1 ULB Ary ireo apostoly sy ireo rahalahy izay tany Jodia nahare fa ireo Jentilisa ihany koa dia nandray ny Tenin'Andriamanitra. BSB BSB: The apostles and brothers throughout Judea soon heard that the Gentiles also had received the word of God.
2 ULB Rehefa niakatra tany Jerosalema i Petera, ireo izay tao amin'ny antokon'ireo voafora dia nanakiana azy; BSB BSB: So when Peter went up to Jerusalem, the circumcised believers took issue with him
3 ULB hoy izy ireo hoe: "Ianao nikambana niaraka tamin'ireo lehilahy tsy voafora sady nisakafo niaraka tamin'izy ireo!" BSB BSB: and said, “You visited uncircumcised men and ate with them.”
4 ULB Fa Petera nanomboka nanazava ny zava-nitranga tamin'izy ireo tamin'ny antsipirihiny; hoy izy hoe: BSB BSB: But Peter began and explained to them the whole sequence of events:
5 ULB "Nivavaka tany amin'ny tanànan'ny Jopa aho, ary nahita fahitana ny amin'ny fisian-javatra iray izay nidina, tahaka ny lamba lehibe nahidina avy any an-danitra tamin'ireo zorony efatra aho. Nidina teo amiko izany. BSB BSB: “I was in the city of Joppa praying, and in a trance I saw a vision of something like a large sheet being let down from heaven by its four corners, and it came right down to me.
6 ULB Nibanjina izany aho ary nisaintsaina momba izany. Nahita ireo biby manan-tongotra efatry ny tany, ireo biby dia, ireo biby mandady, ary ireo vorona eny amin'ny lanitra aho. BSB BSB: I looked at it closely and saw four-footed animals of the earth, wild beasts, reptiles, and birds of the air.
7 ULB Avy eo aho dia nahare feo niteny tamiko hoe: "Mitsangàna, ry Petera; mamono ary mihinàna." BSB BSB: Then I heard a voice saying to me, ‘Get up, Peter, kill and eat.’
8 ULB Hoy aho hoe: "Tsia, ry Tompo; fa tsy mbola nisy zavatra tsy masina na maloto mihitsy niditra tato am-bavako." BSB BSB: ‘No, Lord,’ I said, ‘for nothing impure or unclean has ever entered my mouth.’
9 ULB Fa ilay feo namaly avy any an-danitra indray hoe: "Izay nambaran'Andriamanitra fa madio, aza antsoina hoe maloto." BSB BSB: But the voice spoke from heaven a second time, ‘Do not call anything impure that God has made clean.’
10 ULB Niseho in-telo izany, ary avy eo dia nalaina niverina niakatra tany an-danitra indray ny zavatra rehetra BSB BSB: This happened three times, and everything was drawn back up into heaven.
11 ULB Indro, teo no ho eo dia nisy telo lahy nitsangana teo anoloan'ny trano izay nisy anay; nalefa avy tany Kaisaria nankaty amiko izy ireo. BSB BSB: Just then three men sent to me from Caesarea stopped at the house where I was staying.
12 ULB Ny Fanahy dia nandidy ahy hiaraka amin'izy ireo, ary tsy tokony hanisy fizahan-tava amin'izy ireo aho. Ireo rahalahy enina ireo dia nandeha niaraka tamiko, ary nandeha nankao an-tranon'ilay lehilahy izahay. BSB BSB: The Spirit told me to accompany them without hesitation. These six brothers also went with me, and we entered the man’s home.
14 ULB Izy dia hilaza hafatra iray aminao izay havoavonjy anao- ianao sy ny ankohonanao rehetra." BSB BSB: He will convey to you a message by which you and all your household will be saved.’
15 ULB Raha vao nanomboka niteny tamin'izy ireo aho, ny Fanahy Masina dia tonga tamin'izy ireo, tahaka ny nidinany taminay tany am-boalohany. BSB BSB: As I began to speak, the Holy Spirit fell upon them, just as He had fallen upon us at the beginning.
16 ULB Tsaroako ny tenin'ny Tompo, ny nitenenany hoe: "Jaona nanao batisa tamin'ny rano tokoa; fa ianareo dia mila hatao batisa ao amin'ny Fanahy Masina." BSB BSB: Then I remembered the word of the Lord, how He said, ‘John baptized with water, but you will be baptized with the Holy Spirit.’
17 ULB Koa raha Andriamanitra nanome azy ireo ny fanomezana mitovy amin'izay nomeny antsika tamin'isika nino an'ny Tompo Jesosy Kristy, iza aho, no ho afaka hanohitra an'Andriamanitra?" BSB BSB: So if God gave them the same gift He gave us who believed in the Lord Jesus Christ, who was I to hinder the work of God?”
18 ULB Rehefa henon'izy ireo izany zavatra izany, tsy niteny na inona na inona hoenti-mamaly izy ireo, fa nidera an'Andriamanitra kosa izy ireo ary niteny hoe: "Ary Andriamanitra nanome fibebahana ho fiainana ho an'ireo jentilisa ihany koa." BSB BSB: When they heard this, they had no further objections, and they glorified God, saying, “So then, God has granted even the Gentiles repentance unto life.”
19 ULB Ary ireo izay naparitaka noho ny fanenjehana izay niatomboka tamin'ny fahafatesan'i Stefana dia niely lavitra tany Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa izy ireo dia nilaza ny hafatra momba an'i Jesosy tamin'ireo Jiosy irery ihany. BSB BSB: Meanwhile those scattered by the persecution that began with Stephen traveled as far as Phoenicia, Cyprus, and Antioch, speaking the message only to Jews.
21 ULB Ny tanan'ny Tompo dia niaraka tamin'izy ireo; maro isa no nino ary nitodika tamin'ny Tompo. BSB BSB: The hand of the Lord was with them, and a great number of people believed and turned to the Lord.
22 ULB Ireo vaovao momba azy ireo dia tonga teny an-tsofin'ny fiangonana tao Jerosalema, ary izy ireo naniraka an'i Barnabasy hatrany Antioka. BSB BSB: When news of this reached the ears of the church in Jerusalem, they sent Barnabas to Antioch.
23 ULB Rehefa tonga izy ka nahita ny fanomezan'Andriamanitra, dia ravoravo izy; ary izy nampahery azy rehetra mba hitoetra miaraka amin'ny Tompo amin'ny fon'izy ireo rehetra. BSB BSB: When he arrived and saw the grace of God, he rejoiced and encouraged them all to abide in the Lord with all their hearts.
24 ULB Satria izy dia lehilahy tsara sady feno ny Fanahy masina sy finoana, ary olona maro no niampy ho an'ny Tompo. BSB BSB: Barnabas was a good man, full of the Holy Spirit and faith, and a great number of people were brought to the Lord.
25 ULB Dia nandeha nankany Tarsosy i Barnabasy mba hitady an'i Saoly. BSB BSB: Then Barnabas went to Tarsus to look for Saul,
26 ULB Rehefa hitany izy, dia nentiny tany Antioka. Ary nandritry ny herintaona maninjitra izy ireo dia niara-niangona niaraka tamin'ny fiangonana ary nampianatra olona maro. Ireo mpianatra dia nantsoina voalohany hoe kristiana tao Antioka. BSB BSB: and when he found him, he brought him back to Antioch. So for a full year they met together with the church and taught large numbers of people. The disciples were first called Christians at Antioch.
27 ULB Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany maromaro nidina avy tany Jerosalema nankany Antioka. BSB BSB: In those days some prophets came down from Jerusalem to Antioch.
28 ULB Iray tamin'izy ireo, i Agabo no iantsoana azy, nitsangana ary notoroin'ny Fanahy fa hisy mosary lehibe hitranga manerana izao tontolo izao. Nitranga izany tamin'ny andron'i Klaodio. BSB BSB: One of them named Agabus stood up and predicted through the Spirit that a great famine would sweep across the whole world. (This happened under Claudius.)
29 ULB Noho izany, ireo mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsirairay avy, dia nanapa-kevitra ny handefa fanampiana ho an'ireo rahalahy tany Jodia. BSB BSB: So the disciples, each according to his ability, decided to send relief to the brothers living in Judea.
30 ULB Nanao izany izy ireo; nandefa vola ho an'ireo loholona izy ireo tamin'ny tanan'i Barnabasy sy Saoly. BSB BSB: This they did, sending their gifts to the elders with Barnabas and Saul.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.