1 ULB Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara Mpanjaka, izaho, Daniela, dia nisy fahitana niseho tamiko (tao aorinan'ilay iray izay niseho tamiko tamin'ny voalohany). BSB BSB: In the third year of the reign of King Belshazzar, a vision appeared to me, Daniel, subsequent to the one that had appeared to me earlier.
2 ULB Hitako tamin'ilay fahitana, raha nijery aho, dia tao anatin'ny fiarovana mafin'ny Sosana tany amin'ny faritanin'i Elama aho. Hitako tao amin'ilay fahitana fa nanatrika ny Lakandranon'ny Olay aho. BSB BSB: And in the vision I saw myself in the citadel of Susa, in the province of Elam. I saw in the vision that I was beside the Ulai Canal.
3 ULB Nijery ambony aho ary nahita ondrilahy niaraka tamin'ny tandroka roa teo anoloako aho, nitsangana teo akaikin'ny lakan-drano. Ny tandroka iray dia lava noho ny ilany, fa ilay lavalava iray nitombo tsimoramora noho ilay fohifohy ary nihoatra ny halavan'izany. BSB BSB: Then I lifted up my eyes and saw a ram with two horns standing beside the canal. The horns were long, but one was longer than the other, and the longer one grew up later.
4 ULB Nahita ilay ondrilahy nirifatra niankandrefana, avy eo nianavaratra, ary avy eo nianatsimo aho; tsy nisy biby hafa afaka nitsangana nanoloana azy. Tsy nisy tamin'izy ireo afaka namonjy izay hiala tao an-tanany. Nanao izay tiany rehetra izy, ary tonga lehibe tokoa. BSB BSB: I saw the ram charging toward the west and the north and the south. No animal could stand against him, and there was no deliverance from his power. He did as he pleased and became great.
5 ULB Raha nisaintsaina momba izany aho, dia nahita osy lahy tonga avy any andrefana, izay nandeha nanerana ny velaran-tany manontolo, nihazakazaka mafy, toa tsy mitehi-tany. Nanan-tandroka lava teo anelanelan'ny masony ilay osy. BSB BSB: As I was contemplating all this, suddenly a goat with a prominent horn between his eyes came out of the west, crossing the surface of the entire earth without touching the ground.
6 ULB Nankeo amin'ilay ondrilahy izay nanana tandroka roa izy— nahita ny ondrilahy nitsangana teo amin'ny sisin'ny lakan-drano aho—ary ny osy nihazakazaka ho eny amin'ny ondrilahy tamim-pahatezerana mahery vaika. BSB BSB: He came toward the two-horned ram I had seen standing beside the canal and rushed at him with furious power.
7 ULB Nahita ilay osy nanakaiky ilay ondrilahy aho. Tezitra mafy tamin'ilay ondrilahy izy, ary namely ilay ondrilahy ka namotika ireo tandrony roa. Tsy ampy hery ilay ondrilahy mba hijoro manatrika azy. Ilay osy nanongana azy tamin'ny tany ka nanitsakitsaka azy. Tsy nisy afaka namonjy ilay ondrilahy tamin'ny heriny. BSB BSB: I saw him approach the ram in a rage against him, and he struck the ram and shattered his two horns. The ram was powerless to stand against him, and the goat threw him to the ground and trampled him, and no one could deliver the ram from his power.
8 ULB Niha-goavana ilay osy avy eo. Fa rehefa niha-nahery izy, dia vaky ilay tandroka lava, ary tamin'ny toeran'iny dia nisy tandroka lava efatra hafa nitombo izay nanondro manandrify ny rivotra efatry ny lanitra. BSB BSB: Thus the goat became very great, but at the height of his power, his large horn was broken off, and four prominent horns came up in its place, pointing toward the four winds of heaven.
9 ULB Nisy tandroka hafa nitsiry, kely tamin'ny voalohany, fa tonga lehibe tokoa tany atsimo, tany atsinanana, ary tany amin'ny tanin'ny hatsarana. BSB BSB: From one of these horns a little horn emerged and grew extensively toward the south and the east and toward the Beautiful Land.
10 ULB Tonga lehibe tokoa izany tahaka ny hirotsaka an'ady miaraka amin'ny tafiky ny lanitra. Ny sasany tamin'izany tafika izany sy ny sasany tamin'ireo kintana dia nazera tamin'ny tany, ary nanitsakitsaka azy ireo izany. BSB BSB: It grew as high as the host of heaven, and it cast down some of the host and some of the stars to the earth and trampled them.
11 ULB Nanao ny tenany ho lehibe tahaka ny mpifehy ny tafika izy, ary nanaisotra taminy ny sorona dorana tsy tapaka izany, ary ny fitoerana masiny dia voaloto. BSB BSB: It magnified itself, even to the Prince of the host; it removed His daily sacrifice and overthrew the place of His sanctuary.
12 ULB Noho ny fikomiana, dia homena ny tandroky ny osy ny tafika, ary hatsahatra ny fanatitra dorana. Harian'ny tandroka amin'ny tany ambany ny fahamarinana, ary hahomby amin'izay ataony izany. BSB BSB: And in the rebellion, the host and the daily sacrifice were given over to the horn, and it flung truth to the ground and prospered in whatever it did.
13 ULB Ary naheno masina niteny aho ary iray masina hafa namaly azy: "Hafiriana no haharetan'ireo zavatra ireo, io fahitana momba ny fanatitra dorana io, ny fahotana izay mitondra faharavana, ny fanjakazakana eo amin'ny fitoerana masina, ary ny tafiky ny lanitra izay voahitsakitsaka?" BSB BSB: Then I heard a holy one speaking, and another holy one said to him, “How long until the fulfillment of the vision of the daily sacrifice, the rebellion that causes desolation, and the surrender of the sanctuary and of the host to be trampled?”
14 ULB Hoy izy tamiko: "Haharitra 2. 300 hariva sy maraina izany. Aorian'izany dia hapetraka tsara ny fitoerana masina." BSB BSB: He said to me, “It will take 2,300 evenings and mornings; then the sanctuary will be properly restored.”
15 ULB Rehefa nahita ny fahitana, izaho, Daniela, dia niezaka nahatakatra izany aho. Ary nisy iray toa miendrika ho olona nitsangana nanoloana ahy. BSB BSB: While I, Daniel, was watching the vision and trying to understand it, there stood before me one having the appearance of a man.
16 ULB Naheno feon-dehilahy niantso teo anelanelan'ny sisin'ny Lakan-drano Olay aho. Hoy Izy: "Ry Gabriela, ampio io lehilahy io hahatakatra ny fahitana." BSB BSB: And I heard the voice of a man calling from between the banks of the Ulai: “Gabriel, explain the vision to this man.”
17 ULB Ka nanakaiky teo amin'izay nitsanganako izy. Rehefa tonga izy, natahotra aho ary nanodrika ny tenako tamin'ny tany. Hoy izy tamiko: "Mahatakara, ry zanak'olona, fa ny fahitana dia ho amin'ny fotoana farany." BSB BSB: As he came near to where I stood, I was terrified and fell facedown. “Son of man,” he said to me, “understand that the vision concerns the time of the end.”
18 ULB Rehefa niresaka tamiko izy, dia lavo tao anaty torimaso lalina aho miaraka amin'ny tavako amin'ny tany. Ary nikasika ahy izy ary nampitsangana ahy. BSB BSB: While he was speaking with me, I fell into a deep sleep, with my face to the ground. Then he touched me, helped me to my feet,
19 ULB Hoy izy: "Indro, hasehoko anao izay hitranga aty aoriana amin'ny fotoan'ny fahatezerana, satria ny fahitana dia mikasika ny fotoana voatondro ho amin'ny farany. BSB BSB: and said, “Behold, I will make known to you what will happen in the latter time of wrath, because it concerns the appointed time of the end.
20 ULB Fa ny rameva izay hitanao, ilay nanana tandroka roa—ireo no mpanjakan'i Media sy Persia. BSB BSB: The two-horned ram that you saw represents the kings of Media and Persia.
21 ULB Ilay ondry lahy dia ny mpanjakan'i Grisia. Ny tandroka lava teo anelanelan'ireo masony no ilay mpanjaka voalohany. BSB BSB: The shaggy goat represents the king of Greece, and the large horn between his eyes is the first king.
22 ULB Raha ny amin'ilay tandroka izay tapaka, teo amin'ny toerana izay nipoiran'ireo efatra hafa—hisy fanjakana efatra hipoitra amin'ny fireneny, fa tsy amin'ny heriny lehibe. BSB BSB: The four horns that replaced the broken one represent four kingdoms that will rise from that nation but will not have the same power.
23 ULB Amin'ny fotoana farany an'ireo fanjakana ireo, rehefa hahatratra ny fetrany ireo mpamadika, dia hisy mpanjaka masia-tarehy, izay tena manan-tsaina, hitsangana. BSB BSB: In the latter part of their reign, when the rebellion has reached its full measure, an insolent king, skilled in intrigue, will come to the throne.
24 ULB Ho lehibe tokoa ny heriny—fa tsy tamin'ny heriny manokana. Ho gaga amin'izay ho ravàny izy; hiasa izy ary hahomby. Handrava vahoaka mahery izy, vahoaka eo amin'ireo izay masina. BSB BSB: His power will be great, but it will not be his own. He will cause terrible destruction and succeed in whatever he does. He will destroy the mighty men along with the holy people.
25 ULB Amin'ny alalan'ny hafetsifetseny no hanaovany fitaka mahomby ambanin'ny tanany. Ho tonga lehibe amin'ny eritreriny ihany izy. Handrava olona maro tsy ampoizina izy. Hitsangana izy na dia hanohitra ny Mpanjakan'ireo mpanjaka aza, ary ho potika izy, fa tsy mba amin'ny alalan'ny tanan'olombelona. BSB BSB: Through his craft and by his hand, he will cause deceit to prosper, and in his own mind he will make himself great. In a time of peace he will destroy many, and he will even stand against the Prince of princes. Yet he will be broken off, but not by human hands.
26 ULB Ny fahitana momba ireo hariva sy ireo maraina izay efa voalaza dia marina. Fa asio tombokase ny fahitana, fa manondro andro maro amin'ny hoavy izany." BSB BSB: The vision of the evenings and the mornings that has been spoken is true. Now you must seal up the vision, for it concerns the distant future.”
27 ULB Koa izaho, Daniela, dia reraka ary dia nandry nalemy nandritra ny andro maromaro. Ary nifoha aho, ka nandeha tamin'ny raharahan'ny mpanjaka. Fa rikoriko tamin'ny fahitana aho, ary tsy nisy iray ka nahatakatra izany. BSB BSB: I, Daniel, was exhausted and lay ill for days. Then I got up and went about the king’s business. I was confounded by the vision; it was beyond understanding.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.