1 ULB Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Joiakima mpanjakan'ny Joda, Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tonga tao Jerosalema ary nanodidina ny tanàna mba hanapaka ny famatsiana rehetra ho an'izany. BSB BSB: In the third year of the reign of Jehoiakim king of Judah, Nebuchadnezzar king of Babylon came to Jerusalem and besieged it.
2 ULB Ny Tompo nanome fandresena an'i Nebokadnezara teo amin'i Joaikima mpanjakan'ny Joda, ary izy nanome azy tamin'ireo zava-masina avy ao amin'ny tranon'Andriamanitra. Nitondra ireo ho any amin'ny tanin'i Babylona izy, ho any an-tranon'andriamaniny, ary napetrany tao amin'ny fitoeran-drakitry ny andriamaniny ireo zava-masina. BSB BSB: And the Lord delivered into his hand Jehoiakim king of Judah, along with some of the articles from the house of God. He carried these off to the land of Shinar, to the house of his god, where he put them in the treasury of his god.
3 ULB Ary niresaka tamin'i Aspenaza, ilay lehiben'ny manampahefany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin'ireo zanak'Israely, amin'ny fianakavian'andriana sy ny ambony firazanana— BSB BSB: Then the king ordered Ashpenaz, the chief of his court officials, to bring in some Israelites from the royal family and the nobility—
4 ULB tovolahy tsy misy kilema, manintona amin'ny endrika ivelany, mahay amin'ny fahendrena rehetra, feno fahalalana sy fahazavan-tsaina, ary voafantina mba hanompo ao amin'ny lapan'ny mpanjaka. Izy dia hampianatra azy ireo ny literatiora Babyloniana sy ny fiteniny. BSB BSB: young men without blemish, handsome, gifted in all wisdom, knowledgeable, quick to understand, and qualified to serve in the king’s palace—and to teach them the language and literature of the Chaldeans.
5 ULB Nanisan'ny mpanjaka anjara isan'andro manokana amin'ireo haniny sy sasany amin'ireo divay nisotrony izy ireo. Ireo zatovo lahy ireo dia nampihofanina nandritra ny telo taona, ary aorian'izay, dia hanompo ny mpanjaka izy ireo. BSB BSB: The king assigned them daily provisions of the royal food and wine. They were to be trained for three years, after which they were to enter the king’s service.
6 ULB Anisan'ireo i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria, izay sasany amin'ireo olon'ny Joda. BSB BSB: Among these young men were some from Judah: Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah.
7 ULB Nomen'ny lehibe manampahefana anarana izy ireo: Daniela nantsoiny hoe Beltesazara, Hanania nantsoiny hoe Sadraka, Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary Azaria nantsoiny hoe Abednego. BSB BSB: The chief official gave them new names: To Daniel he gave the name Belteshazzar; to Hananiah, Shadrach; to Mishael, Meshach; and to Azariah, Abednego.
8 ULB Fa Daniela nihevitra tao an-tsainy fa tsy handoto ny tenany amin'ireo hanim-pin'ny mpanjaka sy ny divay izay nisotroany izy. Koa naka alalana tamin'ny lehiben'ny manam-pahefana izy mba tsy handoto ny tenany. BSB BSB: But Daniel made up his mind that he would not defile himself with the king’s food or wine. So he asked the chief official for permission not to defile himself.
9 ULB Ary nomen'Andriamanitra sitraka sy fahangoraham-po Daniela tamin'ny fanajan'ny lehibe manampahefana azy. BSB BSB: Now God had granted Daniel favor and compassion from the chief official,
10 ULB Niteny tamin'i Daniela ny lehibe manampahefana hoe: "Matahotra ny mpanjaka tompoko aho. Izy no nandidy ny sakafo sy zava-pisotronareo. Nahoana izy no tokony hahita faharatsiana eny aminao mihoatra ireo tovolahy hafa izay mitovy taona aminao? Mety hotapahin'ny mpanjaka noho ianao ny lohako." BSB BSB: but he said to Daniel, “I fear my lord the king, who has assigned your food and drink. For why should he see your faces looking thinner than those of the other young men your age? You would endanger my head before the king!”
11 ULB Avy eo Daniela niresaka tamin'ny mpitandrin-draharaha izay notendren'ny manampahefana lehibe ho an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria. BSB BSB: Then Daniel said to the steward whom the chief official had appointed over Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah,
12 ULB Hoy izy: "Izahao toetra re izahay mpanomponao mandritra ny folo andro. Omeo legioma hoanina sy rano ho sotroina fotsiny izahay. BSB BSB: “Please test your servants for ten days. Let us be given only vegetables to eat and water to drink.
13 ULB Dia ampitahao amin'ny endrika ivelan'ireo tovolahy izay mihinana ny hanim-pin'ny mpanjaka ny endrikay ivelany, ary ataovy aminay, mpanomponao, araka izay hitanao." BSB BSB: Then compare our appearances with those of the young men who are eating the royal food, and deal with your servants according to what you see.”
14 ULB Koa dia niombon-kevitra taminy hanao izany ny mpitandrin-draharaha, ka nizaha toetra azy ireo nandritra ny folo andro izy. BSB BSB: So he consented to this and tested them for ten days.
15 ULB Tamin'ny faran'ny hafoloana ny endrika ivelan'izy ireo dia tonga salama kokoa ary voafahana tsara mihoatra noho ireo tovolahy izay nihinana tamin'ny hanim-pin'ny mpanjaka. BSB BSB: And at the end of ten days, they looked healthier and better nourished than all the young men who were eating the king’s food.
16 ULB Ka dia nalain'ny mpitandrin-draharaha ireo hanim-piny sy ireo divain'izy ireo ary legioma ihany no nomeny azy ireo. BSB BSB: So the steward continued to withhold their choice food and the wine they were to drink, and he gave them vegetables instead.
17 ULB Raha ny amin'ireo tovolahy efatra ireo, nomen'Andriamanitra azy ireo ny fahalalana sy fahalalinan-tsaina amin'ny literatiora rehetra sy ny fahendrena, ary afaka mahatakatra ireo karazana fahitana sy nofy rehetra i Daniela. BSB BSB: To these four young men God gave knowledge and understanding in every kind of literature and wisdom. And Daniel had insight into all kinds of visions and dreams.
18 ULB Tamin'ny fiafaran'ny fotoana izay napetraky ny mpanjaka hitondrana azy ireo, dia nitondra azy ireo manoloana an'i Nebokadnezara ny lehibe manampahefana. BSB BSB: Now at the end of the time specified by the king, the chief official presented them to Nebuchadnezzar.
19 ULB Niresaka tamin'izy ireo ny mpanjaka, ary tsy nisy tahaka an'i Daniela, Hanania, Misaela ary Azaria tao amin'ny vondrona iray manontolo. Nitsangana nanoloana ny mpanjaka izy ireo, vonona ny hanompo azy. BSB BSB: And the king spoke with them, and among all the young men he found no one equal to Daniel, Hananiah, Mishael, and Azariah. So they entered the king’s service.
20 ULB Tamin'ny fanontaniana rehetra mahakasika ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina izay napetraky ny mpanjaka azy ireo, dia voavalin'izy ireo tsara avo folo heny kokoa mihoatra ny an'ireo ombiasy sy ireo izay milaza ho miresaka amin'ny maty, izay tany amin'ny fanjakany manontolo izany. BSB BSB: In every matter of wisdom and understanding about which the king consulted them, he found them ten times better than all the magicians and enchanters in his entire kingdom.
21 ULB Tany foana i Daniela hatramin'ny taona voalohany nanjakan'ny mpanjaka Kirosy. BSB BSB: And Daniel remained there until the first year of King Cyrus.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.