1 ULB Raha misy fifamaliana eo amin'ireo lehilahy ka mankany amin'ny fitsarana izy ireo, ary tsarain'ireo mpitsara izy ireo, dia ho afahan'izy ireo madiodio ilay marina ary ho melohina ilay ratsy fanahy. BSB BSB: If there is a dispute between men, they are to go to court to be judged, so that the innocent may be acquitted and the guilty condemned.
2 ULB Raha mendrika ny ho kapohina ilay meloka, dia ho ampandrian'ilay mpitsara izy ary ho kapohina eo anatrehany miaraka amin'ny isan'ny kapoka voatondro, araka ny helony. BSB BSB: If the guilty man deserves to be beaten, the judge shall have him lie down and be flogged in his presence with the number of lashes his crime warrants.
3 ULB Mety hanome kapoka efa-polo azy ny mpitsara, saingy tsy afaka mihoatra an'io isa io izy; satria raha manome mihoatra io isa io izy ka mikapoka azy bebe kokoa, dia ho afa-baraka eo imasonareo ireo Israelita namanareo. BSB BSB: He may receive no more than forty lashes, lest your brother be beaten any more than that and be degraded in your sight.
4 ULB Aza manakombona ny vavan'ny omby rehefa mively vary izy. BSB BSB: Do not muzzle an ox while it is treading out the grain.
5 ULB Raha misy mpirahalahy miara-mipetraka ary maty ny iray amin'izy ireo, ka tsy nanan-janaka lahy, dia tsy mahazo manambady olona ivelan'ny fianakaviana ny vadin'ilay lehilahy maty. Fa kosa, tsy maintsy miara-mandry aminy ny zaodahiny ka maka vady azy, ary manao ny adidy amin'ny maha-zaodahy azy. BSB BSB: When brothers dwell together and one of them dies without a son, the widow must not marry outside the family. Her husband’s brother is to take her as his wife and fulfill the duty of a brother-in-law for her.
6 ULB Izany dia mba hahombiazan'ilay teraka voalohany izay nentiny tao an-kibony amin'ny anaran'ilay rahalahin'io lehilahy io izay maty, mba tsy ho levona ao Israely ny anarany. BSB BSB: The first son she bears will carry on the name of the dead brother, so that his name will not be blotted out from Israel.
7 ULB Fa raha tsy manam-paniriana ny haka ny vadin'ny rahalahiny ho azy ilay lehilahy, dia tsy maintsy mankany amin'ny vavahady any amin'ireo loholona ny vadin'ny rahalahiny ary miteny hoe: 'Ny zaodahiko dia mandà ny hanome anarana ho an'ny rahalahiny eto Israely; tsy hanao ny adidin'ny zaodahy amiko izy.' BSB BSB: But if the man does not want to marry his brother’s widow, she is to go to the elders at the city gate and say, “My husband’s brother refuses to preserve his brother’s name in Israel. He is not willing to perform the duty of a brother-in-law for me.”
8 ULB Avy eo ireo loholona eo an-tanànany tsy maintsy miantso azy ary hiresaka aminy. Fa raha atao hoe mihizingizina izy ary miteny hoe: 'Tsy manam-paniriana haka azy aho.' BSB BSB: Then the elders of his city shall summon him and speak with him. If he persists and says, “I do not want to marry her,”
9 ULB Avy eo ny zaodahiny tsy maintsy manatona azy eo anatrehan'ireo loholona, manala ny kapa eny an-tongony, ary mandrora eny amin'ny tarehiny. Tsy maintsy mamaly azy izy ary miteny hoe: 'Toy izany no atao amin'ny lehilahy izay tsy manorina ny tranon'ny rahalahiny.' BSB BSB: his brother’s widow shall go up to him in the presence of the elders, remove his sandal, spit in his face, and declare, “This is what is done to the man who will not maintain his brother’s line.”
10 ULB Ny anarany dia ho antsoina ao Israely hoe: 'Ny tranon'ilay nesorina ny kapany.' BSB BSB: And his family name in Israel will be called “The House of the Unsandaled.”
11 ULB Raha miady ireo lehilahy, ary tonga ny vadin'ny iray mba hanavotra ny vadiny eny an-tanan'izay namely azy, ary raha maninjitra ny tanany ka mandray azy any amin'ny filahiny izy, BSB BSB: If two men are fighting, and the wife of one comes to rescue her husband from the one striking him, and she reaches out her hand and grabs his genitals,
12 ULB dia tsy maintsy tapahinao ny tanany; tsy tokony hanana famindram-po ny masonao. BSB BSB: you are to cut off her hand. You must show her no pity.
13 ULB Tsy tokony hanana vatomizana samihafa ianao ao anaty kitaponao, ilay kely sy lehibe. BSB BSB: You shall not have two differing weights in your bag, one heavy and one light.
14 ULB Tsy tokony hanana fandrefesana samihafa ianao ao an-tranonao, ilay kely sy lehibe. BSB BSB: You shall not have two differing measures in your house, one large and one small.
15 ULB Vatomizana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao; fandrefesana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao, mba ho lava ny andronao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao. BSB BSB: You must maintain accurate and honest weights and measures, so that you may live long in the land that the LORD your God is giving you.
16 ULB Fa ireo rehetra izay manao zavatra toy izany, ny rehetra izay manao fihetsika tsy am-pahamarinana, dia fahavetavetana eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao. BSB BSB: For everyone who behaves dishonestly in regard to these things is detestable to the LORD your God.
17 ULB Tadidio izay nataon'i Amalekita anao teny an-dalana raha nivoaka an'i Egypta ianareo, BSB BSB: Remember what the Amalekites did to you along your way from Egypt,
18 ULB ny fomba nihaonany taminao teny an-dalana sy ny nanafihany ny sasany taminao avy tao aoriana, ireo rehetra izay osa taorianao, rehefa reraka sy sasatra ianao; tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy. BSB BSB: how they met you on your journey when you were tired and weary, and they attacked all your stragglers; they had no fear of God.
19 ULB Noho izany, rehefa nomen'i Yaveh Andriamanitrao fitsaharana tamin'ireo fahavalo nanodidina anao ianao, tao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao mba ho lova, dia tsy tokony hadinoinao fa tsy maintsy mamono ny fahatsiarovana an'ireo Amelekita eo ambany lanitra ianao. BSB BSB: When the LORD your God gives you rest from the enemies around you in the land that He is giving you to possess as an inheritance, you are to blot out the memory of Amalek from under heaven. Do not forget!
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.