1 ULB Raha hivoaka hiady amin'ny fahavalonareo ianareo, ka mahita ireo soavaly, ireo kalesy, ary vahoaka maro an'isa noho ianareo, dia aza matahotra azy ireo ianareo; fa miaraka aminareo i Yaveh Andriamanitrareo, Izy izay nitondra anareo niakatra niala ny tany Egypta. BSB BSB: When you go out to war against your enemies and see horses, chariots, and an army larger than yours, do not be afraid of them; for the LORD your God, who brought you out of the land of Egypt, is with you.
2 ULB Koa rehefa mby ampototry ny ady ianareo, dia tsy maintsy hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny vahoaka. BSB BSB: When you are about to go into battle, the priest is to come forward and address the army,
3 ULB Dia hilaza amin'izy ireo izy hoe: "Mihainoa, ry Israely, hiady amin'ny fahavalonareo ianareo. Aoka tsy ho reraka ny fonareo. Aza matahotra na mangovitra. Aza matahotra azy ireo. BSB BSB: saying to them, “Hear, O Israel, today you are going into battle with your enemies. Do not be fainthearted or afraid; do not be alarmed or terrified because of them.
4 ULB Fa i Yaveh Andriamanitrareo no hiaraka handeha aminareo mba hiady amin'ny fahavalonareo ary mba hamonjy anareo. BSB BSB: For the LORD your God goes with you to fight for you against your enemies, to give you the victory.”
5 ULB Dia tsy maintsy hiteny amin'ny vahoaka ireo manam-boninahitra ka hanao hoe: "Misy lehilahy ve ao izay nanao trano vaovao ka mbola tsy nitokana izany? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho faty an'ady izy ka ho lehilahy hafa indray no hitokana izany. BSB BSB: Furthermore, the officers are to address the army, saying, “Has any man built a new house and not dedicated it? Let him return home, or he may die in battle and another man dedicate it.
6 ULB Misy lehilahy ve namboly tanim-boaloboka ka mbola tsy nisitraka ny vokatr'izany? Aoka izy hody, mba tsy ho faty an'ady izy ka olon-kafa indray no hisitraka ny vokatr'izany. BSB BSB: Has any man planted a vineyard and not begun to enjoy its fruit? Let him return home, or he may die in battle and another man enjoy its fruit.
7 ULB Misy lehilahy ve ao nifamofo tamim-behivavy nefa tsy mbola nanam-bady azy? Aoka izy hody mba tsy ho faty an'ady ka ho lehilahy hafa indray no hanambady azy." BSB BSB: Has any man become pledged to a woman and not married her? Let him return home, or he may die in battle and another man marry her.”
8 ULB Dia mbola hiteny amin'ny vahoaka hatrany ireo manam-boninahitra hanao hoe: "Misy lehilahy ve ao izay matahotra na reraka am-po? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho ketraka toy ny fony koa ny fon'ny rahalahiny." BSB BSB: Then the officers shall speak further to the army, saying, “Is any man afraid or fainthearted? Let him return home, so that the hearts of his brothers will not melt like his own.”
9 ULB Koa rehefa avy miteny amin'ny vahoaka ireo manam-boninahitra, dia tsy maintsy manendry mpifehy hitarika azy ireo izy ireo. BSB BSB: When the officers have finished addressing the army, they are to appoint commanders to lead it.
10 ULB Rehefa mandeha mba hanafika tanàna ianareo, dia manaova tolo-pihavanana amin'ireo vahoaka ireo. BSB BSB: When you approach a city to fight against it, you are to make an offer of peace.
11 ULB Raha manaiky ny tolotrareo sy manokatra ny vavahadiny ho anareo izy ireo, dia ho tonga andevonareo sy hanompo anareo ny olona rehetra izay hita ao. BSB BSB: If they accept your offer of peace and open their gates, all the people there will become forced laborers to serve you.
12 ULB Fa raha tsy manao tolo-pihavanana aminareo izany, fa hamaky ady aminareo kosa, dia tsy maintsy ataonareo fahirano izany, BSB BSB: But if they refuse to make peace with you and wage war against you, lay siege to that city.
13 ULB ary rehefa manome fandresena anareo Yaveh Andriamanitrareo ka mametraka azy ireo eo ambany fifehezanareo, dia tsy maintsy vonoinareo ny lehilahy rehetra ao amin'ilay tanàna BSB BSB: When the LORD your God has delivered it into your hand, you must put every male to the sword.
14 ULB Fa ny vehivavy kosa, ireo zaza madinika, ny biby fiompy, sy izay rehetra ao amin'ilay tanàna, ary ny hareny rehetra, dia ho alainareo ho babo ho anareo izany. Dia hihinana ny babon'ireo fahavalonareo ianareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. BSB BSB: But the women, children, livestock, and whatever else is in the city—all its spoil—you may take as plunder, and you shall use the spoil of your enemies that the LORD your God gives you.
15 ULB Izany no fomba tsy maintsy ataonareo amin'ireo tanàna rehetra izay tena lavitra anareo, dia ireo tanàna tsy avy amin'ireto tanàn'ireto firenena manaraka ireto. BSB BSB: This is how you are to treat all the cities that are far away from you and do not belong to the nations nearby.
16 ULB Ao amin'ny tanànan'ireo olona izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ho lovaina ireo, dia tsy azonareo asiana velona izay mety ho manam-pofon'aina. BSB BSB: However, in the cities of the nations that the LORD your God is giving you as an inheritance, you must not leave alive anything that breathes.
17 ULB Fa kosa, tsy maintsy ravànareo tanteraka izy ireo: ny Hetita, sy ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, araka izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo anareo. BSB BSB: For you must devote them to complete destruction—the Hittites, Amorites, Canaanites, Perizzites, Hivites, and Jebusites—as the LORD your God has commanded you,
18 ULB Ataovy izany mba tsy hampianaran'izy ireo anareo hanao ireo fomba fahavetavetany, araka izay nataon'izy ireo tamin'ireo andriamaniny. Raha manao izany ianareo, dia hanota amin'i Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: so that they cannot teach you to do all the detestable things they do for their gods, and so cause you to sin against the LORD your God.
19 ULB Rehefa ela no hanaovanareo fahirano tanàna iray, raha miady aminy ianareo mba hahazoana azy, dia tsy azonareo kapaina amin'ny famaky ireo hazony. Satria afaka mihinana avy amin'ireo ianareo, izany no tsy hahazoanareo manjera azy ireo. Fa olona ve ny hazo ao an-tsaha no tokony ataonareo fahirano? BSB BSB: When you lay siege to a city for an extended time while fighting against it to capture it, you must not destroy its trees by putting an axe to them, because you can eat their fruit. You must not cut them down. Are the trees of the field human, that you should besiege them?
20 ULB Ireo hazo izay fantatrareo fa tsy hazo fihinana ihany, no azonareo simbaina sy azera; hanangana fahirano manohitra an'ilay tanàna izay miady aminareo ianareo, mandra-paharavan'izany. BSB BSB: But you may destroy the trees that you know do not produce fruit. Use them to build siege works against the city that is waging war against you, until it falls.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.