2 ULB ary raha mitranga ilay famantarana na ilay fahagagana, izay resahany aminareo ka manao hoe: 'Andeha isika hanaraka andriamanitra hafa, izay tsy mbola fantatrareo, ary andeha tompointsika izy ireo,' BSB BSB: and if the sign or wonder he has spoken to you comes about, but he says, “Let us follow other gods (which you have not known) and let us worship them,”
3 ULB dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany izany, na izany mpanonofy izany; satria Yaveh Andriamanitrareo dia mitsapa anareo raha tia an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo. BSB BSB: you must not listen to the words of that prophet or dreamer. For the LORD your God is testing you to find out whether you love Him with all your heart and with all your soul.
4 ULB Hanara-dia an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, hanome voninahitra Azy, hitandrina ireo didiny, sy hankato ny teniny, ary hidera Azy sy hifikitra aminy. BSB BSB: You are to follow the LORD your God and fear Him. Keep His commandments and listen to His voice; serve Him and hold fast to Him.
5 ULB Ho vonoina izany mpaminany na mpanonofy izany, satria izy dia nanohitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, sy nanafaka anareo tany amin'ny tany fanandevozana. Mitady hitaona anareo ivelan'ny lalana izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo mba handehananareo izany mpaminany izany. Koa esory tsy ho eo aminareo ny ratsy. BSB BSB: Such a prophet or dreamer must be put to death, because he has advocated rebellion against the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt and redeemed you from the house of slavery; he has tried to turn you from the way in which the LORD your God has commanded you to walk. So you must purge the evil from among you.
6 ULB Raiso hoe ny rahalahinareo, ny zanaky ny reninareo, na ny zanakareo lahy, na ny zanakareo vavy, na ny vady famihinareo, na ny namanareo izay tianareo tahaka ny tenanareo, no hitaona mangina anareo ary hiteny hoe: 'Aoka isika andeha ary hanompo ireo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo, na ianareo na ireo razambenareo— BSB BSB: If your very own brother, or your son or daughter, or the wife you embrace, or your closest friend secretly entices you, saying, “Let us go and worship other gods” (which neither you nor your fathers have known,
7 ULB dia ireo andriamanitr'ireo olona izay manodidina anareo, akaikinareo, na lavitra anareo, avy amin'izao tontolo rehetra izao.' BSB BSB: the gods of the peoples around you, whether near or far, whether from one end of the earth or the other),
8 ULB Aza manaiky na mihaino azy. Tsy tokony hanana famindram-po aminy ihany koa ny masonareo, na hiantra azy na hanafina azy. BSB BSB: you must not yield to him or listen to him. Show him no pity, and do not spare him or shield him.
9 ULB Fa kosa, tokony ho vonoinareo tokoa izy; ny tananareo no ho voalohany hamono azy, ary avy eo ny tanan'ny vahoaka rehetra. BSB BSB: Instead, you must surely kill him. Your hand must be the first against him to put him to death, and then the hands of all the people.
10 ULB Hitora-bato hahafaty azy ianareo, satria izy niezaka hitaona anareo hanalavitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo hiala tao amin'ny tany Egypta, hiala tao amin'ilay tany fanandevozana. BSB BSB: Stone him to death for trying to turn you away from the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt, out of the house of slavery.
11 ULB Handre sy hatahotra ny Israely rehetra, ka tsy hanohy hanao izany karazana faharatsiana izany eo aminareo intsony. BSB BSB: Then all Israel will hear and be afraid, and will never again do such a wicked thing among you.
12 ULB Raha mandre olona miteny momba ny iray amin'ireo tanànanareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo mba hipetrahana ianareo: BSB BSB: If, regarding one of the cities the LORD your God is giving you to inhabit, you hear it said
13 ULB fa nisy mpiara-belona ratsy fanahy sasany niala teo aminareo ary nitarika ireo mponina teo amin'ny tanànan'izy ireo hoe: 'Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo.' BSB BSB: that wicked men have arisen from among you and have led the people of their city astray, saying, “Let us go and serve other gods” (which you have not known),
14 ULB Dia handinika ny porofo, hanao fikarohana, ary hanadihady lalina izany ianareo.' Rehefa hitanareo fa marina izany ary azo antoka fa natao teo aminareo ny zavatra fahavetavetana tahaka izany, dia hihetsika ianareo. BSB BSB: then you must inquire, investigate, and interrogate thoroughly. And if it is established with certainty that this abomination has been committed among you,
15 ULB Azo antoka fa hanafika ireo mponina ao amin'izany tanàna izany amin'ny lelan-tsabatra ianareo, hamotika tanteraka izany sy ny olona rehetra ao aminy, miaraka amin'ireo biby fiompy, amin'ny alalan'ny lelan-tsabatra. BSB BSB: you must surely put the inhabitants of that city to the sword. Devote to destruction all its people and livestock.
16 ULB Hanangona ireo entana rehetra voababo amin'izany ho eo afovoan'ny lalana ianareo ary handoro ilay tanàna, sy ireo entana voababo rehetra—ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Ho tanàna haolo mandrakizay ilay tanàna, ka tsy ho hatsangana intsony izany. BSB BSB: And you are to gather all its plunder in the middle of the public square, and completely burn the city and all its plunder as a whole burnt offering to the LORD your God. The city must remain a mound of ruins forever, never to be rebuilt.
17 ULB Tsy tokony hisy hiraikitra eo am-pelatananareo ireo zavatra izay natokana ho ravaina. Izany no tsy maintsy atao, mba hitsahatra amin'ny fahatezerany i Yaveh, hampiseho famindram-po aminareo, sy hiantra anareo, ary hampitombo isa anareo, araka ny nianianany tamin'ireo razambenareo. BSB BSB: Nothing devoted to destruction shall cling to your hands, so that the LORD will turn from His fierce anger, grant you mercy, show you compassion, and multiply you as He swore to your fathers,
18 ULB Hanao izany Izy satria ianareo mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitandremana ireo didiny rehetra izay handidiko anareo anio, sy mba hanaovana izay marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: because you obey the LORD your God, keeping all His commandments I am giving you today and doing what is right in the eyes of the LORD your God.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.