1 ULB Noho izany ianao, ry zanako, mahereza ao amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Jesosy Kristy. BSB BSB: You therefore, my child, be strong in the grace that is in Christ Jesus.
2 ULB Ireo zavatra renonareo avy amiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro, dia hankino amin'ny olona mahatoky izay afaka hampianatra ny sasany koa. BSB BSB: And the things that you have heard me say among many witnesses, entrust these to faithful men who will be qualified to teach others as well.
3 ULB Mihareta zava-tsarotra miaraka amiko, toy ny miaramila tsaran'i Jesosy Kristy. BSB BSB: Join me in suffering, like a good soldier of Christ Jesus.
4 ULB Tsy misy miaramila manompo raha mbola voafandrik'ireo rahaharan'izao fiainana izao, mba hafahany mampifaly ny lehibeny. BSB BSB: A soldier refrains from entangling himself in civilian affairs, in order to please the one who enlisted him.
5 ULB Ary, raha misy olona mifaninana toy ny atleta, dia tsy mandray ny satro-boninahitra izy raha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika. BSB BSB: Likewise, a competitor does not receive the crown unless he competes according to the rules.
6 ULB Ilaina ny fandraisan'ilay mpamboly izay miasa mafy ny anjara vokatra voalohany. BSB BSB: The hardworking farmer should be the first to partake of the crops.
7 ULB Saino ny moba izay lazaiko, fa ny Tompo no hanome anareo ny fahatakarana amin'ny zavatra rehetra. BSB BSB: Consider what I am saying, for the Lord will give you insight into all things.
8 ULB Tsarovy Jesosy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, izay natsangana tamin'ireo maty. Izany dia araky ny hafatry ny filazantsarako, BSB BSB: Remember Jesus Christ, raised from the dead, descended from David, as proclaimed by my gospel,
9 ULB izay mampijaly ahy ny amin'ny famatorana toy ny mpamono olona. Fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafatotra. BSB BSB: for which I suffer to the extent of being chained like a criminal. But the word of God cannot be chained!
10 ULB Noho izany hiaretako ny zavatra rehetra ho an'ireo voafidy, mba ho afaka handray ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy ihany koa izy ireo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakizay. BSB BSB: For this reason I endure all things for the sake of the elect, so that they too may obtain the salvation that is in Christ Jesus, with eternal glory.
11 ULB Ity teny ity dia mendri-pitokisana: "Raha maty niaraka taminy isika, dia ho velona hiaraka aminy ihany koa. BSB BSB: This is a trustworthy saying: If we died with Him, we will also live with Him;
12 ULB Raha miaritra isika, dia hanjaka hiaraka aminy ihany koa. Raha mandà Azy isika, dia handà antsika ihany koa Izy. BSB BSB: if we endure, we will also reign with Him; if we deny Him, He will also deny us;
13 ULB Raha tsy mahatoky isika, dia hahatoky foana Izy, satria tsy afaka mandà ny tenany Izy." BSB BSB: if we are faithless, He remains faithful, for He cannot deny Himself.
14 ULB Ampahatsiahivo azy ireo hatrany ireo zavatra ireo. Ampitandremo eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo mba tsy hifamaly momba ireo teny. Noho io dia tsy misy zavatra ilaina. Noho io dia misy fahasimbana ho an'ireo izay mihaino. BSB BSB: Remind the believers of these things, charging them before God to avoid quarreling over words, which succeeds only in leading the listeners to ruin.
15 ULB Omeo ny tsara avy aminao mba hanoloranao tena ho an'Andriamanitra tahaka ilay ankatoavina, mpiasa izay tsy manana antony hahamenarana, izay mampianatra ny tenin'ny fahamarinana amin'ny tokony ho izy. BSB BSB: Make every effort to present yourself approved to God, an unashamed workman who accurately handles the word of truth.
16 ULB Hialao ny teny fanevatevana, izay mitondra tsikelikely any amin'ny faharatsim-panahy. BSB BSB: But avoid irreverent, empty chatter, which will only lead to more ungodliness,
17 ULB Ny resak'izy ireo dia hiely toy ny fery mandoaka. Eo anivon'ireo Hymeneo sy Fileto. BSB BSB: and the talk of such men will spread like gangrene. Among them are Hymenaeus and Philetus,
18 ULB Izy ireo no lehilahy tsy mba nahalala ny marina. Miteny izy ireo fa ny fitsanganana amin'ny maty dia efa nitranga. Simbain'izy ireo ny finoan'ny sasany. BSB BSB: who have deviated from the truth. They say that the resurrection has already occurred, and they undermine the faith of some.
19 ULB Na dia izany aza, ny fototra mafy orin'Andriamanitra dia mijoro. Manana ity soratra ity: "Ny Tompo dia mahafantatra ireo izay azy" ary "Izay rehetra manonona ny anaran'ny Tompo dia tsy maintsy miala amin'ny tsy fahamarinana." BSB BSB: Nevertheless, God’s firm foundation stands, bearing this seal: “The Lord knows those who are His,” and, “Everyone who calls on the name of the Lord must turn away from iniquity.”
20 ULB Ao amin'ny tranon'ny mpanan-karena, dia tsy ireo fitoeran'ny volamena sy volafotsy ihany no ao. Misy ihany koa ireo fitoeran'ny hazo sy tanimanga. Ny sasany amin'izy ireo dia ho ampiasaina amim-boninahitra, ary ny sasany ho amin'ny fanalam-baraka. BSB BSB: A large house contains not only vessels of gold and silver, but also of wood and clay. Some indeed are for honorable use, but others are for common use.
21 ULB Raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ny fahafaham-baraka, dia fitoerana manan-kaja izy. Izy dia voatokana, ilain'ny Tompony, ary voaomana amin'ny asa tsara rehetra. BSB BSB: So if anyone cleanses himself of what is unfit, he will be a vessel for honor: sanctified, useful to the Master, and prepared for every good work.
22 ULB Mandosira an'ireo filàn'ny tanora. Mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'ireo izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. BSB BSB: Flee from youthful passions and pursue righteousness, faith, love, and peace, together with those who call on the Lord out of a pure heart.
23 ULB Saingy mandàva ireo fanontaniana adala sy tsy misy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady ireo. BSB BSB: But reject foolish and ignorant speculation, for you know that it breeds quarreling.
24 ULB Ny mpanompon'ny Tompo dia tsy tokony mifanditra. Fa kosa tsy maintsy malemy fanahy amin'ny rehetra izy, mahay mampianatra, ary maharitra. BSB BSB: And a servant of the Lord must not be quarrelsome, but must be kind to everyone, able to teach, and forbearing.
25 ULB Tsy maintsy ao amin'ny fahalemem-panahy no ampianarany ireo izay manohitra azy. Fa angamba Andriamanitra mety hanome azy ireo fibebahana ho an'ny fahalalana ny marina. BSB BSB: He must gently reprove those who oppose him, in the hope that God may grant them repentance leading to a knowledge of the truth.
26 ULB Mety hody indray ny fisainan'izy ireo ary handao ny fandriky ny devoly, rehefa avy nosamboriny tamin'ny sitrapony. BSB BSB: Then they will come to their senses and escape the snare of the devil, who has taken them captive to his will.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.