1 ULB Rehefa tonga eo aminao izao zavatra rehetra izao, ireo fitahiana sy ireo ozona izay napetrako teo anolonao, ary rehefa mahatsiaro azy ireo ianao eo amin'ireo firenena hafa rehetra izay nitondran'i Yaveh Andriamanitrao anao, BSB BSB: “When all these things come upon you—the blessings and curses I have set before you—and you call them to mind in all the nations to which the LORD your God has banished you,
2 ULB ary rehefa miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao ka makanto ny feony, manaraka izay rehetra handidiako anao izao— ianao sy ireo zanakao— amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo, BSB BSB: and when you and your children return to the LORD your God and obey His voice with all your heart and all your soul according to everything I am giving you today,
3 ULB dia hanova ny fahababonao sy hanana famindram-po aminao i Yaveh Andriamanitrao; hiverina izy ary hanangona anao amin'ireo olona rehetra izay naparitak'i Yaveh Andriamanitrao. BSB BSB: then He will restore you from captivity and have compassion on you and gather you from all the nations to which the LORD your God has scattered you.
4 ULB Raha misy iray amin'ireo olonao natao sesitany any amin'ireo toerana lavitra indrindra ambanin'ny lanitra, any amin'izany no hanangonan'i Yaveh Andriamanitrao anao, ary any amin'izany no hitondrany anao. BSB BSB: Even if you have been banished to the farthest horizon, He will gather you and return you from there.
5 ULB Yaveh Andriamanitrao hitondra anao amin'ny tany izay nananan'ny razambenao, ka ho lasa fanananao indray izany; hanao soa anao izy ary hampitombo anao mihoatra noho ny nataony tamin'ireo razambenao. BSB BSB: And the LORD your God will bring you into the land your fathers possessed, and you will take possession of it. He will cause you to prosper and multiply more than your fathers.
6 ULB Ho forain'i Yaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ireo taranakao, ka ho tiavinao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo i Yaveh Andriamanitrao, mba ho velona ianao. BSB BSB: The LORD your God will circumcise your hearts and the hearts of your descendants, and you will love Him with all your heart and with all your soul, so that you may live.
7 ULB Yaveh Andriamanitrao dia hametraka ireo ozona rehetra ireo eo amin'ireo fahavalonao sy eo amin'ireo mankahala anao, ireo izay nanenjika anao. BSB BSB: Then the LORD your God will put all these curses upon your enemies who hate you and persecute you.
8 ULB Hiverina sy hankato ny feon'i Yaveh ianao, ary hanao ireo didiny rehetra izay handidiako anao izao. BSB BSB: And you will again obey the voice of the LORD and follow all His commandments I am giving you today.
9 ULB Hampahomby anao i Yaveh Andriamanitrao amin'ny asan'ny tananao rehetra, amin'ny vokatry ny tenanao, sy amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, ho fandrosoana; fa i Yaveh hifaly aminao indray nohon'ny fandrosoana, toy ny nifaliany tamin'ireo rainao. BSB BSB: So the LORD your God will make you abound in all the work of your hands and in the fruit of your womb, the offspring of your livestock, and the produce of your land. Indeed, the LORD will again delight in your prosperity, as He delighted in that of your fathers,
10 ULB Hanao izany izy raha hankato ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, mba hitandrina ireo didiny sy ireo fitsipika izay voasoratra tao amin'izany bokin'ny lalàna izany, raha miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao amin'ny fon sy fanahinao manontolo. BSB BSB: if you obey the LORD your God by keeping His commandments and statutes that are written in this Book of the Law, and if you turn to Him with all your heart and with all your soul.
11 ULB Fa ity didy izay handidiako anao izao ity dia tsy mafy loatra aminao, na lavitra loatra ny hanakaranao azy. BSB BSB: For this commandment I give you today is not too difficult for you or beyond your reach.
12 ULB Tsy any an-danitra izany, ka tokony hiteny ianao hoe: 'Iza no hiakatra any an-danitra ho antsika sy hitondra izany midina aty amintsika ary manome fahafahana antsika handre izany, mba hanaovantsika izany?' BSB BSB: It is not in heaven, that you should need to ask, ‘Who will ascend into heaven to get it for us and proclaim it, that we may obey it?’
13 ULB Tsy any ampitan-dranomasina izany, ka tokony hiteny ianao hoe: 'Iza no hiampita ny ranomasina ho antsika sy hitondra izany amintsika ary mampandre izany antsika, mba hanaovantsika izany?' BSB BSB: And it is not beyond the sea, that you should need to ask, ‘Who will cross the sea to get it for us and proclaim it, that we may obey it?’
14 ULB Fa efa akaikinao ny teny, ao amin'ny vavanao sy ny fonao, mba hahafahanao manao izany. BSB BSB: But the word is very near you; it is in your mouth and in your heart, so that you may obey it.
15 ULB Indro, nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny tsara, ary ny fahafatesana sy ratsy ankehitriny. BSB BSB: See, I have set before you today life and prosperity, as well as death and disaster.
16 ULB Raha mankato ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, izay handidiako anao ankehitriny mba hitia an'i Yaveh Andriamanitrao, handeha amin'ireo lalany, ary hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, sy ireo lalàny, dia ho velona sy hitombo ianao, ary Yaveh Andriamanitrao hitahy anao any amin'ny tany izay hidiranao ho fanananao. BSB BSB: For I am commanding you today to love the LORD your God, to walk in His ways, and to keep His commandments, statutes, and ordinances, so that you may live and increase, and the LORD your God may bless you in the land that you are entering to possess.
17 ULB Fa raha mivily lalana ny fonao, ary tsy mihaino ianao fa kosa voasarika lavitra sy miankohoka amin'ireo andriamanitra hafa ary manompo azy ireo, BSB BSB: But if your heart turns away and you do not listen, but are drawn away to bow down to other gods and worship them,
18 ULB dia ambarako anao ankehitriny fa ho faty ianao; tsy hanalava ireo andronareo ianareo any amin'ny tany izay hitànao an'i Jordana mba hidirana sy ho fananana. BSB BSB: I declare to you today that you will surely perish; you shall not prolong your days in the land that you are crossing the Jordan to possess.
19 ULB Miantso ny lanitra sy tany aho mba ho vavolombelona manohitra anao ankehitriny izay efa napetrako teo anoloanao dia ny fiainana sy ny fahafatesana, ireo fitahiana sy ireo ozona; noho izany fidio ny fiainana mba ho velona, ianao sy ireo taranakao. BSB BSB: I call heaven and earth as witnesses against you today that I have set before you life and death, blessing and cursing. Therefore choose life, so that you and your descendants may live,
20 ULB Ataovy izany mba ho fitiavana an'i Yaveh Andriamanitrao, mba hankatoavana ny feony, ary hifikirana aminy. Satria Izy no fiainanao sy halavan'ireo andronao; ataovy izany mba hiainanao any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenao, tamin'i Abrahama, Isaka, sy i Jakoba mba homena azy ireo." BSB BSB: and that you may love the LORD your God, obey Him, and hold fast to Him. For He is your life, and He will prolong your life in the land that the LORD swore to give to your fathers, to Abraham, Isaac, and Jacob.”
Select verses for actions: Enter goes to them and Escape comes back.