1 ULB Tandrovy ny volan'i Abiba, ary tandromy ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Paska, satria tamin'ny volan'i Abiba no namoahan'i Yaveh Andriamanitrareo anareo tao Egypta nandritry ny alina. BSB BSB: Observe the month of Abib and celebrate the Passover to the LORD your God, because in the month of Abib the LORD your God brought you out of Egypt by night.
2 ULB Mandritry ny Paska dia ho ataonareo sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny sasany amin'ireo ondry aman'osy ary ny omby ao amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masina. BSB BSB: You are to offer to the LORD your God the Passover sacrifice from the herd or flock in the place the LORD will choose as a dwelling for His Name.
3 ULB Haninareo miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira izany; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira miaraka amin'izany, ny mofom-pahoriana; satria tampoka no nivoahanareo tao Egypta. Ataovy izany mandritry ny androm-piainanareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nivoahanareo tao amin'ny tany Egypta. BSB BSB: You must not eat leavened bread with it; for seven days you are to eat with it unleavened bread, the bread of affliction, because you left the land of Egypt in haste—so that you may remember for the rest of your life the day you left the land of Egypt.
4 ULB Mandritry ny fito andro dia tsy tokony hahitana lalivay eo amin'ny faritra rehetra misy anareo; na hahitana iray amin'ireo hena izay natao sorona ny hariva ho tehirizana mandra-maraina. BSB BSB: No leaven is to be found in all your land for seven days, and none of the meat you sacrifice in the evening of the first day shall remain until morning.
5 ULB Mandritry ny Paska dia tsy hanao sorona biby ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ianareo. BSB BSB: You are not to sacrifice the Passover animal in any of the towns that the LORD your God is giving you.
6 ULB Fa kosa, manaova sorona eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina. Eo no hanaovanareo sorona ho an'ny Paska ny hariva mileti-masoandro, amin'ilay andro iray anatin'ny taona izay nivoahanareo tao Egypta. BSB BSB: You must only offer the Passover sacrifice at the place the LORD your God will choose as a dwelling for His Name. Do this in the evening as the sun sets, at the same time you departed from Egypt.
7 ULB Hatonoy izany ary hano eny amin'ny toerana izay ho safidian'Yaveh Andriamanitrareo; ny maraina ianareo dia hitodika ary hiverina ao amin'ireo lainareo. BSB BSB: And you shall roast it and eat it in the place the LORD your God will choose, and in the morning you shall return to your tents.
8 ULB Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritry ny enina andro; amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana manetriketrika ho an'i Yaveh Andriamanitrareo; amin'io andro io dia tsy mahazo miasa ianareo. BSB BSB: For six days you must eat unleavened bread, and on the seventh day you shall hold a solemn assembly to the LORD your God, and you must not do any work.
9 ULB Dia manisà fito herinandro; manomboka amin'ny fotoana hijinjanareo voalohany ny vary amin'ny antsy finjinjana no hanisànareo ireo herinandro fito. BSB BSB: You are to count off seven weeks from the time you first put the sickle to the standing grain.
10 ULB Hazony ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Herinandro Firavoravoana miaraka amin'ny fandraisana anjara amin'ny fanati-tsitrapo avy eny an-tananareo izay ho homenareo, araka ny nitahian'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. BSB BSB: And you shall celebrate the Feast of Weeks to the LORD your God with a freewill offering that you give in proportion to how the LORD your God has blessed you,
11 ULB Hifaly eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanareo, sy ireo mpivahiny, ireo kamboty ray, ary ny mpitondratena eo aminareo, eo amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina. BSB BSB: and you shall rejoice before the LORD your God in the place He will choose as a dwelling for His Name—you, your sons and daughters, your menservants and maidservants, and the Levite within your gates, as well as the foreigner, the fatherless, and the widows among you.
12 ULB Ho tsaroanareo fa andevo tany Egypta ianareo; tandrovy ary hampiaro ireo lalàna ireo. BSB BSB: Remember that you were slaves in Egypt, and carefully follow these statutes.
13 ULB Tandrovy ny Fetin'ny Fialofana mandritry ny fito andro aorian'ny fanangonanareo ny vokatra avy amin'ny famoloana sy ny famiazanareo. BSB BSB: You are to celebrate the Feast of Tabernacles for seven days after you have gathered the produce of your threshing floor and your winepress.
14 ULB Hifaly ianareo mandritry ny firavoravoanareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita, sy ireo mpivahiny, ary ireo kamboty, sy ny mpitondratena izay ao anatin'ny vavahadinareo. BSB BSB: And you shall rejoice in your feast—you, your sons and daughters, your menservants and maidservants, and the Levite, as well as the foreigner, the fatherless, and the widows among you.
15 ULB Mandritry ny fito andro ianareo dia hitandrina ny firavoravoana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh, satria i Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'ny vokatra sy ny asan'ny tananareo rehetra, ary dia hifaly tokoa ianareo. BSB BSB: For seven days you shall celebrate a feast to the LORD your God in the place He will choose, because the LORD your God will bless you in all your produce and in all the work of your hands, so that your joy will be complete.
16 ULB Ireo lehilahinareo dia hiseho in-telo isan-taona eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidiany: any amin'ny Firavoravoana ny Mofo tsy misy masirasira, any amin'ny Herinandro Firavoravoana, sy any amin'ny Fetin'ny Tabernakely; ary tsy hiseho tanam-polo eo anoloan'i Yaveh izy ireo; BSB BSB: Three times a year all your men are to appear before the LORD your God in the place He will choose: at the Feast of Unleavened Bread, the Feast of Weeks, and the Feast of Tabernacles. No one should appear before the LORD empty-handed.
17 ULB fa kosa, hanome araka izay tratrany ny lehilahy rehetra, mba hahafantaranareo ny fitahiana izay efa nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. BSB BSB: Everyone must appear with a gift as he is able, according to the blessing the LORD your God has given you.
18 ULB Manendre mpitsara sy manam-boninahitra ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo rehetra izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo; ho alaina isam-pokonareo izy ireo, ary hitsara ny olona amin'ny fitsaràna marina. Tsy BSB BSB: You are to appoint judges and officials for your tribes in every town that the LORD your God is giving you. They are to judge the people with righteous judgment.
19 ULB Tsy tokony haka an-kery ny fitsaràna ianareo; tsy tokony mampiseho fitanilanana na koa mandray kolikoly, satria ny kolikoly mahajamba ny mason'ireo hendry ary mamadika ireo tenin'ny fahamarinana. BSB BSB: Do not deny justice or show partiality. Do not accept a bribe, for a bribe blinds the eyes of the wise and twists the words of the righteous.
20 ULB Tokony hanaraka ny fitsaràna ianareo, ny fitsaràna irery, mba hiainanareo sy handovanareo ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. BSB BSB: Pursue justice, and justice alone, so that you may live, and you may possess the land that the LORD your God is giving you.
22 ULB Ianareo ihany koa dia tsy tokony hanangana andrim-bato masina ho an'ny tenanareo, izay halan'i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: and do not set up for yourselves a sacred pillar, which the LORD your God hates.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.