1 ULB Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka nisambotra ireo sasany izay an'ny fiangonana mba hahafahany mampijaly azy ireo. BSB BSB: About that time, King Herod reached out to harm some who belonged to the church.
2 ULB Novonoiny tamin'ny sabatra Jakoba rahalahin'i Jaona. BSB BSB: He had James, the brother of John, put to death with the sword.
3 ULB Ary rehefa hitany fa nahafaly ireo Jiosy izany, dia nanao izay hisamborana an'i Petera koa izy. Izany dia nandritry ny andron'ny mofo tsy misy masirasira. BSB BSB: And seeing that this pleased the Jews, Herod proceeded to seize Peter during the Feast of Unleavened Bread.
4 ULB Rehefa avy nosamborina izy, dia nataony tany am-ponja izy ary nanendry miaramila efa-toko hiambina azy, nikasa ny hitondra azy eo amin'ny olona aorian'ny Paska izy. BSB BSB: He arrested him and put him in prison, handing him over to be guarded by four squads of four soldiers each. Herod intended to bring him out to the people after the Passover.
5 ULB Noho izany dia notazonina tao am-ponja Petera, fa ny vavaka dia nataon'ireo izay tao am-piangonana mafy kokoa tamin'Andriamanitra ho azy. BSB BSB: So Peter was kept in prison, but the church was fervently praying to God for him.
6 ULB Ny alina alohan'ny hitondran'i Heroda azy hotsaraina, Petera dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa, voafatotra tamin'ny rojo anankiroa, raha mbola nijanona niambina ny fonja ny mpiandry teo alohan'ny varavarana. BSB BSB: On the night before Herod was to bring him to trial, Peter was sleeping between two soldiers, bound with two chains, with sentries standing guard at the entrance to the prison.
7 ULB Indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoka teo akaikiny, ary nisy hazavana namiratra tao anatin'ny efitry ny fonja. Nikapoka an'i Petera teo amin'ny ilany izy ary namoha azy ka nanao hoe: "Mitsangàna haingana", ary ireo rojony niala tamin'ny tanany. BSB BSB: Suddenly an angel of the Lord appeared and a light shone in the cell. He tapped Peter on the side and woke him up, saying, “Get up quickly.” And the chains fell off his wrists.
8 ULB Ny anjely niteny taminy hoe: "Ampiakanjoy ny tenanao ary anaovy ny kiraronao." Dia nataon'i Petera araka izany. Ny anjely niteny taminy hoe: "Anaovy ny akanjonao ivelany ary manaraha ahy." BSB BSB: “Get dressed and put on your sandals,” said the angel. Peter did so, and the angel told him, “Wrap your cloak around you and follow me.”
9 ULB Dia nanaraka ilay anjely Petera ary nivoaka. Tsy fantany fa ireo izay nataon'ny anjely dia tena izy. Nihevitra izy fa nahita fahitana. BSB BSB: So Peter followed him out, but he was unaware that what the angel was doing was real. He thought he was only seeing a vision.
10 ULB Rehefa avy nandalo teo amin'ny mpiambina voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mitondra mankany amin'ny tanàna; nisokatra ho azy tamin'izy ireo izany. Nivoaka izy ireo ary nidina tamin'ny lalana iray, ary ilay anjely nandao azy avy hatrany. BSB BSB: They passed the first and second guards and came to the iron gate leading to the city, which opened for them by itself. When they had gone outside and walked the length of one block, the angel suddenly left him.
11 ULB Rehefa niverina tamin'ny tenany Petera, niteny izy hoe: "Ankehitriny dia fantatro marina fa ny Tompo no nandefa ny anjeliny ary nanafaka ahy tamin'ny tanan'i Heroda, sy tamin'ny zavatra rehetra izay nandrasan'ny Jiosy hiseho. BSB BSB: Then Peter came to himself and said, “Now I know for sure that the Lord has sent His angel and rescued me from Herod’s grasp and from everything the Jewish people were anticipating.”
12 ULB Rehefa tonga saina tamin'izany izy, dia nankany amin'ny tranon'i Maria renin'i Jaona, antsoina koa hoe Marka, izay nisy olona maro niangona sy nivavaka. BSB BSB: And when he had realized this, he went to the house of Mary the mother of John, also called Mark, where many people had gathered together and were praying.
13 ULB Rehefa nandondona teo am-bavahady izy, nisy mpanompo vavy iray antsoina hoe Roda tonga namaly. BSB BSB: He knocked at the outer gate, and a servant girl named Rhoda came to answer it.
14 ULB Rehefa fantany ny feon'i Petera, tamin-kafaliana dia tsy nahavita namoha ny varavarana izy; fa kosa, nandeha nihazakazaka nankany an-trano izy, notateriny fa Petera nijoro teo am-baravarana. BSB BSB: When she recognized Peter’s voice, she was so overjoyed that she forgot to open the gate, but ran inside and announced, “Peter is standing at the gate!”
15 ULB Dia niteny taminy izy ireo hoe: "Adala ianao." Fa nanizingizina izy fa izany no izy. Niteny izy ireo hoe: "Ny anjeliny izany." BSB BSB: “You are out of your mind,” they told her. But when she kept insisting it was so, they said, “It must be his angel.”
16 ULB Fa Petera nanohy nandondona, ary rehefa novohain'izy ireo ny varavarana, dia nahita azy izy Ireo ary gaga. BSB BSB: But Peter kept on knocking, and when they opened the door and saw him, they were astounded.
17 ULB Petera nanetsika ny tanany tamin'izy ireo mba hangina, ary noteneniny tamin'izy ireo ny fomba nitondran'ny Tompo azy nivoaka ny fonja. Hoy izy hoe: "Tatero any amin'i Jakoba sy ireo rahalahy izany zavatra izany. "Dia niala izy ary nandeha tany tamin'ny toerana hafa. BSB BSB: Peter motioned with his hand for silence, and he described how the Lord had brought him out of the prison. “Send word to James and to the brothers,” he said, and he left for another place.
18 ULB Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nisy fientanam-po kely teo amin'ireo miaramila ny amin'izay nitranga tamin'i Petera. BSB BSB: At daybreak there was no small commotion among the soldiers as to what had become of Peter.
19 ULB Rehefa avy nitady azy Heroda ary tsy nahita azy, dia nanadihady ny mpiandry izy ary nandidy azy ireo mba hovonoina. Dia nidina avy any Jodia nankany Kaisaria izy ary nitoetra tany. BSB BSB: After Herod had searched for him unsuccessfully, he examined the guards and ordered that they be executed. Then he went down from Judea to Caesarea and spent some time there.
20 ULB Ary Heroda dia tezitra mafy tamin'ny vahoakan'i Tyra sy Sidona. Niara-nankany aminy izy ireo. Nandresy lahatra an'i Blasto izy ireo, ilay mpanampin'ny mpanjaka, mba hanampy azy ireo. Dia nangataka fihavanana izy ireo, satria ny tanànan'izy ireo dia mandray ny sakafony avy amin'ny mpanjakan'ny tanàna. BSB BSB: Now Herod was in a furious dispute with the people of Tyre and Sidon, and they convened before him. Having secured the support of Blastus, the king’s chamberlain, they asked for peace, because their region depended on the king’s country for food.
21 ULB Tamin'ny andro voatondro Heroda dia nampiakanjo ny tenany akanjona mpanjaka ary nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana; nikabary tamin'izy ireo izy. BSB BSB: On the appointed day, Herod donned his royal robes, sat on his throne, and addressed the people.
22 ULB Nihiaka ny vahoaka: "Izany dia feona andriamanitra, fa tsy an'olona!" BSB BSB: And they began to shout, “This is the voice of a god, not a man!”
23 ULB Teo noho eo dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy; satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; nohanin'ny kankana izy dia maty. BSB BSB: Immediately, because Herod did not give glory to God, an angel of the Lord struck him down, and he was eaten by worms and died.
24 ULB Fa ny tenin'Andriamanitra nitombo sy nihamaro. BSB BSB: But the word of God continued to spread and multiply.
25 ULB Ka rehefa vitan'i Barnabasy sy Saoly ny iraka nampanaovina azy ireo, dia niverina avy tany Jerosalema izy ireo, nitondra an'i Jaona niaraka tamin'izy ireo, izay antsoina ihany koa hoe Marka. BSB BSB: When Barnabas and Saul had fulfilled their mission to Jerusalem, they returned, bringing with them John, also called Mark.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.