1 ULB Ireto ny teny izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ho lazaina amin'ny vahoakan'Israely tany amin'ny tany Moaba, teny izay nanampiana ny fanekena izay nataony tamin'izy ireo tao Horeba. BSB BSB: These are the words of the covenant that the LORD commanded Moses to make with the Israelites in the land of Moab, in addition to the covenant He had made with them at Horeb.
2 ULB Nantsoin'i Mosesy ny vahoakan'Israely rehetra ka hoy izy tamin'izy ireo: "Efa hitanareo izay rehetra nataon'i Yaveh tamin'i Farao teo anoloan'ny masonao tany amin'ny tany Egypta, dia tamin'ireo mpanompony rahetra, sy tamin'ny taniny rehetra— BSB BSB: Moses summoned all Israel and proclaimed to them, “You have seen with your own eyes everything the LORD did in Egypt to Pharaoh, to all his officials, and to all his land.
3 ULB ireo fahoriana lehibe izay hitan'ny masonao, ireo famantarana, ary ireo fahagagana lehibe. BSB BSB: You saw with your own eyes the great trials, and those miraculous signs and wonders.
4 ULB Fa hatramin'ny anio dia tsy nanome fo hahafantarana, maso hahitana, sofina handrenesana ho anareo Yaveh. BSB BSB: Yet to this day the LORD has not given you a mind to understand, eyes to see, or ears to hear.
5 ULB Efapolo taona no nitondrako anareo tany an'efitra, tsy niala taminareo ny akanjonareo, ary tsy niala teo an-tongotrao ny kapanao. BSB BSB: For forty years I led you in the wilderness, yet your clothes and sandals did not wear out.
6 ULB Tsy nihinana mofo ianareo, tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa, mba hahafantaranareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. BSB BSB: You ate no bread and drank no wine or strong drink, so that you might know that I am the LORD your God.
7 ULB Raha tonga tamin'ity toerana ity ianareo, dia nivoaka mba hiady amintsika, i Sihona, ilay mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, ilay mpanjakan'i Basana, dia lavontsika izy ireo. BSB BSB: When you reached this place, Sihon king of Heshbon and Og king of Bashan came out against us in battle, but we defeated them.
8 ULB Nalaintsika ireo taniny ary nomentsika ho lovan'ireo Robenita, sy Gadita, ary ho an'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase izany. BSB BSB: We took their land and gave it as an inheritance to the Reubenites, the Gadites, and the half-tribe of Manasseh.
9 ULB Noho izany tandremo ireo tenin'ity fanekena ity ary ataovy izany, mba ho hambinina amin'izay rehetra hataonareo anie ianareo. BSB BSB: So keep and follow the words of this covenant, that you may prosper in all you do.
10 ULB Mijoro ianareo androany, ianareo rehetra, eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo; ireo lehibenareo, ireo fokonareo, ireo loholonareo, ary ireo manam-boninahitrareo—ireo lehilahin'i Israely rehetra, BSB BSB: All of you are standing today before the LORD your God—you leaders of tribes, elders, officials, and all the men of Israel,
11 ULB ireo zaza madinikareo, ireo vadinareo, ary ny vahiny izay ao aminao ao amin'ny tobinao, na izay manapaka ny hazonao hatramin'izay mantsaka ny ranonao. BSB BSB: your children and wives, and the foreigners in your camps who cut your wood and draw your water—
12 ULB Tonga eto ianao mba hiditra amin'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrao sy amin'ny fianianana izay hataon'i Yaveh Andriamanitrao aminao ani, BSB BSB: so that you may enter into the covenant of the LORD your God, which He is making with you today, and into His oath,
13 ULB ka hahatonga anao ho vahoakany Izy, ary Izy ho Andriamanitrao, arak'izay nolazainy taminao, sy arak'izay nianianany tamin'ny razanao, tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba. BSB BSB: and so that He may establish you today as His people, and He may be your God as He promised you and as He swore to your fathers, to Abraham, Isaac, and Jacob.
14 ULB Fa tsy aminareo ihany no hanaovako izao fanekena sy fianianana izao— BSB BSB: I am making this covenant and this oath not only with you,
15 ULB dia amin'izay rehetra mitsangana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitsika miaraka amintsika eto anio—fa amin'ireo izay tsy miaraka amitsika eto anio ihany ko. BSB BSB: but also with those who are standing here with us today in the presence of the LORD our God, as well as with those who are not here today.
16 ULB Fantatrareo ny fomba niainantsika tany amin'ny tany Egypta, ary ny fomba namakivakisantsika ireo firenena izay nolalovanareo. BSB BSB: For you yourselves know how we lived in the land of Egypt and how we passed through the nations on the way here.
17 ULB Efa hitananareo ireo zava-maharikorikon'izy ireo: dia ireo sampy hazo sy ireo sampy vatony, volafotsy sy volamena, izay teo amin'izy ireo. BSB BSB: You saw the abominations and idols among them made of wood and stone, of silver and gold.
18 ULB Aoka tsy hisy eo aminareo na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko izay mivily miala amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fony anio, ka handeha hanompo ny andriamanitr'ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy faka mamokatra zava-mangidy sy zava-mahafaty eo aminareo. BSB BSB: Make sure there is no man or woman, clan or tribe among you today whose heart turns away from the LORD our God to go and worship the gods of those nations. Make sure there is no root among you that bears such poisonous and bitter fruit,
19 ULB Koa raha ren'izany olona izany ireo tenin'ity fanozonana ity, dia hitso-drano ny tenany ao am-pony izy ka hanao hoe: 'Hanam-piadanana aho, na dia mandeha araka ny ditran'ny foko aza.' Izany dia haharingana ny lena miaraka amin'ny maina. BSB BSB: because when such a person hears the words of this oath, he invokes a blessing on himself, saying, ‘I will have peace, even though I walk in the stubbornness of my own heart.’ This will bring disaster on the watered land as well as the dry.
20 ULB Ary tsy hamela azy Yaveh, fa kosa, hirehitra amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony, ary ho tonga aminy ny ozona rehetra izay voasoratra anatin'ity boky ity, ary ho fafan'i Yaveh tsy ho eo ambany lanitra ny anarany. BSB BSB: The LORD will never be willing to forgive him. Instead, His anger and jealousy will burn against that man, and every curse written in this book will fall upon him. The LORD will blot out his name from under heaven
21 ULB Ary hatokan'i Yaveh ho eny ivelan'ny fokon' Israely rehetra amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay vaosoratra anatin'ity bokin'ny lalàna ity. BSB BSB: and single him out from all the tribes of Israel for disaster, according to all the curses of the covenant written in this Book of the Law.
22 ULB Ny taranaka ho avy, dia ireo zanaka izay handimby anareo, ary ny vahiny izay avy amin'ny tany lavitra, dia hiteny rehefa hitan'izy ireo ny areti-mandringana amin'ity tany ity sy ireo aretina izay nampahararian'i Yaveh izany— BSB BSB: Then the generation to come—your sons who follow you and the foreigner who comes from a distant land—will see the plagues of the land and the sicknesses the LORD has inflicted on it.
23 ULB Ary rehefa hitan'izy ireo fa tonga solifara sy sira mirehitra ny tany manontolo, izay tsy namafazana na inona na inona na namoha voa, izay tsy misy zava-maniry, tahaka ny naharava an'i Sodoma sy Gomoro, Adma sy Jeboima, izay noravan'i Yaveh tamin'ny fahavinirany sy fahatezerany— BSB BSB: All its soil will be a burning waste of sulfur and salt, unsown and unproductive, with no plant growing on it, just like the destruction of Sodom and Gomorrah, Admah and Zeboiim, which the LORD overthrew in His fierce anger.
24 ULB dia hiara-hilaza amin'ny firenen-kafa rehetra izy ireo hoe: "Nahoana no nanao izao tamin'ity tany ity i Yaveh? Inona no hevitr'izao firehetan'ny fahatezerana lehibe izao?' BSB BSB: So all the nations will ask, ‘Why has the LORD done such a thing to this land? Why this great outburst of anger?’
25 ULB Ary hiteny ireo vahoaka hoe: "Izao no izy satria tsy nanaraka ny faneken'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo, izay nataony tamin'izy ireo tamin'ny nitondrany azy ireo nivoaka ny tany Egypta, BSB BSB: And the people will answer, ‘It is because they abandoned the covenant of the LORD, the God of their fathers, which He made with them when He brought them out of the land of Egypt.
26 ULB ary satria izy ireo nandeha nanompo andriamani-kafa sady niankohoka tamin'izany izy ireo, dia ireo andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo ary tsy nomeny ho azy ireo akory. BSB BSB: They went and served other gods, and they worshiped gods they had not known—gods that the LORD had not given to them.
27 ULB Noho izany ny fahatezeran'Andriamanitra dia narehitra tamin'ity tany ity, ka tonga teo aminy ireo ozona rehetra izay voasoratra tamin'ity boky ity. BSB BSB: Therefore the anger of the LORD burned against this land, and He brought upon it every curse written in this book.
28 ULB Ary nofongoran'i Yaveh tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fahavinirana, ary tamin'ny fahasosorana lehibe, tsy ho amin'ny taniny izy ireo, ary nariany tany amin'ny tany hafa, mandrak'androany." BSB BSB: The LORD uprooted them from their land in His anger, rage, and great wrath, and He cast them into another land, where they are today.’
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.