1 ULB Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Sardisy hoe: 'Izao no tenin'ilay mitàna ireo Fanahy fiton'Andriamanitra sy ireo kintana fito. "Fantatro izay nataonao. Malaza ho velona ianao, nefa ianao maty. BSB BSB: “To the angel of the church in Sardis write: These are the words of the One who holds the seven spirits of God and the seven stars. I know your deeds; you have a reputation for being alive, yet you are dead.
2 ULB Mifohaza ary hatanjaho izay tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanteraka ireo asanao eo imason'Andriamanitro. BSB BSB: Wake up and strengthen what remains, which is about to die; for I have found your deeds incomplete in the sight of My God.
3 ULB Tadidio, noho izany, izay noraisinareo sy renareo. Ankatoavy izany, ary mibebaha. Fa raha tsy mifoha ianareo, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ary tsy ho fantatrareo ny ora hiaviako aminareo. BSB BSB: Remember, then, what you have received and heard. Keep it and repent. If you do not wake up, I will come like a thief, and you will not know the hour when I will come upon you.
4 ULB Fa misy anaran'olona vitsivitsy any Sardisy izay tsy nandoto ny akanjon'izy ireo. Handeha hiaraka amiko izy ireo, miakanjo fotsy, satria mendrika. BSB BSB: But you do have a few people in Sardis who have not soiled their garments, and because they are worthy, they will walk with Me in white.
5 ULB Ilay iray izay maharesy dia ho ampiakanjoana fotsy, ary tsy hamafa ny anarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana mihitsy Aho, ary hilaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ireo anjeliny. BSB BSB: Like them, he who overcomes will be dressed in white. And I will never blot out his name from the Book of Life, but I will confess his name before My Father and His angels.
6 ULB Aoka izay manan-tsofina hiaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.""' BSB BSB: He who has an ear, let him hear what the Spirit says to the churches.
7 ULB "Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia hoe: 'Izao no tenin'ilay iray izay masina sy marina_ izy no mitazona ny fanalahidin'i Davida, izy no mamoha ary tsy misy na iza na iza manidy, izy no manidy ary tsy misy na iza na iza afaka mamoha. BSB BSB: To the angel of the church in Philadelphia write: These are the words of the One who is holy and true, who holds the key of David. What He opens no one can shut, and what He shuts no one can open.
8 ULB "Fantatro izay vitanareo. Indro, nametrahako varavarana mivoha eo anoloanareo izay tsy afaka hidin'iza na iza. Fantatro fa manana hery kely ianareo, ka nankàto ny teniko ary tsy nandà ny anarako. BSB BSB: I know your deeds. Behold, I have placed before you an open door, which no one can shut. I know that you have only a little strength, yet you have kept My word and have not denied My name.
9 ULB Indro! Ireo izay an'ny synagogan'ny Satana, ireo izay milaza fa Jiosy izy ireo nefa tsy izy akory; fa mandainga kosa izy ireo. Hataoko tonga ka hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, ary ho avy izy ireo mba hahafantatra fa nitia anao Aho. BSB BSB: As for those who belong to the synagogue of Satan, who claim to be Jews but are liars instead, I will make them come and bow down at your feet, and they will know that I love you.
10 ULB Satria efa nitandrina ny didiko tamin'ny faharetana ianareo, dia hiaro anareo amin'ny andro fitsapana izay efa ho avy amin'izao tontolo rehetra izao ihany koa Aho, mba hitsapa ireo izay miaina eo ambonin'ny tany. BSB BSB: Because you have kept My command to persevere, I will also keep you from the hour of testing that is about to come upon the whole world, to test those who dwell on the earth.
11 ULB Ho avy tsy ho ela Aho. Tano mafy izay hanananao mba tsy hisy afaka hanala ny satro-boninahitrao. BSB BSB: I am coming soon. Hold fast to what you have, so that no one will take your crown.
12 ULB Ataoko andry eo amin'ny tempolin'ny Andriamanitro izay mandresy, ary tsy hiala eo mihitsy izy. Ho soratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro, ilay anaran'ny tanànan'ny Andriamanitro (ilay Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'ny Andriamanitro), sy ny anarako vaovao. BSB BSB: The one who overcomes I will make a pillar in the temple of My God, and he will never again leave it. Upon him I will write the name of My God, and the name of the city of My God (the new Jerusalem that comes down out of heaven from My God), and My new name.
13 ULB Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.""' BSB BSB: He who has an ear, let him hear what the Spirit says to the churches.
14 ULB "Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia hoe: "Izao no tenin'ny Amena, ilay vavolombelona mahatoky sy marina, ilay mpanapaka ny zava-boaarin' Andriamanitra. BSB BSB: To the angel of the church in Laodicea write: These are the words of the Amen, the faithful and true Witness, the Originator of God’s creation.
15 ULB "Fantatro izay nataonareo, ary tsy mangatsiaka na mafana ianareo. Maniry Aho mba ho mangatsiaka na mafana ianareo! BSB BSB: I know your deeds; you are neither cold nor hot. How I wish you were one or the other!
16 ULB Noho izany, satria ianareo matimaty_ sady tsy mafana no tsy mangatsiaka_dia efa haloan'ny vavako ianareo. BSB BSB: So because you are lukewarm—neither hot nor cold—I am about to vomit you out of My mouth!
17 ULB Fa hoy ianareo hoe: 'Manan-karena aho, nanana fitaovana maro, ka tsy mila na inona na inona.' Saingy tsy fantatrareo fa ianareo no tena ory, mampahonena, mahantra, jamba ary mitanjaka. BSB BSB: You say, ‘I am rich; I have grown wealthy and need nothing.’ But you do not realize that you are wretched, pitiful, poor, blind, and naked.
18 ULB Henoy ny torohevitro: Mividiana volamena voadio tamin'ny afo amiko mba ho tonga mpanan-karena ianareo, ary akanjo fotsy manjopiaka mba ho afaka mampitafy ny tenanareo ianareo ka tsy hampiseho ny henatry ny fitanjahanareo, ary hanosotra ny masonareo mba hahiratanareo. BSB BSB: I counsel you to buy from Me gold refined by fire so that you may become rich, white garments so that you may be clothed and your shameful nakedness not exposed, and salve to anoint your eyes so that you may see.
19 ULB Ampiofaniko ny tsirairay avy izay tiako, ary hampianariko azy ireo ny fomba tokony hiainan'izy ireo. Noho izany, mazotoa ary mibebaha. BSB BSB: Those I love I rebuke and discipline. Therefore be earnest and repent.
20 ULB Indro, mijoro eto amin'ny varavarana Aho ary mandondona. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia ho avy ao an-tranony Aho ka hihinana miaraka aminy, ary izy miaraka amiko. BSB BSB: Behold, I stand at the door and knock. If anyone hears My voice and opens the door, I will come in and dine with him, and he with Me.
22 ULB Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.""' BSB BSB: He who has an ear, let him hear what the Spirit says to the churches.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.