1 ULB Tsy misy lehilahy naratra tamin'ny fanesorana na fanapahana ny filahiany afaka hiditra ao amin'ny fiangonan'i Yaveh. BSB BSB: No man with crushed or severed genitals may enter the assembly of the LORD.
2 ULB Tsy misy zazasary afaka ho isan'ny fiangonan'i Yaveh; ka hatrany amin'ny taranaka fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'ny fikambanan'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: No one of illegitimate birth may enter the assembly of the LORD, nor may any of his descendants, even to the tenth generation.
3 ULB Ny Amonita sy Moabita dia tsy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh; ka hatrany amin'ny taranaka fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh izy ireo. BSB BSB: No Ammonite or Moabite or any of their descendants may enter the assembly of the LORD, even to the tenth generation.
4 ULB Izany dia satria tsy nitsena anareo tamin'ny mofo sy rano teny amin'ny lalana nivoahanareo avy tany Egypta izy ireo, ary satria nanakarama an'i Balama zanaka lahin'i Beora avy any Petora any Arama Naharaima hanoherana anao izy ireo, mba hanozona anao. BSB BSB: For they did not meet you with food and water on your way out of Egypt, and they hired Balaam son of Beor from Pethor in Aram-naharaim to curse you.
5 ULB Fa Yaveh Andriamanitrao dia tsy hihaino an'i Balama; fa kosa, navadik'i Yaveh ho fitahiana ho anao ilay ozona, satria tian'i Yaveh Andriamanitrao ianao. BSB BSB: Yet the LORD your God would not listen to Balaam, and the LORD your God turned the curse into a blessing for you, because the LORD your God loves you.
6 ULB Tsy tokony hitady ny fiadanana na fanambinan'izy ireo mihitsy ianao, mandritry ny androm-piainanao rehetra. BSB BSB: You are not to seek peace or prosperity from them as long as you live.
7 ULB Tsy tokony hankahala Edomita ianao, satria rahalahinao izy; tsy tokony hankahala Egyptiana ianao, satria vahiny tany amin'ny taniny ianao. BSB BSB: Do not despise an Edomite, for he is your brother. Do not despise an Egyptian, because you lived as a foreigner in his land.
8 ULB Ireo taranaka avy amin'ny taranaka fahatelo izay naterak'izy ireo dia mety ho anisan'ny fiangonan'i Yaveh. BSB BSB: The third generation of children born to them may enter the assembly of the LORD.
9 ULB Raha mandeha tahaka ny tafika manohitra an'ireo fahavalonao ianao, dia tokony hitandrina ny tenanao amin'ny zavatra ratsy rehetra. BSB BSB: When you are encamped against your enemies, then you shall keep yourself from every wicked thing.
10 ULB Raha misy lehilahy tsy madio noho izay nitranga taminy ny alina eo aminao, dia tokony hivoaka ao amin'ny tobin'ny tafika izy; tsy mahazo miverina ao amin'ny toby intsony izy. BSB BSB: If any man among you becomes unclean because of a nocturnal emission, he must leave the camp and stay outside.
11 ULB Rehefa tonga ny hariva, dia tokony hanasa ny tenany amin'ny rano izy; rehefa milentika ny masoandro, dia hiverina ao amin'ny toby izy. BSB BSB: When evening approaches, he must wash with water, and when the sun sets he may return to the camp.
12 ULB Tokony hanana toerana any ivelan'ny toby ihany koa ianao izay handehananao; BSB BSB: You must have a place outside the camp to go and relieve yourself.
13 ULB ary hanana zavatra ao amin'ny fitaovam-piasanao ianao mba handavahana; rehefa mitingitingina manao maloto ianao, dia tokony handavaka amin'izany ary avy eo mamerina ny tany ka manototra izay nivoaka avy tao aminao. BSB BSB: And you must have a digging tool in your equipment so that when you relieve yourself you can dig a hole and cover up your excrement.
14 ULB Satria i Yaveh Andriamanitrao dia mandeha eny afovoan'ny tobinao mba hanome fandresena ho anao sy hanolotra ireo fahavalonao aminao. Noho izany dia tokony ho masina ny tobinao, mba tsy hahitany zavatra tsy madio eo aminao ka hivadika aminao. BSB BSB: For the LORD your God walks throughout your camp to protect you and deliver your enemies to you. Your camp must be holy, lest He see anything unclean among you and turn away from you.
16 ULB Avelao izy hipetraka hiaraka aminao, na aiza na aiza tanàna fidiany. Aza ampahoriana izy. BSB BSB: Let him live among you wherever he chooses, in the town of his pleasing. Do not oppress him.
17 ULB Tsy tokony hisy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy eo amin'ireo zanaka vavin'Israely, na koa hisy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy eo amin'ireo zanaka lahin'Israely. BSB BSB: No daughter or son of Israel is to be a shrine prostitute.
18 ULB Ireo karaman'ny mpivaro-tena na karaman'alika dia tsy tokony entinao miditra ao an-tranon'i Yaveh Andriamanitrao mba hanatanterahana voady; satria samy fahavetavetana amin'i Yaveh Andriamanitrao ireo. BSB BSB: You must not bring the wages of a prostitute, whether female or male, into the house of the LORD your God to fulfill any vow, because both are detestable to the LORD your God.
19 ULB Tsy tokony haka tombony amin'ireo Israelita namanao ianao rehefa mampindrana—tombony amin'ny vola, tombony amin'ny sakafo, tombony amin'ny na inona na inona nampindramina hakàna tombony. BSB BSB: Do not charge your brother interest on money, food, or any other type of loan.
20 ULB Mety hampindrana hakàna tombony ianao amin'ny vahiny; fa amin'ireo Israelita namanao dia tsy tokony hampindrana hakàna tombony ianao, mba hitahian'i Yaveh anao amin'izay rehetra hametrahanao tanana, ao amin'ny tany izay ho lasa fanananao. BSB BSB: You may charge a foreigner interest, but not your brother, so that the LORD your God may bless you in everything to which you put your hand in the land that you are entering to possess.
21 ULB Rehefa manao voady amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, dia tsy tokony hiraikiraiky amin'ny fanatanterahana izany, satria azo antoka fa ho takian'i Yaveh Andriamanitrao aminao izany; ho fahotana ho anao ny tsy fanatanterahana izany. BSB BSB: If you make a vow to the LORD your God, do not be slow to keep it, because He will surely require it of you, and you will be guilty of sin.
22 ULB Fa raha hanindry fo ianao amin'ny fanaovana voady, dia tsy ho fahotana ho anao izany. BSB BSB: But if you refrain from making a vow, you will not be guilty of sin.
23 ULB Ny teny izay naloaky ny vavanao dia tandrovy ary tanteraho; arak'izay voady nataonao tamin'i Yaveh Andriamanitrao, na inona na inona nampanantenainao maimaimpoana tamin'ny vavanao. BSB BSB: Be careful to follow through on what comes from your lips, because you have freely vowed to the LORD your God with your own mouth.
24 ULB Rehefa mankany amin'ny tanim-boaloboky ny mpiara-belona aminao ianao, dia mety hihinana voaloboka maro araka izay irinao, fa aza manisy ao anaty haronao. BSB BSB: When you enter your neighbor’s vineyard, you may eat your fill of grapes, but you must not put any in your basket.
25 ULB Rehefa mandeha mankany amin'ny tanimbarin'ny mpiara-belona aminao ianao, dia mety hioty salohim-bary amin'ny tananao, fa aza ametrahana antsy fijinjàna ny salohim-barin'ny mpiara-belona aminao. BSB BSB: When you enter your neighbor’s grainfield, you may pluck the heads of grain with your hand, but you must not put a sickle to your neighbor’s grain.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.