3 ULB Taorian'ny nifadian'izy ireo hanina, sy nivavahany, ary nametrahan'izy ireo tànana tamin'ireo lehilahy ireo, izy ireo dia nalefan'izy ireo. BSB BSB: And after they had fasted and prayed, they laid their hands on them and sent them off.
4 ULB Ka nankato ny Fanahy Masina i Barnabasy sy i Saoly ka nandeha nidina nankany Selosia; avy teny izy ireo dia niantsambo ho any amin'ny nosin'ny Sipra. BSB BSB: So Barnabas and Saul, sent forth by the Holy Spirit, went down to Seleucia and sailed from there to Cyprus.
5 ULB Rehefa tao amin'ilay tanànan'ny Salamina izy ireo, dia nitory ny tenin'Andriamanitra tao amin'ny Synagogan'ireo Jiosy izy ireo. Ary nanana an'i Jaona Marka koa izy ireo mba ho mpanampy azy ireo. BSB BSB: When they arrived at Salamis, they proclaimed the word of God in the Jewish synagogues. And John was with them as their helper.
6 ULB Ary rehefa namakivaky ny nosy iray manontolo mankany Pafosy izy ireo, dia nahita mpanao ody, izay mpaminany Jiosy sandoka, ary ny anarany dia Bara Jesosy. BSB BSB: They traveled through the whole island as far as Paphos, where they found a Jewish sorcerer and false prophet named Bar-Jesus,
8 ULB Fa Elimasy "mpanao ody" (izany no nandikana ny anarany) nanohitra azy ireo; ary niezaka ny hanodina ny governora hiala amin'ny finoana izy. BSB BSB: But Elymas the sorcerer (for that is what his name means) opposed them and tried to turn the proconsul from the faith.
9 ULB Fa i Saoly, izay antsoina ihany koa hoe Paoly, dia feno ny Fanahy Masina, ary nandinika azy tsara. BSB BSB: Then Saul, who was also called Paul, filled with the Holy Spirit, looked directly at Elymas
10 ULB Ary niteny hoe: "Ianao ry zanaky ny Devoly, ianao dia feno ny karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra. Fahavalon'izay rehetra marina ianao. Tsy hijanona ny hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy ianao, sa tsy izany? BSB BSB: and said, “O child of the devil and enemy of all righteousness, you are full of all kinds of deceit and trickery! Will you never stop perverting the straight ways of the Lord?
11 ULB Fa indro ankehitriny, ny tanan'ny Tompo eo aminao, ka ho tonga jamba ianao. Ary tsy hahita ny masoandro aloha ianao. "Teo no ho eo dia nilatsaka tao amin'i Elimasy ny fahanjavozavonana sy fahamaizinana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin'ny olona izy mba hitantana azy amin' ny tanana. BSB BSB: Now look, the hand of the Lord is against you, and for a time you will be blind and unable to see the light of the sun.” Immediately mist and darkness came over him, and he groped about, seeking someone to lead him by the hand.
12 ULB Rehefa avy nahita izay zava-niseho ny governora, dia nino izy, satria gaga tamin'ny fampianarana momba ny Tompo izy. BSB BSB: When the proconsul saw what had happened, he believed, for he was astonished at the teaching about the Lord.
13 ULB Ary Paoly sy ny namany dia lasa niantsambo avy Pafosy nankany amin'ny Perga any Pafilia. Fa Jaona kosa nandao azy ireo ary niverina tany Jerosalema. BSB BSB: After setting sail from Paphos, Paul and his companions came to Perga in Pamphylia, where John left them to return to Jerusalem.
15 ULB Taorian'ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, dia nandefa hafatra tany amin'izy ireo ny mpitariky ny Synagoga niteny hoe: "Ry rahalahy, raha manana hafatra fampaherezana ho an'ny olona eto ianareo, dia teneno izany." BSB BSB: After the reading from the Law and the Prophets, the synagogue leaders sent word to them: “Brothers, if you have a word of encouragement for the people, please speak.”
17 ULB Ny Andriamanitry ny olon'Israely dia nisafidy ny raintsika ary nampitombo isa ny olona rehefa nipetraka tao amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny fanandratana ny sandriny no nitarihany azy ireo hivoaka tao. BSB BSB: The God of the people of Israel chose our fathers. He made them into a great people during their stay in Egypt, and with an uplifted arm He led them out of that land.
18 ULB Ary nandritry ny efapolo taona teo ho eo no nandeferany azy ireo tany an'efitra. BSB BSB: He endured their conduct for about forty years in the wilderness.
19 ULB Ary rehefa avy nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana izy, dia nomeny ny vahoakantsika ny tanin'izy ireo mba ho lova. BSB BSB: And having vanquished seven nations in Canaan, He gave their land to His people as an inheritance.
20 ULB Izany zava-drehetra niseho izany dia efa tamin'ny faha dimampolo sy efa-jato taona. Taorian'izany zavatra rehetra izany, Andriamanitra nanome mpitsara azy ireo mandra-piavin'i Samoela mpaminany. BSB BSB: All this took about 450 years. After this, God gave them judges until the time of Samuel the prophet.
21 ULB Dia nangataka mpanjaka ny olona avy eo, ary Andriamanitra nanome azy ireo an'i Saoly zanaka lahin'i Kisa, lehilahy izay avy amin'ny fokon'i Benjamina, mba ho mpanjaka mandritry ny efapolo taona. BSB BSB: Then the people asked for a king, and God gave them Saul son of Kish, from the tribe of Benjamin, who ruled forty years.
22 ULB Ary avy eo Andriamanitra nanala azy teo amin'ny fanjakany, ka nanandratra an'i Davida mba ho mpanjakan'izy ireo. Fa izany no nolazain'Andriamanitra momba an'i Davida hoe: "Efa nahita an'i Davida zanak'i Jesea aho mba ho olon'ny foko, izay hanao izay rehetra tiako hataony. BSB BSB: After removing Saul, He raised up David as their king and testified about him: ‘I have found David son of Jesse a man after My own heart; he will carry out My will in its entirety.’
23 ULB Fa avy amin'ny taranak'io lehilahy io no hitondran'Andriamanitra mpanavotra ho an'Israely, dia i Jesosy, araka izay efa nampanantenainy hatao. BSB BSB: From the descendants of this man, God has brought to Israel the Savior Jesus, as He promised.
24 ULB Nanomboka niseho izany, talohan'ny nahatongavan'i Jesosy, Jaona nanambara voalohany tamin'ny vahoakan'Israely rehetra momba ny batisan'ny fibebahana. BSB BSB: Before the arrival of Jesus, John preached a baptism of repentance to all the people of Israel.
25 ULB Satria Jaona efa nahavita ny asany, dia hoy izy: "Iza no hieritretanareo ahy? Tsy izaho ilay izy. Fa henoy, hisy iray ho avy aorinako, ary ny kiraron'ny tongony dia tsy hahamendrika ahy ny hamaha azy. BSB BSB: As John was completing his course, he said, ‘Who do you suppose I am? I am not that One. But there is One coming after me whose sandals I am not worthy to untie.’
27 ULB Fa ireo izay mipetraka any Jerosalema, sy ny mpitondran' izy ireo, dia tsy nahafantatra azy, ka tanterak'izy ireo ny voalazan'ny mpaminany izay vakiana isan-tsabata ny amin'ny fanamelohana azy. BSB BSB: The people of Jerusalem and their rulers did not recognize Jesus, yet in condemning Him they fulfilled the words of the prophets that are read every Sabbath.
28 ULB Na dia tsy mahita antony tsara hamonoana azy aza izy ireo, dia nangataka tamin'i Pilaty ihany mba hamono azy. BSB BSB: And though they found no ground for a death sentence, they asked Pilate to have Him executed.
29 ULB Rehefa tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra izay voasoratra momba azy, dia nampidin'izy ireo teny amin'ny hazo Izy ary nampandriany tao am-pasana. BSB BSB: When they had carried out all that was written about Him, they took Him down from the tree and laid Him in a tomb.
30 ULB Fa Andriamanitra kosa nampitsangana azy tamin'ny maty. BSB BSB: But God raised Him from the dead,
31 ULB Ary hitan'ireo izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia mankany Jerosalema izy nandritry ny andro maromaro. Ary ankehitriny dia ireo olona ireo no vavolombelony ho an'ny olona. BSB BSB: and for many days He was seen by those who had accompanied Him from Galilee to Jerusalem. They are now His witnesses to our people.
32 ULB Noho izany izahay miteny aminareo ny filazantsara izay nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny raintsika izay efa tanterany ho antsika, BSB BSB: And now we proclaim to you the good news: What God promised our fathers
33 ULB zanak'izy ireo, tamin'ny nananganany an'i Jesosy. Arak'izay efa voasoratra ao amin'ny salamo faharoa hoe: 'Zanako ianao, anio dia ho tonga Rainao aho.' BSB BSB: He has fulfilled for us, their children, by raising up Jesus. As it is written in the second Psalm: ‘You are My Son; today I have become Your Father.’
34 ULB Ny antony nananganana azy tamin'ny maty dia ny mba tsy hahasimba mandrakizay ny vatany, Andriamanitra niteny toy izao: 'Homeko anareo ny fitahiana masina sy azo antoka nampanantenaina an'i Davida.' BSB BSB: In fact, God raised Him from the dead, never to see decay. As He has said: ‘I will give you the holy and sure blessings promised to David.’
35 ULB Izany koa no nahatonga azy niteny tao amin'ny salamo hafa hoe: "Tsy hamela ilay Masina hahita ny lo ianao." BSB BSB: So also, He says in another Psalm: ‘You will not let Your Holy One see decay.’
36 ULB Satria rehefa nanatanteraka ireo fanirian'Andriamanitra ho an'ny taranany i Davida dia resin-tory izy, ka nampandriana niaraka tamin'ireo rainy izy ary ny vatany niharan'ny fahalovana. BSB BSB: For when David had served God’s purpose in his own generation, he fell asleep. His body was buried with his fathers and saw decay.
37 ULB Fa izy izay natsangan'Andriamanitra dia tsy niharan'ny faharavana. BSB BSB: But the One whom God raised from the dead did not see decay.
38 ULB Ka aoka ho fantatrareo izany, ry rahalahy, fa tamin'ny alalan'io lehilahy io no nanambarana taminareo ny famelana ny fahotana. BSB BSB: Therefore let it be known to you, brothers, that through Jesus the forgiveness of sins is proclaimed to you.
39 ULB Amin'ny alalany ny olona tsirairay izay mino dia voamarina amin'ny zavatra rehetra izay mety tsy ho voamarin'io lalàn'i Mosesy io. BSB BSB: Through Him everyone who believes is justified from everything from which you could not be justified by the law of Moses.
40 ULB Ka mitandrema mba tsy hiseho aminareo izay zavatra nolazain'ny mpaminany hoe: BSB BSB: Watch out, then, that what was spoken by the prophets does not happen to you:
41 ULB "Indro, ianareo ry mpanao tsinontsinona, dia ho gaga ary ho levona. Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Asa izay tsy ninoanareo mihitsy, na dia misy olona manambara izany aminareo aza." BSB BSB: ‘Look, you scoffers, wonder and perish! For I am doing a work in your days that you would never believe, even if someone told you.’”
42 ULB Rehefa lasa i Barnabasy sy i Paoly, dia niangavy azy ireo ny olona mba hitorian'izy ireo ireo teny ireo ihany amin'ny Sabata manaraka. BSB BSB: As Paul and Barnabas were leaving the synagogue, the people urged them to continue this message on the next Sabbath.
43 ULB Rehefa tapitra ny fivoriana tao amin'ny Synagoga, dia maro tamin'ireo Jiosy sy ireo proselita mahafatra-po no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niresaka tamin'izy ireo sy nampirisika azy mba hanohy ao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra. BSB BSB: After the synagogue was dismissed, many of the Jews and devout converts to Judaism followed Paul and Barnabas, who spoke to them and urged them to continue in the grace of God.
44 ULB Tamin'ny Sabata manaraka, dia saika ny tanàna manontolo no niaraka niangona mba handre ny tenin'ny Tompo. BSB BSB: On the following Sabbath, nearly the whole city gathered to hear the word of the Lord.
45 ULB Rehefa nahita ireo vahoaka ny Jiosy, dia feno fialonana izy ireo ary niteny nanohitra ireo zavatra izay nolazain'i Paoly sy naneso azy. BSB BSB: But when the Jews saw the crowds, they were filled with jealousy, and they blasphemously contradicted what Paul was saying.
46 ULB Fa Paoly sy Barnabasy niteny am-pasahiana ary nilaza hoe: "Ilaina ho voalaza aminareo mialoha ny tenin'Andriamanitra. Fa rehefa manosika izany ianareo ary mihevitra ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro, hiverina any amin'ny Jentilisa izahay. BSB BSB: Then Paul and Barnabas answered them boldly: “It was necessary to speak the word of God to you first. But since you reject it and do not consider yourselves worthy of eternal life, we now turn to the Gentiles.
47 ULB Araka izay efa nandidian'ny Tompo anay, manao hoe: "Napetrako mba ho fahazavan'ny Jentilisa ianareo, izany no tokony hitondranareo famonjena ho an'ireo izay any amin'ny fara-vazan-tany." BSB BSB: For this is what the Lord has commanded us: ‘I have made you a light for the Gentiles, to bring salvation to the ends of the earth.’”
48 ULB Rehefa nandre izany ny Jentilisa, dia faly sy nidera ny tenin'ny Tompo. Ary maro ireo izay voatendry ho amin'ny finoana ny fiainana mandrakizay no nino. BSB BSB: When the Gentiles heard this, they rejoiced and glorified the word of the Lord, and all who were appointed for eternal life believed.
49 ULB Ary ny tenin'ny Tompo dia niely eraky ny faritra manontolo. BSB BSB: And the word of the Lord spread throughout that region.
50 ULB Fa ny Jiosy kosa dia namporisika ireo vehivavy mahafatra-po sy manan-danja, sy ireo lehilahy mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fanenjehana ho an'i Paoly sy Barnabasy izany ary nanipy azy ireo ho any ivelan'ny sisin-tanin'ny tanàna. BSB BSB: The Jews, however, incited the religious women of prominence and the leading men of the city. They stirred up persecution against Paul and Barnabas and drove them out of their district.
51 ULB Fa Paoly sy Barnabasy nanintsana ny vovoka tamin'ny tongotr'izy ireo mba hanoherana azy ireo. Ary avy eo izy ireo dia nankany amin'ny tanànan'i Ikoniama. BSB BSB: So they shook the dust off their feet in protest against them and went to Iconium.
52 ULB Ary ny mpianatra dia feno hafaliana sy ny Fanahy Masina. BSB BSB: And the disciples were filled with joy and with the Holy Spirit.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.