1 ULB Rehefa tapaka fa tokony hiantsambo ho any Italia izahay, dia napetrak'izy ireo i Paoly sy ireo gadra hafa ho eo ambanin'ny fiahian'ny kapiteny iray antsoina hoe Jolio izay an'ny rezimantan'ny Amperora. BSB BSB: When it was decided that we would sail for Italy, Paul and some other prisoners were handed over to a centurion named Julius, who belonged to the Imperial Regiment.
2 ULB Niditra tanaty sambo iray avy any Adramytena izahay, izay hiondrana manaraka ny sisin-tanin'ny Asia. Ka dia nandeha an-dranomasina izahay. Aristarko avy any Tesalonika any Makedonia dia nandeha niaraka taminay. BSB BSB: We boarded an Adramyttian ship about to sail for ports along the coast of Asia, and we put out to sea. Aristarchus, a Macedonian from Thessalonica, was with us.
3 ULB Ny andro manaraka dia tonga tao amin'ny tanànan'ny Sidona izahay, izay nitondran'i Jolio an'i Paoly tamin'ny hatsaram-panahy ary namela azy handeha ho any amin'ireo namany handray ny fikarakaran'izy ireo. BSB BSB: The next day we landed at Sidon, and Julius treated Paul with consideration, allowing him to visit his friends and receive their care.
4 ULB Avy tany izahay no nandeha an-dranomasina ary niantsambo nanaraka ny moron'ny Kyprosy, nanakaiky ny nosy, satria nanohitra anay ny rivotra. BSB BSB: After putting out from there, we sailed to the lee of Cyprus because the winds were against us.
5 ULB Avy eo niantsambo namakivaky ny ranomasina izahay ary nanakaiky ny sisin-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, tonga tao Myra izahay, tananàn'ny Lykia. BSB BSB: And when we had sailed across the open sea off the coast of Cilicia and Pamphylia, we came to Myra in Lycia.
6 ULB Tany, ny kapiteny dia nahita sambo iray avy any Aleksandria izay hiantsambo ho any Italia. Napetrany tao amin'izany izahay. BSB BSB: There the centurion found an Alexandrian ship sailing for Italy and put us on board.
7 ULB Rehefa niantsambo niadana nandritry ny andro maro izahay ary ny farany dia tonga tam-pahasahiranana teo akaikin'ny Kinidio, dia tsy namela anay andeha tamin'izany lalana izany intsony ny rivotra, ka dia niantsambo nanaraka ny ilany takon-drivotry ny Kreta izahay, mifanandrify amin'ny Salmona. BSB BSB: After sailing slowly for many days, we arrived off Cnidus. When the wind impeded us, we sailed to the lee of Crete, opposite Salmone.
8 ULB Nanara-morona tam-pahasahiranana izahay, nandra-pahatonganay tany amin'ny toerana iray antsoina hoe Tsara-fitodian-tsambo, izay akaikin'ny tanànan'ny Lasea. BSB BSB: After we had moved along the coast with difficulty, we came to a place called Fair Havens, near the town of Lasea.
9 ULB Ary nandany fotoana betsaka izahay, efa dila ihany koa ny fotoana fifadian-kanin'ireo Jiosy, ary efa lasa nampidi-doza ny miondrana an-tsambo. Ka dia nampitandrina azy ireo Paoly, BSB BSB: By now much time had passed, and the voyage had already become dangerous because it was after the Fast. So Paul advised them,
10 ULB ary niteny hoe: "Ry lehilahy, hitako fa ity dia izay ho ataontsika ity dia hisy faharatrana sy fatiantoka maro, tsy ho an'ny entana sy ny sambo ihany, fa ho an'ny aintsika koa." BSB BSB: “Men, I can see that our voyage will be filled with disaster and great loss, not only to ship and cargo, but to our own lives as well.”
11 ULB Fa ny kapiteny nanome lanja kokoa ny mpitondra sy ny tompon'ny sambo noho ireo zavatra izay voalazan'i Paoly. BSB BSB: But contrary to Paul’s advice, the centurion was persuaded by the pilot and by the owner of the ship.
12 ULB Satria ao amin'ny seranana dia tsy mora raha hijanonana mandritry ny ririnina, dia maro tamin'ireo mpiantsambo no nanoro hevitra ny hiondrana hiala teo, fa ndrao mba afaka hihazo ny tanànan'ny Foiniksa amin'ny fomba rehetra izahay, mba hitoetra any mandritry ny ririnina. Foiniksa dia seranana any Kreta, ary manatrika ny mianavaratra-andrefana sy ny mianatsimo-andrefana izany. BSB BSB: Since the harbor was unsuitable to winter in, the majority decided to sail on, hoping that somehow they could reach Phoenix to winter there. Phoenix was a harbor in Crete facing both southwest and northwest.
13 ULB Rehefa nanomboka nitsoka malefaka ny rivotra avy any atsimo, dia nihevitra ireo tantsambo fa nanana izay nilain'izy ireo. Ka dia nampakatra ny vatofantsika ary niondrana nanaraka an'i Kreta izy ireo, nanakaiky ny moron-dranomasina. BSB BSB: When a gentle south wind began to blow, they thought they had their opportunity. So they weighed anchor and sailed along, hugging the coast of Crete.
14 ULB Fa afaka fotoana fohy dia nisy tafio-drivotra mahery, nantsoina hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy any amin'ny nosy. BSB BSB: But it was not long before a cyclone called the Northeaster swept down across the island.
15 ULB Rehefa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanohitra ny rivotra intsony, dia tsy maintsy nanome lalana ny tafiotra izahay ary nentin'ny rivotra teny rehetra teny. BSB BSB: Unable to head into the wind, the ship was caught up. So we gave way and let ourselves be driven along.
16 ULB Niantsambo nanaraka ny moron'ny nosy kely iray antsoina hoe Kaoda izahay, ary tamim-pahasahiranana no nahafahanay niaro ny lakana famonjena aina. BSB BSB: Passing to the lee of a small island called Cauda, we barely managed to secure the lifeboat.
17 ULB Rehefa nampiakarin'izy ireo ny lakana famonjena aina, dia nampiasain'izy ireo ny tadin'izany mba hamatorana ny vatan'ny sambo. Natahotra izy ireo fa tokony handeha ambonin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso, ka dia nalatsak'izy ireo ny vatofantsiky ny ranomasina ary nandeha ho azy teny. BSB BSB: After hoisting it up, the crew used ropes to undergird the ship. And fearing that they would run aground on the sandbars of Syrtis, they lowered the sea anchor and were driven along.
18 ULB Tratran'ny famelezana mahery vaikan'ny tafiotra izahay hany ka ny andro manaraka io dia nanomboka nanary ireo entana tany ivelan'ny sambo izy ireo. BSB BSB: We were tossed so violently that the next day the men began to jettison the cargo.
19 ULB Tamin'ny andro fahatelo ireo tantsambo dia nanipy ny entan'ny sambo tany ivelan'ny sambo tamin'ny tanan'izy ireo manokana. BSB BSB: On the third day, they threw the ship’s tackle overboard with their own hands.
20 ULB Rehefa tsy namiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintana, ary mbola namely anay ilay tafiotra lehibe, dia very avokoa ny fanantenana ny hahavoavonjy anay. BSB BSB: When neither sun nor stars appeared for many days and the great storm continued to batter us, we abandoned all hope of being saved.
21 ULB Rehefa lasa lavitra tsy nisy sakafo izy ireo, dia nitsangana teo amin'ireo tantsambo Paoly avy eo ary niteny hoe: "Ry lehilahy, tokony nihaino ahy ianareo, ary tsy niondrana avy tany Kreta, ho tratran'izao faharatrana sy fatiantoka izao. BSB BSB: After the men had gone a long time without food, Paul stood up among them and said, “Men, you should have followed my advice not to sail from Crete. Then you would have averted this disaster and loss.
22 ULB Ankehitriny dia mamporisika anareo aho mba hahery, fa tsy hisy fahaverezan'aina eo anivonareo, fa fahaverezan'ny sambo fotsiny ihany. BSB BSB: But now I urge you to keep up your courage, because you will not experience any loss of life, but only of the ship.
23 ULB Fa tamin'ny alina dia nisy anjelin'Andriamanitra izay tompoko, izay tompoiko ihany koa_ nitsangana teo anilako ny anjeliny BSB BSB: For just last night an angel of the God to whom I belong and whom I serve stood beside me
24 ULB ary niteny hoe: 'Aza matahotra, ry Paoly. Tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao, ary indro, Andriamanitra ao amin'ny hatsaram-panahiny no nanome anao ireo rehetra miantsambo miaraka aminao.' BSB BSB: and said, ‘Do not be afraid, Paul; you must stand before Caesar. And look, God has granted you the lives of all who sail with you.’
25 ULB Noho izany mionona, ry lehilahy! Fa mahatoky an'Andriamanitra aho fa hitranga araka izay voalaza tamiko izany. BSB BSB: So take courage, men, for I believe God that it will happen just as He told me.
26 ULB Saingy tsy maintsy hidona amina nosy maromaro isika." BSB BSB: However, we must run aground on some island.”
27 ULB Rehefa tonga ny alina faha-efatra ambin'ny folo, raha natoptopa tetsy sy teroa tao amin'ny ranomasin'ny Adrea izahay, tokony ho tamin'ny sasak'alina dia nihevitra ireo tantsambo fa nanakaiky tany izy ireo. BSB BSB: On the fourteenth night we were still being driven across the Adriatic Sea. About midnight the sailors sensed they were approaching land.
28 ULB Dia naka refin-drano izy ireo ary nahita fa efapolo metatra ny halaliny; taoriana kelin'izany, dia mbola naka refin-drano ihany izy ireo ary nahita fa telopolo metatra ny halaliny. BSB BSB: They took soundings and found that the water was twenty fathoms deep. Going a little farther, they took another set of soundings that read fifteen fathoms.
29 ULB Natahotra izy ireo sao hidona amin'ireo vato izahay, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra avy ao aoriana izy ireo ary nivavaka mba hiavian'ny maraina tsy ho ela. BSB BSB: Fearing that we would run aground on the rocks, they dropped four anchors from the stern and prayed for daybreak.
30 ULB Ireo tantsambo dia nitady fomba handaozana ny sambo ary nandatsaka ny lakana famonjena aina tany an-dranomasina, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy teo an-doha-tsambo izy ireo. BSB BSB: Meanwhile, the sailors attempted to escape from the ship. Pretending to lower anchors from the bow, they let the lifeboat down into the sea.
31 ULB Fa Paoly niteny tamin'ny kapiteny sy ireo miaramila hoe: "Raha tsy mijanona anaty sambo ireo lehilahy ireo, tsy ho voavonjy ianareo." BSB BSB: But Paul said to the centurion and the soldiers, “Unless these men remain with the ship, you cannot be saved.”
32 ULB Avy eo ireo miaramila nanapaka ny tadin'ny lakana ka dia namela izany ho rendrika. BSB BSB: So the soldiers cut the ropes to the lifeboat and set it adrift.
33 ULB Rehefa nanomboka nihanazava ny andro, dia namporisika azy rehetra Paoly mba haka sakafo maromaro. Hoy izy hoe: "Ity andro ity no andro faha-efatra ambiny folo izay hiandrasanareo ary tsy hinananareo; tsy nihinana na inona na inona ianareo. BSB BSB: Right up to daybreak, Paul kept urging them all to eat: “Today is your fourteenth day in constant suspense, without taking any food.
34 ULB Noho izany dia mamporisika anareo aho mba hizara sakafo, fa ilaina izany mba hahavelona anareo. Fa tsy hisy na iray aminareo izay ho very na dia ny singam-bolon-dohany aza." BSB BSB: So for your own preservation, I urge you to eat something, because not a single hair of your head will be lost.”
35 ULB Rehefa avy niteny izany izy, dia naka mofo ary nisaotra an'Andriamanitra teo imason'ny rehetra. Avy eo izy nizarazara ny mofo ary nanomboka nihinana. BSB BSB: After he had said this, Paul took bread and gave thanks to God in front of them all. Then he broke it and began to eat.
36 ULB Avy eo dia nahery izy rehetra ary naka sakafo ihany koa. BSB BSB: They were all encouraged and took some food themselves.
37 ULB Olona 276 izahay no tao anaty sambo. BSB BSB: In all, there were 276 of us on board.
38 ULB Rehefa nihinana tsara izy ireo, dia nohamaivanin'izy ireo ny sambo tamin'ny nanarian'izy ireo vary tanaty ranomasina. BSB BSB: After the men had eaten their fill, they lightened the ship by throwing the grain into the sea.
39 ULB Rehefa tonga ny andro, dia tsy fantatr'izy ireo ilay tany, fa nahita helon-drano anankiray nisy tora-pasika izy ireo, ary nifandinika izy ireo raha afaka hitondra ny sambo teny. BSB BSB: When daylight came, they did not recognize the land, but they sighted a bay with a sandy beach, where they decided to run the ship aground if they could.
40 ULB Ka dia notapahin'izy ireo ireo vatofantsika ary navelan'izy ireo tany an-dranomasina. Niaraka tamin'izay dia nalatsak'izy ireo ny tady teo amin'ny familiana ary natsangany ny lay ho eo amin'ny rivotra; ary dia niroso nankeo amin'ny tora-pasika izy ireo. BSB BSB: Cutting away the anchors, they left them in the sea as they loosened the ropes that held the rudders. Then they hoisted the foresail to the wind and made for the beach.
41 ULB Fa tonga teo amin'ny toerana iray izay nisy ranomasina nifanapaka izy ireo, ka nidona tamin'ny tany ny sambo. Ary ny loha-sambo dia niraikitra teo ary nijanona tsy afa-nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa nanomboka vaky nohon'ny hahery vaikan'ny onja. BSB BSB: But the ship struck a sandbar and ran aground. The bow stuck fast and would not move, and the stern was being broken up by the pounding of the waves.
42 ULB Ny tetik'ireo miaramila dia ny hamono ireo gadra mba tsy hisy amin'izy ireo ho afaka andeha hilomano ka hitsoaka. BSB BSB: The soldiers planned to kill the prisoners so none of them could swim to freedom.
43 ULB Fa ilay kapiteny te-hamonjy an'i Paoly, ka dia najanony ny tetik'izy ireo; ary nomeny baiko ireo mahay milomano mba hilatsaka ivelan'ny sambo aloha ary ho eny an-tanety. BSB BSB: But the centurion, wanting to spare Paul’s life, thwarted their plan. He commanded those who could swim to jump overboard first and get to land.
44 ULB Avy eo tokony hanaraka ny ambin'ireo lehilahy, ny sasany ambony hazo fisaka, ary ny sasany ambony zavatra hafa avy tao amin'ny sambo. Toy izany no nitranga ka ny rehetra taminay dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety. BSB BSB: The rest were to follow on planks and various parts of the ship. In this way everyone was brought safely to land.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.