1 ULB Rehefa nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary rehefa nanome fitsaharana azy tamin'ireo fahavalony manodidina azy rehetra i Yaveh, BSB BSB: After the king had settled into his palace and the LORD had given him rest from all his enemies around him,
2 ULB dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany hoe: "Indro, mipetraka amin'ny trano sedera aho, fa ny fiaran'Andriamanitra kosa mijanona ao afovoan'ny lay." BSB BSB: he said to Nathan the prophet, “Here I am, living in a house of cedar, while the ark of God remains in a tent.”
3 ULB Dia hoy i Natana tamin'ny mpanjaka hoe: "Mandehana, ataovy izay ao am-ponao, fa homba anao Yaveh." BSB BSB: And Nathan replied to the king, “Go and do all that is in your heart, for the LORD is with you.”
4 ULB Kanefa tamin'io alina io ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Yaveh, ary nanao hoe: BSB BSB: But that night the word of the LORD came to Nathan, saying,
5 ULB "Mandehana ary lazao Davida mpanompoko hoe: 'Izao no ambaran'i Yaveh: Hanamboatra trano hipetrahana ho Ahy ve ianao? BSB BSB: “Go and tell My servant David that this is what the LORD says: Are you the one to build for Me a house to dwell in?
6 ULB Fa tsy nitoetra tao an-trano Aho hatramin'ny andro izay nitondrako ny vahoakan'Israely niakatra avy tao Egypta hatramin'izao andro ankehitriny izao; fa kosa, nifindrafindra lay Aho, dia ny tabernakely. BSB BSB: For I have not dwelt in a house from the day I brought the Israelites up out of Egypt until this day, but I have moved about with a tent as My dwelling.
7 ULB Tany amin'ny toerana rehetra izay nifindrako niaraka tamin'ny vahoakan'Israely rehetra, moa nilaza na inona na inona tamin'ireo mpitarik'Israely izay notondroiko hiandry ny Israely vahoakako ve Aho, nanao hoe: "Nahoana ianareo no tsy nanamboatra trano sedera ho Ahy?"" BSB BSB: In all My journeys with all the Israelites, have I ever asked any of the leaders I appointed to shepherd My people Israel, ‘Why haven’t you built Me a house of cedar?’
8 ULB Koa ankehitriny ary, teneno i Davida mpanompoko hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro: 'Nalaiko avy teny amin'ny saha ianao, tamin'ny fanarahana ireo ondry, mba ho mpanapaka an'Israely vahoakako ianao. BSB BSB: Now then, you are to tell My servant David that this is what the LORD of Hosts says: I took you from the pasture, from following the flock, to be the ruler over My people Israel.
9 ULB Niaraka taminao foana Aho na taiza na taiza nalehanao. Nalàko teo anoloanao avokoa ny fahavalonao rehetra. Ankehitriny hataoko lehibe ny anaranao, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany. BSB BSB: I have been with you wherever you have gone, and I have cut off all your enemies from before you. Now I will make for you a name like that of the greatest in the land.
10 ULB Hisafidy toerana iray ho an'Israely vahoakako Aho ary hamboly azy ireo any, mba hiaina ao amin'ny toeran'izy ireo manokana izy ireo ary tsy ho voakorontana intsony. Tsy hampijaly azy ireo intsony ny olona ratsy fanahy, toy ny nataon'izy ireo teo aloha, BSB BSB: And I will provide a place for My people Israel and will plant them so that they may dwell in a place of their own and be disturbed no more. No longer will the sons of wickedness oppress them as they did at the beginning
11 ULB toy ny nataon'izy ireo hatramin'ny andro nandidiako ireo mpitsara mba hanapaka an'Israely vahoakako rehetra. Ankehitriny Aho dia hanome fitsaharana anao amin'ireo fahavalonao. Fanampin'izany, Izaho, Yaveh dia manambara aminao fa hanao trano ho anao Aho. BSB BSB: and have done since the day I appointed judges over My people Israel. I will give you rest from all your enemies. The LORD declares to you that He Himself will establish a house for you.
13 ULB Hanamboatra trano ho an'ny anarako izy, ary hametraka ny seza fiandrianan'ny fanjakany mandrakizay Aho. BSB BSB: He will build a house for My Name, and I will establish the throne of his kingdom forever.
14 ULB Ho rainy Aho, ary izy ho zanako. Rehefa manota izy, dia hananatra azy amin'ny tsorakazon'ny olona sy amin'ny fikapohana ny zanak'olona Aho. BSB BSB: I will be his Father, and he will be My son. When he does wrong, I will discipline him with the rod of men and with the blows of the sons of men.
15 ULB Fa ny fahatokiko dia tsy handao azy, raha nalaiko tamin'i Saoly izany, izay nesoriko talohanao. BSB BSB: But My loving devotion will never be removed from him as I removed it from Saul, whom I removed from before you.
17 ULB Dia niresaka tamin'i Davida i Natana ary nitatitra taminy ireo teny rehetra ireo, ary nolazainy taminy ny momban'ilay fahitana iray manontolo. BSB BSB: So Nathan relayed to David all the words of this entire revelation.
18 ULB Dia niditra Davida Mpanjaka ary nipetraka nanoloana an'i Yaveh ka nanao hoe: "Iza aho, ry Yaveh Andriamanitra, ary inona ny fianakaviako no nentinao ho amin'izao tanjona izao aho? BSB BSB: Then King David went in, sat before the LORD, and said, “Who am I, O Lord GOD, and what is my house, that You have brought me this far?
19 ULB Ary zavatra kely eo imasonao izany, ry Tompo Yaveh. Niresaka momban'ny fianakavian'ny mpanomponao ny amin'izay lehibe ho avy Ianao, ary nampiseho taranaka fara-mandimby tamiko, ry Tompo Yaveh! BSB BSB: And as if this was a small thing in Your eyes, O Lord GOD, You have also spoken about the future of the house of Your servant. Is this Your custom with man, O Lord GOD?
20 ULB Inona no mbola azoko, izaho Davida, lazaina aminao? Nanome voninahitra ny mpanomponao Ianao, ry Tompo Yaveh. BSB BSB: What more can David say to You? For You know Your servant, O Lord GOD.
21 ULB Nohon'ny amin'ny teninao, sy mba hahatanteraka ny tanjonao manokana, dia nanao izao zavatra lehibe izao Ianao ary naneho izany tamin'ny mpanomponao. BSB BSB: For the sake of Your word and according to Your own heart, You have accomplished this great thing and revealed it to Your servant.
22 ULB Noho izany dia lehibe Ianao, ry Tompo Yaveh, satria tsy misy toa Anao, ary tsy misy Andriamanitra hafa ankoatra Anao, araka izay ren'ny sofinay ihany. BSB BSB: How great You are, O Lord GOD! For there is none like You, and there is no God but You, according to everything we have heard with our own ears.
23 ULB Inona no firenena toa an'Israely vahoakanao, ilay firenena eto an-tany izay, nalehanao Andriamanitra sy novonjenao ho an'ny tenanao? Nataonao izao mba ho tonga vahoaka ho Anao izy ireo, mba hanao anarana ho an'ny tenanao, ary mba hanao asa lehibe sy mampatahotra ho an'ny taninao. Nandroaka ireo firenena sy ireo andriamanitr'izy ireo teo anoloan'ny vahoakanao, izay novonjenao avy tao Egypta Ianao. BSB BSB: And who is like Your people Israel—the one nation on earth whom God went out to redeem as a people for Himself and to make a name for Himself? You performed great and awesome wonders by driving out nations and their gods from before Your people, whom You redeemed for Yourself from Egypt.
24 ULB Napetrakao toy ny vahoakanao manokana mandrakizay Israely, ary Ianao, Yaveh, dia tonga Andriamanitr'izy ireo. BSB BSB: For You have established Your people Israel as Your very own forever, and You, O LORD, have become their God.
25 ULB Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitra, enga anie ho apetraka mandrakizay ny fampanantenana izay nataonao mahakasika ny mpanomponao sy ny fianakaviany. Ataovy araka izay nolazainao. BSB BSB: And now, O LORD God, confirm forever the word You have spoken concerning Your servant and his house. Do as You have promised,
26 ULB Ho lehibe mandrakizay anie ny anaranao, ka hilaza ny vahoaka hoe: 'Yaveh tompon'ny maro no Andriamanitr'Israely,' raha apetraka anatrehanao, ny tranoko, Davida mpanomponao. BSB BSB: so that Your name will be magnified forever when it is said, ‘The LORD of Hosts is God over Israel.’ And the house of Your servant David will be established before You.
27 ULB Satria Ianao, Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, no nanambara tamin'ny mpanomponao fa hanangana trano ho azy Ianao. Izany no antony, nahitako, izaho mpanomponao, faharisihana hivavaka Aminao. BSB BSB: For You, O LORD of Hosts, the God of Israel, have revealed this to Your servant when You said, ‘I will build a house for you.’ Therefore Your servant has found the courage to offer this prayer to You.
28 ULB Ankehitriny, ry Tompo Yaveh, dia Andriamanitra Ianao, ary mendri-pitokisana ny teninao, ary nanao io fampanantenana tsara io tamin'ny mpanomponao Ianao. BSB BSB: And now, O Lord GOD, You are God! Your words are true, and You have promised this goodness to Your servant.
29 ULB Koa ankehitriny ary, aoka hahafaly Anao ny hitahy ny tranon'ny mpanomponao, mba hitohy eo anoloanao mandrakizay izany. Satria Ianao, ry Tompo Yaveh, no niteny ireo zavatra ireo, ary tamin'ny tso-dranonao no nitahiana mandrakizay ny tranon'ny mpanomponao." BSB BSB: Now therefore, may it please You to bless the house of Your servant, that it may continue forever before You. For You, O Lord GOD, have spoken, and with Your blessing the house of Your servant will be blessed forever.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.