2 ULB Niainga i Davida ary nandeha niaraka tamin'ireo lehilahiny rehetra izay niaraka taminy nanomboka tany Bala any Joda mba hilanja ny fiaran'Andriamanitra, izay antsoina amin'ny anarana hoe Yaveh tompon'ny maro, izay mipetraka am-piandrianana eo ambonin'ny kerobima avy any. BSB BSB: And he and all his troops set out for Baale of Judah to bring up from there the ark of God, which is called by the Name—the name of the LORD of Hosts, who is enthroned between the cherubim that are on it.
3 ULB Napetrak'izy ireo teo ambony kalesy vaovao ny fiaran'Andriamanitra. Navoakan'izy ireo tao amin'ny tranon'i Abinadaba, izay teo amin'ny havoana iray izany. Oza sy Ahio, zanany lahy, no nitari-dalana ilay kalesy vaovao. BSB BSB: They set the ark of God on a new cart and brought it from the house of Abinadab, which was on the hill. Uzzah and Ahio, the sons of Abinadab, were guiding the new cart,
4 ULB Navoakan'izy ireo tao an-tranon'i Abinadaba teo amin'ny havoana ilay kalesy sy ny fiaran'Andriamanitra teo amboniny. Ahio no nandeha teo anoloan'ilay fiara. BSB BSB: bringing with it the ark of God. And Ahio was walking in front of the ark.
5 ULB Avy eo Davida sy ny ankohonan'Israely rehetra nanomboka nitsinjaka teo anatrehan'i Yaveh, nankalaza tamin'ny zava-maneno vita tamin'ny hazo, lokanga, valiha, ampongatapaka, korintsana ary kipantsona. BSB BSB: David and all the house of Israel were celebrating before the LORD with all kinds of wood instruments, harps, stringed instruments, tambourines, sistrums, and cymbals.
6 ULB Rehefa tonga teo amin'ny famoloan'i Nakona izy ireo, dia nianjera ny omby, ary Oza naninjitra ny tanany mba hisarika ilay fiaran'Andriamanitra, ka nihazona izany izy. BSB BSB: When they came to the threshing floor of Nacon, Uzzah reached out and took hold of the ark of God, because the oxen had stumbled.
9 ULB Natahotra an'i Yaveh i Davida tamin'izany andro izany. Hoy izy hoe: "Ahoana no hahatonga ny fiaran'i Yaveh aty amiko?" BSB BSB: That day David feared the LORD and asked, “How can the ark of the LORD ever come to me?”
10 ULB Koa tsy naniry ny hitondra ny fiaran'Andriamanitra niaraka taminy ho ao amin'ny tanànan'i Davida izy. Fa kosa, nampiriminy tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita izany. BSB BSB: So he was unwilling to move the ark of the LORD to the City of David; instead, he took it aside to the house of Obed-edom the Gittite.
11 ULB Nijanona tao an-tranon'i Obed-edoma ilay Gitita nandritra ny telo volana ny fiaran'i Yaveh. Noho izany dia notahian'i Yaveh izy sy ny ankohonany rehetra. BSB BSB: Thus the ark of the LORD remained in the house of Obed-edom the Gittite for three months, and the LORD blessed him and all his household.
12 ULB Ary nolazaina tamin'i Davida Mpanjaka hoe: "Efa nitahy ny tranon'i Obed-edoma sy ny zavatra rehetra izay azy i Yaveh noho ilay fiaran'Andriamanitra." Noho izany dia nandeha i Davida ary nitondra ilay fiaran'Andriamanitra niakatra avy tao an-tranon'i Obed-edoma tamim-piravoravoana ho any amin'ny tanànan'i Davida. BSB BSB: Now it was reported to King David, “The LORD has blessed the house of Obed-edom and all that belongs to him, because of the ark of God.” So David went and had the ark of God brought up from the house of Obed-edom into the City of David with rejoicing.
13 ULB Rehefa namindra inenina ireo izay nilanja ny fiaran'Andriamanitra, dia nanao sorona omby iray sy zanak'omby mifahy izy. BSB BSB: When those carrying the ark of the LORD had advanced six paces, he sacrificed an ox and a fattened calf.
14 ULB Nandihy teo anatrehan'i Yaveh tamin'ny heriny rehetra i Davida; efoda rongony fotsy madinika ihany no nanaovany. BSB BSB: And David, wearing a linen ephod, danced with all his might before the LORD,
15 ULB Noho izany dia nentin'i Davida sy ny ankohonan'Israely rehetra niakatra niaraka tamin'ny horakoraka sy ny feon'anjomara ny fiaran'i Yaveh. BSB BSB: while he and all the house of Israel brought up the ark of the LORD with shouting and the sounding of the ram’s horn.
16 ULB Ary rehefa tonga tao an-tanànan'i Davida ny fiaran'i Yaveh, dia nitazana teo am-baravarankely i Mikala, zanaka vavin'i Saoly. Nahita an'i Davida Mpanjaka nitsambikimbikina sy nandihy teo anatrehan'i Yaveh izy. Avy eo dia nanao tsinontsinona azy tao am-pony izy. BSB BSB: As the ark of the LORD was entering the City of David, Saul’s daughter Michal looked down from a window and saw King David leaping and dancing before the LORD, and she despised him in her heart.
17 ULB Nampidirin'izy ireo ilay fiaran'i Yaveh ary napetrany teo amin'ny toerany izany, teo afovoan'ny lay izay efa namboarin'i Davida ho an'izany. Avy eo Davida nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh. BSB BSB: So they brought the ark of the LORD and set it in its place inside the tent that David had pitched for it. Then David offered burnt offerings and peace offerings before the LORD.
18 ULB Rehefa vitan'i Davida ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny vahoaka tamin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro izy. BSB BSB: When David had finished sacrificing the burnt offerings and peace offerings, he blessed the people in the name of the LORD of Hosts.
19 ULB Ka dia nizara mofo, teti-kena, ary mofomamy misy voaloboka tamin'ny vahoaka rehetra, ny Israely manontolo, tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy izy. Dia lasa ny olona rehetra; samy niverina tany an-tranony avy. BSB BSB: Then he distributed to every man and woman among the multitude of Israel a loaf of bread, a date cake, and a raisin cake. And all the people departed, each to his own home.
20 ULB Dia niverina mba hitso-drano ny ankohonany i Davida. Mikala, ilay zanaka vavin'i Saoly, dia nivoaka mba hitsena an'i Davida ary niteny hoe: "Endrey ny voninahitry ny mpanjakan'Israely ankehitriny, izay nanary ny lambany teo imason'ireo andevo vavy anisan'ireo mpanompony, tahaka ny iray amin'ireo mpiteny ratsy izay lany henatra manary ny lambany!" BSB BSB: When David returned home to bless his own household, Saul’s daughter Michal came out to meet him. “How the king of Israel has distinguished himself today!” she said. “He has uncovered himself today in the sight of the maidservants of his subjects, like a vulgar person would do.”
21 ULB Davida namaly an'i Mikala hoe: "Nataoko teo anatrehan'i Yaveh izany, izay nifidy ahy ho ambonin'ny rainao sy ho ambonin'ny ankohonany rehetra, izay nanendry ahy ho mpitarika eo amin'ny vahoakan'i Yaveh, eo amin'Israely. Eo anatrehan'i Yaveh no hiravoravoako! BSB BSB: But David said to Michal, “I was dancing before the LORD, who chose me over your father and all his house when He appointed me ruler over the LORD’s people Israel. I will celebrate before the LORD,
22 ULB Mbola tsy ho mendri-kaja noho izany aza aho, ary ho afa-baraka eo imasoko ihany aho. Kanefa amin'ny alalan'ireo andevo vavy izay noresahinao ireo, no hanomezam-boninahitra ahy." BSB BSB: and I will humiliate and humble myself even more than this. Yet I will be honored by the maidservants of whom you have spoken.”
23 ULB Noho izany i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, dia tsy nanan-janaka hatramin'ny andro nahafatesany. BSB BSB: And Michal the daughter of Saul had no children to the day of her death.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.