1 ULB Izaho loholona mamangy an'i Galo malala, ilay tiako amin'ny fahamarinana. BSB BSB: The elder, To the beloved Gaius, whom I love in the truth:
2 ULB Ry malala, mivavaka aho mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary ho salama, toy ny hanambinana ny fanahinao. BSB BSB: Beloved, I pray that in every way you may prosper and enjoy good health, as your soul also prospers.
3 ULB Fa nifaly indrindra aho fony nisy rahalahy tonga ary nijoro vavolombelona tamin'ny fahamarinanao, tahaka ny andehananao amin'ny marina. BSB BSB: For I was overjoyed when the brothers came and testified about your devotion to the truth, in which you continue to walk.
4 ULB Tsy manana hafaliana be noho ity aho, dia ny mandre fa mandeha amin'ny fahamarinana ireo zanako. BSB BSB: I have no greater joy than to hear that my children are walking in the truth.
5 ULB Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'ny inona na inona asa ataonao ho an'ireo rahalahy sy ireo vahiny, BSB BSB: Beloved, you are faithful in what you are doing for the brothers, and especially since they are strangers to you.
6 ULB izay nijoro vavolombelona ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana. Soa no ataonao raha alefanao mandeha amin'ny fomba mendrika an' Andriamanitra izy ireo, BSB BSB: They have testified to the church about your love. You will do well to send them on their way in a manner worthy of God.
7 ULB satria nohon'ny anarana no nialany, tsy nitondra na inona na inona avy tamin'ireo Jentilisa. BSB BSB: For they went out on behalf of the Name, accepting nothing from the Gentiles.
8 ULB Noho izany isika dia tokony handray ny tahaka izany, mba ho mpiara-miasa amin'ny fahamarinana isika. BSB BSB: Therefore we ought to support such men, so that we may be fellow workers for the truth.
9 ULB Nanoratra zavatra tamin'ny fiangonana aho, kanefa Diotrefa, ilay te-ho lohany amin'izy ireo, dia tsy nandray anay. BSB BSB: I have written to the church about this, but Diotrephes, who loves to be first, will not accept our instruction.
10 ULB Noho izany, raha tonga aho, dia ho tsaroako ireo asa izay nataony, ny fomba nilazany zavatra mahatsiravina manohitra anay miaraka amin'ny teny ratsy. Tsy afa-po tamin'ireo asa, dia tsy nandray ireo rahalahy izy. Nandrara ireo izay te-hanao toy izany izy ary nandroaka azy ireo hivoaka ny fiangonana. BSB BSB: So if I come, I will call attention to his malicious slander against us. And unsatisfied with that, he refuses to welcome the brothers and forbids those who want to do so, even putting them out of the church.
11 ULB Ry malala, aza maka tahaka izay ratsy fa izay tsara. Ilay iray izay manao ny tsara dia an'Andriamanitra; ilay iray izay manao ny ratsy dia tsy nahita an'Andriamanitra. BSB BSB: Beloved, do not imitate what is evil, but what is good. The one who does good is of God; the one who does evil has not seen God.
12 ULB Ny rehetra sy ny fahamarinana dia vavolombelona manambara an'i Demetrio. Izahay ihany koa dia mijoro vavolombelona, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay. BSB BSB: Demetrius has received a good testimony from everyone, and from the truth itself. We also testify for him, and you know that our testimony is true.
13 ULB Nanana zavatra betsaka ho soratana aminareo aho, fa tsy maniry hanoratra ireo aminareo amin'ny penina sy ranomainty aho. BSB BSB: I have many things to write to you, but I would prefer not to do so with pen and ink.
14 ULB Kanefa aho manantena hahita anareo tsy ho ela, ary hiresaka mivantana isika. Ho aminareo anie ny fiadanana. Manao veloma anao ireo sakaiza aty. Veloma any amin'ireo sakaiza tsirairay araka ny anarany avy. BSB BSB: Instead, I hope to see you soon and speak with you face to face. Peace to you. The friends here send you greetings. Greet each of our friends there by name.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.