1 ULB Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy mpanjakan'i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin'i Daniela, izay nantsoina ihany koa hoe Beltesazara. Marina izany hafatra izany. Izany dia momban'ny ady lehibe. Nahatakatra ilay hafatra i Daniela rehefa nahazo faharanitan-tsaina avy amin'ny fahitana izy. BSB BSB: In the third year of Cyrus king of Persia, a message was revealed to Daniel, who was called Belteshazzar. The message was true, and it concerned a great conflict. And the understanding of the message was given to him in a vision.
2 ULB Tamin'izany andro izany, izaho Daniela, dia nisaona nandritra ny telo herinandro. BSB BSB: In those days I, Daniel, was mourning for three full weeks.
3 ULB Tsy nihinana hanim-py aho, tsy nihinana hena mihitsy, tsy nisotro divay mihitsy, ary tsy mba nanosotra diloilo tamin'ny tavako mandra-pahavitan'ny telo herinandro manontolo. BSB BSB: I ate no rich food, no meat or wine entered my mouth, and I did not anoint myself with oil until the three weeks were completed.
4 ULB Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny tamin'ny voalohan'ny volana, raha teo akaikin'ny ony lehibe aho (izany hoe, Hedekela), BSB BSB: On the twenty-fourth day of the first month, as I was standing on the bank of the great river, the Tigris,
5 ULB niandrandra aho ary nahita lehilahy nitafy lamban-drongony, miaraka amin'ny fehikibo vita amin'ny volamena tsy mifangaro avy any Ofaza manodidina ny valahany. BSB BSB: I lifted up my eyes, and behold, there was a certain man dressed in linen, with a belt of fine gold from Uphaz around his waist.
6 ULB Ny vatany dia toy ny topaza, ary ny tarehiny toy ny hazavana. Ireo masony tahaka ny fanilo mirehatra, ary ireo sandriny sy ny tongony toy ny varahina manganohano. Ny feony toy ny feon'olona maro be. BSB BSB: His body was like beryl, his face like the brilliance of lightning, his eyes like flaming torches, his arms and legs like the gleam of polished bronze, and his voice like the sound of a multitude.
7 ULB Izaho, Daniela, irery no nahita fahitana, fa ny olona izay teo amiko dia tsy nahita ny fahitana. Na izany aza, tonga teo amin'izy ireo ny horohoro lehibe, ary nandositra nanafina ny tenany izy ireo. BSB BSB: Only I, Daniel, saw the vision; the men with me did not see it, but a great terror fell upon them, and they ran and hid themselves.
8 ULB Koa izaho irery no sisa teo ary nahita ilay fahitana lehibe. Tsisy hery nitoetra tao amiko; nihasimba nivaloarika ny endriko namiratra, ary tsisy hery nitoetra tao amiko. BSB BSB: So I was left alone, gazing at this great vision. No strength remained in me; my face grew deathly pale, and I was powerless.
9 ULB Dia naheno ireo teniny aho—ary raha naheno azy ireo aho, latsaka tanaty torimaso lalina aho ary ny tarehiko teo amin'ny tany. BSB BSB: I heard the sound of his words, and as I listened, I fell into a deep sleep, with my face to the ground.
10 ULB Nisy tanana nikasika ahy, ary nampangovitra ny lohaliko sy ny felan'ny tanako. BSB BSB: Suddenly, a hand touched me and set me trembling on my hands and knees.
11 ULB Niteny tamiko ny anjely hoe: "Ry Daniela, lehilahy nohindrahindraina fatratra, fantaro ireo teny izay lazaiko aminao. Mijoroa mahitsy, satria nirahina ho aty aminao aho." Rehefa avy niteny izany hafatra izany tamiko izy, dia nijoro am-pangovitana aho. BSB BSB: He said to me, “Daniel, you are a man who is highly precious. Consider carefully the words that I am about to say to you. Stand up, for I have now been sent to you.” And when he had said this to me, I stood up trembling.
12 ULB Dia hoy izy tamiko: "Aza matahotra, ry Daniela. Nanomboka tamin'ny andro voalohany nahafantaranao izany tao an-tsainao ary nanetrenao tena teo alohan'ny Andriamanitrao, dia efa re ny teninao, ary tonga aho noho ny teninao. BSB BSB: “Do not be afraid, Daniel,” he said, “for from the first day that you purposed to understand and to humble yourself before your God, your words were heard, and I have come in response to them.
13 ULB Ny andriandahy ao amin'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy, ary niandry ny mpanjakan'ny Persia aho nandritran'ny iraika amby roapolo andro. Fa i Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe, no tonga nanampy ahy. BSB BSB: However, the prince of the kingdom of Persia opposed me for twenty-one days. Then Michael, one of the chief princes, came to help me, for I had been left there with the kings of Persia.
14 ULB Ankehitriny tonga aho hanampy anao hahatakatra izay hanjo ny vahoakanao amin'ny andro farany. Fa ny fahitana dia ho an'ireo andro mbola ho avy." BSB BSB: Now I have come to explain to you what will happen to your people in the latter days, for the vision concerns those days.”
15 ULB Rehefa nilaza tamiko tamin'ny fampiasana ireo teny ireo izy, natodiko tamin'ny tany ny tavako ary tsy afaka niteny aho. BSB BSB: While he was speaking these words to me, I set my face toward the ground and became speechless.
16 ULB Nikasika ny molotro ny olona iray izay tahaka ny zanak'olona, ary nanokatra ny vavako aho ka niteny taminy nitsangana teo anoloako hoe: "Ry Tompoko, nohon'ny fahitana dia ao anaty fahoriana aho; tsy misy hery tavela ato amiko. BSB BSB: And suddenly one with the likeness of a man touched my lips, and I opened my mouth and said to the one standing before me, “My lord, because of the vision, I am overcome with anguish, and I have no strength.
17 ULB Mpanomponao aho. Ahoana no hahafahako miresaka amin'ny tompoko? Fa ankehitriny tsy manan-kery aho, ary tsy misy fofon'aina tavela ato anatiko." BSB BSB: How can I, your servant, speak with you, my lord? Now I have no strength, nor is any breath left in me.”
18 ULB Nikasika ahy indray ilay naka endrik'olona ary nankahery ahy. BSB BSB: Again the one with the likeness of a man touched me and strengthened me.
19 ULB Hoy izy hoe: "Aza matahotra, ry lehilahy nahindrahindra fatratra. Fiadanana anie ho anao! Matanjaha izao, matanjaha!" Raha mbola niresaka tamiko izy, dia nahery aho. Hoy aho hoe: "Aoka ny tompoko no hiteny, fa nankahery ahy ianao." BSB BSB: “Do not be afraid, you who are highly precious,” he said. “Peace be with you! Be strong now; be very strong!” As he spoke with me, I was strengthened and said, “Speak, my lord, for you have strengthened me.”
20 ULB Dia hoy izy hoe: "Fantatrao ve nahoana aho no tonga eto aminao? Mbola hiverina hiady amin'ny andriandahin'i Persia aho. Rehefa mandeha aho, dia ho avy koa ny andriandahin'i Grisia. BSB BSB: “Do you know why I have come to you?” he said. “I must return at once to fight against the prince of Persia, and when I have gone forth, behold, the prince of Greece will come.
21 ULB Nefa ho lazaiko aminao izay voasoratra ao amin'Ny Bokin'ny Marina. Tsy misy olona mampiseho ny tanjaky ny tenany amiko mba hanohitra azy ireo, afa-tsy Mikaela andriandahinareo. BSB BSB: But first I will tell you what is inscribed in the Book of Truth. Yet no one has the courage to support me against these, except Michael your prince.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.