izay miaraka amintsika dia mbola maro kokoa noho ireo izay miaraka amin'izy ireo." BSB BSB: “Do not be afraid,” Elisha answered, “for those who are with us are more than those who are with them.”
17 ULB Nivavaka i Elisa ary niteny hoe: "Ry Yaveh, mitalaho aminao ny mba hanokafanao ny masony mba hahita aho." Ary nosokafan'i Yaveh ny mason'ilay mpanompo, ka nahita izy. Indro, ny tendrombohitra dia feno soavaly sy kalesy afo nanodidina an'i Elisa! BSB BSB: Then Elisha prayed, “O LORD, please open his eyes that he may see.” And the LORD opened the eyes of the young man, and he saw that the hills were full of horses and chariots of fire all around Elisha.
18 ULB Rehefa nidina teo aminy ireo Syriana, dia nivavaka tamin'i Yaveh i Elisa ary niteny hoe: "Mangataka aminao aho, ataovy jamba ireo olona ireo." Koa nohajambainy izy ireo, araka ny nangatahan'i Elisa. BSB BSB: As the Arameans came down against him, Elisha prayed to the LORD, “Please strike these people with blindness.” So He struck them with blindness, according to the word of Elisha.
19 ULB Ary hoy i Elisa tamin'ireo Syriana hoe: "Tsy io no lalana, na ilay tanàna. Araho aho, fa ho entiko any amin'ilay olona izay tadiavinareo ianareo." Avy eo dia notarihany ho any Samaria izy ireo. BSB BSB: And Elisha told them, “This is not the way, and this is not the city. Follow me, and I will take you to the man you are seeking.” And he led them to Samaria.
20 ULB Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy i Elisa hoe: "Ry Yaveh, sokafy ny mason'ireo olona ireo mba hahafahan'izy ireo mahita." Dia nosokafan'i Yaveh ny mason'izy ireo ka nahita izy ireo, ary indro, teo afovoan'ny tanànan'i Samaria izy ireo. BSB BSB: When they had entered Samaria, Elisha said, “O LORD, open the eyes of these men that they may see.” Then the LORD opened their eyes, and they looked around and discovered that they were in Samaria.
21 ULB Hoy ilay mpanjakan'Israely tamin'i Elisa, rehefa nahita azy ireo izy: "Ry raiko, tokony hovonoiko ve izy ireo? Tokony hovonoiko ve izy ireo?" BSB BSB: And when the king of Israel saw them, he asked Elisha, “My father, shall I kill them? Shall I kill them?”
22 ULB Elisa namaly hoe: "Aoka tsy hamono azy ireo ianao. Hovonoinao ve ireo izay nobaboanao tamin'ny sabatra sy ny tsipìka? Mametraha mofo sy rano eo anoloan'izy ireo, mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary mandehana any amin'ny tompon'izy ireo." BSB BSB: “Do not kill them,” he replied. “Would you kill those you have captured with your own sword or bow? Set food and water before them, that they may eat and drink and then return to their master.”
23 ULB Koa nanomana sakafo maro ho azy ireo ilay mpanjaka, ary rehefa nihinana sy nisotro izy ireo, dia nalefany, ka niverina tany amin'ny tompony. Tsy niverina tany amin'ny tanin'Israely nandritra ny fotoana ela ireo tariky ny miaramila Syriana. BSB BSB: So the king prepared a great feast for them, and after they had finished eating and drinking, he sent them away, and they returned to their master. And the Aramean raiders did not come into the land of Israel again.
24 ULB Fotoana fohy taorian'izay dia namory ny tafiny i Beni-hadada ary nanafika an'i Samaria sy nanao fahirano azy. BSB BSB: Some time later, Ben-hadad king of Aram assembled his entire army and marched up to besiege Samaria.
25 ULB Ka nisy mosary lehibe tany Samaria. Indro, nanao fahirano izy ireo mandra-pahalafo ho sekely volafotsy valopolo ny lohan'ampondra iray, ary ny taim-boromailala ampahefatry ny kaba ho sekely volafotsy dimy. BSB BSB: So there was a great famine in Samaria. Indeed, they besieged the city so long that a donkey’s head sold for eighty shekels of silver, and a quarter cab of dove’s dung sold for five shekels of silver.
26 ULB Raha nandalo teo amin'ny manda ny mpanjakan'Israely, dia nisy vehivavy nihiaka taminy, nilaza hoe: "Vonjeo, ry mpanjaka, tompoko." BSB BSB: As the king of Israel was passing by on the wall, a woman cried out to him, “Help me, my lord the king!”
27 ULB Hoy izy: "Raha tsy manampy anao i Yaveh, ahoana no hahafahako manampy anao? Misy zavatra ve avy amin'ny famoloana sy ny famiazam-boaloboka?" BSB BSB: He answered, “If the LORD does not help you, where can I find help for you? From the threshing floor or the winepress?”
28 ULB Dia nanohy ny mpanjaka hoe: "Inona no olanao?" Ka namaly izy hoe: "Hoy ity vehivavy ity tamiko: 'Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy anio, ary hihinana ny zanako isika rahampitso."' BSB BSB: Then the king asked her, “What is the matter?” And she answered, “This woman said to me, ‘Give up your son, that we may eat him, and tomorrow we will eat my son.’
29 ULB Ka nampangotrahinay ny zanako ary nohaninay, ary nilaza taminy aho ny andro manaraka hoe: "Omeo ny zanakao mba hihinanantsika azy, kanefa efa nafeniny ny zanany." BSB BSB: So we boiled my son and ate him, and the next day I said to her, ‘Give up your son, that we may eat him.’ But she had hidden her son.”
30 ULB Ary rehefa nandre ireo tenin-dravehivavy ny mpanjaka, dia nandriatra ny akanjony izy (ary nandalo teo amin'ny manda izy), ka nijery ary nahita fa nanana atin'akanjo lamba fisaonana izy, teny an-kodiny. BSB BSB: When the king heard the words of the woman, he tore his clothes. And as he passed by on the wall, the people saw the sackcloth under his clothes next to his skin.
31 ULB Ary hoy izy hoe: "Aoka anie Andriamanitra hanao izany amiko, mihoatra noho izany aza, raha mitoetra ao aminy ny lohan'i Elisa zanak'i Safata anio." BSB BSB: He announced, “May God punish me, and ever so severely, if the head of Elisha son of Shaphat remains on his shoulders through this day!”
32 ULB Fa i Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ireo loholona niara-nipetraka taminy. Nandefa olona iray avy teo anoloany ny mpanjaka, nefa rehefa tonga tany amin'i Elisa ny mpitondra hafatra, dia hoy izy tamin'ireo loholona hoe: "Indro, ahoana ny fomba nandefasana ity zanaka mpamono olona ity olona hanapaka ny lohako? Indro, rehefa tonga ny mpitondra hafatra, dia hidio ny varavarana, ary hazony hihidy mba tsy hidirany ny varavarana. Moa ve tsy feon'ny tongotry ny tompony izany ao aoriany izany? BSB BSB: Now Elisha was sitting in his house, and the elders were sitting with him. The king sent a messenger ahead, but before he arrived, Elisha said to the elders, “Do you see how this murderer has sent someone to cut off my head? Look, when the messenger comes, shut the door to keep him out. Is not the sound of his master’s footsteps behind him?”
33 ULB Raha mbola nanohy niresaka tamin'izy ireo izy, dia indro, nidina teo aminy ilay mpitondra hafatra. Hoy ny mpanjaka hoe: "Indro, avy amin'i Yaveh izao loza izao. Nahoana aho no tokony mbola hiandry an'i Yaveh ihany?" BSB BSB: While Elisha was still speaking with them, the messenger came down to him. And the king said, “This calamity is from the LORD. Why should I wait for the LORD any longer?”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.