1 ULB Taorian'izany dia nanafika ireo Filistina i Davida ka nandresy azy ireo. Noho izany dia nalain'i Davida tsy ho eo amin'ny fifehezan'ireo Filistina i Gata sy ireo zana-bohiny. BSB BSB: Some time later, David defeated the Philistines, subdued them, and took Metheg-ammah from the hand of the Philistines.
2 ULB Dia nandresy ny Moabita izy ka nandrefy ny olon'izy ireo tamin'ny tsipika tamin'ny fampandriana azy ireo teo amin'ny tany. Nandrefy indroan'ny tsipika izy mba hamonoana, ary indray mandeha monja mba hitazonana ho velona. Ka dia lasa mpanompon'i Davida ireo Moabita ary nanomboka nandoa hetra taminy. BSB BSB: David also defeated the Moabites, made them lie down on the ground, and measured them off with a cord. He measured off with two lengths those to be put to death, and with one length those to be spared. So the Moabites became subject to David and brought him tribute.
3 ULB Koa dia resin'i Davida i Hadadezera zanak'i Rehoba, ilay mpanjakan'i Zoba, raha lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny Ony Eofrata i Hedadezera. BSB BSB: David also defeated Hadadezer son of Rehob, king of Zobah, who had marched out to restore his dominion along the Euphrates River.
4 ULB Nambabo kalesy 1, 700 sy miaramila an-tongotra roa alina avy taminy i Davida. Notraingon'i Davida avokoa ny kalesin-tsoavaly rehetra, fa nanokana izay tokony ho ampy ny kalesy zato tamin'izy ireo izy. BSB BSB: David captured from him a thousand chariots, seven thousand charioteers, and twenty thousand foot soldiers, and he hamstrung all the horses except a hundred he kept for the chariots.
5 ULB Rehefa tonga hanampy an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba ny Syriana avy any Damaskosy, dia nahafaty lehilahy Syriana roa arivo sy roa alina i Davida. BSB BSB: When the Arameans of Damascus came to help King Hadadezer of Zobah, David struck down twenty-two thousand of their men.
6 ULB Avy eo i Davida nametraka miaramila tany Syria any Damaskosy, ary lasa mpanompony ka nandoa hetra taminy ny Syriana. Nampandresy an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany i Yaveh. BSB BSB: Then he placed garrisons in Aram of Damascus, and the Arameans became subject to David and brought him tribute. So the LORD made David victorious wherever he went.
7 ULB Dia nalain'i Davida ny ampinga volamena izay tany amin'ny mpanompon'i Hedadezera ka nentiny tany Jerosalema ireo. BSB BSB: And David took the gold shields that belonged to the officers of Hadadezer and brought them to Jerusalem.
8 ULB Avy eo i Davida mpanjaka dia naka varahina maro dia maro avy tao Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera. BSB BSB: And from Betah and Berothai, cities of Hadadezer, King David took a large amount of bronze.
9 ULB Rehefa ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa nandresy ny tafik'i Hadadezera rehetra i Davida, BSB BSB: When King Toi of Hamath heard that David had defeated the entire army of Hadadezer,
10 ULB dia nirahin'i Toy ho any amin'i Davida mpanjaka i Jorama zanany mba hiarahaba azy sy hitso-drano azy, satria Davida niady tamin'i Hadadezera ka nandresy azy, ary satria Hadadezera dia niady tamin'i Toy. Gorama dia nitondra zavatra vita tamin'ny volafotsy, volamena ary varahina niaraka taminy. BSB BSB: he sent his son Joram to greet King David and bless him for fighting and defeating Hadadezer, who had been at war with Toi. Joram brought with him articles of silver and gold and bronze,
11 ULB Davida mpanjaka dia nanokana ireo zavatra ireo ho an'i Yaveh, niaraka tamin'ny volafotsy sy volamenan'ireo firenena rehetra izay resiny— BSB BSB: and King David dedicated these to the LORD, along with the silver and gold he had dedicated from all the nations he had subdued—
12 ULB avy tamin'i Syria, Moaba, ireo olon'i Amona, ireo Filistina, sy ny Amalekita, niaraka tamin'ireo entana rehetra voaroba tamin'i Hadadezera zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba. BSB BSB: from Edom and Moab, from the Ammonites and Philistines and Amalekites, and from the spoil of Hadadezer son of Rehob, king of Zobah.
13 ULB Fanta-daza ny anaran'i Davida rehefa avy nambabo ny Syriana tany amin'ny Lohasahan-tsira, niaraka tamin'ireo lehilahy valo arivo sy iray alin'izy ireo. BSB BSB: And David made a name for himself when he returned from striking down eighteen thousand Edomites in the Valley of Salt.
15 ULB Nanjaka teo amin'Israely rehetra i Davida, ary nitondra ny rariny sy ny fahamarinana tamin'ny olony rehetra izy. BSB BSB: Thus David reigned over all Israel and administered justice and righteousness for all his people:
16 ULB Joaba zanak'i Zeroia no mpifehy ny tafika, ary Josafata zanak'i Ahiloda no mpirakitra. BSB BSB: Joab son of Zeruiah was over the army; Jehoshaphat son of Ahilud was the recorder;
17 ULB Zadoka zanak'i Ahitoba sy Ahimeleka zanak'i Abiatara no mpisorona, ary Seraia no mpanora-dalàna. BSB BSB: Zadok son of Ahitub and Ahimelech son of Abiathar were priests; Seraiah was the scribe;
18 ULB Benaia zanak'i Joiada no niandraikitra ireo Heretita sy ireo Paletita, ary ireo zanak'i Davida no mpanolotsain'ny mpanjaka. BSB BSB: Benaiah son of Jehoiada was over the Cherethites and Pelethites; and David’s sons were priestly leaders.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.