1 ULB Tsofy ny anjomara ao Ziona, ary ampanenoy ny fanairana any an-tendrombohitro masina! Aoka ny mponin'ny tany rehetra hangovitra amin'ny tahotra, fa ho tonga ny andron'i Yaveh; akaiky tokoa izany. BSB BSB: Blow the ram’s horn in Zion; sound the alarm on My holy mountain! Let all who dwell in the land tremble, for the Day of the LORD is coming; indeed, it is near—
2 ULB Andron'ny fahamaizinana sy aizim-pito izany, andron'ny rahona sy aizim-pito. Tahaka ny mangiran-dratsy izay miely eny amin'ireo tendrombohitra, manatona ny tafika lehibe sy matanjaka. Tsy mbola nisy tafika tahaka ity hatrizay, ary tsy hisy tahaka azy intsony, na aorian'ny taranaka fara mandimby maro aza. BSB BSB: a day of darkness and gloom, a day of clouds and blackness. Like the dawn overspreading the mountains a great and strong army appears, such as never was of old, nor will ever be in ages to come.
3 ULB Ny afo dia mandevona ny zavatra rehetra manoloana azy, ary ao ambadik'izany ny lelan'afo dia mirehitra. Ny tany dia tahaka ny saha Edena eo anoloan'izany, nefa ao ambadik'izany dia misy efitra foana. Tsy hisy na inona na inona handositra amin'izany tokoa. BSB BSB: Before them a fire devours, and behind them a flame scorches. The land before them is like the Garden of Eden, but behind them, it is like a desert wasteland—surely nothing will escape them.
4 ULB Niendrika toy ny soavaly ireo tafika, ary mihazakazaka toy ny mpitaingin-tsoavaly izy ireo. BSB BSB: Their appearance is like that of horses, and they gallop like swift steeds.
5 ULB Mitsambikina miaraka amin'ny feo toy ny an'ireo sarety eny an-tampon'ny tendrombohitra izy ireo, tahaka ny feon'ny lelan'afo mirehitra izay mandevona ny mololo, tahaka ny tafika matanjaka vonona ho amin'ny ady izy ireo. BSB BSB: With a sound like that of chariots they bound over the mountaintops, like the crackling of fire consuming stubble, like a mighty army deployed for battle.
6 ULB Ao anaty fangirifiriana ny olona ary lasa fotsy hatsatra ny tavan'izy ireo rehetra rehefa eo anatrehan'izy ireo. BSB BSB: Nations writhe in horror before them; every face turns pale.
7 ULB Mihazakazaka tahaka ny mpiady matanjaka izy ireo; mihanika ireo manda toy ireo miaramila mpiady izy ireo; manao diabe amin'ny laharany avy izy ireo ary tsy vaky ny laharany. BSB BSB: They charge like mighty men; they scale the walls like men of war. Each one marches in formation, not swerving from the course.
8 ULB Tsy mifanosika izy ireo; samy mandeha amin'ny lalany avy izy ireo; mamakivaky ny fiarovana izy ireo ary tsy rava ny laharana. BSB BSB: They do not jostle one another; each proceeds in his path. They burst through the defenses, never breaking ranks.
9 ULB Mirohitra eny amin'ny tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny amin'ny manda, mihanika amin'ireo trano izy ireo, ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra izy ireo. BSB BSB: They storm the city; they run along the wall; they climb into houses, entering through windows like thieves.
10 ULB Mihorohoro manoloana azy ireo ny tany, ary miozongozona ny lanitra, ny masoandro sy ny volana dia maizina, ary ny kintana dia mijanona mamiratra. BSB BSB: Before them the earth quakes; the heavens tremble. The sun and moon grow dark, and the stars lose their brightness.
11 ULB Manandratra ny feony manoloana ny tafiny i Yaveh, satria ireo mpiadiny dia maro an'isa tokoa; satria mahery izy ireo, ireo izay hanatanteraka ny didiny. Fa lehibe sy mahatsiravina tokoa ny andron'i Yaveh. Iza no ho velona amin'izany? BSB BSB: The LORD raises His voice in the presence of His army. Indeed, His camp is very large, for mighty are those who obey His command. For the Day of the LORD is great and very dreadful. Who can endure it?
12 ULB "Koa na dia ankehitriny aza" hoy i Yaveh hoe: "Miverena Amiko amin'ny fonareo manontolo. Mifadia hanina, mitomania, ary manaova fisaonana." BSB BSB: “Yet even now,” declares the LORD, “return to Me with all your heart, with fasting, weeping, and mourning.”
13 ULB Viravirao ihany koa ny fonareo fa tsy ny fitafinareo ihany, ary miverena amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa mamindra fo sy miantra Izy, tsy mora tezitra ary be famindram-po, ary hiala amin'ny fampitondrana famaizana Izy. BSB BSB: So rend your hearts and not your garments, and return to the LORD your God. For He is gracious and compassionate, slow to anger, abounding in loving devotion. And He relents from sending disaster.
14 ULB Iza no mahalala? Mety hiverina ve izy ary hanana fangoraham-po, ary hamela fitahiana aoriany, dia ny fanatitra voa sy fanatitra sotroina ho an'i Yaveh Andriamanitrareo? BSB BSB: Who knows? He may turn and relent and leave a blessing behind Him—grain and drink offerings for the LORD your God.
15 ULB Tsofy ny anjomara ao Ziona, miantsoa fifadian-kanina masina, ary miantsoa fivoriana masina. BSB BSB: Blow the ram’s horn in Zion, consecrate a fast, proclaim a sacred assembly.
16 ULB Angony ny vahoaka, antsoy amin'ny fivoriana masina. Vorio ireo loholona, angony ny ankizy mbamin'ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra hiala ao an'efitranony, ary ny ampakarina hiala an-trano fandriany. BSB BSB: Gather the people, sanctify the congregation, assemble the aged, gather the children, even those nursing at the breast. Let the bridegroom leave his room, and the bride her chamber.
17 ULB Aoka ireo mpisorona, mpanompon'i Yaveh hitomany eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara. Aoka izy ireo hilaza hoe: "Iantrao ny olonao, ry Yaveh, ary aza avela ho amin'ny fahafaham-baraka ny lovanao, ka hesoin'ireo firenena. Nahoana izy ireo no tokony hiteny amin'ireo firenena hoe: Aiza ny Andriamanin'izy ireo?'" BSB BSB: Let the priests who minister before the LORD weep between the portico and the altar, saying, “Spare Your people, O LORD, and do not make Your heritage a reproach, an object of scorn among the nations. Why should they say among the peoples, ‘Where is their God?’”
18 ULB Koa dia saro-piaro ny amin'ny taniny i Yaveh ary niantra ny olony. BSB BSB: Then the LORD became jealous for His land, and He spared His people.
19 ULB Namaly ny olony i Yaveh manao hoe: "Indro, handefa vary ho anareo, divay vaovao, ary menaka Aho. Ho afa-po amin'izany ianareo, ary tsy havelako ho afa-baràka eo amin'ireo firenena intsony ianareo. BSB BSB: And the LORD answered His people: “Behold, I will send you grain, new wine, and oil, and by them you will be satisfied. I will never again make you a reproach among the nations.
20 ULB Esoriko lavitra anareo ny mpanafika avy any avaratra, ary hitondra azy ireo ho eo amin'ny tany karakaina sy maina Aho. Ny loha-laharan'ny tafik'izy ireo dia handeha any amin'ny ranomasina atsinanana, ary vodi-laharany ho any amin'ny ranomasina andrefana. Hiakatra ny fofony, ary ny fofon-dratsiny hiakatra." Efa nanao zavatra lehibe tokoa izy. BSB BSB: The northern army I will drive away from you, banishing it to a barren and desolate land, its front ranks into the Eastern Sea, and its rear guard into the Western Sea. And its stench will rise; its foul odor will ascend. For He has done great things.
21 ULB Aza matahotra, ry tany, mifalia sy miravoa, fa Yaveh hanao zavatra lehibe. BSB BSB: Do not be afraid, O land; rejoice and be glad, for the LORD has done great things.
22 ULB Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa hitsimoka ny ahitra any an'efitra, hamoa ireo hazo, ary ny hazo aviavy sy ny voaloboka hamokatra feno. BSB BSB: Do not be afraid, O beasts of the field, for the open pastures have turned green, the trees bear their fruit, and the fig tree and vine yield their best.
23 ULB Miravoa, ry vahoakan'i Ziona, ary mifalia ao amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa hanome fararanon'orana ary handatsaka orana ho anareo Izy, fararanon'orana sy ny fararanon-dohataona toy ny teo aloha. BSB BSB: Be glad, O children of Zion, and rejoice in the LORD your God, for He has given you the autumn rains for your vindication. He sends you showers, both autumn and spring rains, as before.
24 ULB Ny famoloana dia ho feno vary, ary ireo vata ho feno divay vaovao sy diloilo. BSB BSB: The threshing floors will be full of grain, and the vats will overflow with new wine and oil.
25 ULB "Hamerina amin'ny laoniny ireo taonan'ny vokatra izay efa nohanin'ny andiam-balala Aho—ny valala lehibe, ny valala mpandrava, ary ny valala mpanimba ho anao Aho— ny tafiko mahery izay nalefako eo aminareo. BSB BSB: I will repay you for the years eaten by locusts—the swarming locust, the young locust, the destroying locust, and the devouring locust—My great army that I sent against you.
26 ULB Hihinana be dia be ianareo ary ho voky, ary miderà ny anaran'i Yaveh Andriamanitrareo, izay efa nanao fahagagana teo aminareo, ary tsy hitondra fahamenarana eo amin'ny oloko intsony Aho. BSB BSB: You will have plenty to eat, until you are satisfied. You will praise the name of the LORD your God, who has worked wonders for you. My people will never again be put to shame.
27 ULB Hahafantatra ianareo fa eo amin'Israely Aho, ary Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, ary tsy misy ankoatra Ahy, ary tsy hitondra fahamenarana eo amin'ny oloko intsony Aho. BSB BSB: Then you will know that I am present in Israel and that I am the LORD your God, and there is no other. My people will never again be put to shame.
28 ULB Ao aorian'izany dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho, ary ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy dia haminany. Ny anti-dahinareo dia hanonofy, ny zatovonareo dia hahita fahitana. BSB BSB: And afterward, I will pour out My Spirit on all people. Your sons and daughters will prophesy, your old men will dream dreams, your young men will see visions.
29 ULB Amin'ireo andro ireo, dia handrotsaka ny Fanahiko eo amin'ireo mpanompolahy sy mpanompovavy ihany koa Aho. BSB BSB: Even on My menservants and maidservants, I will pour out My Spirit in those days.
30 ULB Hampiseho fahagagana eny amin'ny lanitra sy eo amin'ny tany Aho, dia rà, sy afo, ary setroka miredareda. BSB BSB: I will show wonders in the heavens and on the earth, blood and fire and columns of smoke.
31 ULB Ny masoandro hivadika haizina ary ny volana ho rà, alohan'ny ahatongavan'ny andron'i Yaveh izay lehibe sy mampihorohoro. BSB BSB: The sun will be turned to darkness and the moon to blood before the coming of the great and awesome Day of the LORD.
32 ULB Izay rehetra miantso ny anaran'i Yaveh dia ho voavonjy. Fa eny amin'ny tendrombohitr'i Ziona sy any Jerosalema no hisy ireo izay tafandositra, araka izay voalazan'i Yaveh, ary eo amin'ireo sisa velona, ireo izay nantsoin'i Yaveh. BSB BSB: And everyone who calls on the name of the LORD will be saved; for on Mount Zion and in Jerusalem there will be deliverance, as the LORD has promised, among the remnant called by the LORD.