1 ULB Ireto no didy aman-dalàna izay ho tandremanao ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh, Andriamanitry ny razanao, ho fanananao, amin'ny andro rehetra hiainanao ety an-tany. BSB BSB: These are the statutes and ordinances you must be careful to follow all the days you live in the land that the LORD, the God of your fathers, has given you to possess.
2 ULB Ho ravainao tokoa ny toerana rehetra izay nanompoan'ireo firenena izay ho roahanao ireo andriamaniny, izay eny amin'ny tendrombohitra avo, eny amin'ny havoana, ary eny ambany hazo mavana, izay halainao. BSB BSB: Destroy completely all the places where the nations you are dispossessing have served their gods—atop the high mountains, on the hills, and under every green tree.
3 ULB Aoka hazeranao ny alitaran'izy ireo, ho torotoroinao ireo tsangam-batony, ary ho doranao ireo baon'Aserahany. BSB BSB: Tear down their altars, smash their sacred pillars, burn up their Asherah poles, cut down the idols of their gods, and wipe out their names from every place.
4 ULB Aoka ho tapatapahanao ny sary sokitr'ireo andriamaniny ary haringanao hiala amin'izany toerana izany ny anaran'izy ireo. Aoka tsy hanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka izany ianao. BSB BSB: You shall not worship the LORD your God in this way.
5 ULB Fa ao amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ireo fokonao mba hametrahana ny Anarany, dia izany no ho toerana honenany, ary any no halehanao. BSB BSB: Instead, you must seek the place the LORD your God will choose from among all your tribes to establish as a dwelling for His Name, and there you must go.
6 ULB Any no hitondranao ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ireo rakitra hatolotry ny tananao, ny raki-boadinao, ny fanati-tsitraponao, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ny ondry aman'osinao. BSB BSB: To that place you are to bring your burnt offerings and sacrifices, your tithes and heave offerings, your vow offerings and freewill offerings, as well as the firstborn of your herds and flocks.
7 ULB Any no hihinanao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao sy hiravoravoanao amin'ny zava-drehetra izay nametrahanao ny tananao, dia ianao sy ny ankohonanao, any amin'izay nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao. BSB BSB: There, in the presence of the LORD your God, you and your households shall eat and rejoice in all you do, because the LORD your God has blessed you.
8 ULB Aoka tsy hanao ireo zavatra rehetra izay ataonay ankehitriny ianao; fa ankehitriny dia manao izay marina rehetra eo imasony ihany ny olon-drehetra; BSB BSB: You are not to do as we are doing here today, where everyone does what seems right in his own eyes.
9 ULB satria tsy mbola tonga teo amin'ny fitsaharana, eo amin'ny lova izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao. BSB BSB: For you have not yet come to the resting place and the inheritance that the LORD your God is giving you.
10 ULB Fa rehefa mita an'i Jordana ianao ka monina ao amin'ny tany izay hapandovain'i Yaveh anao, ary rehefa manome anao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina Izy, mba hiainanao am-pilaminana, BSB BSB: When you cross the Jordan and live in the land that the LORD your God is giving you as an inheritance, and He gives you rest from all the enemies around you and you dwell securely,
11 ULB dia ho amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao mba hahavelona ny Anarany, any ianao no hitondra izay rehetra handidiako anao: dia ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ny rakitra atolotry ny tananao, sy ireo raki-boady rehetra izay safidianao hivoadiana amin'i Yaveh. BSB BSB: then the LORD your God will choose a dwelling for His Name. And there you are to bring everything I command you: your burnt offerings and sacrifices, your tithes and special gifts, and all the choice offerings you vow to the LORD.
12 ULB Hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao—ianao, ny zanaka lahinao, ny zanaka vavinao, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao ary ireo Levita izay ao amin'ny vavahadinao, satria tsy manana anjara na lova eo aminao izy. BSB BSB: And you shall rejoice before the LORD your God—you, your sons and daughters, your menservants and maidservants, and the Levite within your gates, since he has no portion or inheritance among you.
13 ULB Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hanolotra ny fanatitra doranao eny amin'ny toerana rehetra izay hitanao; BSB BSB: Be careful not to offer your burnt offerings in just any place you see;
14 ULB fa eo amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh eo amin'ny iray amin'ny fokonao no hanoloranao ny fanatitra doranao, ary any no halehanao mba hanao izay rehetra handidiko anao. BSB BSB: you must offer them only in the place the LORD will choose in one of your tribal territories, and there you shall do all that I command you.
15 ULB Kanefa, afaka mamono na mihinana biby ao anatin'ny vavahadinao rehetra ianao, araka izay tianao, amin'ny fandraisana ny fitahian'i Yaveh Andriamanitrao noho izay rehetra nomeny anao; samy afaka mihinana amin'izany ny olona maloto sy ny olona madio, dia ny biby tahaka ny gazela sy ny diera. BSB BSB: But whenever you want, you may slaughter and eat meat within any of your gates, according to the blessing the LORD your God has given you. Both the ceremonially clean and unclean may eat it as they would a gazelle or deer,
16 ULB Fa aoka tsy hihinana ny ràny ianao; ho ararakao amin'ny tany tahaka ny rano izany. BSB BSB: but you must not eat the blood; pour it on the ground like water.
17 ULB Tsy mahazo mihinana amin'ny ampahafolon'ny voanao, ny divay vaovaonao, ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny omby na ny ondry aman'osinao ao anatin'ny vavahadinao ianao; ary tsy mahazo mihinana amin'ny hena nataonao sorona miaraka amin'izay mety ho voady ataonao, na ireo fanati-tsitraponao, na ny fanatitra izay atolotry ny tananao ianao. BSB BSB: Within your gates you must not eat the tithe of your grain or new wine or oil, the firstborn of your herds or flocks, any of the offerings that you have vowed to give, or your freewill offerings or special gifts.
18 ULB Fa kosa, hohaninao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ao amin'ny toerana izay fidin'i Yaveh Andriamanitrao izany—ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao, ary ny Levita izay ao amin'ny vavahadinao; hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ny amin'ny zavatra rehetra izay nametrahanao ny tananao ianao. BSB BSB: Instead, you must eat them in the presence of the LORD your God at the place the LORD your God will choose—you, your sons and daughters, your menservants and maidservants, and the Levite within your gates. Rejoice before the LORD your God in all you do,
19 ULB Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hahafoy ny Levita raha mbola miaina eo amin'ny taninao koa ianao. BSB BSB: and be careful not to neglect the Levites as long as you live in your land.
20 ULB Rehefa manitatra ny sisin-taninao Yaveh Andriamanitrao, araka izay nampanantenainy anao, ka niteny ianao hoe: 'Hihinana nofo aho,' nohon'ny fanirianao hihinan-kena, dia afaka mihinan-kena ianao, araka izay irian'ny fanahinao. BSB BSB: When the LORD your God expands your territory as He has promised, and you crave meat and say, “I want to eat meat,” you may eat it whenever you want.
21 ULB Raha lavitra anao loatra ny toerana izay nofidian'i Yaveh Andriamanitrao hametrahana ny anarany, dia aoka ianao hamono ny sasany amin'ny omby sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Yaveh anao, araka izay nandidiako anao; afaka mihinana ao amin'ny vavahadianao ianao, araka izay irian'ny fanahinao. BSB BSB: If the place where the LORD your God chooses to put His Name is too far from you, then you may slaughter any of the herd or flock He has given you, as I have commanded you, and you may eat it within your gates whenever you want.
22 ULB Tahaka ny hihinanana ny gazela sy ny diera, dia toy izany no hihinananao amin'izany; afaka mihinan-kena amin'izany tahaka izany ny olona maloto sy madio. BSB BSB: Indeed, you may eat it as you would eat a gazelle or deer; both the ceremonially unclean and the clean may eat it.
23 ULB Tandremo fotsiny mba tsy hihinana ny rà ianao, fa aina ny rà; ary aoka tsy hihinana ny aina miaraka amin'ny hena ianao. BSB BSB: Only be sure not to eat the blood, because the blood is the life, and you must not eat the life with the meat.
24 ULB Tsy hihinana an'izany ianao; ararakao eo amin'ny tany tahaka ny rano izany. BSB BSB: You must not eat the blood; pour it on the ground like water.
25 ULB Tsy hihinana izany ianao, mba ho lavorary ny aminao, sy ny taranaka mandimby anao, rehefa manao izay marina eo imason'i Yaveh ianao. BSB BSB: Do not eat it, so that it may go well with you and your children after you, because you will be doing what is right in the eyes of the LORD.
26 ULB Fa ireo zavatra izay an'i Yaveh izay hanananao sy ireo raki-boadinao—aoka ianao haka izany ka handeha any amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh. BSB BSB: But you are to take your holy things and your vow offerings and go to the place the LORD will choose.
27 ULB Any no hanoloranao ny fanatitra doranao, dia ny hena sy ny rà, eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao; hararaka eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao ny ràn'ny soronao, ary hohaninao ny nofon'izany. BSB BSB: Present the meat and blood of your burnt offerings on the altar of the LORD your God. The blood of your other sacrifices must be poured out beside the altar of the LORD your God, but you may eat the meat.
28 ULB Tandremo ary henoy ny teny rehetra izay handidiko anao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao mandrakizay, rehefa manao izay tsara sy marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrao ianao. BSB BSB: Be careful to obey all these things I command you, so that it may always go well with you and your children after you, because you will be doing what is good and right in the eyes of the LORD your God.
29 ULB Rehefa mandringana ireo firenena tsy ho eo anoloanao Yaveh Andriamanitrao, rehefa mandeha mba haka izany amin'izy ireo ianao, ka azonao izany, ary monina ao amin'ny tanin'izy ireo ianao, BSB BSB: When the LORD your God cuts off before you the nations you are entering to dispossess, and you drive them out and live in their land,
30 ULB dia tandremo ny tenanao mba tsy ho voafandrika hanaraka azy ireo, rehefa voaringana hiala eo anatrehanao izy ireo—ho voafandrika hizaha ny andriamanitr'izy ireo, hanontany hoe: 'Ahoana no fanompoan'ireo firenena ireo ny andriamaniny? Mba hanao tahaka izany koa aho.' BSB BSB: be careful not to be ensnared by their ways after they have been destroyed before you. Do not inquire about their gods, asking, “How do these nations serve their gods? I will do likewise.”
32 ULB Na inona na inona handidiko anao, dia tandremo izany. Aza manampy na manaisotra amin'izany. BSB BSB: See that you do everything I command you; do not add to it or subtract from it.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.