2 ULB Hoy izy hoe: "Hierona avy any Ziona i Yaveh; hampiakatra ny feony avy any Jerosalema Izy. Ho maina ny ahitr'ireo mpiandry ondry; halazo ny tampon'i karmela." BSB BSB: He said: “The LORD roars from Zion and raises His voice from Jerusalem; the pastures of the shepherds mourn, and the summit of Carmel withers.”
3 ULB Izao no lazain'Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Damaskosy, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria fitaovana vy no nivelesan'izy ireo an'i Gileada. BSB BSB: This is what the LORD says: “For three transgressions of Damascus, even four, I will not revoke My judgment, because they threshed Gilead with sledges of iron.
4 ULB Handefasako afo ny taranak'i Hazaela, ary handevona ireo fiarovana mafin'i Beni-Hadada Aho. BSB BSB: So I will send fire upon the house of Hazael to consume the citadels of Ben-hadad.
5 ULB Ho tapahiko ny vy eo amin'ny vavahadin'i Damaskosy ary handringana ilay lehilahy izay monina ao Bikata Avena Aho, ary koa ilay lehilahy izay mitazona ny tehim-panjakana ao Bet-Edena. Ny vahoakan'i Syria dia handeha ho amin'ny fahababoana any Kira," hoy Yaveh. BSB BSB: I will break down the gates of Damascus; I will cut off the ruler from the Valley of Aven and the one who wields the scepter in Beth-eden. The people of Aram will be exiled to Kir,” says the LORD.
6 ULB Izao no lazain'Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Gaza, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nataon'izy ireo ho babo ny vahoaka manontolo, mba hanolorana azy ireo an'i Edoma. BSB BSB: This is what the LORD says: “For three transgressions of Gaza, even four, I will not revoke My judgment, because they exiled a whole population, delivering them up to Edom.
7 ULB Handefa afo amin'ireo rindrin'i Gaza Aho, ary handevona ireo fiarovana mafiny izany. BSB BSB: So I will send fire upon the walls of Gaza, to consume its citadels.
8 ULB Ho aringako ilay lehilahy izay monina ao Asdoda sy ilay lehilahy izay mitazona ny tehim-panjakana avy any Askelona. Hanohitra an'i Ekrona ny tanako, ary ho faty ireo Filistina tavela," hoy ny Tompo Yaveh. BSB BSB: I will cut off the ruler of Ashdod and the one who wields the scepter in Ashkelon. I will turn My hand against Ekron, and the remnant of the Philistines will perish,” says the Lord GOD.
9 ULB Izao no lazainy Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Tyro, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanolotra ny vahoaka manontolo an'i Edoma izy ireo, ary nandika ny fifanekem-pirahalahiany izy ireo. BSB BSB: This is what the LORD says: “For three transgressions of Tyre, even four, I will not revoke My judgment, because they delivered up a whole congregation of exiles to Edom and broke a covenant of brotherhood.
10 ULB Handefa afo eo amin'ireo rindrin'i Tyro Aho, ary handevona ireo fiarovana mafiny izany." BSB BSB: So I will send fire upon the walls of Tyre to consume its citadels.”
11 ULB Izao no nolazain'i Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'i Edoma, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy ary nanary ny famindram-po rehetra. Ny hatezerany dia nitohy mandrakariva, ary naharitra mandrakizay. BSB BSB: This is what the LORD says: “For three transgressions of Edom, even four, I will not revoke My judgment, because he pursued his brother with the sword and stifled all compassion; his anger raged continually, and his fury flamed incessantly.
12 ULB Handefa afo eo Temana Aho, ary handevona ny lapan'i Bozra izany." BSB BSB: So I will send fire upon Teman to consume the citadels of Bozrah.”
13 ULB Izao no nolazain'i Yaveh hoe: "Noho ireo fahotana telo nataon'ny vahoakan'i Amona, eny, na efatra aza, dia tsy hanala ny sazy Aho, satria nanataka ireo vehivavy bevoka tao Gileada izy ireo, mba hanitaran'izy ireo ny faritaniny. BSB BSB: This is what the LORD says: “For three transgressions of the Ammonites, even four, I will not revoke My judgment, because they ripped open the pregnant women of Gilead in order to enlarge their territory.
14 ULB Handrehitra afo eo amin'ireo rindrin'i Raba Aho, ary handevona ireo lapa izany, miaraka amin'ny hiaka amin'ny andron'ny ady, miaraka amin'ny tafio-drivotra amin'ny andron'ny tadio. BSB BSB: So I will kindle a fire in the walls of Rabbah to consume its citadels amid war cries on the day of battle and a violent wind on the day of tempest.
15 ULB Handeha ho amin'ny fahababoana ny mpanjakan'izy ireo, izy mbamin'ireo manam-boninahiny," hoy Yaveh. BSB BSB: Their king will go into exile—he and his princes together,” says the LORD.