1 ULB Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Joela zanaka lahin'i Petoela. BSB BSB: This is the word of the LORD that came to Joel son of Pethuel:
2 ULB Ianareo loholona, henoy izao, ary mandrenesa ianareo mponina rehetra eo amin'ny tany. Efa nitranga ve izao tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razambenareo? BSB BSB: Hear this, O elders; and give ear, all who dwell in the land. Has anything like this ever happened in your days or in the days of your fathers?
3 ULB Lazao ny momba izany ny zanakareo, ary aoka ny zanakareo hiteny ny zanak'izy ireo, ary ny zanak'izy ireo amin'ny taranak'izy ireo manaraka. BSB BSB: Tell it to your children; let your children tell it to their children, and their children to the next generation.
4 ULB Izay sisan'ny kijeja dia nohanin'ny andiam-balala; izay sisan'ny andiam-balala dia efa nohanin'ny valalavao; ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga. BSB BSB: What the devouring locust has left, the swarming locust has eaten; what the swarming locust has left, the young locust has eaten; and what the young locust has left, the destroying locust has eaten.
5 ULB Mifohaza, ianareo ry mpimamo, ary mitomania! Midradradradrà, ianareo rehetra mpisotro divay, satria ny divay mamy dia nesorina teo aminareo. BSB BSB: Wake up, you drunkards, and weep; wail, all you drinkers of wine, because of the sweet wine, for it has been cut off from your mouth.
6 ULB Fa nisy firenena iray niakatra teo amin'ny taniko, mahery sy tsy hita isa. Ny nifiny dia nifin'ny liona, ary manana ny nifin'ny liona vavy izy. BSB BSB: For a nation has invaded My land, powerful and without number; its teeth are the teeth of a lion, and its fangs are the fangs of a lioness.
7 ULB Nataony toerana mampihorohoro ny tanim-boaloboko ary notapahiny ny hazon'aviaviko. Nongotany ny hodi-kazony ary nariany izany; ireo rantsany dia tonga fotsy. BSB BSB: It has laid waste My grapevine and splintered My fig tree. It has stripped off the bark and thrown it away; the branches have turned white.
8 ULB Aoka hisaona toy ny virijiny manao akanjo fisaonana amin'ny fahafatesan'ny vadiny tanora ianareo. BSB BSB: Wail like a virgin dressed in sackcloth, grieving for the husband of her youth.
9 ULB Ny fanatitra voa sy fanatitra sotroina dia nesorina tao amin'ny tranon'i Yaveh. Misaona ireo mpisorona, mpanompon'i Yaveh. BSB BSB: Grain and drink offerings have been cut off from the house of the LORD; the priests are in mourning, those who minister before the LORD.
10 ULB Rava ireo saha, misaona ny tany satria efa simba ny vary. Maina ny divay vaovao, mandamoka ny diloilo. BSB BSB: The field is ruined; the land mourns. For the grain is destroyed, the new wine is dried up, and the oil fails.
11 ULB Mba menatra, ianareo tantsaha, ary midradradradrà, ianareo ry mpamboly voaloboka, nohon'ny vary tritika sy ny vary hordea. Fa ny vokatry ny saha dia efa levona. BSB BSB: Be dismayed, O farmers, wail, O vinedressers, over the wheat and barley, because the harvest of the field has perished.
12 ULB Nalazo ny voaloboka ary maina ireo hazon'aviavy, ireo ampongabendanitra, ireo hazo palma ihany koa, ary ireo hazon'ny poma—nalazo avokoa ny hazo rehetra tany an-tsaha. Fa nalazo ny fifalian'ny taranak'olombelona. BSB BSB: The grapevine is dried up, and the fig tree is withered; the pomegranate, palm, and apple—all the trees of the orchard—are withered. Surely the joy of mankind has dried up.
13 ULB Manaova akanjo fisaonana ary aoka hisaona, ianareo mpisorona! Midradradradrà, ianareo mpanompon'ny alitara. Manatona, ento matory mandritry ny alina manontolo ny akanjo fisaonana, ianareo mpanompon'ny Andriamanitro. Fa ny fanatitra voa sy ny fanatitra sotroina dia efa notazomina ao an-tranon'ny Andriamanitrareo. BSB BSB: Put on sackcloth and lament, O priests; wail, O ministers of the altar. Come, spend the night in sackcloth, O ministers of my God, because the grain and drink offerings are withheld from the house of your God.
14 ULB Mangataha fifadian-kanina masina, ary mangataha fiangonana masina. Hangony ireo loholona sy ireo mponina ao amin'ny tanin'i Yaveh Andriamanitrareo, ary mitomania amin'i Yaveh. BSB BSB: Consecrate a fast; proclaim a solemn assembly! Gather the elders and all the residents of the land to the house of the LORD your God, and cry out to the LORD.
15 ULB Indrisy ry andro! Fa ny andron'i Yaveh dia efa akaiky. Ho avy miaraka amin'izany ny famotehana avy amin'ilay Tsitoha. BSB BSB: Alas for the day! For the Day of the LORD is near, and it will come as destruction from the Almighty.
16 ULB Tsy efa nesorina teo imasontsika ve ny sakafo, ary ny fifaliana sy ny firavoravoana tao amin'ny tranon'ny Andriamanitsika? BSB BSB: Has not the food been cut off before our very eyes—joy and gladness from the house of our God?
17 ULB ireo voa dia lo any ambanin'ny baingan-tanin'ireo, foana ireo mpamatsy, ary potika ireo sompitra, satria nalazo ireo vary. BSB BSB: The seeds lie shriveled beneath the clods; the storehouses are in ruins; the granaries are broken down, for the grain has withered away.
18 ULB Izato fieron'ireo biby! Mijaly ny biby fiompy satria tsy manana tany fihinanam-bilona izy ireo. Mijaly ihany koa ireo andian'ondry aman'osy. BSB BSB: How the cattle groan! The herds wander in confusion because they have no pasture. Even the flocks of sheep are suffering.
19 ULB Ry Yaveh, mitalaho Aminao aho. Fa nolevonin'ny afo ireo fihinanam-bilona any an'efitra, ary lelan'afo no nandoro ny hazo rehetra tany an-tsaha. BSB BSB: To You, O LORD, I call, for fire has consumed the open pastures and flames have scorched all the trees of the field.
20 ULB Na ireo biby any an-tsaha aza dia midradradradra Aminao, satria ritra ny lohasaha, ary main'ny afo ireo fihinanam-bilona any an'efitra. BSB BSB: Even the beasts of the field pant for You, for the streams of water have dried up, and fire has consumed the open pastures.