1 ULB Raha mihaino tsara ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao ary mitandrina ireo didiny rehetra izay handidiako anao androany, dia hametraka anao ambonin'ny firenena hafa rehetra eto an-tany Yaveh Andriamanitrao. BSB BSB: “Now if you faithfully obey the voice of the LORD your God and are careful to follow all His commandments I am giving you today, the LORD your God will set you high above all the nations of the earth.
2 ULB Ireo fitahiana rehetra ireo dia ho tonga aminao ary hahatratra anao, raha mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao. BSB BSB: And all these blessings will come upon you and overtake you, if you will obey the voice of the LORD your God:
3 ULB Ho tahiana ianao ao an-tanàna, ary ho tahiana ianao any an-tsaha. BSB BSB: You will be blessed in the city and blessed in the country.
4 ULB Ho tahiana izay naterakao, sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanak'ireo bibinao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao. BSB BSB: The fruit of your womb will be blessed, as well as the produce of your land and the offspring of your livestock—the calves of your herds and the lambs of your flocks.
5 ULB Ho tahiana ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao. BSB BSB: Your basket and kneading bowl will be blessed.
6 ULB Ho tahiana ianao raha miditra, ary ho tahiana ianao raha mivoaka. BSB BSB: You will be blessed when you come in and blessed when you go out.
7 ULB Hahatonga ireo fahavalonao izay mitsangana manohitra anao ho resy eo anoloanao Yaveh; hivoaka hanohitra anao amin'ny lalana iray izy ireo nefa handositra eo anoloanao amin'ny lalana fito. BSB BSB: The LORD will cause the enemies who rise up against you to be defeated before you. They will march out against you in one direction but flee from you in seven.
8 ULB Handidy ny fitahiana ho tonga aminao ao amin'ireo sompitrao sy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao Yaveh; hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao Izy. BSB BSB: The LORD will decree a blessing on your barns and on everything to which you put your hand; the LORD your God will bless you in the land He is giving you.
9 ULB Hanorina anao tahaka ny vahoaka izay voatokana ho Azy Yaveh, tahaka ny efa nianianany taminao, raha mitandrina ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mandeha amin'ny lalany. BSB BSB: The LORD will establish you as His holy people, just as He has sworn to you, if you keep the commandments of the LORD your God and walk in His ways.
10 ULB Ireo vahoaka rehetra eto an-tany hahita fa ianao dia nantsoina tamin'ny anaran'i Yaveh, ary hatahotra anao izy ireo. BSB BSB: Then all the peoples of the earth will see that you are called by the name of the LORD, and they will stand in awe of you.
11 ULB Hanao anao ho mpanan-karem-be amin'ny zanakao, amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, amin'ny tany izay nianianany tamin'ireo razanao homena anao Yaveh. BSB BSB: The LORD will make you prosper abundantly—in the fruit of your womb, the offspring of your livestock, and the produce of your land—in the land that the LORD swore to your fathers to give you.
12 ULB Hanokatra ho anao ny trano fitehirizany any an-danitra mba hanome orana ho an'ny taninao amin'ny fotoany, sy mba hitahy ny asan'ny tananao rehetra i Yaveh; hampisambotra ny firenena maro ianao, fa tsy hisambotra. BSB BSB: The LORD will open the heavens, His abundant storehouse, to send rain on your land in season and to bless all the work of your hands. You will lend to many nations, but borrow from none.
13 ULB Hanao anao ho lohany, ary tsy ho rambony i Yaveh; ho ambony ihany ianao, fa tsy ho ambany mihitsy, raha mihaino ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao izay handidiako anareo androany, ary mitandrina sy manao ireo, BSB BSB: The LORD will make you the head and not the tail; you will only move upward and never downward, if you hear and carefully follow the commandments of the LORD your God, which I am giving you today.
14 ULB ary raha tsy mivily amin'ny iray amin'ireo teny izay handidiako anao androany ireo ianao, amin'ny havanana na amin'ny havia, ary manaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo azy ireo. BSB BSB: Do not turn aside to the right or to the left from any of the words I command you today, and do not go after other gods to serve them.
15 ULB Fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mitandrina ireo didiny sy ireo lalàny rehetra izay handidiako anao androany, dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ary hahatratra anao. BSB BSB: If, however, you do not obey the LORD your God by carefully following all His commandments and statutes I am giving you today, all these curses will come upon you and overtake you:
16 ULB Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha. BSB BSB: You will be cursed in the city and cursed in the country.
17 ULB Hozonina ny ao amin'ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao. BSB BSB: Your basket and kneading bowl will be cursed.
18 ULB Hozonina izay naterakao, ny vokatry ny taninao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao. BSB BSB: The fruit of your womb will be cursed, as well as the produce of your land, the calves of your herds, and the lambs of your flocks.
19 ULB Hozonina ianao raha miditra, ary hozonina ianao raha mivoaka. BSB BSB: You will be cursed when you come in and cursed when you go out.
20 ULB Yaveh handefa aminao ireo ozona, fisafotofotoana, ary ireo fitenenana mafy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao, mandra-paharinganao, ary mandra-pahafatinao haingana noho ireo asa ratsinao izay hahafoizanao Ahy. BSB BSB: The LORD will send curses upon you, confusion and reproof in all to which you put your hand, until you are destroyed and quickly perish because of the wickedness you have committed in forsaking Him.
21 ULB Hampifikitra ny areti-mandringana aminao mandra-pandringanany anao amin'ny tany izay ho azonao i Yaveh. BSB BSB: The LORD will make the plague cling to you until He has exterminated you from the land that you are entering to possess.
22 ULB Hamely anao amin'ireo areti-mifindra, amin'ny tazo, amin'ny fanaintainana, ary amin'ny hafanana main-tany sy mandoro, ary amin'ny rivotra mahamay sy maty fotsy i Yaveh. Hanenjika anao mandra-pahafatinao ireo. BSB BSB: The LORD will strike you with wasting disease, with fever and inflammation, with scorching heat and drought, and with blight and mildew; these will pursue you until you perish.
23 ULB Ny lanitrao izay ambonin'ny lohanao dia ho varahina, ary ny tany izay ambaninao dia ho vy. BSB BSB: The sky over your head will be bronze, and the earth beneath you iron.
24 ULB Hanao ny oran'ny taninao ho fasika sy vovoka i Yaveh; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao, mandra-paharinganao. BSB BSB: The LORD will turn the rain of your land into dust and powder; it will descend on you from the sky until you are destroyed.
25 ULB Hahatonga anao ho resy eo anoloan'ireo fahavalonao i Yaveh; hivoaka amin'ny lalana iray hanohitra azy ireo ianao nefa handositra eo anoloan'izy ireo amin'ny lalana fito. Hisamboaravoara etsy sy eroa ao amin'ireo fanjakan'ny tany rehetra ianao. BSB BSB: The LORD will cause you to be defeated before your enemies. You will march out against them in one direction but flee from them in seven. You will be an object of horror to all the kingdoms of the earth.
26 ULB Ny fatinao dia ho sakafon'ireo vorona avy eny an-anitra rehetra sy ho an'ireo bibin'ny tany; tsy hisy na iza na iza hampitahotra ireo. BSB BSB: Your corpses will be food for all the birds of the air and beasts of the earth, with no one to scare them away.
27 ULB Yaveh hamely anao amin'ireo vain'i Egypta sy amin'ireo fery, fahabokana, ary hidihidy, ary tsy ho sitrana amin'izany ianao. BSB BSB: The LORD will afflict you with the boils of Egypt, with tumors and scabs and itch from which you cannot be cured.
28 ULB Yaveh hamely anao amin'ny fahaverezan-tsaina, amin'ny fahajambana, ary amin'ny fikorotanan-tsaina. BSB BSB: The LORD will afflict you with madness, blindness, and confusion of mind,
29 ULB Hitsapatsapa amin'ny atoandro toy ny jamba mitsapatsapa anaty aizina ianao, ary tsy hambinina amin'ireo lalanao ianao; hampahoriana sy ho robaina foana ianao, ary tsy hisy na iza na iza hamonjy anao. BSB BSB: and at noon you will grope about like a blind man in the darkness. You will not prosper in your ways. Day after day you will be oppressed and plundered, with no one to save you.
30 ULB Ho lasa mpifamofo amin'ny vehivavy ianao, nefa ny lehilahy hafa hisambotra azy ary hanolana azy. Hanamboatra trano ianao nefa tsy hipetraka ao amin'izany; hanao tanim-boaloka ianao nefa tsy hisitraka ny vokatr'izany. BSB BSB: You will be pledged in marriage to a woman, but another man will violate her. You will build a house but will not live in it. You will plant a vineyard but will not enjoy its fruit.
31 ULB Ho vonoina eo anoloan'ny masonao ny ombinao, nefa tsy hihinana ny henan'izany ianao; halaina an-keriny eo anoloan'ny masonao ny borikinao ary tsy haverina aminao. Homena ireo fahavalonao ny ondrinao, ary tsy hanana na iza na iza hanampy anao ianao. BSB BSB: Your ox will be slaughtered before your eyes, but you will not eat any of it. Your donkey will be taken away and not returned to you. Your flock will be given to your enemies, and no one will save you.
32 ULB Ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy dia homena ireo olon-kafa; hitady azy ireo tontolo andro ireo masonao, nefa tsy hahavita miandry azy ireo. Tsy hisy hery eo an-tananao. BSB BSB: Your sons and daughters will be given to another nation, while your eyes grow weary looking for them day after day, with no power in your hand.
33 ULB Ny vokatry ny taninao sy ny asanao rehetra— firenena izay tsy fantatrao no hihinana izany; hampahoriana sy ho potehina mandrakariva ianao, BSB BSB: A people you do not know will eat the produce of your land and of all your toil. All your days you will be oppressed and crushed.
34 ULB mba hahatonga anao ho very saina noho izay zava-mitranga hitanao. BSB BSB: You will be driven mad by the sights you see.
35 ULB Yaveh hamely anao amin'ny vay mahery eo amin'ny lohalika sy tongotra ary tsy ho sitrana amin'izany ianao, hatrany amin'ny faladianao ka hatrany amin'ny tampon-dohanao. BSB BSB: The LORD will afflict you with painful, incurable boils on your knees and thighs, from the soles of your feet to the top of your head.
36 ULB Yaveh hitondra anao sy ny mpanjaka izay hapetrakao ho an'ny tenanao ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao; hanompo ireo andriamanin-kafa hazo sy vato ao ianao. BSB BSB: The LORD will bring you and the king you appoint to a nation neither you nor your fathers have known, and there you will worship other gods—gods of wood and stone.
37 ULB Ho lasa loharanon'ny horohoro, ohabolana, ary oha-pitenenenana, eo amin'ireo vahoaka rehetra izay handroahan'i Yaveh anao ianao. BSB BSB: You will become an object of horror, scorn, and ridicule among all the nations to which the LORD will drive you.
38 ULB Hamboly voa betsaka eo an-tsaha ianao, kanefa voa kely no ho hangoninao ao, satria ireo valala dia handany izany. BSB BSB: You will sow much seed in the field but harvest little, because the locusts will consume it.
39 ULB Hanao tanim-boaloboka ianao ary hamboly amin'ireo, nefa tsy mba hisotro amin'ny divay, na hanangona ireo voaloboka akory, satria ireo kankana no hihinana ireo. BSB BSB: You will plant and cultivate vineyards, but will neither drink the wine nor gather the grapes, because worms will eat them.
40 ULB Hanana hazon'oliva ao anatin'ny faritaninao rehetra ianao, nefa tsy hanosotra ny menaka amin'ny tenanao, satria ireo hazon'olivanao hanintsana ireo voany. BSB BSB: You will have olive trees throughout your territory but will never anoint yourself with oil, because the olives will drop off.
41 ULB Hanan-janaka lahy sy zanaka vavy ianao, nefa tsy hijanona ho anao izy ireo, fa ho lasa any amin'ny fahababoana. BSB BSB: You will father sons and daughters, but they will not remain yours, because they will go into captivity.
42 ULB Ireo hazonao rehetra ary ny vokatry ny taninao— ireo valala no handany izany. BSB BSB: Swarms of locusts will consume all your trees and the produce of your land.
43 ULB Ny vahiny izay eo aminao dia hisandratra avo dia avo amboninao; ianao tenanao dia hidina ambany dia ambany. BSB BSB: The foreigner living among you will rise higher and higher above you, while you sink down lower and lower.
44 ULB Hampisambotra anao izy, nefa ianao tsy hampisambotra azy; ho lohany izy, fa ianao kosa ho rambony. BSB BSB: He will lend to you, but you will not lend to him. He will be the head, and you will be the tail.
45 ULB Ireo ozona rehetra ireo dia ho tonga aminao sy hanenjika ary hahatratra anao mandra-paharingana anao. Hitranga izany satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary tsy nitandrina ireo didiny sy ireo fitsipiny izay nandidiany anao. BSB BSB: All these curses will come upon you. They will pursue you and overtake you until you are destroyed, since you did not obey the LORD your God and keep the commandments and statutes He gave you.
46 ULB Ireo ozona ireo ho aminao ho famantarana sy fahagagana, ary ho amin'ny taranakao mandrakizay. BSB BSB: These curses will be a sign and a wonder upon you and your descendants forever.
47 ULB Satria ianao tsy nanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tamim-kafaliana sy fifalian'ny fo rehefa tao anatin'ny fanambinana ianao, BSB BSB: Because you did not serve the LORD your God with joy and gladness of heart in all your abundance,
48 ULB noho izany dia hanompo an'ireo fahavalo izay halefan'Andriamanitra hanohitra anao ianao; hanompo azy ireo amin'ny hanoanana, amin'ny hetaheta, amim-pitanjahana, ary amim-pahantrana ianao. Hametraka zioga vy eo am-bozonao mandra-pandringanany anao izy. BSB BSB: you will serve your enemies the LORD will send against you in famine, thirst, nakedness, and destitution. He will place an iron yoke on your neck until He has destroyed you.
49 ULB Yaveh dia hitondra firenena hanohitra anao avy lavitra, avy any amin'ny faran'ny tany, tahaka ny voromahery manidina ho amin'ny hazany, firenena izay tsy azonao ny fiteniny; BSB BSB: The LORD will bring a nation from afar, from the ends of the earth, to swoop down upon you like an eagle—a nation whose language you will not understand,
50 ULB firenena masiaka endrika izay tsy manaja ny zokiolona ary tsy maneho sitraka an'ireo tanora. BSB BSB: a ruthless nation with no respect for the old and no pity for the young.
51 ULB Hihinana ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharingana anao izy ireo. Tsy hamela voa ho anare, divay vaovao, na diloilo, ny zanaky ny biby fiompinao na ny an'ny ondry aman'osinao izy ireo, mandra-pahafatiny anao. BSB BSB: They will eat the offspring of your livestock and the produce of your land until you are destroyed. They will leave you no grain or new wine or oil, no calves of your herds or lambs of your flocks, until they have caused you to perish.
52 ULB Hanao fahirano anao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy ireo, mandra-pianjeran'ireo rindrinao avo sy mafy rehetra ao an-tanànanao, ireo rindrina izay nitokisanao. Hanao fahirano anao ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao rehetra manerana ny tany rehetra izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao izy ireo. BSB BSB: They will besiege all the cities throughout your land, until the high and fortified walls in which you trust have fallen. They will besiege all your cities throughout the land that the LORD your God has given you.
53 ULB Hihinana ny vokatry ny vatanao ihany, ny nofon'ireo zanakao lahy sy ny an'ireo zanakao vavy, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, eo amin'ny fahirano sy eo amin'ny fahoriana izay ho ataon'ireo fahavalonao eo aminao. BSB BSB: Then you will eat the fruit of your womb, the flesh of the sons and daughters whom the LORD your God has given you, in the siege and distress that your enemy will inflict on you.
54 ULB Ny lehilahy izay marefo sy tena malefaka eo aminareo—dia hialona ny rahalahiny sy ny vady malalany, ary ireo zanaka rehetra nilaozany izy. BSB BSB: The most gentle and refined man among you will begrudge his brother, the wife he embraces, and the rest of his children who have survived,
55 ULB Ka tsy hanome na amin'ny iray amin'izy ireo ny nofon'ny zanany izay ho haniny izy, satria tsy hanana na inona na inona tavela ho an'ny tenany amin'ny fahirano sy amin'ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy. BSB BSB: refusing to share with any of them the flesh of his children he will eat because he has nothing left in the siege and distress that your enemy will inflict on you within all your gates.
56 ULB Ny vehivavy marefo sy malefaka eo aminao, izay tsy sahy mametraka ny faladian-tongony amin'ny tany nohon'ny faharefoana sy fahalefahana— dia hialona ny vady malalany ihany izy, ny zanany lahy, sy ny zanany vavy, BSB BSB: The most gentle and refined woman among you, so gentle and refined she would not venture to set the sole of her foot on the ground, will begrudge the husband she embraces and her son and daughter
57 ULB ary ny zanany vao teraka izay mivoaka avy ao anelanelan'ny tongony, sy ireo zanaka izay haterany. Hihinana azy ireo mangingina izy nohon'ny tsy fisian-javatra hafa, mandritra ny fahirano sy ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao. BSB BSB: the afterbirth that comes from between her legs and the children she bears, because she will secretly eat them for lack of anything else in the siege and distress that your enemy will inflict on you within your gates.
58 ULB Raha tsy mitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izay voasoratra ao amin'ity boky ity izao ianao, ary tsy manaja ity anarana be voninahitra sy mampahatahotra ity, Yaveh Andriamanitrao, BSB BSB: If you are not careful to observe all the words of this law which are written in this book, that you may fear this glorious and awesome name—the LORD your God—
59 ULB dia ho ataon'i Yaveh mahatsiravina ny areti-mandringanao, sy ny an'ireo taranakao; ho areti-mandoza ireo, izay maharitra ela, ary aretina mahery, maharitra ela. BSB BSB: He will bring upon you and your descendants extraordinary disasters, severe and lasting plagues, and terrible and chronic sicknesses.
60 ULB Ho entiny aminao indray ireo aretin'i Egypta rehetra izay natahoranao; hifikitra aminao ireo. BSB BSB: He will afflict you again with all the diseases you dreaded in Egypt, and they will cling to you.
61 ULB Ny aretina sy ny areti-mandringana rehetra izay tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ity lalàna ity ihany koa, ireo ihany koa dia ho entin'i Yaveh aminao mandra-paharingana anao. BSB BSB: The LORD will also bring upon you every sickness and plague not recorded in this Book of the Law, until you are destroyed.
62 ULB Avela ho kely an'isa ianareo, na dia tahaka ireo kintan'ny lanitra aza ny isanareo, satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. BSB BSB: You who were as numerous as the stars in the sky will be left few in number, because you would not obey the voice of the LORD your God.
63 ULB Tahaka ny nifalian'i Yaveh taminareo tany taloha tamin'ny fanaovana ny tsara ho anareo, sy tamin'ny fampitomboana anareo, no hifaliany aminareo amin'ny famonoana anareo sy amin'ny fandringanana anareo. Hongotana amin'ny tany izay andehananao mba hatao fananana ianareo. BSB BSB: Just as it pleased the LORD to make you prosper and multiply, so also it will please Him to annihilate you and destroy you. And you will be uprooted from the land you are entering to possess.
64 ULB Yaveh dia hampiely anao eo amin'ireo vahoaka rehetra eny amin'ny faran'ny tany iray ka hatrany amin'ny farany hafan'ny tany; any ianao dia hanompo ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao, ireo andriamanitra hazo sy vato. BSB BSB: Then the LORD will scatter you among all the nations, from one end of the earth to the other, and there you will worship other gods, gods of wood and stone, which neither you nor your fathers have known.
65 ULB Any amin'ireo firenena ireo dia tsy hahita fitoniana ianao, ary tsy hisy fitsaharana ho an'ireo faladian-tongotrao; fa kosa, homen'i Yaveh fo tora-kovitra, maso mitanondrika, ary fanahy izay malahelo ianao any. BSB BSB: Among those nations you will find no repose, not even a resting place for the sole of your foot. There the LORD will give you a trembling heart, failing eyes, and a despairing soul.
66 ULB Hihantona amin'ny ahiahy eo anatrehanao ny fiainanao; hatahotra isan-kalina sy isan'andro ianao ary tsy hahazo antoka ny fiainanao akory. BSB BSB: So your life will hang in doubt before you, and you will be afraid night and day, never certain of survival.
67 ULB Amin'ny maraina dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho hariva izao!' ary amin'ny hariva dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho maraina izao!' nohon'ny tahotra ao am-ponao sy ireo zavatra izay ho hitan'ireo masonao. BSB BSB: In the morning you will say, ‘If only it were evening!’ and in the evening you will say, ‘If only it were morning!’—because of the dread in your hearts of the terrifying sights you will see.
68 ULB Yaveh hitondra anao indray any Egypta amin'ny sambo, amin'ny lalana izay nolazaiko taminao hoe: 'Tsy hahita an'i Egypta intsony ianao.' Hanolotra ny tenanareo ho varotra any amin'ireo fahavalonareo toy ny mpanompo lahy sy vavy ianareo, nefa tsy hisy na iza na iza hividy anareo." BSB BSB: The LORD will return you to Egypt in ships by a route that I said you should never see again. There you will sell yourselves to your enemies as male and female slaves, but no one will buy you.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.