1 ULB Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Efesosy hoe: "Ireto ny teny avy amin'ilay iray izay mitazona ireo kintana fito amin'ny tanan-kavanany ary mandeha eo amin'ireo fanaovan-jiro volamena fito, BSB BSB: “To the angel of the church in Ephesus write: These are the words of Him who holds the seven stars in His right hand and walks among the seven golden lampstands.
2 ULB "Fantatro izay efa vitanao sy ny asa mafinao ary ny fiaretanao maharitra. Fantatro fa tsy afaka handefitra amin'ny olon-dratsy ianao. Fantatro fa notsapainao ireo izay milaza azy ireo ho apostoly, nefa tsy izy, ary hitanao izy ireo fa sandoka. BSB BSB: I know your deeds, your labor, and your perseverance. I know that you cannot tolerate those who are evil, and you have tested and exposed as liars those who falsely claim to be apostles.
3 ULB Fantatro fa manana faharetana ianao, ary nijaly mafy nohon'ny amin'ny anarako, ary tsy nilavo lefona ianao. BSB BSB: Without growing weary, you have persevered and endured many things for the sake of My name.
4 ULB Nefa manohitra anao aho satria namela ny fitiavanao voalohany ianao. BSB BSB: But I have this against you: You have abandoned your first love.
5 ULB Tsarovy noho izany ny toerana izay nahalavo anao. Mibebaha ary manaova ireo zavatra izay nataonao voalohany. Fa raha tsy mibebaka ianao, dia ho avy any aminao aho ary hanala ireo fanaovan-jironao amin'ny fitoerany. BSB BSB: Therefore, keep in mind how far you have fallen. Repent and perform the deeds you did at first. But if you do not repent, I will come to you and remove your lampstand from its place.
6 ULB Kanefa izao no ataonao: "Halanao ny zava-bitan'ny Nikolaita, izay halako ihany koa. BSB BSB: But you have this to your credit: You hate the works of the Nicolaitans, which I also hate.
7 ULB Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana. Ho an'ilay iray izay maharesy dia homeko alalana hihinana ny avy amin'ny hazon'ny fiainana, izay ao amin'ny paradisan'Andriamanitra."'" BSB BSB: He who has an ear, let him hear what the Spirit says to the churches. To the one who overcomes, I will grant the right to eat from the tree of life in the Paradise of God.
8 ULB Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna hoe: "Ireto ny tenin'ilay iray izay voalohany ary farany, ilay iray izay efa maty nefa velona indray: BSB BSB: To the angel of the church in Smyrna write: These are the words of the First and the Last, who died and returned to life.
9 ULB "Fantatro ireo fahorianao sy ny fahantranao, nefa manan-karena ianao. Fantatro ny fitenenan-dratsy ho an'ireo izay miteny ny tenany fa Jiosy, kanefa tsy izy. Synagogan'i Satana izy ireo. BSB BSB: I know your affliction and your poverty—though you are rich! And I am aware of the slander of those who falsely claim to be Jews, but are in fact a synagogue of Satan.
10 ULB Aza matahotra ny amin'izay efa hiaretanao. Indro! Ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo any amin'ny tranomaizina mba ho tsapaina ianareo, ary hijaly mandritry ny folo andro ianareo. Matokia mandra-pafahaty, ka homeko anareo ny satro-boninahitry ny fiainana. BSB BSB: Do not fear what you are about to suffer. Behold, the devil is about to throw some of you into prison to test you, and you will suffer tribulation for ten days. Be faithful even unto death, and I will give you the crown of life.
11 ULB Izay manan-tsofina aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana. Ilay iray izay maharesy dia tsy ho simban'ny fahafatesana faharoa."'" BSB BSB: He who has an ear, let him hear what the Spirit says to the churches. The one who overcomes will not be harmed by the second death.
12 ULB Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Pergamosy hoe: "Ireto ny tenin'ilay iray izay manana sabatra roa lela: BSB BSB: To the angel of the church in Pergamum write: These are the words of the One who holds the sharp, double-edged sword.
13 ULB "Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny hitoeran'ny seza fiandrianan'i Satana. Ary ankehitriny mitana mafy ny anarako ianao. Fantatro fa tsy nandà ny finoanao ny amiko ianao, na dia tamin'ireo andron'i Antipasy vavolombeloko aza, izay nahatoky Ahy, izay novonoina teo aminareo, tao amin'ny fonenan'i Satana. BSB BSB: I know where you live, where the throne of Satan sits, yet you hold fast to My name. You did not deny your faith in Me, even in the days of My faithful witness Antipas, who was killed among you where Satan dwells.
14 ULB Fa manan-teny kely aminao Aho: "Misy sasany aminareo mitana mafy ny fampianaran'ny Balama, izay nampianatra an'i Balaka hametraka fanafintohinana eo anoloan'ny zanak'Israely, mba hihinanan'izy ireo ny sakafo natao sorona ho an'ny sampy ary ho fijangajangana. BSB BSB: But I have a few things against you, because some of you hold to the teaching of Balaam, who taught Balak to place a stumbling block before the Israelites so they would eat food sacrificed to idols and commit sexual immorality.
15 ULB Toy izany ihany, misy sasany aminareo izay mitana mafy ny fampianaran'ireo Nikolaita. BSB BSB: In the same way, some of you also hold to the teaching of the Nicolaitans.
16 ULB Mibebaha, noho izany! Fa raha tsy izany, dia ho tonga faingana any aminareo Aho, ary hifanandrina amin'izy ireo aho miaraka amin'ny sabatry ny vavako. BSB BSB: Therefore repent! Otherwise I will come to you shortly and wage war against them with the sword of My mouth.
17 ULB Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana. Ho an'ireo izay maharesy, homeko ny sasany amin'ireo mana miafina, ary homeko vato fotsy miaraka amin'ny anaram-baovao voasoratra eo amin'ny vato, anarana izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany."'" BSB BSB: He who has an ear, let him hear what the Spirit says to the churches. To the one who overcomes, I will give the hidden manna. I will also give him a white stone inscribed with a new name, known only to the one who receives it.
18 ULB Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira hoe: 'Ireto ny tenin'ny Zanak'Andriamanitra, izay manana maso toy ny lelafo ary tongotra toy ny varahina mangirana: BSB BSB: To the angel of the church in Thyatira write: These are the words of the Son of God, whose eyes are like a blazing fire and whose feet are like polished bronze.
19 ULB "Fantatro izay vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao ary ny faharetanao. Fantatro fa izay vitanao farany dia betsaka noho izay vitanao voalohany. BSB BSB: I know your deeds—your love, your faith, your service, your perseverance—and your latest deeds are greater than your first.
20 ULB Kanefa izao no hanoherako anao: Leferinao ilay vehivavy Zezebela, izay miantso ny tenany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianarany dia mamitaka ireo mpanompoko izy mba hijangajanga sy hihinana sakafo atao sorona ho an'ny sampy. BSB BSB: But I have this against you: You tolerate that woman Jezebel, who calls herself a prophetess. By her teaching she misleads My servants to be sexually immoral and to eat food sacrificed to idols.
21 ULB Nanome fotoana mba hibebahany Aho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany izy. BSB BSB: Even though I have given her time to repent of her immorality, she is unwilling.
22 ULB Indro! Hataoko marary eo ampandriana izy, ary ireo izay mijangajanga miaraka aminy dia hampahoriako mafy, raha tsy mibebaka amin'ny asa ratsin'ilay vehivavy izy ireo. BSB BSB: Behold, I will cast her onto a bed of sickness, and those who commit adultery with her will suffer great tribulation unless they repent of her deeds.
23 ULB Ho vonoiko ho faty ireo zanany, ary ireo fiangonana rehetra dia hahalala fa Izaho ilay mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Homeko araka ny asanareo tsirairay avy ianareo. BSB BSB: Then I will strike her children dead, and all the churches will know that I am the One who searches minds and hearts, and I will repay each of you according to your deeds.
24 ULB Fa ny aminareo izay sisa ao Tyatira, izay rehetra tsy mitana izao fampianarana izao, sy tsy mahalala izay antsoin'ny sasany hoe sain-dalin'i Satana— Izao no lazaiko aminareo hoe: "Tsy vesarako entana hafa ianareo." BSB BSB: But I say to the rest of you in Thyatira, who do not hold to her teaching and have not learned the so-called deep things of Satan: I will place no further burden upon you
25 ULB Na izany aza, tsy maintsy mitazona mafy ny finoanareo ianareo mandra-pihaviko. BSB BSB: than to hold fast to what you have until I come.
26 ULB Ilay iray izay maharesy sy izay manao izay efa vitako hatramin'ny farany, dia homeko azy ny fahefana amin'ny firenena rehetra. BSB BSB: And to the one who overcomes and continues in My work until the end, I will give authority over the nations.
27 ULB 'Hanapaka eo amin'izy ireo miaraka amin'ny tehim-by izy, toy ny fanorotorona vilany tany no hanapotehina azy ireo.' BSB BSB: He will rule them with an iron scepter and shatter them like pottery—just as I have received authority from My Father.
28 ULB Tahaka ny nandraisako avy amin'ny Raiko, no hanomezako azy kintana maraina ihany koa. BSB BSB: And I will give him the morning star.
29 ULB Aoka ilay iray izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana.'"' BSB BSB: He who has an ear, let him hear what the Spirit says to the churches.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.