1 ULB Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara, dia nanofy izy. Nihorohoro ny sainy, ary tsy afa-natory izy. BSB BSB: In the second year of his reign, Nebuchadnezzar had dreams that troubled his spirit, and sleep escaped him.
2 ULB Ary nampiantso ireo ombiasy sy ireo izay nilaza ho miresaka amin'ny maty ny mpanjaka. Niantso ireo mpanao ody sy ireo olon-kendry ihany koa izy. Naniry azy ireo hilaza azy ny momba ny nofiny izy. Koa niditra izy ireo ary nijoro teo anolohan'ny mpanjaka. BSB BSB: So the king gave orders to summon the magicians, enchanters, sorcerers, and astrologers to explain his dreams. When they came and stood before the king,
3 ULB Hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: "Nanofy aho, ary ny saiko dia mitebiteby ny hahafantatra ny dikany ilay nofy." BSB BSB: he said to them, “I have had a dream, and my spirit is anxious to understand it.”
5 ULB Namaly an'ireo olon-kendry ny mpanjaka hoe: "Efa nilamina izany raharaha izany. Raha tsy ambaranareo sy hazavainareo ahy ilay nofy, dia ho potikapotika ny vatanareo ary ireo tranonareo hatao korotam-pako. BSB BSB: The king replied to the astrologers, “My word is final: If you do not tell me the dream and its interpretation, you will be cut into pieces and your houses will be reduced to rubble.
6 ULB Fa raha lazainareo ahy ny nofy sy ny dikany, dia hahazo fanomezana avy amiko ianareo, valisoa iray, ary voninahitra lehibe. Koa lazao ahy ny nofy sy ny dikany." BSB BSB: But if you tell me the dream and its interpretation, you will receive from me gifts and rewards and great honor. So tell me the dream and its interpretation.”
7 ULB Dia namaly indray izy ireo hoe: "Aoka ny mpanjaka hilaza aminay mpanompony, ny nofy dia holazainay anao ny dikany." BSB BSB: They answered a second time, “Let the king tell the dream to his servants, and we will give the interpretation.”
8 ULB Namaly ny mpanjaka hoe: "Fantatro tsara fa te hahazo fotoana mihoatra ianareo satria hitanareo fa tena entitra ny fanapaha-kevitro momba izany. BSB BSB: The king replied, “I know for sure that you are stalling for time because you see that my word is final.
9 ULB Fa raha tsy lazainareo amiko ilay nofy, dia iray ihany ny teniko ho anareo. Nanapa-kevitra ny hanomana teny diso sy fitaka izay nifanekenareo ho lazaina amiko ianareo mandra-piova ny hevitro. Koa lazao ahy ary ilay nofy, dia ho fantatro fa afaka mandika izany amiko ianareo. BSB BSB: If you do not tell me the dream, there is only one decree for you. You have conspired to speak before me false and fraudulent words, hoping the situation will change. Therefore tell me the dream, and I will know that you can give me its interpretation.”
10 ULB Namaly ireo olon-kendry ilay mpanjaka hoe: "Tsy misy olona eto an-tany afaka hananteraka ny fangatahan'ny mpanjaka. Tsy misy mpanjaka lehibe sy mahery mbola nangataka zavatra toy izany avy amin'ny ombiasy, na avy amin'iza na iza milaza fa miresaka amin'ny maty, na avy amin'ny olon-kendry. BSB BSB: The astrologers answered the king, “No one on earth can do what the king requests! No king, however great and powerful, has ever asked anything like this of any magician, enchanter, or astrologer.
11 ULB Sarotra ny zavatra angatahin'ny mpanjaka, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza izany amin'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, ary tsy miaina eo amin'ny olombelona izy ireo." BSB BSB: What the king requests is so difficult that no one can tell it to him except the gods, whose dwelling is not with mortals.”
12 ULB Nahatezitra sy tena nahavinitra ny mpanjaka izany, ka nanome baiko handringana ireo rehetra any Babylona izay fantatra tamin'ny fahendreny izy. BSB BSB: This response made the king so angry and furious that he gave orders to destroy all the wise men of Babylon.
13 ULB Koa nivoaka ny lalàna fa ireo rehetra izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo dia hovonoina. Noho io lalàna io, dia nitady an'i Daniela sy ireo namany izy ireo mba hahafahana mamono azy ireo. BSB BSB: So the decree went out that the wise men were to be executed, and men went to look for Daniel and his friends to execute them.
14 ULB Ary i Daniela namaly am-pahamalinana sy am-pisainana an'i Arioka mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, izay tonga hamono ireo rehetra tao Babylona izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo. BSB BSB: When Arioch, the commander of the king’s guard, went out to execute the wise men of Babylon, Daniel responded with discretion and tact.
15 ULB Nanontany ny mpifehin'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Nahoana no dia maika tahaka izany ny lalàn'ny mpanjaka?" Koa nolazain'i Arioka tamin'i Daniela izay niseho. BSB BSB: “Why is the decree from the king so harsh?” he asked. Then Arioch explained the situation to Daniel.
16 ULB Avy eo Daniela niditra ary nangataka ny hihaona tamin'ny mpanjaka mba hahafahany manao ny fandikana ho an'ny mpanjaka. BSB BSB: So Daniel went in and asked the king to give him some time, so that he could give him the interpretation.
17 ULB Avy eo dia nankany an-tranony ary nanazava izay niseho tamin'i Hanania, Misaela, sy Azaria i Daniela. BSB BSB: Then Daniel returned to his house and explained the matter to his friends Hananiah, Mishael, and Azariah,
18 ULB Namporisika azy ireo hitady famindram-po avy amin'ny Andriamanitry ny lanitra izy mahakasika io zava-miafina io mba tsy hamonoana azy sy azy ireo miaraka amin'ireo olona tavela tao Babylona izay fantatra amin'ny fahendren'izy ireo. BSB BSB: urging them to plead for mercy from the God of heaven concerning this mystery, so that Daniel and his friends would not be killed with the rest of the wise men of Babylon.
19 ULB Tamin'io alina io dia nambara tamin'i Daniela tanaty fahitana ilay zava-miafina. Dia nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra i Daniela BSB BSB: During the night, the mystery was revealed to Daniel in a vision, and he blessed the God of heaven
20 ULB ary niteny hoe: "Miderà ny anaran'Andriamanitra mandrakizay doria; fa Azy ny fahendrena sy ny hery. BSB BSB: and declared: “Blessed be the name of God forever and ever, for wisdom and power belong to Him.
21 ULB Manova ny fotoana sy ny vanim-potoana Izy; manala sy mametraka ny mpanjaka eo amin'ireo seza fiandrianany Izy. Manome fahendrena ho an'ny hendry Izy ary fahalalana ho an'ireo izay manana fahazavan-tsaina. BSB BSB: He changes the times and seasons; He removes kings and establishes them. He gives wisdom to the wise and knowledge to the discerning.
22 ULB Mampiseho ny lalina sy ireo zava-miafina Izy satria fantany ny ao anatin'ny fahamaizinana, ary ny hazavana miaina ao aminy. BSB BSB: He reveals the deep and hidden things; He knows what lies in darkness, and light dwells with Him.
23 ULB Ry Andriamanitry ny razambeko, misaotra Anao aho ary midera anao noho ny fahendrena izay nomenao ahy. Efa nampahafantarinao ahy ankehitriny izay nangatahanay taminao; nampahafantarinao anay ny zavatra mampitebiteby ny mpanjaka." BSB BSB: To You, O God of my fathers, I give thanks and praise, because You have given me wisdom and power. And now You have made known to me what we have requested, for You have made known to us the dream of the king.”
24 ULB Avy eo dia niditra i Daniela hijery an'i Arioka (ilay notendren'ny mpanjaka hamono ny olona hendry rehetra tany Babylona). Nandeha izy ary niteny taminy hoe: "Aza mamono ny olon-kendry any Babylona. Ento any amin'ny mpanjaka aho ary dia hasehoko ny mpanjaka ny dikan'ny nofiny." BSB BSB: Therefore Daniel went to Arioch, whom the king had appointed to destroy the wise men of Babylon, and said to him, “Do not execute the wise men of Babylon! Bring me before the king, and I will give him the interpretation.”
25 ULB Dia nentin'i Arioka faingana teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela ary niteny hoe: "Nahita lehilahy iray teo amin'ireo olon'i Joda natao sesitany izay hanambara ny dikan'ny nofin'ny mpanjaka aho." BSB BSB: Arioch hastily brought Daniel before the king and said to him, “I have found a man among the exiles from Judah who will tell the king the interpretation.”
26 ULB Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela (izay atao hoe Beltesazara): "Moa ve ianao afaka ny hilaza amiko ny nofy izay hitako sy ny heviny?" BSB BSB: The king responded to Daniel, whose name was Belteshazzar, “Are you able to tell me what I saw in the dream, as well as its interpretation?”
27 ULB Daniela namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Ny zava-miafina izay nanontanian'ny mpanjaka dia tsy azon'ireo izay manana fahendrena aseho, na ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, na amin'ny alalan'ireo ombiasy, ary tsy amin'ny alalan'ireo mpanandro. BSB BSB: Daniel answered the king, “No wise man, enchanter, medium, or magician can explain to the king the mystery of which he inquires.
28 ULB Na dia izany aza, misy Andriamanitra izay monina any an-danitra, izay manambara ny zava-miafina, ary efa nampahafantariny anao, ry Nebokadnezara mpanjaka, izay hitranga amin'ny andro ho avy. Ireto ny nofinao sy ireo fahitan'ny sainao raha nandry teo amin'ny fandrianao ianao. BSB BSB: But there is a God in heaven who reveals mysteries, and He has made known to King Nebuchadnezzar what will happen in the latter days. Your dream and the visions that came into your mind as you lay on your bed were these:
29 ULB Raha ny aminao, ry mpanjaka, ny fisainanao eo am-pandrianao dia momba ireo zavatra ho avy, ary izay manambara ireo zava-miafina dia efa nampahafantatra anao izay hiseho. BSB BSB: As you lay on your bed, O king, your thoughts turned to the future, and the Revealer of Mysteries made known to you what will happen.
30 ULB Raha ny amiko, izany zava-miafina izany dia tsy nambara tamiko nohon'ny fahendrena izay hananako bebe kokoa mihoatra ny olombelona hafa. Nambara tamiko izany zava-miafina izany mba hahatakaranao ny dikany, ry mpanjaka, ary mba hahafahanao mahafantatra ireo eritreritra lalina ao anatinao. BSB BSB: And to me this mystery has been revealed, not because I have more wisdom than any man alive, but in order that the interpretation might be made known to the king, and that you may understand the thoughts of your mind.
31 ULB Ry mpanjaka, nitraka ianao ary nahita sarivongana lehibe. Io sarivongana io, izay mahery tokoa sy mamirapiratra, dia nijoro teo anatrehanao. Mampihorohoro ny famirapiratany. BSB BSB: As you, O king, were watching, a great statue appeared. A great and dazzling statue stood before you, and its form was awesome.
32 ULB Ny lohan'ny sarivongana dia natao tamin'ny volamena tsara indrindra. Ny tratrany sy ny sandriny dia vita tamin'ny volafotsy. Ny afovoany sy ny feny dia vita tamin'ny varahina, ary ny ranjon'izany dia natao tamin'ny vy. BSB BSB: The head of the statue was pure gold, its chest and arms were silver, its belly and thighs were bronze,
33 ULB Ny tongotr'izany dia vita tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany. BSB BSB: its legs were iron, and its feet were part iron and part clay.
34 ULB Nitraka ianao, ary nisy vato tapaka iray, na dia tsy tamin'ny alalan'ny tanan'ny olona aza, ary namely ny sarivongana teo amin'ny tongony vy sy tanimanga izany, ary nandrava azy ireo. BSB BSB: As you watched, a stone was cut out, but not by human hands. It struck the statue on its feet of iron and clay, and crushed them.
35 ULB Avy eo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena dia potipotika ka lasa toy ny akofam-bary eo amin'ny famoloana amin'ny fahavaratra. Notsofin'ny rivotra ireo ary tsy nisy soritr'izy ireo tavela. Fa ilay vato izay namely ny sarivongana dia lasa tendromobohitra lehibe ary nameno ny tany rehetra. BSB BSB: Then the iron, clay, bronze, silver, and gold were shattered and became like chaff on the threshing floor in summer. The wind carried them away, and not a trace of them could be found. But the stone that had struck the statue became a great mountain and filled the whole earth.
36 ULB Izany no nofinao. Ary andeha hilaza ny heviny amin'ny mpanjaka izahay izao. BSB BSB: This was the dream; now we will tell the king its interpretation.
37 ULB Ianao, ry mpanjaka, no mpanjakan'ireo mpanjaka izay nomen'Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery, ary ny voninahitra. BSB BSB: You, O king, are the king of kings, to whom the God of heaven has given sovereignty, power, strength, and glory.
38 ULB Efa nataony teo am-pelatananao ny toerana honenan'ny olombelona. Ary efa nomeny teo am-pelatananao ireo bibin'ny saha sy ny voron'ny lanitra, ary efa nanao anao ho mpanapaka eo amin'ireo rehetra ireo Izy. Ianao no lohan'ny sarivongana volamena. BSB BSB: Wherever the sons of men or beasts of the field or birds of the air dwell, He has given them into your hand and has made you ruler over them all. You are that head of gold.
39 ULB Ao aorianao, dia hisy fanjakana hafa hitsangana izay ambany noho ianao, kanefa ny fanjakana varahina fahatelo dia hanapaka eo amin'ny tany rehetra. BSB BSB: But after you, there will arise another kingdom, inferior to yours. Next, a third kingdom, one of bronze, will rule the whole earth.
40 ULB Ary hisy fanjakana fahefatra, mafy tahaka ny vy, satria ny vy mamaky ireo zavatra hafa sy manorotoro ny zavatra rehetra. Manorotoro ireo zavatra rehetra ireo izany ary mamotika azy ireo. BSB BSB: Finally, there will be a fourth kingdom as strong as iron; for iron shatters and crushes all things, and like iron that crushes all things, it will shatter and crush all the others.
41 ULB Araka ny hitanao, ny tongotra sy ireo rantsany dia vita tamin'ny tanimanga nandrahoana sy vy ny ampahany, koa dia ho fanjakana voazara izany; ny sasany amin'ny herin'ny vy dia ho ao amin'izany, araka ny efa nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka. BSB BSB: And just as you saw that the feet and toes were made partly of fired clay and partly of iron, so this will be a divided kingdom, yet some of the strength of iron will be in it—just as you saw the iron mixed with clay.
42 ULB Satria ireo rantsan-tongony dia natao tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia ho mafy ny fanjakana amin'ny ampahany ary malemy amin'ny ampahany. BSB BSB: And as the toes of the feet were partly iron and partly clay, so this kingdom will be partly strong and partly brittle.
43 ULB Tahaka ny nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka, dia hifangaro ireo olona; tsy hiara-hijanona izy ireo, tahaka ny vy tsy mifangaro amin'ny tanimanga. BSB BSB: As you saw the iron mixed with clay, so the peoples will mix with one another but will not hold together any more than iron mixes with clay.
45 ULB Araka ny efa hitanao, nisy vatolampy iray nanapaka tendrombohitra, fa tsy mba tamin'ny tanan'olombelona. Nanapatapaka ny vy, varahina, tanimanga, volafotsy, ary volamena izany. Efa nampahafantarin'ilay Andrimanitra lehibe anao, ry mpanjaka, izay hiseho aorin'izany. Marina ilay nofy ary azo antoka ity fandikana ity." BSB BSB: And just as you saw a stone being cut out of the mountain without human hands, and it shattered the iron, bronze, clay, silver, and gold, so the great God has told the king what will happen in the future. The dream is true, and its interpretation is trustworthy.”
46 ULB Nampiankohoka ny tavany teo anatrehan'i Daniela i Nebokadnezara ary nanaja azy; nandidy ny hanaovana fanatitra iray izy ary ditin-kazo manitra hatolotra ho azy. BSB BSB: At this, King Nebuchadnezzar fell on his face, paid homage to Daniel, and ordered that an offering and incense be presented to him.
47 ULB Hoy ilay mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Tena ny Andriamanitrao no Andriamanitr'ireo andriamanitra, ilay Tompon'ireo mpanjaka, ary Ilay manambara ny zava-miafina, satria afaka manambara izany zava-miafina izany ianao." BSB BSB: The king said to Daniel, “Your God is truly the God of gods and Lord of kings, the Revealer of Mysteries, since you were able to reveal this mystery.”
48 ULB Avy eo nataon'ny mpanjaka nanana ny haja ambony i Daniela ary nomeny fanomezana mahafinaritra. Nanao azy ho mpanapaka teo amin'ny ireo faritanin'ny Babylona rehetra izy. Lasa lehiben'ny governora teo amin'ireo olon-kendry indrindra an'i Babylona i Daniela. BSB BSB: Then the king promoted Daniel and gave him many generous gifts. He made him ruler over the entire province of Babylon and chief administrator over all the wise men of Babylon.
49 ULB Nanao fangatahana iray tamin'ny mpanjaka i Daniela, ary notendren'ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego mba ho mpandrindra eo amin'ireo faritanin'i Babylona. Fa Daniela kosa nitoetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka. BSB BSB: And at Daniel’s request, the king appointed Shadrach, Meshach, and Abednego to manage the province of Babylon, while Daniel remained in the king’s court.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.