1 ULB Amin'ny faran'ny isam-pito taona, dia manaova fanafoanana trosa ianao. BSB BSB: At the end of every seven years you must cancel debts.
2 ULB Izany no fomban'ny fanafahana: Ny mpampindram-bola rehetra izay nampindrana dia tokony hamoy izay nampindraminy amin'ny mpiara-belona aminy; tsy hangataka izany amin'ireo mpiara-belona aminy izy na ny rahalahiny satria ny fanafoanan'I Yaveh ny trosa dia efa voambara. BSB BSB: This is the manner of remission: Every creditor shall cancel what he has loaned to his neighbor. He is not to collect anything from his neighbor or brother, because the LORD’s time of release has been proclaimed.
3 ULB Vahiny iray no azonao hangatahina izany; fa na inona na inona anao eo ampelan-tanan'ny rahalahinao dia tokony hafoinao. BSB BSB: You may collect something from a foreigner, but you must forgive whatever your brother owes you.
4 ULB Koa, tsy tokony hisy olona mahantra eo aminao (fa Yaveh dia hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao tahaka ny lova ho fanananao), BSB BSB: There will be no poor among you, however, because the LORD will surely bless you in the land that the LORD your God is giving you to possess as an inheritance,
5 ULB raha toa ka mihaino tsara ny feon'Yaveh Andriamanitrao ianao, ka mitandrina ireo didy rehetra izay handidiko anao izao. BSB BSB: if only you obey the LORD your God and are careful to follow all these commandments I am giving you today.
6 ULB Fa Yaveh Andriamanitrao hitahy anao, araka izay nampanantenainy anao; ary hampisambotra amin'ny firenena maro ianao, fa tsy hindrana; hanapaka amin'ny firenena maro ianao, fa izy ireo kosa tsy hanapaka anao. BSB BSB: When the LORD your God blesses you as He has promised, you will lend to many nations but borrow from none; you will rule over many nations but be ruled by none.
7 ULB Raha misy lehilahy mahantra eo aminao, iray amin'ireo rahalahinao, izay ao amin'ny vavahadinao rehetra eo amin'ny tany izay nomen'Yaveh Andriamanitrao anao, aza manamafy ny fonao na manidy ny tananao amin'ny rahalahinao mahantra; BSB BSB: If there is a poor man among your brothers within any of the gates in the land that the LORD your God is giving you, then you are not to harden your heart or shut your hand from your poor brother.
8 ULB fa sokafy tsara aminy ny tananao ary ampindramo izay ilainy izy. BSB BSB: Instead, you are to open your hand to him and freely loan him whatever he needs.
9 ULB Mitandrema mba tsy hanana sain-dratsy ao am-pona, manao hoe: "Ny taona fahafito, ilay taonan'ny fanafahana, dia efa akaiky, mba tsy ho kahihitra eo imason'ireo rahalahinao ianao ary tsy hanome azy ireo na inona na inona; ary hitaraina amin'i Yaveh momba anao izy, ka fahotana ho anao izany. BSB BSB: Be careful not to harbor this wicked thought in your heart: “The seventh year, the year of release, is near,” so that you look upon your poor brother begrudgingly and give him nothing. He will cry out to the LORD against you, and you will be guilty of sin.
10 ULB Tsy maintsy homenao izy, ary tsy tokony hanenina ny fonao rehefa manome azy ianao, satria ny valin'izany dia hitahy anao amin'ny asanao rehetra sy izay rehetra ataon'ny tananao i Yaveh Andriamanitrao. BSB BSB: Give generously to him, and do not let your heart be grieved when you do so. And because of this the LORD your God will bless you in all your work and in everything to which you put your hand.
11 ULB Satria ny mahantra dia tsy hitsahatra hisy eto amin'ny tany; noho izany no handidiko anao sy hilazako hoe: 'Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, ho an'izay mila ny fanampinao, ary amin'ireo mahantranao ao amin'ny taninao.' BSB BSB: For there will never cease to be poor in the land; that is why I am commanding you to open wide your hand to your brother and to the poor and needy in your land.
13 ULB Rehefa avelanao handeha malalaka eo aminao izy, dia aza avela handeha tanam-polo. BSB BSB: And when you release him, do not send him away empty-handed.
14 ULB Vatsio ondry aman'osinao, ny famoloan'ny varinao, sy ny famiazam-boalobokao amim-pahalalahana izy. Araka izay efa nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao, tsy maintsy homenao izy. BSB BSB: You are to furnish him liberally from your flock, your threshing floor, and your winepress. You shall give to him as the LORD your God has blessed you.
15 ULB Tadidio fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianareo, ary io Yaveh Andriamanitrareo io no nanavotra anareo; noho izany mandidy anareo aho izao hanao izany. BSB BSB: Remember that you were slaves in the land of Egypt, and the LORD your God redeemed you; that is why I am giving you this command today.
16 ULB Hitranga izany rehefa miteny anareo izy hoe: 'Tsy hiala eo aminareo aho.' satria izy tianareo sy ny tranonareo, ary satria izy dia tsara aminareo, BSB BSB: But if your servant says to you, ‘I do not want to leave you,’ because he loves you and your household and is well off with you,
17 ULB Ary alaivo ny haolo ka teveo amin'ny sofiny eo am-baravaranana, dia ho mpanomponareo mandrakizay izy. Tsy maintsy ataonareo izany koa ny mpanompovavinareo BSB BSB: then take an awl and pierce it through his ear into the door, and he will become your servant for life. And treat your maidservant the same way.
18 ULB Tsy tokony ho sarotra aminareo ny handefa azy malalaka aminareo, satria efa nanompo anareo nandritry ny enin-taona izy ary nanome avo roa heny ny vidin'ny olona karamaina. Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'izay rehetra ataonareo. BSB BSB: Do not regard it as a hardship to set your servant free, because his six years of service were worth twice the wages of a hired hand. And the LORD your God will bless you in all you do.
19 ULB Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo rehetra dia tsy maintsy hatokanareo ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Tsy hanao asa miaraka amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo ianareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinareo. BSB BSB: You must set apart to the LORD your God every firstborn male produced by your herds and flocks. You are not to put the firstborn of your oxen to work, nor are you to shear the firstborn of your flock.
20 ULB Hano eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo isan-taona isan-taona ny voalohan-teraka eo amin'ny toerana izay hofidianan'i Yaveh, anareo sy ny ankohonanareo. BSB BSB: Each year you and your household are to eat it before the LORD your God in the place the LORD will choose.
21 ULB Raha misy kilema izany— ohatra, raha mandringa na jamba, na inona na inona kilema hafa—aza atao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo izany. BSB BSB: But if an animal has a defect, is lame or blind, or has any serious flaw, you must not sacrifice it to the LORD your God.
22 ULB Hihinana izany ao amin'ireo vavahadinareo ianareo; ireo olona maloto sy ny olona madio dia tsy maintsy mihinana izany, tahaka ny hihinananareo gazela na diera. BSB BSB: Eat it within your gates; both the ceremonially unclean and clean may eat it as they would a gazelle or a deer.
23 ULB Fa kosa tsy tokony mihinana ny ràn'izany ianareo; fa ararao eo amin'ny tany tahaka ny rano ny ràny. BSB BSB: But you must not eat the blood; pour it on the ground like water.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.