1 ULB Nandefa izao didy izao ho an'ireo vahoaka, ireo firenena, ary ireo fiteny rehetra izay nonina tety ambonin'ny tany i Nebokadnezara mpanjaka hoe: "Hampitomboina aminareo anie ny fiadanana. BSB BSB: King Nebuchadnezzar, To the people of every nation and language who dwell in all the earth: May your prosperity be multiplied.
2 ULB Toa tsara amiko ny milaza aminareo ireo famantarana sy zava-mahagaga izay nataon'ny Avo Indrindra tamiko. BSB BSB: I am pleased to declare the signs and wonders that the Most High God has performed for me.
3 ULB Lehibe loatra ireo famantarany, ary mahery loatra ireo zava-mahagagany! Fanjakana tsy manam-pahataperana ny fanjakany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahany. BSB BSB: How great are His signs, how mighty His wonders! His kingdom is an eternal kingdom; His dominion endures from generation to generation.
4 ULB Izaho, Nebokadnezara, dia nonina tamin-kafaliana tao an-tranoko, ary nankafy fahombiazana aho tao amin'ny lapako. BSB BSB: I, Nebuchadnezzar, was at ease in my house and flourishing in my palace.
5 ULB Saingy nampatahotra ahy ny nofiko iray. Raha nandry iny aho, dia nampikorontana ahy ireo kisarisary sy ireo fahitàna izay tato an-tsaiko. BSB BSB: I had a dream, and it frightened me; while I was in my bed, the images and visions in my mind alarmed me.
6 ULB Koa dia nanome didy aho ny hitondràna teo amiko ireo lehilahin'i Babylona rehetra izay nanam-pahendrena raha afaka ny handika ny nofy ho ahy izy ireo. BSB BSB: So I issued a decree that all the wise men of Babylon be brought before me to interpret the dream for me.
7 ULB Ary dia tonga ireo ombiasy, ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, ireo olon-kendry, ary ireo mpanandro. Nanambara ilay nofiko tamin'izy ireo aho, fa tsy afaka ny handika izany tamiko izy ireo. BSB BSB: When the magicians, enchanters, astrologers, and diviners came in, I told them the dream, but they could not interpret it for me.
8 ULB Nefa niditra i Daniela nony farany_ ilay iray izay nantsoina hoe Beltesazara araka ny anaran'andriamanitro, misy fanahin'ireo andriamanitra koa ao anatiny_ ary nilaza taminy ilay nofiko aho. BSB BSB: But at last, into my presence came Daniel (whose name is Belteshazzar after the name of my god, and in whom is the spirit of the holy gods). And I told him the dream:
9 ULB "Ry Beltesazara, ombiasibe, fantatro fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina ary tsy misy zava-miafina izay sarotra aminao ihany koa. Lazao ahy izay hitako tao anaty nofiko ary inona ny dikan'izany. BSB BSB: “O Belteshazzar, chief of the magicians, I know that the spirit of the holy gods is in you and that no mystery baffles you. So explain to me the visions I saw in my dream, and their interpretation.
10 ULB Ireto avy ireo fahitana izay hitako tao an-tsaiko raha nandry tao am-pandriako aho: nandinika aho, ary nisy hazo iray teo afovoan'ny tany, ary lehibe tokoa ny haavon'izany. BSB BSB: In these visions of my mind as I was lying in bed, I saw this come to pass: There was a tree in the midst of the land, and its height was great.
11 ULB Nihanitombo ilay hazo ka tonga nahery. Nananika ny lanitra ny tendrony, ary afaka mahita izany hatrany amin'ireo vazan-tany manontolo. BSB BSB: The tree grew large and strong; its top reached the sky, and it was visible to the ends of the earth.
12 ULB Tsara tarehy ny raviny, marobe aok'izany ny voany, ary nisy sakafo ho an'ny rehetra teo amboniny. Nahita fialofana tao ambaniny ny bibidia, ary ny voron'ny habakabaka nonina teo amin'ireo rantsany. Voafahana avy tamin'izany avokoa ireo zava-manan'aina rehetra. BSB BSB: Its leaves were beautiful, its fruit was abundant, and upon it was food for all. Under it the beasts of the field found shelter, in its branches the birds of the air nested, and from it every creature was fed.
13 ULB Nahita tao an-tsaiko aho tamin'izaho nandry teo am-pandriako, ary nisy iraka masina iray nidina avy teny amin'ny habakabaka. BSB BSB: As I lay on my bed, I also saw in the visions of my mind a watcher, a holy one, coming down from heaven.
14 ULB Nihiaka mafy izy ka nanao hoe: 'Kapao ilay hazo ary tapaho ireo ratsany, esory ireo raviny, ary aparitaho ny voany. Aoka ireo biby handositra avy eo ambanin'izany ary ireo vorona hanidina lavitr'ireo rantsany. BSB BSB: He called out in a loud voice: ‘Cut down the tree and chop off its branches; strip off its leaves and scatter its fruit. Let the beasts flee from under it, and the birds from its branches.
15 ULB Avelao ny fototry ny fakany ho ao anaty tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitry ny saha. Aoka izany ho kotsan'ny andon'ny habakabaka. Aoka izany hivelona miaraka amin'ireo biby eo amin'ireo voninkazo eny amin'ny tany. BSB BSB: But leave the stump with its roots in the ground, with a band of iron and bronze around it, in the tender grass of the field. Let him be drenched with the dew of heaven and graze with the beasts on the grass of the earth.
16 ULB Aoka ny fisainany hiova fisainan'olona, ary aoka ny fisainam-biby no homena azy hatramin'ny fahalasan'ny fito taona. BSB BSB: Let his mind be changed from that of a man, and let him be given the mind of a beast till seven times pass him by.
17 ULB Izany fanapahan-kevitra izany dia avy tamin'ny didy notaterin'ilay iraka. Izany fanapahan-kevitra izany no nataon'ireo masina mba ahafahan'ireo velona mahafantatra fa manapaka manerana ireo fanjakanan'ny vahoaka ny Avo Indrindra ary manome azy ireo ho an'ny olona izay tiany hapetraka eo amin'izy ireo, na dia ny lehilahy faran'izay manetry tena aza.' BSB BSB: This decision is the decree of the watchers, the verdict declared by the holy ones, so that the living will know that the Most High rules over the kingdom of mankind and gives it to whom He wishes, setting over it the lowliest of men.’
18 ULB Izaho, Nebokadnezara, no nanana izany nofy izany. Ankehitriny ianao, ry Beltesazara, Lazao ahy ny dikany, satria tsy misy amin'ireo lehilahy hendrin'ny fanjakako afaka ny handika izany ho ahy. Fa ianao no afaka manao izany, satria ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina." BSB BSB: This is the dream that I, King Nebuchadnezzar, saw. Now, Belteshazzar, tell me the interpretation, because none of the wise men of my kingdom can interpret it for me. But you are able, because the spirit of the holy gods is in you.”
19 ULB Ary Daniela, izay natsoina ihany koa hoe Beltesazara, dia tohina mafy nandritra ny fotoana vitsy, ka nanaitra azy ny fisainany. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ry Beltesazara, aza avela hanaitra anao akory ny nofy na ny dikan'izany." Namaly Beltesazara hoe: "Ry Tompoko, aoka ho amin'ireo izay mankahala anao anie ny nofy; ho an'ireo fahavalonao anie ny dikan'izany. BSB BSB: For a time, Daniel, who was also known as Belteshazzar, was perplexed, and his thoughts alarmed him. So the king said, “Belteshazzar, do not let the dream or its interpretation alarm you.” “My lord,” replied Belteshazzar, “may the dream apply to those who hate you, and its interpretation to your enemies!
20 ULB Ilay hazo izay hitanao—izay nitombo ka tonga nahery, ary izay nipaka tany an-danitra ny tendrony, ka azo nojerena tany amin'ny ireo faran'ny tany rehetra— BSB BSB: The tree you saw that grew large and strong, whose top reached the sky and was visible to all the earth,
21 ULB izay tsara tarehy tokoa ireo raviny, ary maro dia maro tokoa ny voany, mba hisian'ny sakafo ho an'ny rehetra ao amin'izany, ary ao ambaniny no ahitan'ireo bibin'ny saha fialofana, ary nonenan'ireo voron'ny habakabaka tao aminy— BSB BSB: whose foliage was beautiful and whose fruit was abundant, providing food for all, under which the beasts of the field lived, and in whose branches the birds of the air nested—
22 ULB izany hazo izany dia ianao, ry mpanjaka, ianao izay nitombo ho tena mahery. Nihanitombo ny fahalehibeazanao ka nanakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka tany amin'ireo faran'ny tany. BSB BSB: you, O king, are that tree! For you have become great and strong; your greatness has grown to reach the sky, and your dominion extends to the ends of the earth.
23 ULB Ianao, ry mpanjaka, no nahita ny iraka masina nidina avy tany an-danitra ka niteny hoe: "Kapaho ilay hazo ary poteho izany, nefa avelao ny fakan'izany ho ao amin'ny tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitra malemin'ny saha. Avelao ho kotsan'ny ando avy any an-danitra izany. Aoka izany hivelona hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha mandra-paha lasan'ny fito taona.' BSB BSB: And you, O king, saw a watcher, a holy one, coming down from heaven and saying: ‘Cut down the tree and destroy it, but leave the stump with its roots in the ground, with a band of iron and bronze around it, in the tender grass of the field. Let him be drenched with the dew of heaven, and graze with the beasts of the field till seven times pass him by.’
24 ULB Izany no dikany, ry mpanjaka. Izany no didin'ny Avo Indrindra izay nipaka taminao, ry tompoko mpanjaka. BSB BSB: This is the interpretation, O king, and this is the decree that the Most High has issued against my lord the king:
25 ULB Hesorina amin'ny olona ianao, ary hitoetra miaraka amin'ireo bibidia any amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao, ary ho kotsan'ny ando avy any an-danitra, ka fito taona no handalo mandra-pihaikinao fa ny Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary Izy no manome azy ireo ho amin'ny olona izay iriany. BSB BSB: You will be driven away from mankind, and your dwelling will be with the beasts of the field. You will feed on grass like an ox and be drenched with the dew of heaven, and seven times shall pass you by, until you acknowledge that the Most High rules over the kingdom of mankind and gives it to whom He wishes.
26 ULB Araka ny nandidiana ny hamelàna ny fakan'ny hazo, dia amin'izany fomba izany no hamerenana ny fanjakanao ho aminao amin'ny fotoana hahalalanao fa manjaka ny lanitra. BSB BSB: As for the command to leave the stump of the tree with its roots, your kingdom will be restored to you as soon as you acknowledge that Heaven rules.
27 ULB Noho izany, ry mpanjaka, aoka ny torohevitro ho azo ekena aminao. Ajanony ny fanotàna ka manaova izay marina. Mivilia amin'ireo helokao amin'ny fanehoana famindram-po amin'ireo nampahoriana, ary izany dia mba ho afaka hihitatra ny fahombiazanao." BSB BSB: Therefore, may my advice be pleasing to you, O king. Break away from your sins by doing what is right, and from your iniquities by showing mercy to the oppressed. Perhaps there will be an extension of your prosperity.”
28 ULB Nitranga tamin'ny mpanjaka Nebokadnezara ireny zavatra rehetra ireny. Roa ambin'ny folo volana taty aoriana dia nandeha teo amin'ny tafon'ny lapan'ny mpanjaka tany Babylona izy, BSB BSB: All this happened to King Nebuchadnezzar.
31 ULB Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ireo teny, dia nisy feo avy any an-danitra hoe: "Ry Nebokadnezara mpanjaka, nambara taminao fa efa nesorina taminao izao fanjakana izao. BSB BSB: While the words were still in the king’s mouth, a voice came from heaven: “It is decreed to you, King Nebuchadnezzar, that the kingdom has departed from you.
32 ULB Ho roahina tsy ho eo amin'ny vahoaka ianao, ary ny toeram-ponenanao dia hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao. Fito taona no handalo mandra-pahatonga anao hiaiky fa ny Avo Indrindra no manapaka eran'ireo fanjakan'ny olona ary Izy no manome azy ireo ho an'ny olona iriany." BSB BSB: You will be driven away from mankind to live with the beasts of the field, and you will feed on grass like an ox. And seven times will pass you by, until you acknowledge that the Most High rules over the kingdom of mankind and gives it to whom He wishes.”
33 ULB Izany didy nanohitra an'i Nebokadnezara izany dia notanterahina tsy nisy atak'andro. Noroahina tsy ho eo amin'ny vahoaka izy. Nihinana ahitra tahaka ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany. Nihalava tahaka ny volon'ny rain'ny voromahery ny volony, ary tonga tahaka ny an'ny vorona ireo hohony. BSB BSB: At that moment the sentence against Nebuchadnezzar was fulfilled. He was driven away from mankind. He ate grass like an ox, and his body was drenched with the dew of heaven, until his hair grew like the feathers of an eagle and his nails like the claws of a bird.
34 ULB Tamin'ny fiafaran'ny andro, izaho, Nebokadnezara, nanandratra ny masoko any amin'ny lanitra, ary naverina tamiko indray ny adalàko. "Midera ny Avo Indrindra aho, ary manome voninahitra an'ilay Iray izay mitoetra mandrakizay aho. Fa tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara-mandimby ny fanjakany. BSB BSB: But at the end of those days I, Nebuchadnezzar, looked up to heaven, and my sanity was restored to me. Then I praised the Most High, and I honored and glorified Him who lives forever: “For His dominion is an everlasting dominion, and His kingdom endures from generation to generation.
35 ULB Tsinotsinona taminy ny mponin'ny tany rehetra; manao izay rehetra mety amin'ny sitra-pony amin'ny tafiky ny lanitra sy ny mponin'ny tany Izy. Tsy misy afaka hampijanona Azy na hifaninana aminy. Tsy misy afaka ny hiteny Azy hoe: 'Nahoana no nanao izao Ianao?'" BSB BSB: All the peoples of the earth are counted as nothing, and He does as He pleases with the army of heaven and the peoples of the earth. There is no one who can restrain His hand or say to Him, ‘What have You done?’”
36 ULB Tamin'io fotoana niverenan'ny adalako tamiko io ihany, dia niverina tamiko ny voninahitro sy ny fahalehibeazako ho an'ny voninahitry ny fanjakako. Nahita ny sitrako ireo mpanolotsaiko sy ireo lehilahiko mendri-kaja. Nentina niverina teo amin'ny seza fiandrianako indray aho, ary ambonin'izany dia nomena fahalehibeazana bebe kokoa aho. BSB BSB: At the same time my sanity was restored, my honor and splendor returned to me for the glory of my kingdom. My advisers and nobles sought me out, and I was restored to my throne, and surpassing greatness was added to me.
37 ULB Izaho, Nebokadnezara, dia midera, manandratra, ary manome voninahitra ilay Mpanjakan'ny lanitra ankehitriny, fa marina ireo asany, ary mahitsy ny lalany. Afaka mampietry ireo izay mandeha amin'ny fiavonavonany Izy. BSB BSB: Now I, Nebuchadnezzar, praise and exalt and glorify the King of heaven, for all His works are true and all His ways are just. And He is able to humble those who walk in pride.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.