1 ULB Indro, amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, rehefa hampody ny sesitanin'i Joda sy Jerosalema Aho, BSB BSB: “Yes, in those days and at that time, when I restore Judah and Jerusalem from captivity,
2 ULB dia hanangona ny firenena rehetra Aho, ary hitondra azy ireo hidina eo amin'ny Lohasan'i Josafata. Hitsara azy ireo eny Aho, noho ny amin'ny Israely oloko sy lovako, izay niparitahan'izy ireo teo amin'ireo firenena, ary noho ny nizaran'izy ireo ny taniko. BSB BSB: I will gather all the nations and bring them down to the Valley of Jehoshaphat. There I will enter into judgment against them concerning My people, My inheritance, Israel, whom they have scattered among the nations as they divided up My land.
3 ULB Nanao filokana ho an'ny oloko izy ireo, ary nivarotra ny zazalahy ho an'ny mpivaro-tena, ary nivarotra ny zazavavy ho an'ny divay mba ho sotroin'izy ireo. BSB BSB: They cast lots for My people; they bartered a boy for a prostitute and sold a girl for wine to drink.
4 ULB Ankehitriny, nahoana no tezitra Amiko ianareo, ry Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia rehetra? Hamaly faty Ahy ve ianareo? Na dia hamaly faty Ahy aza ianareo, dia ho averiko eo amin'ny lohanareo avy hatrany ny sazinareo. BSB BSB: Now what do you have against Me, O Tyre, Sidon, and all the regions of Philistia? Are you rendering against Me a recompense? If you retaliate against Me, I will swiftly and speedily return your recompense upon your heads.
5 ULB Fa naka ny volafotsiko sy ny volamenako ianareo, ary hitondra ny harena sarobidy ao amin'ny tempolinareo Aho. BSB BSB: For you took My silver and gold and carried off My finest treasures to your temples.
6 ULB Nivarotra ny olon'i Joda sy Jerosalema amin'ireo Grika ianareo, mba hanesorana azy ireo lavitry ny faritaniny. BSB BSB: You sold the people of Judah and Jerusalem to the Greeks, to send them far from their homeland.
7 ULB Indro, hampiala azy ireo amin'ny toerana izay nivarotanareo azy ireo Aho, ary hanonitra eo amin'ny lohanareo. BSB BSB: Behold, I will rouse them from the places to which you sold them; I will return your recompense upon your heads.
8 ULB Hivarotra ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy, eo an-tanan'ny olon'i Joda Aho. Hivarotra azy ireo ho amin'i Sabeana izy ireo, any amin'ny firenena lavitra. Fa Yaveh no efa niteny. BSB BSB: I will sell your sons and daughters into the hands of the people of Judah, and they will sell them to the Sabeans—to a distant nation.” Indeed, the LORD has spoken.
9 ULB Ambarao eo amin'ireo firenena izao hoe: 'Omano amin'ny ady ny tenanareo, fohazo ireo lehilahy mahery, aoka hanatona izy ireo, aoka ny lehilahin'ady rehetra hiakatra. BSB BSB: Proclaim this among the nations: “Prepare for war; rouse the mighty men; let all the men of war advance and attack!
10 ULB Tefeo ho sabatra ny fangadinareo ary ho lefona ny antsy fandrasanareo. Aoka ny osa hiteny hoe: "Mahery aho." BSB BSB: Beat your plowshares into swords and your pruning hooks into spears. Let the weak say, ‘I am strong!’
11 ULB Faingana ary tongava, ianareo firenena rehetra eny manodidina eny, vorio miaraka eny ny tenanareo. Ry Yaveh, ampidino ireo lehilahy mpiady maherinao.' BSB BSB: Come quickly, all you surrounding nations, and gather yourselves. Bring down Your mighty ones, O LORD.
12 ULB Aoka hifoha ireo firenena ary hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata. Fa ao no hitoerako hitsara ny firenena rehetra manodidina. BSB BSB: Let the nations be roused and advance to the Valley of Jehoshaphat, for there I will sit down to judge all the nations on every side.
13 ULB Apetraho ny antsy fijinjana, fa ny vokatra dia matoy. Miavia, potsipotsero ny voaloboka, fa feno ny famiazana. Mihoatra ny vata fitatazana, fa ny faharatsian'izy ireo dia goavana." BSB BSB: Swing the sickle, for the harvest is ripe. Come, trample the grapes, for the winepress is full; the wine vats overflow because their wickedness is great.
14 ULB Misy tabataba, dia tabataba ao amin'ny Lohasahan'ny Fitsarana. Fa antomotra ny andron'i Yaveh ao amin'ny Lohasahan'ny Fitsarana. BSB BSB: Multitudes, multitudes in the valley of decision! For the Day of the LORD is near in the valley of decision.
15 ULB Ny masoandro sy volana ho lasa maizina, ary ireo kintana hihazona ny famirapiratany. BSB BSB: The sun and moon will grow dark, and the stars will no longer shine.
16 ULB Hierona avy any Ziona Yaveh, ary hanandratra ny feony ao Jerosalema. Hiozongozona ny tany sy ny lanitra, nefa Yaveh dia ho fialofan'ny olony, ary fiarovana mafy ho an'ny olon'Israely. BSB BSB: The LORD will roar from Zion and raise His voice from Jerusalem; heaven and earth will tremble. But the LORD will be a refuge for His people, a stronghold for the people of Israel.
17 ULB "Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina. Koa dia ho masina Jerosalema, ary tsy misy tafika hanao diabe eo aminy indray. BSB BSB: Then you will know that I am the LORD your God, who dwells in Zion, My holy mountain. Jerusalem will be holy, never again to be overrun by foreigners.
18 ULB Ho tonga izany amin'ny andro izay hipoiran'ny divay mamy amin'ny tendrombohitra, ny havoana dia hikoriana ronono, ny lohasahan-driakan'i Joda rehetra dia hikoriana rano, ary loharano dia ho tonga avy amin'ny tranon'i Yaveh ary ny rano avy amin'ny Lohasahan'i Sitima. BSB BSB: And in that day the mountains will drip with sweet wine, and the hills will flow with milk. All the streams of Judah will run with water, and a spring will flow from the house of the LORD to water the Valley of Acacias.
19 ULB Ho tonga faharavana nilaozana i Egypta ary Edoma ho lasa efitra foana, noho ny herisetra natao tamin'ny olon'i Joda, satria nandatsaka ràn'olona tsy manan-tsiny tao amin'ny taniny izy ireo. BSB BSB: Egypt will become desolate, and Edom a desert wasteland, because of the violence done to the people of Judah, in whose land they shed innocent blood.
20 ULB Fa i Joda dia honenana mandrakizay, ary Jerosalema honenan'ny taranaka fara-mandimby. BSB BSB: But Judah will be inhabited forever, and Jerusalem from generation to generation.
21 ULB Hamaly faty ny ràn'izay tsy mbola novaliako ho faty Aho," Fa Yaveh monina ao Ziona. BSB BSB: For I will avenge their blood, which I have not yet avenged.” For the LORD dwells in Zion.