1 ULB Hoy Yaveh tamiko tamin'izany fotoana izany hoe: 'Manamboara vato fisaka roa tahaka ilay voalohany, dia miakara aty amiko aty an-tendrombohitra, ary manaova fiara vita amin'ny hazo. BSB BSB: At that time the LORD said to me, “Chisel out two stone tablets like the originals, come up to Me on the mountain, and make an ark of wood.
2 ULB Hosoratako ao anatin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tao anatin'ireo vato fisaka voalohany izay nopotehinao, ka hapetrakao ao anatin'ilay fiara ireo.' BSB BSB: And I will write on the tablets the words that were on the first tablets, which you broke; and you are to place them in the ark.”
3 ULB Koa nanamboatra fiara tamin'ny hazo akasia aho, ary nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay voalohany aho, dia niakatra teny an-tendrombohitra aho, niaraka tamin'ireo vato fisaka roa teny an-tanako. BSB BSB: So I made an ark of acacia wood, chiseled out two stone tablets like the originals, and went up the mountain with the two tablets in my hands.
4 ULB Nosoratany tamin'ireo vato fisaka, tahaka ilay asa soratra voalohany, ny didy folo izay nolazain'i Yaveh taminareo tany an-tendrombohitra teo afovoan'ny afo tamin'ny andron'ny fivoriana; dia nomen'i Yaveh ahy ireo. BSB BSB: And the LORD wrote on the tablets what had been written previously, the Ten Commandments that He had spoken to you on the mountain out of the fire on the day of the assembly. The LORD gave them to me,
5 ULB Dia nihodina aho ary nidina ny tendrombohitra, ka nametraka ireo vato fisaka tao anatin'ilay fiara izay namboariko; dia tao izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh ahy." BSB BSB: and I went back down the mountain and placed the tablets in the ark I had made, as the LORD had commanded me; and there they have remained.
6 ULB (Niainga niala tao Berota Bene-Jakana ho any Mosera ny vahoakan'Israely. Tao no maty i Arona, ary tao izy no nalevina; Eleazara, zanany lahy, no lasa mpisorona nandimby ny toerany. BSB BSB: The Israelites traveled from Beeroth Bene-jaakan to Moserah, where Aaron died and was buried, and Eleazar his son succeeded him as priest.
7 ULB Nizotra nankany Godgoda izy ireo rehefa niala tao, ary avy tao Godgoda nankany Jotbata, tany iray be ony. BSB BSB: From there they traveled to Gudgodah, and from Gudgodah to Jotbathah, a land with streams of water.
8 ULB Tamin'izany fotoana izany Yaveh nisafidy ny fokon'i Levy mba hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, hijoro eo anoloan' i Yaveh mba hanompo Azy, sy hitso-drano ny olona amin'ny anarany, tahaka ny ankehitriny. BSB BSB: At that time the LORD set apart the tribe of Levi to carry the ark of the covenant of the LORD, to stand before the LORD to serve Him, and to pronounce blessings in His name, as they do to this day.
9 ULB Noho izany no tsy hananan'i Levy anjara na lova amin'ny tany miaraka amin'ireo rahalahiny; fa Yaveh no lovany, araka izay nolazain'i Yaveh Andriamanitrao taminy.) BSB BSB: That is why Levi has no portion or inheritance among his brothers; the LORD is his inheritance, as the LORD your God promised him.
10 ULB Nitoetra tao an-tendrombohitra tahaka ny tamin'ny voalohany aho, efapolo andro sy efapolo alina. Nihaino ahy ihany koa Yaveh tamin'izany fotoana izany; tsy naniry ny handringana anao Yaveh. BSB BSB: I stayed on the mountain forty days and forty nights, like the first time, and that time the LORD again listened to me and agreed not to destroy you.
11 ULB Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Miarèna, mandehana eo alohan'ny vahoaka hitarika azy ireo amin'ny diany. Dia hiditra izy ireo ary haka ny tany izay efa nianianako tamin'ireo razambeny fa homena azy ireo.' BSB BSB: Then the LORD said to me, “Get up. Continue your journey ahead of the people, that they may enter and possess the land that I swore to their fathers to give them.”
12 ULB Koa ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin'i Yaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny fatahorana an'i Yaveh Andriamanitrao, ny handehanana amin'ny lalany rehetra, ny hitiavana azy, ary ny hanompoana an'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo, BSB BSB: And now, O Israel, what does the LORD your God ask of you but to fear the LORD your God by walking in all His ways, to love Him, to serve the LORD your God with all your heart and with all your soul,
13 ULB ny fitandremana ireo didin'i Yaveh, sy ireo lalàny, izay handidiako anao anio mba ho soa ho anao manokana? BSB BSB: and to keep the commandments and statutes of the LORD that I am giving you this day for your own good?
14 ULB Indro, Yaveh Andriamanitrao no tompon'ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ny tany, sy izay rehetra ao amin' ireo. BSB BSB: Behold, to the LORD your God belong the heavens, even the highest heavens, and the earth and everything in it.
15 ULB Yaveh irery ihany no nankasitraka ireo razanao nohon'ny fitiavany azy ireo, ary nifidy anareo Izy, ianao taranany, taorian'izy ireo, mihoatra noho ireo olona hafa, tahaka ny ataony mandrak'ankehitriny. BSB BSB: Yet the LORD has set His affection on your fathers and loved them. And He has chosen you, their descendants after them, above all the peoples, even to this day.
17 ULB Fa Yaveh Andriamanitrao, no Andriamanitr'ireo andriamanitra ary Tompon'ireo tompo, ilay Andriamanitra lehibe, ilay mahery sy mampahatahotra, izay tsy mizaha tavan'olona ary tsy mandray kolikoly. BSB BSB: For the LORD your God is God of gods and Lord of lords, the great, mighty, and awesome God, showing no partiality and accepting no bribe.
19 ULB Tiavo ny vahiny noho izany; satria ianareo dia efa vahiny tany amin'ny tany Egypta. BSB BSB: So you also must love the foreigner, since you yourselves were foreigners in the land of Egypt.
20 ULB Yaveh Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no ho tompoinao. Aminy ianao no tsy maintsy hifikitra; ary amin'ny anarany no hianiananao. BSB BSB: You are to fear the LORD your God and serve Him. Hold fast to Him and take your oaths in His name.
21 ULB Izy no fideranao, ary Izy no Andriamanitrao, izay efa nanao ireo zava-dehibe sy ireo zavatra mampahatahotra ho anao, izay efa hitan'ny masonao. BSB BSB: He is your praise and He is your God, who has done for you these great and awesome wonders that your eyes have seen.
22 ULB Fitopolo olona ireo razanao no nidina tany Egypta; fa ankehitriny efa nataon'i Yaveh Andriamanitrao ho maro isa tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao. BSB BSB: Your fathers went down to Egypt, seventy in all, and now the LORD your God has made you as numerous as the stars in the sky.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.