1 ULB Rehefa tapitra ny tabataba, namory ireo mpianatra i Paoly ary nampahery azy ireo avy eo, nanao veloma izy ary lasa mba handeha ho any Makedonia. BSB BSB: When the uproar had ended, Paul sent for the disciples. And after encouraging them, he said goodbye to them and left for Macedonia.
2 ULB Rehefa nandeha teny amin'ireo faritra ireo izy sy nanao teny fankaherezana maro azy ireo, dia tonga tany Gresia izy. BSB BSB: After traveling through that area and speaking many words of encouragement, he arrived in Greece,
3 ULB Rehefa avy nijanona telo volana tao izy, nisy teti-dratsy noforonin'ireo Jiosy hanoherana azy raha izy handeha hiantsambo ho any Syria iny, ka nanapa-kevitra ny hiverina ho any Makedonia izy. BSB BSB: where he stayed three months. And when the Jews formed a plot against him as he was about to sail for Syria, he decided to go back through Macedonia.
4 ULB Nanaraka azy hatrany Asia lavitra any i Sopatera zanaka lahin'i Pyro avy any Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy amin'ireo mpino Tesalonika; Gayo avy any Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia. BSB BSB: Paul was accompanied by Sopater son of Pyrrhus from Berea, Aristarchus and Secundus from Thessalonica, Gaius from Derbe, Timothy, and Tychicus and Trophimus from the province of Asia.
5 ULB Fa ireo lehilahy ireo efa nialoha anay ary niandry anay tany Troasy. BSB BSB: These men went on ahead and waited for us in Troas.
6 ULB Niondrana an-tsambo niala tao Filipy izahay taorian'ny andro fihinanana mofo tsy masira, ary tao anatin'ny dimy andro dia tonga tany amin'izy ireo tany Troasy izahay. Ary nitoetra tao izahay nandritra ny fito andro. BSB BSB: And after the Feast of Unleavened Bread, we sailed from Philippi, and five days later we rejoined them in Troas, where we stayed seven days.
8 ULB Nisy jiro maro tao amin'ny efitra ambony izay nahatongavanay niaraka. BSB BSB: Now there were many lamps in the upper room where we were gathered.
9 ULB Teo amin'ny varavarankely no nipetraka ity tovolahy nantsoina hoe Eotika, izay tafalatsaka tao anaty torimaso lalina. Raha niresaka naharitra kokoa i Paoly, io tovolahy io, dia mbola natory, tafalatsaka avy eny amin'ny rihana fahatelo ary nony narenina izy dia hita fa efa maty. BSB BSB: And a certain young man named Eutychus, seated in the window, was sinking into a deep sleep as Paul talked on and on. When he was sound asleep, he fell from the third story and was picked up dead.
10 ULB Fa i Paoly nidina, naninjitra ny tenany teo aminy, ary namihina azy. Avy eo izy niteny hoe: "Aza malahelo intsony, fa velona izy." BSB BSB: But Paul went down, threw himself on the young man, and embraced him. “Do not be alarmed!” he said. “He is still alive!”
11 ULB Dia niakatra indray izy avy eo ary nanapaka ny mofo sy nihinana. Rehefa avy niresaka ela tamin'izy ireo hatramin'ny mangiran-dratsy izy, dia nandeha. BSB BSB: Then Paul went back upstairs, broke bread, and ate. And after speaking until daybreak, he departed.
12 ULB Nitondra ilay tovolahy efa velona niverina izy ireo ary tena faly dia faly. BSB BSB: And the people were greatly relieved to take the boy home alive.
13 ULB Isika mihitsy no nandeha nialohan'i Paoly tamin'ny sambo ary niantsambo ho any Aso, fa any no kasainay handraisana an'i Paoly. Izany no faniriany izy tenany ho atao, satria naniry handeha an-tanety izy. BSB BSB: We went on ahead to the ship and sailed to Assos, where we were to take Paul aboard. He had arranged this because he was going there on foot.
14 ULB Rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia nentinay tamin'ny sambo izy ka nankany Mitylena. BSB BSB: And when he met us at Assos, we took him aboard and went on to Mitylene.
15 ULB Avy eo niantsambo avy teo izahay ary tonga tao amin'ny tandrifin'ny nosin'i Kio ny ampitso. Ny andro manaraka dia niantsona tao amin'ny nosin'ny Samo izahay, ary ny ampitson'iny dia tonga tao amin'ny tanànan'i Mileto. BSB BSB: Sailing on from there, we arrived the next day opposite Chios. The day after that we arrived at Samos, and on the following day we came to Miletus.
16 ULB Fa Paoly nanapa-kevitra ny hiantsambo handalo an'i Efesosy, mba tsy handany fotoana ela any Asia izy; satria izy dia maika ny ho any Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, raha azony atao ny manao izany. BSB BSB: Paul had decided to sail past Ephesus to avoid spending time in the province of Asia, because he was in a hurry to reach Jerusalem, if possible, by the day of Pentecost.
17 ULB Avy any Mileto no nandefasany lehilahy ho any Efesosy ary nampiantso ny loholon'ny fiangonana hankeo aminy. BSB BSB: From Miletus, Paul sent to Ephesus for the elders of the church.
18 ULB Rehefa tonga tao aminy izy ireo, dia niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Ianareo tenanareo mahafantatra, hatramin'ny andro voalohany nanitsahako an'i Asia, hoe toy ny ahoana no nandaniako ny fotoanako niaraka taminareo. BSB BSB: When they came to him, he said, “You know how I lived the whole time I was with you, from the first day I arrived in the province of Asia.
19 ULB Izaho dia nanompo hatrany ny Tompo tamin'ny fanetre-tena rehetra sy ranomaso, ary tao anaty fijaliana no nitranga tamiko izany nohon'ny teti-dratsin'ireo Jiosy. BSB BSB: I served the Lord with great humility and with tears, especially in the trials that came upon me through the plots of the Jews.
20 ULB Ianareo dia mahafantatra fa tsy nitazona fahanginana tamin'ny fanambarana taminareo ireo rehetra izay nilaina aho, sy ny fomba nampianarako anareo teo imason'olona ary tamin'ny isan-trano, BSB BSB: I did not shrink back from declaring anything that was helpful to you as I taught you publicly and from house to house,
21 ULB nijoroako vavolombelona teo amin'ireo Jiosy sy ireo Jentilisa momba ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana ao amin'ny Jesosy Tompontsika. BSB BSB: testifying to Jews and Greeks alike about repentance to God and faith in our Lord Jesus Christ.
22 ULB Indro ankehitriny, ho any Jerosalema aho, noteren'ny Fanahy Masina ka tsy mahalala izay hahazo ahy any, BSB BSB: And now, compelled by the Spirit, I am going to Jerusalem, not knowing what will happen to me there.
23 ULB afa-tsy izay hampitandreman'ny Fanahy Masina ahy isaky ny tanàn-dehibe amin'ireo famatorana sy fijaliana izay miandry ahy. BSB BSB: I only know that in town after town the Holy Spirit warns me that chains and afflictions await me.
24 ULB Fa izaho dia tsy mihevitra ny fiainako hoe sarobidy amin'ny tenako, raha tsy hoe hahavita ny hazakazako sy ny asa fanompoko izay noraisiko avy amin'Jesosy Tompo aho, hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan' Andriamanitra. BSB BSB: But I consider my life of no value to me, if only I may finish my course and complete the ministry I have received from the Lord Jesus—the ministry of testifying to the good news of God’s grace.
25 ULB Ary indro ankehitriny, fantatro fa ianareo rehetra, izay nanambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko intsony. BSB BSB: Now I know that none of you among whom I have preached the kingdom will see my face again.
26 ULB Noho izany ambarako aminareo amin'ity andro ity, fa izaho dia tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ny olona. BSB BSB: Therefore I testify to you this day that I am innocent of the blood of all men.
27 ULB Fa tsy nafeniko taminareo ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra rehetra. BSB BSB: For I did not shrink back from declaring to you the whole will of God.
28 ULB Noho izany tandremo ny momban'ny tenanareo, sy ny momban'ireo ondry rehetra izay nampiandraketan'ny Fanahy Masina anareo. Mitandrema amin'ny mpiandry ondrin'ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiany tamin'ny ràny manokana. BSB BSB: Keep watch over yourselves and the entire flock of which the Holy Spirit has made you overseers. Be shepherds of the church of God, which He purchased with His own blood.
29 ULB Fantatro fa aorian'ny fandehanako, dia ho avy eo aminareo ireo amboadia masika ary tsy hiantra an'ireo ondry. BSB BSB: I know that after my departure, savage wolves will come in among you and will not spare the flock.
30 ULB Fantatro fa na dia avy aminareo aza dia hisy olona ho avy ary hanova ny marina mba hitarika ireo mpianatra hanaraka azy ireo. BSB BSB: Even from your own number, men will rise up and distort the truth to draw away disciples after them.
31 ULB Koa miambena. Tsarovy fa nandritry ny telo taona aho no tsy nijanona nampianatra ny tsirairay avy aminareo andro aman'alina tamin'ny ranomaso. BSB BSB: Therefore be alert and remember that for three years I never stopped warning each of you night and day with tears.
32 ULB Ankehitriny ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenin'ny fahasoavany ianareo, izay afaka manangana sy manome anareo ny lova eo amin'ireo rehetra izay nohamasinina. BSB BSB: And now I commit you to God and to the word of His grace, which can build you up and give you an inheritance among all who are sanctified.
33 ULB Tsy nitsiriritra volafotsy, volamena, na lamban'olona aho. BSB BSB: I have not coveted anyone’s silver or gold or clothing.
34 ULB Ianareo tenanareo no mahafantatra fa ireto tanana ireto no nanolotra izay nilaiko ary ireo nilain'ireo izay niaraka tamiko. BSB BSB: You yourselves know that these hands of mine have ministered to my own needs and those of my companions.
35 ULB Tamin'ny zava-drehetra no nanomezako ohatra anareo ny fomba tokony hanampinareo ireo malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fomba hitadidianareo ireo tenin'i Tompo Jesosy, teny izay nambarany izy tenany hoe: "Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray." BSB BSB: In everything, I showed you that by this kind of hard work we must help the weak, remembering the words of the Lord Jesus Himself: ‘It is more blessed to give than to receive.’”
36 ULB Rehefa avy niteny toy izany izy, dia nandohalika ary nivavaka niaraka tamin'izy rehetra. BSB BSB: When Paul had said this, he knelt down with all of them and prayed.
37 ULB Nisy fitomaniana be teo ary namihina an'i Paoly sy nanoroka azy izy ireo. BSB BSB: They all wept openly as they embraced Paul and kissed him.
38 ULB Nalahelo ny maro tamin'izy ireo noho izay noteneniny, hoe: izy ireo dia tsy hahita ny tavany intsony. Avy eo nanatitra azy teny amin'ny sambo izy ireo. BSB BSB: They were especially grieved by his statement that they would never see his face again. Then they accompanied him to the ship.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.