1 ULB Ity ny fanambarana an'i Jesosy Kristy izay nomen'Andriamanitra azy hampisehona an'ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy hitranga. Nampahafantariny izany tamin'ny alalan'ny fandefasany ny anjeliny ho an'i Jaona mpanompony. BSB BSB: This is the revelation of Jesus Christ, which God gave Him to show His servants what must soon come to pass. He made it known by sending His angel to His servant John,
2 ULB Jaona dia nanamarina ny momban'ny tenin'Andriamanitra sy ireo fijoroana vavolombelona mahakasika an'i Jesosy Kristy, sy ireo zavatra rehetra hitany. BSB BSB: who testifies to everything he saw. This is the word of God and the testimony of Jesus Christ.
3 ULB Sambatra izy izay mamaky amin'ny feo avo, ary izay mihaino ny tenin'izany faminaniana izany, sy izay mitandrina izay voasoratra ao aminy, satria efa akaiky ny fotoana. BSB BSB: Blessed is the one who reads aloud the words of this prophecy, and blessed are those who hear and obey what is written in it, because the time is near.
4 ULB Jaona nankany amin'ireo fiangonana fito tany Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, sy avy amin'ireo fanahy fito izay eo anatrehan'ny seza fiandrianany, BSB BSB: John, To the seven churches in the province of Asia: Grace and peace to you from Him who is and was and is to come, and from the seven spirits before His throne,
5 ULB ary avy amin'i Jesosy Kristy, izay vavolombelona marina, lahimatoa amin'ny maty, ary lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'ilay tia antsika sy nanafaka antsika tamin'ireo fahotantsika tamin'ny ràny— BSB BSB: and from Jesus Christ, the faithful witness, the firstborn from the dead, and the ruler of the kings of the earth. To Him who loves us and has released us from our sins by His blood,
6 ULB Izy dia nanao antsika ho fanjakana, mpisorona ho an'Andriamaniny sy Rainy— ho Azy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay doria. Amena. BSB BSB: who has made us to be a kingdom, priests to His God and Father—to Him be the glory and power forever and ever! Amen.
7 ULB Indro, avy amin'ny rahona Izy; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia ireo nandefona Azy aza. Ny firenena rehetra ambonin'ny tany hitomany Azy. Eny, Amena. BSB BSB: Behold, He is coming with the clouds, and every eye will see Him—even those who pierced Him. And all the tribes of the earth will mourn because of Him. So shall it be! Amen.
8 ULB "Izaho no Alfa sy Omega," hoy ny Tompo Andriamanitra, "ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, dia ilay Tsitoha." BSB BSB: “I am the Alpha and the Omega,” says the Lord God, who is and was and is to come—the Almighty.
9 ULB Izaho, Jaona—rahalahinareo sy ilay iray izay nizara taminareo tao anatin'ny fijaliana sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesosy Kristy— dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona ny mahakasika an'i Jesosy. BSB BSB: I, John, your brother and partner in the tribulation and kingdom and perseverance that are in Jesus, was on the island of Patmos because of the word of God and my testimony about Jesus.
10 ULB Izaho dia notarihin'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Tompo. Nandre feo mahery tahaka ny trompetra teo ivohoko aho. BSB BSB: On the Lord’s day I was in the Spirit, and I heard behind me a loud voice like a trumpet,
11 ULB Nanao izany hoe: "Soraty ao amin'ny boky izay hitanao, koa alefaso any amin'ireo fiangonana fito— ho an'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia." BSB BSB: saying, “Write on a scroll what you see and send it to the seven churches: to Ephesus, Smyrna, Pergamum, Thyatira, Sardis, Philadelphia, and Laodicea.”
12 ULB Nizaha ny manodidina aho nitady hoe feon'iza izany niteny tamiko izany, ary raha nitodika aho dia nahita fanaovan-jiro volamena fito. BSB BSB: Then I turned to see the voice that was speaking with me. And having turned, I saw seven golden lampstands,
13 ULB Ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro nisy anankiray tahaka ny Zanak'olona, nitafy akanjo lava tonga hatrany amin'ny tongony, ary fehin-kibo volamena manodidina ny tratrany. BSB BSB: and among the lampstands was One like the Son of Man, dressed in a long robe, with a golden sash around His chest.
14 ULB Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry— fotsy tahaka ny rano mandry, ary ny masony tahaka ny lelafo. BSB BSB: The hair of His head was white like wool, as white as snow, and His eyes were like a blazing fire.
15 ULB Ny tongony mangirana tahaka ny varahina, toy ny varahina voadio teo amin'ny lafaoro, ary ny feony toy ny feona rano be mikoriana. BSB BSB: His feet were like polished bronze refined in a furnace, and His voice was like the roar of many waters.
16 ULB Ary nanana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy, ary sabatra roa lela maranitra nivoaka avy teo amin'ny vavany. Ny tarehiny dia nazava tahaka ny masoandro rehefa miredareda. BSB BSB: He held in His right hand seven stars, and a sharp double-edged sword came from His mouth. His face was like the sun shining at its brightest.
17 ULB Rehefa nahita Azy aho, dia nianjera teo amin'ny tongony tahaka ny olona maty. Nanendry ahy tamin'ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: "Aza matahotra. Izaho no voalohany sy farany, BSB BSB: When I saw Him, I fell at His feet like a dead man. But He placed His right hand on me and said, “Do not be afraid. I am the First and the Last,
18 ULB ary ilay iray izay velona. Efa maty Aho, fa indro, velona mandrakizay! Ary Izaho manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita. BSB BSB: the Living One. I was dead, and behold, now I am alive forever and ever! And I hold the keys of Death and of Hades.
19 ULB Noho izany soraty izay hitanao, izay ankehitriny, sy izay hitranga aorian'izao. BSB BSB: Therefore write down the things you have seen, the things that are, and the things that will happen after this.
20 ULB Tahaka ny zava-miafina mahakasika ireo kintana fito izay hitanao teny an-tanan-kavanako, sy ireo fanaovan-jiro volamena fito: "Ny kintana fito dia ireo anjelin'ny fiangonana fito, ary ny fanaovan-jiro fito dia ireo fiangonana fito." BSB BSB: This is the mystery of the seven stars you saw in My right hand and of the seven golden lampstands: The seven stars are the angels of the seven churches, and the seven lampstands are the seven churches.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.