1 ULB Rehefa niala teo amin'izy ireo izahay dia niantsambo, ary nizotra lala-mahitsy nankany amin'ny tanànan'i Kosy, nankany amin'ny tanànan'i Rody ny andro manaraka, ary avy ao dia nankany amin'ny tanànan'i Patara. BSB BSB: After we had torn ourselves away from them, we sailed directly to Cos, and the next day on to Rhodes, and from there to Patara.
2 ULB Rehefa nahita sambo niampita nankany Foinika izahay, dia niditra tao izahay ka niantsambo. BSB BSB: Finding a ship crossing over to Phoenicia, we boarded it and set sail.
3 ULB Rehefa avy nahita an'i Kyprosy, dia namela izany teny ampitan'ny sambo, niantsambo ho any Syria izahay ary niantsona tao Tyro, toerana izay namoahan'ireo tantsambo ny entana tao anaty sambo. BSB BSB: After sighting Cyprus and passing south of it, we sailed on to Syria and landed at Tyre, where the ship was to unload its cargo.
4 ULB Raha vao nahita an'ireo mpianatra izahay, dia nijanona tany nandritra ny fito andro. Tamin'ny alalan'ny Fanahy dia nandresy lahatra an'i Paoly hatrany izy ireo mba tsy handeha ho any Jerosalema. BSB BSB: We sought out the disciples in Tyre and stayed with them seven days. Through the Spirit they kept telling Paul not to go up to Jerusalem.
5 ULB Rehefa tapitra ny andronay teny, dia niala tao izahay ka nandeha tamin'ny làlanay, ary izy rehetra, niaraka tamin'ireo vady aman-janany, nanaraka nivoaka tao amin'ny tanàna. Ary nandohalika teny amorn-dranomasina dia nivavaka BSB BSB: But when our time there had ended, we set out on our journey. All the disciples, with their wives and children, accompanied us out of the city and knelt down on the beach to pray with us.
6 ULB ary nifanao veloma. Dia niditra tao an-tsambo izahay, ary izy ireo niverina tany an-tranony. BSB BSB: And after we had said our farewells, we went aboard the ship, and they returned home.
7 ULB Rehefa vitanay ny dia tany Tyro, dia tonga tany Ptolemaisy izahay. Tany dia nihaona tamin'ireo rahalahy ary nijanona iray andro niaraka tamin'izy ireo. BSB BSB: When we had finished our voyage from Tyre, we landed at Ptolemais, where we greeted the brothers and stayed with them for a day.
8 ULB Ny ampitso dia niala tao izahay ary nandeha tany Sezarea. Niditra ny tranon'i Filipo isika, evanjelista, izay iray tamin'ireo fito, ary nijanona niaraka taminy izahay. BSB BSB: Leaving the next day, we went on to Caesarea and stayed at the home of Philip the evangelist, who was one of the Seven.
9 ULB Ankehitriny io lehilahy io dia nanan-janaka vavy virjiny efatra izay naminany. BSB BSB: He had four unmarried daughters who prophesied.
10 ULB Rehefa nijanona tao nandritry ny andro maromaro izahay, dia nisy mpaminany anankiray nidina avy tany Jodia nantsoina hoe Agabo. BSB BSB: After we had been there several days, a prophet named Agabus came down from Judea.
11 ULB Nanatona anay ary naka ny fehikibon'i Paoly izy. Tamin'iny no namatorany ny tongony sy ny tanany ary niteny hoe: "Hoy ny Fanahy Masina, 'dia ho toy izao no hamatoran' ireo Jiosy any Jerosalema ny lehilahy izay tompon'ity fehin-kibo ity, ary hanolotra azy eo an-tanan'ireo Jentilisa.'" BSB BSB: Coming over to us, he took Paul’s belt, bound his own feet and hands, and said, “The Holy Spirit says: ‘In this way the Jews of Jerusalem will bind the owner of this belt and hand him over to the Gentiles.’”
12 ULB Rehefa naheno izany zavatra izany izahay, dia izahay sy ireo olona monina tao amin'io toerana io dia niangavy tamin'i Paoly tsy hiakatra ho any Jerosalema. BSB BSB: When we heard this, we and the people there pleaded with Paul not to go up to Jerusalem.
13 ULB Ary namaly i Paoly nanao hoe: "Inona no ataonareo, mitomany sy mandratra ny foko? Izaho efa vonona, tsy hoe hofatorana fotsiny ihany, fa ho faty any Jerosalema ihany koa amin'ny anaran'i Tompo Jesosy." BSB BSB: Then Paul answered, “Why are you weeping and breaking my heart? I am ready not only to be bound, but also to die in Jerusalem for the name of the Lord Jesus.”
14 ULB Satria tsy naniry ny horesen-dahatra i Paoly, dia nijanona nanandrana izahay ary niteny hoe: "Aoka ho tanteraka ny sitra-pon'ny Tompo." BSB BSB: When he would not be dissuaded, we quieted down and said, “The Lord’s will be done.”
15 ULB Tao aorian'ireo andro ireo, dia nitondra ny kitaponay izahay ka niakatra nankany Jerosalema. BSB BSB: After these days, we packed up and went on to Jerusalem.
16 ULB Dia nisy ireo mpianatra sasany ihany koa avy any Sezarea nanaraka anay. Nitondra lehilahy iray niaraka taminízy ireo izay nantsoina hoe Menasona, lehilahy avy any Sipra, mpianatra mainty molaly, izay tokony hiarahanay mitoetra. BSB BSB: Some of the disciples from Caesarea accompanied us, and they took us to stay at the home of Mnason the Cypriot, an early disciple.
17 ULB Rehefa tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay am-pifaliana ireo rahalahy. BSB BSB: When we arrived in Jerusalem, the brothers welcomed us joyfully.
18 ULB Ny ampitso dia nanaraka anay i Paoly ho any amin'i Jakoba, ary teo daholo ireo loholona rehetra. BSB BSB: The next day Paul went in with us to see James, and all the elders were present.
19 ULB Rehefa avy niarahaba azy ireo izy, dia nitatitra tsirairay ireo zavatra rehetra izay efa nataon'Andriamanitra tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan'ny asa fanompoany. BSB BSB: Paul greeted them and recounted one by one the things that God had done among the Gentiles through his ministry.
21 ULB Efa nolazan'izy ireo ny momba anao, fa ianao dia mampianatra ireo Jiosy rehetra izay mipetraka eo amin'ireo Jentilisa hahafoy an'i Mosesy, ary ianao milaza azy ireo tsy hamora ny zanany, ary tsy hanaraka ny fomba taloha. BSB BSB: But they are under the impression that you teach all the Jews who live among the Gentiles to forsake Moses, telling them not to circumcise their children or observe our customs.
22 ULB Inona no tokony ho hataontsika? Ho ren'izy ireo tokoa fa tonga ianao. BSB BSB: What then should we do? They will certainly hear that you have come.
23 ULB Koa ataovy izay lazainay anao. Manana lehilahy efatra izay nanao voady izahay. BSB BSB: Therefore do what we advise you. There are four men with us who have taken a vow.
24 ULB Ento ireo lehilahy ireo ary diovy miaraka amin'izy ireo ny tenanareo, ary haloavy ireo fandanian'izy ireo, mba hanaratra ny lohany izy ireo. Ka ho fantatry ny olona rehetra fa ireo zavatra izay nolazaina momba anareo dia diso. Ho fantatr'izy ireo fa ianao dia manaraka lalàna ihany koa. BSB BSB: Take these men, purify yourself along with them, and pay their expenses so they can have their heads shaved. Then everyone will know that there is no truth to these rumors about you, but that you also live in obedience to the law.
25 ULB Fa mikasika ireo Jentilisa izay nino, izahay dia nanoratra sy nanome torolalana fa tokony hitandrina ny tenany amin'ny zavatra vita sorona ho an'ny sampy izy ireo, avy amin'ny rà, avy amin'izay nokendaina, sy avy amin'ny fijangajangana. BSB BSB: As for the Gentile believers, we have written to them our decision that they must abstain from food sacrificed to idols, from blood, from the meat of strangled animals, and from sexual immorality.”
26 ULB Avy eo dia nalain'i Paoly ireo lehilahy, ary ny ampitso, izy nanadio ny tenany niaraka tamin'izy ireo, niditra tao an-tempoly, nanambara ny vanim-potoanan'ny andron'ny fanadiovana, mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny olona tsirairay tamin'izy ireo. BSB BSB: So the next day Paul took the men and purified himself along with them. Then he entered the temple to give notice of the date when their purification would be complete and the offering would be made for each of them.
27 ULB Rehefa ho tapitra ireo andro fito, ireo Jiosy sasantsasany avy any Asia, nahita an'i Paoly tao an-tempoly, nampikorontana ireo vahoaka manontolo, ary nisambotra azy. BSB BSB: When the seven days were almost over, some Jews from the province of Asia saw Paul at the temple. They stirred up the whole crowd and seized him,
29 ULB "Fa izy ireo teo aloha nahita an'i Trofima izay Efezianina niaraka taminy tao an-tanàna, ary nieritreritra izy ireo fa i Paoly no nitondra azy tao an-tempoly. BSB BSB: For they had previously seen Trophimus the Ephesian with him in the city, and they assumed that Paul had brought him into the temple.
30 ULB Nifanaritaka ny tanàna rehetra, ary niaraka nihazakazaka sy nisambotra an'i Paoly ny olona. Nisintona azy hivoaka ao amin'ny tempoly izy ireo, dia nakatona teo noho eo ny varavarana. BSB BSB: The whole city was stirred up, and the people rushed together. They seized Paul and dragged him out of the temple, and at once the gates were shut.
31 ULB Raha teo am-pamonoana azy izy ireo, dia nisy vaovao tonga tany amin'ny kapitenin'ny mpiambina fa mikorontana avokoa Jerosalema iray manontolo. BSB BSB: While they were trying to kill him, the commander of the Roman regiment received a report that all Jerusalem was in turmoil.
32 ULB Avy hatrany dia naka miaramila sy kapiteny izy ary nihazakaza nidina nankany amin'ireo vahoaka. Rehefa nahita ny kapiteny sy ireo miaramila ny vahoaka, dia nijanona nikapoka an'i Paoly izy ireo. BSB BSB: Immediately he took some soldiers and centurions and ran down to the crowd. When the people saw the commander and the soldiers, they stopped beating Paul.
33 ULB Dia nanatona ilay kapiteny ary nisambotra an'i Paoly, ary nasainy nofatorana tamin'ny rojo vy roa izy. Dia nanontany izy hoe iza izy ary inona no nataony. BSB BSB: The commander came up and arrested Paul, ordering that he be bound with two chains. Then he asked who he was and what he had done.
34 ULB Ny sasany tamin'ireo vahoaka nitabataba zavatra iray ary ireo hafa zavatra hafa. Satria tsy afaka niteny na inona na inona ny kapiteny noho ny tabataba rehetra, dia nasainy nentina ho any amin'ny rova i Paoly. BSB BSB: Some in the crowd were shouting one thing, and some another. And since the commander could not get at the truth because of the uproar, he ordered that Paul be brought into the barracks.
35 ULB Rehefa tonga teo amin'ny tohatra izy, dia nentin'ireo miaramila izy noho ny herisetran'ny vahoaka. BSB BSB: When Paul reached the steps, he had to be carried by the soldiers because of the violence of the mob.
36 ULB Fa nanaraka tao aoriana ny vahoaka be ary nanohy nihorakoraka hoe: "Vonoy izy" BSB BSB: For the crowd that followed him kept shouting, “Away with him!”
37 ULB Raha iny ho entina tao an-drova iny i Paoly, dia hoy izy tamin'ny kapiteny: "Afaka miteny zavatra aminao ve aho?" Hoy ilay kapiteny hoe: "Miteny Grika ve ianao? BSB BSB: As they were about to take Paul into the barracks, he asked the commander, “May I say something to you?” “Do you speak Greek?” he replied.
38 ULB Tsy ianao ve ilay Egyptiana, izay nitarika fikomiana tany aloha ary nitarika ireo efatra arivo lahy an'ny 'mpamono olona' nivoaka avy tany an-tany efitra?" BSB BSB: “Aren’t you the Egyptian who incited a rebellion some time ago and led four thousand members of the Assassins into the wilderness?”
39 ULB I Paoly dia niteny hoe: "Izaho dia Jiosy, avy any amin'ny tanàn'i Tarsosy any Kiliaka. Izaho dia olom-pirenen'ny tanàna manan-danja. Mangataka aminao aho, avelao aho hiteny amin'ny olona". BSB BSB: But Paul answered, “I am a Jew from Tarsus in Cilicia, a citizen of no ordinary city. Now I beg you to allow me to speak to the people.”
40 ULB Rehefa namela azy hiteny ilay kapiteny, dia nitsangana teo amin'ny tohatra i Paoly ary nanao fihetsika tamin'ny tànany tamin'ny vahoaka. Rehefa nisy fahanginana lalina, dia niresaka tamin'izy ireo tamin'ny fiteny Hebreo izy. Hoy izy: BSB BSB: Having received permission, Paul stood on the steps and motioned to the crowd. A great hush came over the crowd, and he addressed them in Hebrew:
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.