1 ULB Joda, mpanompon'i Jesosy Kristy iray, rahalahan'i Jakoba, ho an'ireo izay antsoina hoe, malala ao amin'Andriamanitra ilay Ray, sy voatahiry ho an'i Jesosy Kristy: BSB BSB: Jude, a servant of Jesus Christ and a brother of James, To those who are called, loved by God the Father, and kept in Jesus Christ:
2 ULB Hampitomboina ho aminareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana. BSB BSB: Mercy, peace, and love be multiplied to you.
4 ULB Fa ho an'ny olona sasany nisisika antsokosoko eo aminareo. Ireo dia olona voamarika ho an'ny fanamelohana. Ireo dia olona ratsy fanahy izay manevateva ny fahasoavan'Andriamanitra ho any amin'ny fijejojejoana, ary dia mandà ny Andriana sy ny Tompo tokantsika, Jesosy Kristy. BSB BSB: For certain men have crept in among you unnoticed—ungodly ones who were designated long ago for condemnation. They turn the grace of our God into a license for immorality, and they deny our only Master and Lord, Jesus Christ.
5 ULB Ankehitriny aho dia te hampahatsiaro anareo_na dia efa fantatrareo tanteraka ary izany_fa ny Tompo dia nanavotra ny olona avy tao amin'ny tany Egypta, fa taorian'izany dia naringany izay rehetra tsy nino. BSB BSB: Although you are fully aware of this, I want to remind you that after Jesus had delivered His people out of the land of Egypt, He destroyed those who did not believe.
6 ULB Ary ireo anjely izay tsy nitana ny fahefana izay napetraka tamin'izy ireo, fa izay nandao ny fonenan'izy ireo_Andriamanitra dia namatotra azy ireo tamin'ny fatorana mandrakizay, ao amin'ny maizin-kitroka tanteraka, ho amin'ny andron'ny fitsarana lehibe. BSB BSB: And the angels who did not stay within their own domain but abandoned their proper dwelling—these He has kept in eternal chains under darkness, bound for judgment on that great day.
7 ULB Tahaka an'i Sodoma sy Gomora sy ireo tanàna manodidina azy ireo, izay nanolotra ny tenan'izy ireo ho amin'ny fijangajangana sy ny fanaovana filana tsy ara-boajanahary. Dia natao ohatra amin'ireo izay mijaly amin'ny fanasaziana any amin'ny afo mandrakizay izy ireo. BSB BSB: In like manner, Sodom and Gomorrah and the cities around them, who indulged in sexual immorality and pursued strange flesh, are on display as an example of those who sustain the punishment of eternal fire.
8 ULB Kanefa toy izany ihany, ireo mpanofinofy ireo dia mandoto ihany koa ny vatan'izy ireo, ary miteny zavatra ratsy manohitra ireo manam-boninahitra. BSB BSB: Yet in the same way these dreamers defile their bodies, reject authority, and slander glorious beings.
9 ULB Fa na dia Mikaela arikanjely aza, rehefa niady tamin'ny devoly sy nifanditra taminy ny amin'ny fatin'i Mosesy, dia tsy sahy niteny ratsy hanameloka azy. Fa hoy kosa izy: "Hananatra anao anie ny Tompo!" BSB BSB: But even the archangel Michael, when he disputed with the devil over the body of Moses, did not presume to bring a slanderous charge against him, but said, “The Lord rebuke you!”
10 ULB Fa ireo olona ireo dia miteny ratsy ny zavatra rehetra tsy fantany. Ary izay fantany_tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina_izany no manimba azy ireo. BSB BSB: These men, however, slander what they do not understand, and like irrational animals, they will be destroyed by the things they do instinctively.
11 ULB Loza ho azy ireo! Fa raha nandeha tao amin'ny tanànan'i Kaina izy ireo, ary nanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoana tamby. Dia ringana tao amin'ny fikomian'i Kora izy ireo. BSB BSB: Woe to them! They have traveled the path of Cain; they have rushed for profit into the error of Balaam; they have perished in Korah’s rebellion.
12 ULB Ireo dia ilay olona izay harambato miafina ao amin'ny sakafom-pitiavanareo. Mihinana am-pahamenarana, mamoky ny tenan'izy ireo ihany. Izy ireo dia rahona tsy misy rano, entin'ny rivotra. Hazo fararano tsy misy voany_ indroa maty, niala fakany. BSB BSB: These men are hidden reefs in your love feasts, shamelessly feasting with you but shepherding only themselves. They are clouds without water, carried along by the wind; fruitless trees in autumn, twice dead after being uprooted.
13 ULB Izy ireo dia onjan-dranomasina mahery, mitopatopa mamorivory ny fahamenaran'izy ireo. Kintana mirenireny izy ireo, ka voatahiry ho azy mandrakizay ny fahamaintisan'ny maizina. BSB BSB: They are wild waves of the sea, foaming up their own shame; wandering stars, for whom blackest darkness has been reserved forever.
15 ULB Ho avy Izy mba hanatanteraka ny fitsarana ny olona rehetra. Ho avy Izy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra tamin'ny asa vitany tamin'ny haratsiam-panahiny, ary ireo teny mafy rehetra izay nolazain'ny olona ratsy fanahy hanohitra Azy." BSB BSB: to execute judgment on everyone, and to convict all the ungodly of every ungodly act of wickedness and every harsh word spoken against Him by ungodly sinners.”
16 ULB Ireo dia mpimonomonona, sy mpimenomenona, izay manaraka ny filan-dratsin'izy ireo. Izy ireo dia mpieboebo fatratra, izay, nohon'ny tombontsoan'izy ireo manokana, dia mandoka ny hafa. BSB BSB: These men are discontented grumblers, following after their own lusts; their mouths spew arrogance; they flatter others for their own advantage.
17 ULB Fa ianareo, ry malala, tadidio ireo teny izay notenenin'ireo apostolin'i Jesosy Kristy Tompontsika fahiny. BSB BSB: But you, beloved, remember what was foretold by the apostles of our Lord Jesus Christ
18 ULB Hoy izy ireo taminareo: "Fa amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira izay hanaraka ny filan'ny haratsiam-panahiny." BSB BSB: when they said to you, “In the last times there will be scoffers who will follow after their own ungodly desires.”
19 ULB Ireo olona ireo dia mitarika fisarahana. Izy ireo dia olona araka ny nofo, ary tsy manana ny Fanahy BSB BSB: These are the ones who cause divisions, who are worldly and devoid of the Spirit.
20 ULB Fa ianareo, ry malala, miorena tsara eo amin'ny finoanareo masina indrindra, ary mivavaha amin'ny Fanahy Masina. BSB BSB: But you, beloved, by building yourselves up in your most holy faith and praying in the Holy Spirit,
21 ULB Mitoera ianareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ary andraso ny famindram-pon'i Jesosy Kritsy Tompontsika izay mitondra anao ho amin'ny fiainana mandrakizay. BSB BSB: keep yourselves in the love of God as you await the mercy of our Lord Jesus Christ to bring you eternal life.
22 ULB Mamindrà fo amin'ireo izay misalasala. BSB BSB: And indeed, have mercy on those who doubt;
23 ULB Vonjeo ary sariho hiala amin'ny afo ny olona sasany. Ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra. Mankahalà na dia hatramin'ny akanjo nolotoin'ny nofo aza. BSB BSB: save others by snatching them from the fire; and to still others show mercy tempered with fear, hating even the clothing stained by the flesh.
24 ULB Ary ho an'izay miaro anareo mba tsy ho tafintohina, ary hahatonga anao hijoro eo anatrehan'ny voninahiny, tsy misy tsiny ary am-pifaliana lehibe, BSB BSB: Now to Him who is able to keep you from stumbling and to present you unblemished in His glorious presence, with great joy—
25 ULB amin'Andriamanitra tokana Mpamonjintsika tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra, ny fahalehibiazana, ny fahefana, ny hery, talohan'ny fotoana rehetra, ankehitriny, ary mandrakizay. Amena BSB BSB: to the only God our Savior be glory, majesty, dominion, and authority through Jesus Christ our Lord before all time, and now, and for all eternity. Amen.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.