1 ULB "Amin'izany fotoana izany i Mikaela, ilay andriandahy lehibe izay miambina ny vahoakanareo, dia hitsangana. Hisy fotoan'ny fahoriana izay tsy mbola nisy hatramin'ny niandohan'ny firenena hatramin'izany andro izany. Amin'izany fotoana izany ny vahoakanao dia ho voavonjy, dia izay rehetra hita fa voasoratra anarana ao amin'ny boky. BSB BSB: “At that time Michael, the great prince who stands watch over your people, will rise up. There will be a time of distress, the likes of which will not have occurred from the beginning of nations until that time. But at that time your people—everyone whose name is found written in the book—will be delivered.
3 ULB Ireo izay hendry dia hamirapiratra toy ny hazavan'ny lanitra ambony, ary ireo hamerina ny maro amin'ny fahamarinana, dia toy ireo kintana mandrakizay doria. BSB BSB: Then the wise will shine like the brightness of the heavens, and those who lead many to righteousness will shine like the stars forever and ever.
4 ULB Fa ianao, ry Daniela, ahorony ireo teny ireo; tehirizo ho voaisy tombokase ny boky mandra-pahatonga ny fotoanan'ny farany. Maro no hihazakazaka etsy sy eroa, ary hitombo ny fahalalana." BSB BSB: But you, Daniel, shut up these words and seal the book until the time of the end. Many will roam to and fro, and knowledge will increase.”
5 ULB Ary izaho, Daniela, nijery, ka nisy roa hafa nitsangana. Ny iray nitsangana teto amoron'ny ony, ary ny anankiray tetsy ankilany amoron'ny ony. BSB BSB: Then I, Daniel, looked and saw two others standing there, one on this bank of the river and one on the opposite bank.
6 ULB Ny iray tamin'izy ireo niteny tamin'ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony hoe: "Mandra-pahoviana no hiafaran'ireto zava-mahagaga ireto?" BSB BSB: One of them said to the man dressed in linen, who was above the waters of the river, “How long until the fulfillment of these wonders?”
7 ULB Reko ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony—nanandratra ny tanany ankavanana sy ny tanany ankavia tamin'ny lanitra izy ka nihaniana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay fa ho fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana izany. Rehefa nopotehina ihany ny herin'ny olona masina, dia ho tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra ireo. BSB BSB: And the man dressed in linen, who was above the waters of the river, raised his right hand and his left hand toward heaven, and I heard him swear by Him who lives forever, saying, “It will be for a time, and times, and half a time. When the power of the holy people has finally been shattered, all these things will be completed.”
8 ULB Nandre aho, fa tsy nahatakatra. Koa nanontany aho hoe: "Ry tompoko, inona no ho vokatra amin'ireto zavatra rehetra ireto?" BSB BSB: I heard, but I did not understand. So I asked, “My lord, what will be the outcome of these things?”
9 ULB Hoy izy: "Mandehana amin'ny lalanao, ry Daniela, fa ny teny dia efa voahorona sy voaisy tombokase mandra-pahatongan'ilay fotoana farany. BSB BSB: “Go on your way, Daniel,” he replied, “for the words are closed up and sealed until the time of the end.
10 ULB Maro no ho diovina, ho voasasa, ary ho voafotsy, fa ny ratsy fanahy hanao faharatsiana. Tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahatakatra, fa ireo izay hendry no hahatakatra. BSB BSB: Many will be purified, made spotless, and refined, but the wicked will continue to act wickedly. None of the wicked will understand, but the wise will understand.
11 ULB Hatramin'ny fotoan'ny fampitsaharana ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fametrahana ny fahavetavetana izay mitondra ny fandravana tanteraka, dia hisy andro 1 290. BSB BSB: And from the time the daily sacrifice is abolished and the abomination of desolation set up, there will be 1,290 days.
12 ULB Sambatra izay miandry hatramin'ny fiafaran'ny 1. 335 andro. BSB BSB: Blessed is he who waits and reaches the end of the 1,335 days.
13 ULB Tsy maintsy mandeha amin'ny lalanao hatramin'ny farany ianao, ary hitsahatra ianao. Hitsangana eo amin'ny toerana voatondro ho anao ianao, amin'ireo andro farany." BSB BSB: But as for you, go on your way until the end. You will rest, and then you will arise to your inheritance at the end of the days.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.