1 ULB Nahafaly an'i Dariosa ny nanendry governora 120 isam-paritany nanerana ny fanjakana izay hanapaka manerana ny fanjakana rehetra. BSB BSB: Now it pleased Darius to appoint 120 satraps to rule throughout the kingdom,
2 ULB Nisy komandy lehibe telo teo amin'izy ireo, ary iray tamin'ireo i Daniela. Ireo komandy lehibe ireo dia voatendry mba hanara-maso ireo governora isam-paritra, mba tsy ho faty antoka ny mpanjaka. BSB BSB: and over them three administrators, including Daniel, to whom these satraps were accountable so that the king would not suffer loss.
3 ULB Niavaka ambonin'ireo komandy lehibe hafa sy ireo governora isam-paritra i Daniela satria nanana fanahy miavaka izy. Nanao drafitra ny hametraka azy manerana ny fanjakana rehetra ny mpanjaka. BSB BSB: Soon, by his extraordinary spirit, Daniel distinguished himself among the administrators and satraps. So the king planned to set him over the whole kingdom.
4 ULB Avy eo ireo mpitan-draharaha lehibe hafa sy ireo governora isam-paritany nitady hadisoana tamin'ny asa nataon'i Davida ho an'ny fanjakana, saingy tsy nahita kolikoly na tsy fahombiazana tamin'ny asany izy ireo satria nahatoky izy. Tsy nisy fahadisoana na tsirambina hita taminy. BSB BSB: Thus the administrators and satraps sought a charge against Daniel concerning the kingdom, but they could find no charge or corruption, because he was trustworthy, and no negligence or corruption was found in him.
5 ULB Dia hoy ireo lehilahy ireo hoe: "Tsy mahita antony tokony hitarainana ity Daniela ity izahay raha tsy hoe mahita zavatra manohitra azy araka ny lalàn'ny Andriamaniny izahay." BSB BSB: Finally these men said, “We will never find any charge against this Daniel unless we find something against him concerning the law of his God.”
6 ULB Dia nitondra tetika teo anoloan'ny mpanjaka ireo mpitan-draharaha sy governora. Hoy izy ireo taminy hoe: "Ry Dariosa mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao! BSB BSB: So the administrators and satraps went together to the king and said, “O King Darius, may you live forever!
7 ULB Ireo mpitan-draharaha lehibe rehetra tao amin'ny fanjakana, ireo governora isam-paritra, sy ireo governora isam-paritany, ireo mpanolotsaina, ary ireo governora dia niara-nifampidinika ary nanapa-kevitra fa ianao, mpanjaka, dia tokony hamoaka didy ary hanamafy izany, ka na iza na iza manao fanangonan-tsonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy hatsipy ao an-davaky ny liona izany olona izany. BSB BSB: All the royal administrators, prefects, satraps, advisers, and governors have agreed that the king should establish an ordinance and enforce a decree that for thirty days anyone who petitions any god or man except you, O king, will be thrown into the den of lions.
8 ULB Ankehitriny, ry mpanjaka, mamoaha didy ary soniavo ny taratasy mba tsy hanovàna izany, araka ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana, ka tsy afaka foanana izany." BSB BSB: Therefore, O king, establish the decree and sign the document so that it cannot be changed—in accordance with the law of the Medes and Persians, which cannot be repealed.”
9 ULB Koa dia nosoniavin'i Dariosa mpanjaka ny taratasy namadihana ilay didy ho lalàna. BSB BSB: Therefore King Darius signed the written decree.
10 ULB Rehefa fantatr'i Daniela fa voasonia ho lalàna ilay taratasy, dia nandeha tany an-tranony izy (ary nisokatra ireo varavarakeliny tany amin'ny efitra ambony nifanandrify tamin'i Jerosalema), ary nandohalika izy, toy ny fanaony in-telo anatin'ny iray andro, ary nivavaka sy nisaotra nanoloana ny Andriamaniny izy, toy ny efa nataony tany aloha. BSB BSB: Now when Daniel learned that the document had been signed, he went into his house, where the windows of his upper room opened toward Jerusalem, and three times a day he got down on his knees, prayed, and gave thanks to his God, just as he had done before.
11 ULB Avy eo ireo lehilahy izay niara-nanao teti-dratsy ireo nahita an'i Daniela nanao fangatahana sy nitady fanampiana avy amin'Andriamanitra. BSB BSB: Then these men went as a group and found Daniel petitioning and imploring his God.
12 ULB Avy eo izy ireo nanatona ny mpanjaka ary niresaka taminy momban'ny didiny hoe: "Moa tsy nanao didy ve ianao fa izay rehetra manao sonia amin'ny andriamanitra rehetra na olombelona mandritra ny telopolo andro manaraka, ankoatra anao, ry mpanjaka, dia tsy maintsy atsipy ao an-davaky ny liona?" Namaly ny mpanjaka hoe: "Voapetraka ny raharaha, araky ny voatondron'ny lalàn'ny Mediana sy Persiana; tsy afaka foanana izany." BSB BSB: So they approached the king and asked about his royal decree: “Did you not sign a decree that for thirty days any man who petitions any god or man except you, O king, will be thrown into the den of lions?” The king replied, “According to the law of the Medes and Persians the order stands, and it cannot be repealed.”
13 ULB Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Izany Daniela izany, izay iray amin'ireo olona avy an-tsesi-tany tany Joda, dia tsy miraharaha anao, ry mpanjaka, na ny didy izay nosoniavinao. Mivavaka amin'ny Andriamaniny in-telo izy ao anatin'ny iray andro." BSB BSB: Then they told the king, “Daniel, one of the exiles from Judah, shows no regard for you, O king, or for the decree that you have signed. He still makes his petition three times a day.”
14 ULB Rehefa nandre izany ny mpanjaka, dia nalahelo mafy izy, ary nandefa fisainana ny hanavotra an'i Daniela amin'ny fanapahany. Niasa mandra-podin'ny masoandro izy mba hiezaka hanavotra an'i Daniela. BSB BSB: As soon as the king heard this, he was deeply distressed and set his mind on delivering Daniel, and he labored until sundown to rescue him.
15 ULB Avy eo ireo lehilahy izay nanao teti-dratsy ireo niangona niaraka tamin'ny mpanjaka ary nanao taminy hoe: "Fantaro, ry mpanjaka, fa lalàn'ny Midiana sy Persiana izany, ary tsy afaka ovaina ny lalàna na didy izay nataon'ny mpanjaka." BSB BSB: Then the men approached the king together and said to him, “Remember, O king, that by the law of the Medes and Persians no decree or ordinance established by the king can be changed.”
16 ULB Dia nanome baiko ny mpanjaka, ary nentin'izy ireo niditra Daniela, ka natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona izy. Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Hanavotra anao anie, ny Andriamanitrao, izay tompoinao mandrakariva." BSB BSB: So the king gave the order, and they brought Daniel and threw him into the den of lions. The king said to Daniel, “May your God, whom you serve continually, deliver you!”
17 ULB Nisy vato nentina teo amin'ny fidirana mankany amin'ilay lavaka, ary nanisy tombo-kase izany tamin'ny perany ny mpanjaka sy tamin'ireo peratra fanombohan-kasen'ireo manan-kajany mba tsy hisy hiova ny mahakasika an'i Daniela izy. BSB BSB: A stone was brought and placed over the mouth of the den, and the king sealed it with his own signet ring and with the rings of his nobles, so that nothing concerning Daniel could be changed.
18 ULB Avy eo nandeha tany amin'ny lapany ny mpanjaka ary nandia ny alina nifady hanina. Tsy nisy fialam-boly nentina teo anoloany, ary lasa ny torimasony. BSB BSB: Then the king went to his palace and spent the night fasting. No entertainment was brought before him, and sleep fled from him.
19 ULB Avy eo vao mangiran-dratsy dia nitsangana ny mpanjaka ary nandeha faingana tany an-davaky ny liona. BSB BSB: At the first light of dawn, the king got up and hurried to the den of lions.
20 ULB Raha nanakaiky ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo, nanao tamin'i Daniela hoe: "Ry Daniela, mpanompon'ilay Andriamanitra velona, moa tsy afaka nanavotra anao tamin'ireo liona ny Andriamanitrao, izay tompoinao mandrakariva?" BSB BSB: When he reached the den, he cried out in a voice of anguish, “O Daniel, servant of the living God, has your God, whom you serve continually, been able to deliver you from the lions?”
21 ULB Dia hoy Daniela tamin'ny mpanjaka hoe: BSB BSB: Then Daniel replied, “O king, may you live forever!
22 ULB "Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao! Efa nandefa ny mpitondra hafany Andriamanitra ary nanakatona ny vavan'ny liona, ary tsy nandratra ahy izy ireo. Fa tsy misy tsiny teo anatrehany aho sy teo anoloanao ihany koa, ry mpanjaka, ary tsy nanao ratsy anao aho." BSB BSB: My God sent His angel and shut the mouths of the lions. They have not hurt me, for I was found innocent in His sight, and I have done no wrong against you, O king.”
23 ULB Avy eo dia faly tanteraka ny mpanjaka. Nanome baiko ny hampakaran'izy ireo an'i Daniela avy ao an-davaka izy. Noho izany dia nampiakarina avy tao an-davaka Daniela. Tsy nisy ratra hita taminy, satria nahatoky ny Andriamaniny izy. BSB BSB: The king was overjoyed and gave orders to lift Daniel out of the den, and when Daniel was lifted out of the den, no wounds whatsoever were found on him, because he had trusted in his God.
24 ULB Nanome baiko ny mpanjaka, ary nentiny ireo lehilahy izay niampanga an'i Daniela ireo ary natsipin'izy ireo tao an-davaky ny liona—izy ireo sy ny zanak'izy ireo, ary ny vadin'izy ireo. Mialohan'ny nahatongavan'izy ireo tamin'ny tany, dia nandresy azy ireo ny liona ary namotika ny taolana rehetran'izy ireo. BSB BSB: At the command of the king, the men who had falsely accused Daniel were brought and thrown into the den of lions—they and their children and wives. And before they had reached the bottom of the den, the lions overpowered them and crushed all their bones.
25 ULB Avy eo Dariosa mpanjaka nanoratra tamin'ny olona rehetra, ireo firenena, ary ireo fiteny izay misy eto an-tany rehetra hoe: "Hampitomboina aminao anie ny fiadanana. BSB BSB: Then King Darius wrote to the people of every nation and language throughout the land: “May your prosperity abound.
26 ULB Izao aho dia manao didy fa amin'ny fanapahana rehetra amin'ny fanjakako dia mangovitra sy matahotra eo anatrehan'i Andriamanitr'i Daniela ny olona, satria Izy no Andriamanitra velona sy miaina mandrakizay, ary ny fanjakany dia tokony tsy ho ravaina; ny fanapahany dia tokony ho hatramin'ny farany. BSB BSB: I hereby decree that in every part of my kingdom, men are to tremble in fear before the God of Daniel: For He is the living God, and He endures forever; His kingdom will never be destroyed, and His dominion will never end.
27 ULB Miaro antsika sy manavotra antsika Izy, ary manao famantarana sy fahagagana any an-danitra sy eto an-tany Izy; niaro an'i Daniela ho avotra tamin'ny herin'ireo liona Izy." BSB BSB: He delivers and rescues; He performs signs and wonders in the heavens and on the earth, for He has rescued Daniel from the power of the lions.”
28 ULB Noho izany dia nambinina nandritra ny fitondran'i Dariosa sy nandritra ny fitondran'i Kyrosy ilay Persiana i Daniela. BSB BSB: So Daniel prospered during the reign of Darius and the reign of Cyrus the Persian.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.