1 ULB Tonga tany Derbe sy Lystra ihany koa Paoly, ary indro, teo ilay mpianatra iray antsoina hoe Timoty, zanaka lahin'ny vehivavy Jiosy izay nino; Grika ny rainy. BSB BSB: Paul came to Derbe and then to Lystra, where he found a disciple named Timothy, the son of a believing Jewish woman and a Greek father.
2 ULB Izy dia tsara laza tamin'ireo rahalahiny izay tany Lystra ary Ikonioma. BSB BSB: The brothers in Lystra and Iconium spoke well of him.
3 ULB Tian' i Paoly hiara-dia aminy izy; dia nalainy izy ary noforany noho ireo Jiosy izay teo amin'ireo toerana ireo, satria fantatr'izy rehetra fa Grika ny rainy. BSB BSB: Paul wanted Timothy to accompany him, so he took him and circumcised him on account of the Jews in that area, for they all knew that his father was a Greek.
4 ULB Raha nandeha namakivaky ireo tanàna maro izy ireo, dia nanolotra toromarika ho an'ireo mpino mba hankato ny fampianarana, izay nosoratan'ny Apostoly sy ny loholona tao Jerosalema. BSB BSB: As they went from town to town, they delivered the decisions handed down by the apostles and elders in Jerusalem for the people to obey.
5 ULB Ka niha-natanjaka tamin'ny finoana ny fiangonana ary nitombo isa isan'andro. BSB BSB: So the churches were strengthened in the faith and grew daily in numbers.
6 ULB Nandeha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny namany, satria noraran' ny Fanahy Masina izy ireo hanambara ny teny any amin'ny faritr'i Asia. BSB BSB: After the Holy Spirit had prevented them from speaking the word in the province of Asia, they traveled through the region of Phrygia and Galatia.
7 ULB Rehefa niditra nanakaiky an' i Mysia, dia te-handeha ho any Bitynia izy ireo, nefa nosakanan' ny Fanahin'i Jesosy izy ireo. BSB BSB: And when they came to the border of Mysia, they tried to enter Bithynia, but the Spirit of Jesus would not permit them.
8 ULB Ka nandalo tamin'i Mysia, dia nandeha nidina tany amin'ny tanàna an'i Troasy izy ireo. BSB BSB: So they passed by Mysia and went down to Troas.
9 ULB Nahita fahitana i Paoly tamin'ny alina: lehilahy iray Makedoniana nitsangana teo, niantso azy ary niteny hoe: "Avia aty Makedonia ary vonjeo izahay." BSB BSB: During the night, Paul had a vision of a man of Macedonia standing and pleading with him, “Come over to Macedonia and help us.”
11 ULB Niantsambo noho izany avy any Troasy, dia nizotra mahitsy ho any Samatrakia izahay, ary nihazo an'i Neapolia izahay ny andro manaraka. BSB BSB: We sailed from Troas straight to Samothrace, and the following day on to Neapolis.
12 ULB Avy teo dia nandeha nankany Filipy izahay, izay isan'ny tanàna Makedonia, izay tanàna manan-danja indrindra ao amin'ny faritra sy ny zana-tany Romanina, ary nijanona tao amin'izany tanàna izany nandritry ny andro maro izahay. BSB BSB: From there we went to the Roman colony of Philippi, the leading city of that district of Macedonia. And we stayed there several days.
13 ULB Tamin'ny andron'ny Sabata dia nandeha tany ivelan'ny vavahady akaikin'ny renirano izahay, izay noeritreretinay fa misy toeram-pivavahana. Nipetraka izahay ary niresaka tamin'ireo vehivavy izay niara-tonga teo. BSB BSB: On the Sabbath we went outside the city gate along the river, where it was customary to find a place of prayer. After sitting down, we spoke to the women who had gathered there.
14 ULB Nisy vehivavy iray atao hoe Lydia, mpivaro-damba volomparasy avy any amin'ny tanànan' i Tyatira, izay nanompo an'Andriamanitra, nihaino anay. Nanokatra ny fony ny Tompo hitandrina ny teny izay nolazain' i Paoly. BSB BSB: Among those listening was a woman named Lydia, a dealer in purple cloth from the city of Thyatira, who was a worshiper of God. The Lord opened her heart to respond to Paul’s message.
15 ULB Rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany, dia namporisika anay izy, niteny hoe: "Raha nitsara ahy ho mahatoky amin'ny Tompo ianareo, dia midira ary mitoera ao an-trano." Ary nandresy lahatra anay izy. BSB BSB: And when she and her household had been baptized, she urged us, “If you consider me a believer in the Lord, come and stay at my house.” And she persuaded us.
16 ULB Ary tamin'izany, raha nandeha nankany amin' ny toeram-pivavahana izahay, dia nisy zatovovavy iray izay manana fanahin'ny sikidy nifanena taminay. Nitondra tombony maro ho an'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikidy izy. BSB BSB: One day as we were going to the place of prayer, we were met by a slave girl with a spirit of divination, who earned a large income for her masters by fortune-telling.
17 ULB Nanaraka anay sy Paoly avy ao aoriana io vehivavy io ary niantso mafy, nanao hoe: "Ireo lehilahy ireo dia mpanompon' Andriamanitra Avo Indrindra. Manambara aminareo ny lalam-pamonjena izy ireo." BSB BSB: This girl followed Paul and the rest of us, shouting, “These men are servants of the Most High God, who are proclaiming to you the way of salvation!”
18 ULB Nanao izany nandritry ny andro maro izy. Fa i Paoly dia nanomboka sosotra taminy ka nitodika ary niteny tamin' ny fanahy hoe: "Mandidy anao amin' ny anaran'i Jesosy Kristy aho mba hivoaka ao aminy." Ary nivoaka avy hatrany izany. BSB BSB: She continued this for many days. Eventually Paul grew so aggravated that he turned and said to the spirit, “In the name of Jesus Christ I command you to come out of her!” And the spirit left her at that very moment.
19 ULB Rehefa hitan'ireo tompony fa lasa ilay fanantenana ny amin'ny tombony ho azy ireo, dia nosamborin' izy ireo i Paoly sy Silasy ary notaritiny izy ireo ho any an-tsena teo anoloan'ireo manam-pahefana. BSB BSB: When the girl’s owners saw that their hope of making money was gone, they seized Paul and Silas and dragged them before the authorities in the marketplace.
20 ULB Rehefa nitondra azy ireo teo anoloan'ireo mpitsara izy ireo, dia niteny hoe: "Manakorontana ny tanànantsika ireto lehilahy ireto. Jiosy izy ireo. BSB BSB: They brought them to the magistrates and said, “These men are Jews and are throwing our city into turmoil
21 ULB Manambara fomba izay tsy ara-dalàna ho an'ny Romanina ny manaiky na mampihatra azy izy ireo." BSB BSB: by promoting customs that are unlawful for us Romans to adopt or practice.”
22 ULB Dia nitsangana ny vahoaka nanohitra an' i Paoly sy Silasy; nanala ny lamban'izy ireo ny mpitsara ary nandidy azy ireo mba ho kapohina amin'ny hazo. BSB BSB: The crowd joined in the attack against Paul and Silas, and the magistrates ordered that they be stripped and beaten with rods.
23 ULB Rehefa nokapohin'ireo mafy izy ireo, dia nalefan'izy ireo any an-tranomaizina ary nandidy ny mpiandry tranomaizina mba hiambina mafy azy ireo. BSB BSB: And after striking them with many blows, they threw them into prison and ordered the jailer to guard them securely.
24 ULB Rehefa naharay izany didy izany ny mpiambina, dia nalefany tany amin'ny farany lalina indrindra amin'ny fonja izy ireo ary nofatorany teo amin'ny hazo ny tongotr'izy ireo. BSB BSB: On receiving this order, he placed them in the inner cell and fastened their feet in the stocks.
25 ULB Nanodidina ny misasak'alina dia nivavaka i Paoly sy Silasy ary nihira fiderana an'Andriamanitra, ary ireo gadra hafa dia nihaino azy ireo. BSB BSB: About midnight Paul and Silas were praying and singing hymns to God, and the other prisoners were listening to them.
26 ULB Tampoka teo dia nisy horohorontany lehibe, ka nampihozongozona ny fototry ny fonja; ary nisokatra avy hatrany ny varavarana rehetra, ary nivaha ny fatoran'ny olona rehetra. BSB BSB: Suddenly a strong earthquake shook the foundations of the prison. At once all the doors flew open and everyone’s chains came loose.
27 ULB Taitra tamin'ny torimaso ny mpiandry ny tranomaizina ary nahita ireo varavaran'ny fonja nivoha; namoaka ny sabany izy ka saika hamono ny tenany, satria noeritreretiny fa nandositra ireo gadra. BSB BSB: When the jailer woke up and saw the prison doors open, he drew his sword and was about to kill himself, presuming that the prisoners had escaped.
28 ULB Fa niantso tamin'ny feo mafy Paoly, nanao hoe: "Aza mandratra ny tenanao, satria ato daholo izahay rehetra." BSB BSB: But Paul called out in a loud voice, “Do not harm yourself! We are all here!”
29 ULB Nampiantso Jiro ilay mpiandry tranomaizina ary niditra haingana tao anatiny, tora-kovitra noho ny tahotra, nihohoka teo anoloan'i Paoly sy Silasy, BSB BSB: Calling for lights, the jailer rushed in and fell trembling before Paul and Silas.
30 ULB ary nitondra azy ireo nivoaka sy niteny hoe: "Tompoko, inona no tsy maintsy hataoko mba ho voavonjy?" BSB BSB: Then he brought them out and asked, “Sirs, what must I do to be saved?”
31 ULB Hoy izy ireo hoe: "Minoa an'i Tompo Jesosy, dia ho voavonjy ianao, ianao sy ny ankohonanao." BSB BSB: They replied, “Believe in the Lord Jesus and you will be saved, you and your household.”
32 ULB Nitory ny tenin'ny Tompo taminy izy ireo, niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-tranony. BSB BSB: Then Paul and Silas spoke the word of the Lord to him and to everyone in his house.
33 ULB Avy eo dia nandray azy ireo tamin'ny alina tamin'iny ora iny ihany ilay mpiandry fonja, ary nanasa ny ferin'izy ireo, ary izy sy ireo rehetra tao amin'ny tranony iray manontolo dia natao batisa teo no ho eo. BSB BSB: At that hour of the night, the jailer took them and washed their wounds. And without delay, he and all his household were baptized.
34 ULB Avy eo dia nentiny niakatra tao an-tranony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo teo anoloan'izy ireo izy, dia nifaly tokoa izy niaraka tamin'ireo izay tao an-tranony, fa efa nino an'Andriamanitra izy. BSB BSB: Then he brought them into his home and set a meal before them. So he and all his household rejoiced that they had come to believe in God.
35 ULB Ary rehefa maraina ny andro, dia nandefa teny tamin'ireo mpiambina ireo mpitsara, niteny hoe: "Avelao handeha ireo lehilahy ireo." BSB BSB: When daylight came, the magistrates sent their officers with the order: “Release those men.”
36 ULB Nitatitra izany teny izany tamin'i Paoly ilay mpiambina, niteny hoe: "Nampitondra teny tamiko ireo mpitsara mba hamela anareo handeha: noho izany ankehitriny mivoaha, ary mandehana am-piadanana." BSB BSB: The jailer informed Paul: “The magistrates have sent orders to release you. Now you may go on your way in peace.”
37 ULB Fa niteny tamin' izy ireo Paoly hoe: "Nikapoka anay ampahibemaso tsy nisy fitsarana izy ireo, na dia mizàka ny zom-pirenena Romanina aza izahay_ ary nalefan'izy ireo tao am-pigadrana. Ankehitriny dia tian'izy ireo ho alefa an-tsokotsoko ve izahay? Tsia! Aoka ny tenan'izy ireo no ho tonga eto sy hitarika anay hivoaka." BSB BSB: But Paul said to the officers, “They beat us publicly without a trial and threw us into prison, even though we are Roman citizens. And now do they want to send us away secretly? Absolutely not! Let them come themselves and escort us out!”
38 ULB Nitatitra izany teny izany tamin'ny mpitsara ny mpiambina, ary raha vao nandre izy ireo fa romanina i Paoly sy Silasy, dia natahotra izy ireo. BSB BSB: So the officers relayed this message to the magistrates, who were alarmed to hear that Paul and Silas were Roman citizens.
39 ULB Tonga sy nialatsiny tamin'izy ireo ny mpitsara ary nitondra azy ireo nivoaka, nangataka azy ireo mba hiala ao an-tanàna. BSB BSB: They came to appease them and led them out, requesting that they leave the city.
40 ULB Ka niala tao an-tranomaizina i Paoly sy Silasy ary nankao an-tranon'i Lydia. Rehefa nahita ireo rahalahy i Paoly sy Silasy, dia nampahery azy ireo ary avy eo dia niala tao an-tanàna izy ireo. BSB BSB: After Paul and Silas came out of the prison, they went to Lydia’s house to see the brothers and encourage them. Then they left the city.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.