1 ULB Raha misy lehilahy maka vady ka manambady azy, ary raha tsy mahita sitraka eo imasony ravehivavy satria nahita zavatra tsy nety taminy izy, dia tsy maintsy manoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana aminy izy, apetrao eo am-pelatanany izany ary roahy ao an-tranony izy. BSB BSB: If a man marries a woman, but she becomes displeasing to him because he finds some indecency in her, he may write her a certificate of divorce, hand it to her, and send her away from his house.
2 ULB Rehefa niala tao amin'ny tranony izy, dia afaka mandeha sy ho vadin'ny lehilahy hafa. BSB BSB: If, after leaving his house, she goes and becomes another man’s wife,
3 ULB Raha mankahala azy ilay vadiny faharoa ka hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana, dia apetraho eo am-pelatanany izany, ary roahy ao an-tranony izy; na raha maty ilay vadiny faharoa, ilay lehilahy izay naka azy ho vady— BSB BSB: and the second man hates her, writes her a certificate of divorce, hands it to her, and sends her away from his house, or if he dies,
4 ULB dia afaka tsy maka vady azy intsony ilay vadiny teo aloha, izay voalohany nandroaka azy, rehefa voaloto izy; satria ho fahavetavetana amin'i Yaveh izany. Aza manao izay mahatonga ny tany ho meloka ianao, dia ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lova. BSB BSB: then the husband who divorced her first may not remarry her after she has been defiled, for that is an abomination to the LORD. You must not bring sin upon the land that the LORD your God is giving you as an inheritance.
5 ULB Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy tokony handeha an'ady miaraka amin'ny tafika izy, na baikoina handeha hanao asa an-terivozona; ho afaka hipetraka ao ao an-tranony mandritry ny herin-taona ary hampifaly ny vadiny izay nampakariny izy. BSB BSB: If a man is newly married, he must not be sent to war or be pressed into any duty. For one year he is free to stay at home and bring joy to the wife he has married.
6 ULB Tsy misy lehilahy maka fikosoham-bary na ny vatony ambony ho antoka, satria izany dia maka ny ain'olona ho antoka. BSB BSB: Do not take a pair of millstones or even an upper millstone as security for a debt, because that would be taking one’s livelihood as security.
7 ULB Raha misy lehilahy tratra maka an-keriny ny iray amin'ireo rahalahiny izay eo amin'ny vahoakan' Israely, sy manao azy ho toy ny andevo ary hivarotra azy, dia tsy maintsy ho faty izany mpangalatra izany; ary hanafaka ny ratsy eo aminao ianao. BSB BSB: If a man is caught kidnapping one of his Israelite brothers, whether he treats him as a slave or sells him, the kidnapper must die. So you must purge the evil from among you.
8 ULB Mitandrema amin'ny areti-mandringan'ny habokana, mba hahafahanao manara-maso tsara sy manaraka ny toromarika rehetra izay nomena anareo sy izay nampianarin'ireo mpisorona, ireo Levita anareo; araka ny nandidiako azy ireo, ka ho arahinareo. BSB BSB: In cases of infectious skin diseases, be careful to diligently follow everything the Levitical priests instruct you. Be careful to do as I have commanded them.
9 ULB Tsarovy ny nataon'i Yaveh Andriamanitrao tamin'i Miriama rehefa avy tany Egypta ianareo. BSB BSB: Remember what the LORD your God did to Miriam on the journey after you came out of Egypt.
10 ULB Rehefa mampisambo-javatra ny mpiara-belona aminao ianao, dia aza miditra ao an-tranony mba haka ny antokany. BSB BSB: When you lend anything to your neighbor, do not enter his house to collect security.
11 ULB Hijoro ao ivelany ianao, ary ilay lehilahy izay nampindraminao dia hitondra ilay antoka hivoaka eo aminao. BSB BSB: You are to stand outside while the man to whom you are lending brings the security out to you.
13 ULB Fa tsy maintsy averinao any aminy ilay antoka amin'ny fotoana hilentehan'ny masoandro, mba hahafahany matory ao anaty lambany ary hitahiany anao; ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao izany. BSB BSB: be sure to return it to him by sunset, so that he may sleep in his own cloak and bless you, and this will be credited to you as righteousness before the LORD your God.
14 ULB Aza mampahory ny mpanompo nokaramaina izay mahantra sy ao anatin'ny tsy fahampiana, na zanak'ireo Israelita namanao, na ireo vahiny izay ao amin'ny tany izay ao am-bavahadin'ny tanànanao; BSB BSB: Do not oppress a hired hand who is poor and needy, whether he is a brother or a foreigner residing in one of your towns.
15 ULB omeo azy isan'andro ny karamany; aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany, satria mahantra izy ary miandrandra izany. Ataovy izany mba tsy hitarainany any amin'i Yaveh ny aminao, ary mba tsy ho fahotana ho anao izany. BSB BSB: You are to pay his wages each day before sunset, because he is poor and depends on them. Otherwise he may cry out to the LORD against you, and you will be guilty of sin.
16 ULB Ny ray aman-dreny dia tsy tokony ho vonoina noho ireo zanany, na ny zanaka ho vonoina noho ireo ray aman-dreniny. Fa kosa, ny tsirairay avy dia tsy maintsy vonoina nohon'ny fahotany manokana. BSB BSB: Fathers shall not be put to death for their children, nor children for their fathers; each is to die for his own sin.
17 ULB Tsy tokony hampiasa hery ianao mba hanalana ny rariny amin'ny vahiny na ny kamboty, na haka ny lamban'ny mpitondratena ho antoka. BSB BSB: Do not deny justice to the foreigner or the fatherless, and do not take a widow’s cloak as security.
18 ULB Fa kosa, tsarovy fa ianao dia andevo tany Egypta, ary Yaveh Andriamanitrao no namonjy anao tany. Noho izany mananatra anao hankatoa izany didy izany aho. BSB BSB: Remember that you were slaves in Egypt, and the LORD your God redeemed you from that place. Therefore I am commanding you to do this.
19 ULB Raha mijinja ny vokatrao any amin'ny sahanao ianao, ary raha nanadino amboara iray tany an-tsaha, dia aza miverina maka izany; avelao ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty ary ho an'ny mpitondratena izany, mba hitahian'i Yaveh Andiamanitrao anao amn'ny asan'ny tananao rehetra. BSB BSB: If you are harvesting in your field and forget a sheaf there, do not go back to get it. It is to be left for the foreigner, the fatherless, and the widow, so that the LORD your God may bless you in all the work of your hands.
20 ULB Rehefa manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza mamerina mitsimpona ireo eny amin'ny sampany intsony; ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena izany. BSB BSB: When you beat the olives from your trees, you must not go over the branches again. What remains will be for the foreigner, the fatherless, and the widow.
21 ULB Rehefa manangona ny voaloboka eny amin'ny tanim-boalobokao ianao, dia aza mitsimpona izany intsony. Fa izay sisa tavela dia ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena. BSB BSB: When you gather the grapes of your vineyard, you must not go over the vines again. What remains will be for the foreigner, the fatherless, and the widow.
22 ULB Tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; noho izany mananatra anao hankato izany didy izany aho. BSB BSB: Remember that you were slaves in the land of Egypt. Therefore I am commanding you to do this.
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.