1 ULB Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihanitombo ny isan'ireo mpianatra, dia nanomboka nisy fitarainana nataon'ireo Jiosy miteny Grika hanoherana ireo Hebreo, satria nataon'izy ireo tsinotsinona ireo mpitondra-tenany tamin'ny fizarana sakafo isan'andro. BSB BSB: In those days when the disciples were increasing in number, the Grecian Jews among them began to grumble against the Hebraic Jews because their widows were being overlooked in the daily distribution of food.
2 ULB Ny roa ambin'ny folo dia niantso ireo mpianatra rehetra ho any amin'izy ireo sady niteny hoe: "Tsy mety ho antsika raha mandao ny tenin'Andriamanitra mba hikarakara ireo latabatra. BSB BSB: So the Twelve summoned all the disciples and said, “It is unacceptable for us to neglect the word of God in order to wait on tables.
3 ULB Noho izany ianareo dia tokony mifidy, ry rahalahy, fito aminareo, lehilahy tsara laza, feno ny Fanahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hikarakara izany raharaha izany. BSB BSB: Therefore, brothers, select from among you seven men confirmed to be full of the Spirit and wisdom. We will assign this responsibility to them
4 ULB Raha ny aminay, dia hanohy hatrany amin'ny fivavahana sy amin'ny fampianarana ny teny izahay." BSB BSB: and will devote ourselves to prayer and to the ministry of the word.”
5 ULB Nahafinaritra ny olona rehetra ny teny nataon'izy ireo. Ka nifidy an'i Stefana izy ireo, lehilahy feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy any Antiokia. BSB BSB: This proposal pleased the whole group. They chose Stephen, a man full of faith and of the Holy Spirit, as well as Philip, Prochorus, Nicanor, Timon, Parmenas, and Nicolas from Antioch, a convert to Judaism.
6 ULB Ireo mpino dia nitondra ireo lehilahy teo anatrehan'ny Apostoly, izay nivavaka sy nametraka ny tanany tamin'izy ireo. BSB BSB: They presented these seven to the apostles, who prayed and laid their hands on them.
7 ULB Ka niparitaka hatrany ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema dia nihanitombo be, ary mpisorona maro be kosa no lasa mpankatoa ny finoana. BSB BSB: So the word of God continued to spread. The number of disciples in Jerusalem grew rapidly, and a great number of priests became obedient to the faith.
8 ULB Ary i Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka. BSB BSB: Now Stephen, who was full of grace and power, was performing great wonders and signs among the people.
10 ULB Izy ireo dia tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany i Stefana. BSB BSB: but they could not stand up to his wisdom or the Spirit by whom he spoke.
11 ULB Avy eo dia nisy olona nanaovan'izy ireo kolikoly mba hiteny hoe: "Efa renay i Stefana niteny ratsy momban'i Mosesy sy Andriamanitra." BSB BSB: Then they prompted some men to say, “We heard Stephen speak words of blasphemy against Moses and against God.”
12 ULB Nanaitra ny olona izy ireo, ny loholona, sy ny mpanora-dalàna, dia nankeo amin'i Stefana izy ireo ary nisambotra azy sy nitondra azy teo anatrehan'ireo mpanolotsaina. BSB BSB: So they stirred up the people, elders, and scribes and confronted Stephen. They seized him and brought him before the Sanhedrin,
13 ULB Ary izy ireo dia nitondra fijoroana vavolombelona diso, dia niteny hoe: "Ito lehilahy ito dia tsy mitsahatra miteny ratsy ity toerana masina ity sy ny lalàna. BSB BSB: where they presented false witnesses who said, “This man never stops speaking against this holy place and against the law.
14 ULB Fa izahay dia nandre azy niteny fa io Jesosy avy any Nazareta io dia handrava ity toerana ity sy hanova ireo fomba izay natolotr'i Mosesy antsika." BSB BSB: For we have heard him say that Jesus of Nazareth will destroy this place and change the customs that Moses handed down to us.”
15 ULB Ireo rehetra izay nipetraka teo amin'ny toeran'ny mpanolotsaina dia nandinika azy ka nahita fa tahaka ny anjely ny tarehiny. BSB BSB: All who were sitting in the Sanhedrin looked intently at Stephen, and they saw that his face was like the face of an angel.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.